Ny Fiverenan’ilay Vorona Fotsy Lehibe
AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY JAPON
NITONDRA kibay teny an-tanany ireo lehilahy, handeha hamono ireo vorona fotsy tsara tarehy tsirairay. Lohovava (albatros) ireo vorona. I Hanemon Tamaoki sy ireo mpiray tetika taminy ireo lehilahy. I Torishima, nosy iray eo amin’ny 600 kilaometatra eo ho eo any atsimon’i Tokyo, ilay toerana. Ny taona 1887 tamin’izay.
Efa nanomana izany hatramin’ny taona maro i Tamaoki. Be mpitady mantsy, na teto amin’ny taniny izany na tany ivelany, ny volom-borona malefaka mba hatao sesi-kidoro, ary i Torishima dia nosy mitokana iray tsy nisy mponina afa-tsy ireo lohovava an’arivony maro tonga teo isaky ny hanatody. Tao koa ny lohovava fohy rambo, izay nanintona manokana an’i Tamaoki. Izy io no voron-dranomasina lehibe indrindra tatỳ amin’ny Ila Bolan-tany Avaratra. Boribory izay ny vatany, nilanja tokony ho valo kilaograma, ary nirefy maherin’ny roa metatra sy sasany ny fivelaran’ny elany roa. Alao sary an-tsaina fotsiny ange ny habetsahan’ny volo nandrakotra izany vatany izany e! Ankoatra izany, dia nalemy paika io vorona io, ary tsy mba nitady handositra na dia notandindomin-doza aza.
Nitondra mpiasa maro, niisa 300, nankeo amin’ilay nosy i Tamaoki mba hanampy azy hamono sy hamolo ireo vorona. Nanorina vohitra iray izy ireo, ary koa lalamby kely iray mba hitaterana ireo vorona maty. Nahomby aoka izany ilay tetika, hany ka tsy ela dia lasa mpanan-karem-be i Tamaoki — fa dia vorona dimy tapitrisa teo ho eo aloha no ripaka e! Lehibe aoka izany ilay fandripahana, hany ka rehefa nipoaka ny volkanon’ilay nosy tamin’ny 1902, ka nandrava ilay vohitra sy namono ireo mponina rehetra tao, dia nisy nihevitra fa “todin’ny namonoana ireo lohovava” izany. Na dia izany aza, dia tonga indray ireo lehilahy ireo ny taona nanaraka, mba hitady ireo vorona sisa tavela.
Nanao fandraharahana nahazoan-tombony be toy izany koa ny lehilahy iray nantsoina hoe Tatsushiro Koga. Teo amin’ny vondronosy iray ngazana be vato no nanaovany izany, teo anelanelan’i Taïwan sy i Okinawa, efa ho 1500 kilaometatra avy teo Torishima, tany amin’ny Ranomasin’i Sina Atsinanana. Hitan’i Koga koa fa nihena haingana ny isan’ireo vorona. Tamin’ny farany, dia nandao ilay nosy izy tamin’ny 1900 — saingy efa nandripaka lohovava iray tapitrisa teo ho eo.
Vokatra nampahonena nateraky ny fierenana
Loza nitondra vokany nahatsiravina io fandripahana vorona maro be io. Amin’ireo karazana lohovava maromaro, dia telo no atỳ amin’ny faritra avaratr’i Pasifika, izay misy ireo nosy nanaovany ny akaniny indrindra, norobain’i Tamaoki sy i Koga. Miharihary fa tsy nanana toeram-panatodizana hafa teo amin’izao tontolo izao ny iray tamin’izy ireo, dia ny lohovava fohy rambo (Diomedea albatrus).
Natahoran’ny tantsambo tany afovoan-dranomasina tany ny lohovava taloha. Araka ny angano sy ny lovantsofina momba ny ranomasina, dia fambara rivotra sy erikerika ary zavona izy io. Tsy angano anefa izao: Mahavita misidina miampita ranomasimbe iray ao anatin’ny andro vitsivitsy monja io vorona fotsy lehibe io, noho ny elany lava kokoa. Amin’izany dia entin’ny rivotra fotsiny izy, raha mbola atsotrany mila tsy hihetsika ny elany, amin’ny ankamaroan’ny fotoana. Tsy misy toa azy, raha ny amin’ny fahaizany misosa sy mitoetra eny an-dranomasina ela be.
Na dia afaka misosa mahafinaritra aza ny lohovava rehefa manidina, dia miadam-pihetsika sy mitavozavoza kosa izy rehefa amin’ny tany. Tsy afaka miainga haingana izy, noho ny elany lava sy ny vatany somary boribory. Nanjary voaremby mora foana izy noho izany, nampian’ny tsy nianarany hatahotra olona.
Nisy olona tsy nahatsapa andraikitra nanohy tamim-pifaliana ilay fandripahana, satria nentanin’ny fahalalana hoe ahazoam-bola ny lohovava maty. Nasehon’ny fanadihadiana iray fa latsaka ny 600 ny isan’ireo vorona tao Torishima, tamin’ny 1933. Hany herin’ny fitondram-panjakana japoney nanao fanambarana hoe tsy azon’ny olona idirana ilay nosy. Nihazakazaka nankeo amin’ilay nosy anefa ireo olona maty eritreritra mba hamono vorona betsaka araka izay azony natao, raha mbola tsy nanan-kery ilay fandrarana. Tamin’ny 1935, araka ny voalazan’ny manam-pahaizana iray, dia vorona 50 monja sisa tavela. Tamin’ny farany, dia voatery nolazaina fa lany tamingana ny lohovava fohy rambo. Izany ka vokatra mampahonena nateraky ny fierenan’ny olombelona! Nisy zava-nahagaga lehibe anefa nadiva hitranga.
Nanomboka ilay fiverenana
Indray takarivan’ny Janoary 1951, ny lehilahy iray nianika ny vatolampin’i Torishima dia taitra raha nandre feo nikoràka tampoka. Indro ny lohovava iray nifanehatra taminy! Tsy lany tamingana ihany ilay lohovava fohy rambo, ka nanatody indray tao Torishima. Tamin’itỳ indray mitoraka itỳ anefa, dia nanao ny akaniny teny an-tehezan-kavoana nila tsy ho tratran’ny olombelona ireo vorona. Ary toa nanjary natahotra olona izy ireo. Toy inona moa no tsy maintsy ho fifalian’ireo tia ny natiora!
Nanao zavatra haingana ny fitondram-panjakana japoney. Namboly bozaka izy mba hanamafisana bebe kokoa ny toerana nanorenan’ireo vorona ny akaniny, ary norarany tsy hankeo Torishima ny olona. Nolazaina ho harem-pirenena ny lohovava, ka nanjary vorona arovana maneran-tany.
Nanomboka tamin’ny 1976, i Hiroshi Hasegawa, ao amin’ny Oniversite Toho eto Japon, dia nanomboka nandinika ireo vorona ireo, ary mitsidika ilay nosy intelo isan-taona izao mba hanara-maso azy ireo. Nilaza tamin’ny Mifohaza! izy fa nanisy peratra samy hafa loko isan-taona teo amin’ny tongotr’ireo vorona ny tenany. Tamin’izany no nahitany fa indray mandeha monja ao anatin’ny telo na efa-taona vao miverina eo amin’ilay toerana nahaterahany ny lohovava fohy rambo mba hanatody. Manatody voalohany izy eo amin’ny fahenin-taonany, ary iray monja ny atodiny isaky ny mandeha. Noho izany, na dia velona 20 taona aza izy, amin’ny antsalany, dia ela be vao mitombo isa. Tamin’ireo atody 176 tao Torishima nandritra ny ririnina 1996/97, dia 90 monja no foy.
Inona no ataon’ny lohovava mandritra ny fotoana sisa? Lazain’i Hasegawa fa tsy fantatra firy ny momba izany. Azo antoka fa manalavitra tany sy olona izy ireo. Manaraka sambo sy mipetraka eny amin’ny sambo ve ny lohovava? Angano fotsiny izany, tsy misy porofo akory, araka ny voalazan’i Hasegawa. Tena azony antoka, hoy izy, fa “tsy mipetraka eny amin’ny sambo ny lohovava japoney”. Nanampy teny anefa izy fa any ho any eto amin’izao tontolo izao, “ny vorona sasany dia mety hitanontanona eny [amin’ny sambo] mandritra ny fotoana fohy, raha omena hanina”. Amin’ny ankamaroan’ny fotoana, dia manao ny zavatra hainy indrindra izy ireo — miakatra manaraka rivotra izay manamora ny fivezivezeny eny ambony ranomasimbe midadasika eny. Rehefa reraka izy ireo, dia matory mitsinkafona eo ambony ranomasina. Karazana horita sy trondro manidina sy foza ary patsabe no sakafony. Tsinjo miverina ara-potoana any amin’ny Ranomasina Béring sy ny Hoalan’i Alaska ireo vorona nasian’i Hasegawa peratra. Ary tamin’ny 1985, ny nahitana lohovava fohy rambo iray avy teny amoron-tsirak’i Kalifornia — sambany tao anatin’ny efa ho zato taona — dia niteraka fahataitairana be teo amin’ireo mpizaha vorona tany.
Ahoana ny amin’ny hoavy?
Rehefa jerena ny lafy tsaran-javatra, dia mihamitombo isa hatrany ny lohovava fohy rambo. Tamin’ny volana May lasa teo, dia notombanan’i Hasegawa fa nisy “maherin’ny 900 [izy ireo] niaraka tamin’ny zanany”. Hoy ny teny nanampiny: “Amin’ny taona 2000, dia tokony hanana vorona maherin’ny 1 000 isika ao Torishima fotsiny, raha misy maherin’ny 100 no foy isan-taona.” Mampientana koa ny nahita azy ireo nanatody indray tany amin’ny Ranomasin’i Sina Atsinanana, tamin’ny 1988, izany hoe 88 taona tatỳ aoriana. Nifidy toerana iray be vato ao anatin’ny faritany iadiana izy ireo, ka izany dia tokony hiantoka ny fiarovana azy tsy ho voahelingelin’ny olona mandritra ny fotoana elaela.
Voaonitra tsikelikely ny ratsy natao tamin’ny lohovava tamin’ny zato taona lasa izay. Izany tokoa ve? Matetika no hitan’ny mpanao fikarohana fa taitra tampoka noho ny tahotra ireo vorona ka mandoa, rehefa samboriny mba hasiana fehy. Aloany avy any anatiny any ny silaka plastika, ny briquets nariana, sy ny fako hafa natsipin’ny olona tsy mitandrina any anaty ranomasimbe, izay toeram-pisakafoan’ireo vorona.
Hitondra loza indray ho an’ilay vorona fotsy lehibe ve ny hadalan’olombelona?
[Sary, pejy 16]
Torishima, fonenan’ny lohovava fohy rambo
[Sary, pejy 16, 17]
Mpisidina mahay eto amin’izao tontolo izao ny lohovava, noho ny elany lava marotsaka
[Sary, pejy 17]
Hita indray ao Torishima ny lohovava fohy rambo