FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g98 8/6 p. 24-27
  • Nosy eo An-dalam-piforonana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nosy eo An-dalam-piforonana
  • Mifohaza!—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Vondronosy Hawaii
  • Fiorenan’ny nosy
  • Nosy mifindra toerana
  • Fiforonan’ny nosy vaovao (...)
  • (...) sy fiharavan’ny nosy tranainy
  • Ny asan’ny foiben’ny magmà
  • Hawaii Ilay Nosy Lehibe
    Mifohaza!—2008
  • Miaina eo Am-pototry ny Volkano
    Mifohaza!—2007
  • Ireo Nosy Féroé Iray na dia Sarahin’ny Ranomasina Aza
    Mifohaza!—2010
  • Fitsidihana Ilay “Tendrombohitra Afo”
    Mifohaza!—2005
Mifohaza!—1998
g98 8/6 p. 24-27

Nosy eo An-dalam-piforonana

“HAWAII”. Paradisa tropikaly sy torapasika tarafin’ny masoandro mibaliaka ary alizay mitsoka malefaka no tonga ao an-tsaina, rehefa mieritreritra ireo Nosy Hawaii. Voamarikao ve anefa fa mahagaga ny fitokanan’ireo nosy ireo? Raha mijery an’i Hawaii eo amin’ny sarintany ianao, dia hahita fa eo afovoan’ny Oseana Pasifika Avaratra no misy ireo nosy ireo — saika lavitra tanteraka ny moron-tsirak’ireo kontinanta! Araka izany, dia mety hanontany tena ianao hoe: ‘Ahoana no nahatonga ireo nosy ireo teo? Inoan’ny mpahay siansa ve fa hisy nosy hafa koa hiforona amin’ny hoavy? Inona no ampahafantarin’ireo nosy ireo antsika momba ny tena toetoetry ny tany ao ambanintsika ao?’

Ny Vondronosy Hawaii

Manjary mahafantatra tsara ireo nosy valo manao tohy vakana avy any avaratrandrefana ka hatrany atsimoatsinanana, ny ankamaroan’ny olona mitsidika an’i Hawaii. I Kauai, i Oahu, i Molokai, i Lanai, i Maui, sy i Hawaii no lehibe indrindra amin’izy ireo. Eo andrefan’i Kauai no misy an’i Niihau, izay kely kokoa, ary eo atsimoandrefan’i Maui no misy an’i Kahoolawe. Maherin’ny 10 000 kilaometatra toradroa ny velaran’ny nosy Hawaii, antsoina koa hoe Nosy Lehibe, kanefa kosa 117 kilaometatra toradroa monja ny an’i Kahoolawe kely. Fanampin’izany, dia anisan’ilay tohy vakana koa ny nosy kely lavitra hafa miisa 124, izay lasa lavitra kokoa any avaratrandrefana. I Midway, izay eo akaikin’ny tendron’ilay tohy vakana any avaratrandrefana, dia efa ho 2 500 kilaometatra avy eo amin’ny Nosy Lehibe! Valo kilaometatra toradroa monja no tontalin’ny velaran-tanin’ireo nosy kely 124, izay voaforona haran-dranomasina sy fasika indrindra indrindra. Mety àry ny ampiasan’ny olona sasany ilay anarana hoe Vondronosy Hawaii, mba hilazana ilay fitambara-nosy manontolo.

Toerana avo marin-tampona sady malalaka, any amin’ny 4 000 metatra mahery, amin’ny antsalany, miakatra avy eo amin’ny fanambanin’ny ranomasina manodidina azy, no iorenan’ireo nosy sy nosy kely ireo. Rehefa heverintsika izany, dia manomboka takatsika fa tendro sy tampon’ny tendrombohitra goavana fotsiny izy ireo, izay mipoitra etỳ ivelany. Raha ny marina tokoa, rehefa refesina avy eo am-potony ao amin’ny fanambanin’ny ranomasimbe i Mauna Kea sy i Mauna Loa, eo amin’ny nosy Hawaii, dia mahatratra 10 000 metatra eo ho eo. Izy ireo no tendrombohitra avo indrindra eto an-tany, raha raisina amin’izay heviny izay!

Fiorenan’ny nosy

Andeha isika handinika bebe kokoa ny nosy Hawaii. Nanjary fantatry ny manam-pahaizana momba ny haibolantany fa volkano dimy lehibe nitambatra ho iray, no mahaforona ilay Nosy Lehibe. Fantatry ny ankamaroan’ny mpitsidika tsara ireo telo lehibe indrindra — i Mauna Kea, izay heverina ho matory, ary izy io no avo indrindra ao Hawaii: 4 205 metatra ambonin’ny ranomasina; i Mauna Loa, izay mirefy 4 169 metatra sady manana ny hadiry lehibe indrindra ao Hawaii; sy i Kilauea, izay volkano tanora indrindra, eo amin’ny ilany atsimon’ilay nosy. Fanampin’izany, dia mahaforona ny tendro avaratrandrefan’ilay nosy ny volkano Kohala, ary manerinerina eo amoron-tsirak’i Kona i Hualalai.

Mitombo ny volkano tsirairay rehefa mamoaka ranoka volkano ka mampifanongoa azy ho sosona an’arivony maro. Manomboka any ambanin’ny ranomasina ny fipoahany, ary any dia mihamangatsiaka haingana ny ranoka volkano, ka mahaforona sosona matevina izay miendrika lela, mova tsy antontan’ondana rehefa mifanongoa. Rehefa mipoitra eny ambonin’ny ranomasina ilay volkano mihamitombo, dia maka endriny hafa indray ny fikorianan’ny ranoka volkano. Ampiasain’ny manam-pahaizana momba ny volkano ny tenin-dry zareo Hawaiiens hoe “pahoehoe”, mba hilazana ny ranoka volkano malamalama sy mivalombalona ary miendrika tady, ary ny hoe “aa”, mba hilazana ny vatom-bolkano marokoroko sy minifintsofa ary potipotika. Mitombo ilay volkano ka manjary tendrombohitra mivelatra, somary misolampy, izay mitovy endrika amin’ny ampingan’ny miaramila romana fahiny. Misy vava volkano lehibe miforona eo an-tampon’ilay volkano, rehefa mipoitra na mivoaka avy ao amin’ny lavaka akaikin’ny faritra etỳ ivelany, ny magmà, na vato miempo. Afa-tsy izany koa, dia mampihatra hery ny tahirina magmà ao anatin’ilay volkano. Manosika ny ampahan’ilay volkano hamonjy ny ranomasina io hery io, ka mahatonga tresaka lehibe maromaro. Amin’ny farany, toy ny nitranga tamin’i Mauna Kea, dia manjary mahery vaika kokoa ny fipoahan’ny volkano miendrika ampinga, ka mamoaka antontan-davenona volkanika mikitsoloha izay mitsitokotoko eny amin’ilay volkano eny.

Hita fa, hay, anisan’ny volkano velona indrindra eto an-tany i Mauna Loa sy i Kilauea. Asehon’ny fitantaran’ny Hawaiiens tompon-tany sy ny misionera sy ny mpahay siansa ary ny olon-kafa fa nisy fipoahana 48 nitranga teo amin’i Mauna Loa nanomboka tamin’ny 1832, ary nisy fipoahana maherin’ny 70 teo amin’i Kilauea nanomboka tamin’ny 1790. Naharitra ora maromaro ka hatramin’ny taona maromaro ireny fipoahana ireny. Ny naharitra ela indrindra voarakitra an-tsoratra dia ilay teo amin’ny farihin-dranoka volkano iray, teo amin’ny vava volkano Halemaumau, teo Kilauea, izay velona saika tsy an-kijanona nanomboka teo am-piandohan’ireo taona 1800 ka hatramin’ny taona 1924. Ankehitriny, dia nipoaka nanomboka tamin’ny Janoary 1983 i Kilauea, ka namoaka afo mifantsitsitra mahavariana sy onin-dranoka volkano nivarina tany an-dranomasina, indraindray.

Noho ny ranoka volkano mampiavaka azy, ny ankamaroan’ny volkano any Hawaii dia tsy misy fipoahana mihitsy na manome fipoahana malefaka ihany. Indraindray tadiavina anefa, ny rano any ambanin’ny tany mifangaro amin’ny magmà dia miteraka fipoahan’etona. Tamin’ny 1790, dia nahafaty olona tokony ho 80 ny fipoahana toy izany, rehefa nanafotra andia-miaramila teratany sy ny fianakaviany ny gaza mafana sy ny lavenona mandoro navoakan’i Kilauea.

Nosy mifindra toerana

Asehon’ny tantara voarakitra an-tsoratra momba ny 200 taona lasa fa ireo volkanon’i Hawaii sy i Maui, ireo nosy roa any amin’ny farany atsimoatsinanana, ihany no velona. Nanosika mpahay siansa handinika bebe kokoa ny tantaran’ireo vaton’ilay tohy vakana io tarehin-javatra saro-takarina io. Misy pôtasiôma bitika amin’ny endriny radiôaktifa, sy argôna, izay avy amin’ny pôtasiôma mihasimba, voatana ao anatin’ny ranoka volkano. Azon’ny mpahay siansa refesina any amin’ny laboratoara izy ireo mba hanombanana ny taonan’ireo vato. Nahariharin’ny fandalinana toy izany fa nisy hatramin’ny an-tapitrisany taona maro ilay Vondronosy Hawaii manontolo, raha zohina avy any avaratrandrefana.

Koa satria nitranga matetika kokoa teo amin’ny tapany atsimoatsinanan’ilay tohy vakana ny fipoahan’ny volkano tany Hawaii, midika ve izany fa nifindra toerana koa ny loharanon’ny magmà tao ambanin’izy ireo? Raha ny marina, dia nanjary fantatry ny manam-pahaizana momba ny haibolantany fa tsy mihetsika ny loharanon’ny magmà, izay antsoin’izy ireo hoe foiben’ny magmà. Ny fanambanin’ny Oseana Pasifika kosa no nifindra avy teo ambonin’ilay foiben’ny magmà, ka nampiala ireo volkano zary nosy tsy ho eo amin’ilay foiben’ny magmà, toy ny antontam-bato eo ambony fitateran’entana mikorisa. Mampifampikasoka ny fanambanin’ny Pasifika sy ireo kontinanta mifanila aminy ary ny tapany hafa amin’ny fanambanin’ny ranomasina, io fihetsehana io, ka miteraka ny ankamaroan’ny horohoron-tany lehibe, izay mitranga manaraka ny Sisin’i Pasifika. Raha mipetraka any Hawaii ianao, dia nikisaka tokony ho fito santimetatra sy sasany nianavaratrandrefana ny tranonao, hatramin’ny taon-dasa!

Manipy hevitra ny manam-pahaizana fa misy foiben’ny magmà hafa, toy ilay ao ambanin’i Hawaii, mahatonga ny ankamaroan’ny volkano maneran-tany, na an-tanety izany na an-dranomasina. Porofoin’ny ankamaroan’ireny foiben’ny magmà ireny koa ny fifindran’ny fipoahana, izany hoe azo inoana fa nifindra ny vohon’ny tany any amin’izay misy anao.

Fiforonan’ny nosy vaovao (...)

Koa satria nila ana hetsiny taona maro vao voaforona ireo volkano lehibe eo amin’ny Nosy Lehibe, dia azontsika ampoizina fa niala tsikelikely teo amin’ilay foiben’ny magmà ilay nosy nandritra izany fotoana izany. Koa tokony hisy volkano sy nosy vaovao àry hiforona eo ambonin’ilay foiben’ny magmà, rehefa tojo fanambanin’ny ranomasina mbola tsy voakasika izy io. Efa niseho ve izay mety ho dimbin’ireo volkanon’ny Nosy Lehibe?

Eny tokoa. Misy tendrombohitra iray eo an-dalam-pitomboana antsoina hoe Loihi any ambanin’ny ranomasina, eo atsimon’ny nosy Hawaii, ary velona ny volkano ao amin’izy io. Aza manantena anefa hoe hipoitra tsy ho ela avy ao anaty ranomasina izy io. Mbola mila misondrotra 900 metatra izy io, ka mety ho aorian’ny an’aliny taona maro izany.

(...) sy fiharavan’ny nosy tranainy

Toa tsy atahorana hilentika indray any anaty ranomasimbe ireo volkano lehibe miendrika ampinga sy vatom-bolkano misy lavadavaka mahaforona ireo Nosy Hawaii. Mamitaka anefa izany, satria tsy izany no asehon’ireo nosy bitika sy tendrombohitra milentika anaty ranomasina eo avaratrandrefan’i Hawaii. Ohatra, miorina eo ambony tendrombohitra volkanika lehibe ireo fasika sy haran-driakan’ny nosy Midway sy Kure, ary anefa any amin’ny an-jatony metatra any ambanin’ny ranomasina ankehitriny ny tampon’ireo tendrombohitra ireo. Nahoana no manjavona ny nosy volkanika?

Mikaoka tsikelikely ireo nosy ny riaka sy ny onja ary ny hery hafa. Alentiky ny lanjany koa ireo nosy rehefa manindry ny fanambanin’ny ranomasimbe. Asehon’ny hantsam-bato mitsatoka be eo amoron’ny nosy sasany ny fomba hafa iray mahasimba ny nosy volkanika — ny fihotsahan’ny tany. Nalaina sary tamin’ny sonar ireo ilan’ny nosy any ambanin’ny ranomasina, ary ireo sary azo dia mampiseho tany mihotsaka goavana miitatra am-polony kilaometatra maro mivarina any amin’ny fanambanin’ny ranomasina.

Ny asan’ny foiben’ny magmà

Eo amin’ny nosy Hawaii, rehefa tonga ao amin’ny Valam-pirenena Momba ny Volkano any Hawaii ireo mpitsidika, dia ny tenan’izy ireo mihitsy no afaka mahita ny faritra taza-maso miova foana, noho ny asan’ny foiben’ny magmà. Manara-maso fipoahana mitohy sy fipoahana mandrahona, ny mpahay siansa ao amin’ny Toeram-pandinihana Volkano any Hawaii, izay eo amoron’ny vava volkanon’i Kilauea. Nanjary takatr’izy ireo bebe kokoa ny fomba fiasan’ny volkano sy ny fomba fifindran’ny vohon’ny tany. Talanjona isika mahatakatra fa nisy hery jeôlôjika lehibe nampisy sy nanome endrika ny Vondronosy Hawaii — ilay tohy vakana kanto eo afovoan’ny Oseana Pasifika.

[Sarintany, pejy 25]

(Jereo ny gazety)

Nosy Hawaii

Niihau

Kauai

Oahu

Molokai

Lanai

Maui

Kahoolawe

Hawaii

[Sary nahazoan-dalana]

Mountain High Maps® Copyright © 1997 Digital Wisdom, Inc.

[Sary, pejy 24]

Laharana afo mifantsitsitra eo amin’ny tsefaka atsinanan’i Kilauea

[Sary, pejy 24, 25]

Fipoahana eo amin’i Kilauea

[Sary nahazoan-dalana]

Volkano: Dept. of Interior, National Park Service

[Sary, pejy 25]

Onin-dranoka volkano eo amin’i Mauna Loa

[Sary, pejy 26]

Rindrin’afo eo amin’i Mauna Loa

[Sary nahazoan-dalana]

Ambony havia sy ambany havanana: Dept. of Interior, National Park Service

[Sary, pejy 26]

Fipoahan’afo mifantsitsitra eo amin’i Kilauea

[Sary nahazoan-dalana]

U.S. Geological Survey

[Sary, pejy 26]

Farihin-dranoka volkano eo amin’i Kilauea

[Sary nahazoan-dalana]

Ambony havia sy ambany havanana: Dept. of Interior, National Park Service

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara