Zanaka Iray Nomena Anarana hoe Mahantra
FALY ny lehilahy iray nantsoina hoe Okot sy i Matina, vadiny, nonina tao amin’ny vohitra kely iray atsy Afrika, rehefa teraka ny zanany voalohany, izay vavikely. Tonga tao amin’ilay vohitra ny havana aman-tsakaiza mba hitondra fanomezana sy hirary an’ilay zaza ho ela velona sy ho sambatra.
Olona sahirana mafy sy tso-piaina izy mivady. Nanao fambolena teo amin’ny tanimboly kely izy ireo, ary trano tany mitafo bozaka no nipetrahany, ka tao i Matina no niteraka. Tapa-kevitra ny hiasa mafy izy ireo mba hananan’ny zanany vavimatoa toe-piainana tsara kokoa noho ny azy ireo. Mba hampahatsiahivana azy ireo izany tanjona izany, dia nantsoiny hoe Acan, izay midika hoe “Mahantra Aho”, ny zanany vavy.
Inona no tahirizin’ny hoavy ho an’i Acan? Raha ho tahaka ny fiainan’ny maro ao amin’ny fireneny ny fiainany, dia mety tsy hianatra hamaky teny sy hanoratra mihitsy izy. Rehefa lehibe izy, raha afaka mahita asa, dia mety hahazo vola mihoatra kelin’ny 1 000 000 FMG monja, isan-taona. Ary 42 taona monja ny halavam-piainan’ny olona, ao amin’ny taniny.
Tsy maningana i Acan. Amin’ireo mponina efa ho 6 arivo tapitrisa eto an-tany, dia 1,3 arivo tapitrisa eo ho eo no mahazo vola latsaka ny 2 000 000 FMG isan-taona. Ny salan’ny azon’ny olona iray, any amin’ny tany manankarena, dia 116 000 000 FMG eo ho eo. Misy olona 67 000 fanampiny, isan’andro, manatevin-daharana ireo mahantra sesehena, izany hoe olona tokony ho 25 tapitrisa isan-taona. Atỳ amin’ny tany an-dalam-pandrosoana — atỳ Afrika sy any Azia sy Amerika Latina — no misy ny ankamaroan’izy ireo. Na dia any amin’ireo tany manankarena aza anefa, dia misy faritra mahantra. Ary vehivavy ny 7 amin’ny olona mahantra 10, eto amin’izao tontolo izao.
Tsy afa-mandositra ny fahantrana faraidiny mihitsy ny ankamaroan’ny olona. Tsy mba afaka mahazo ny zavatra fototra indrindra ilainy — sakafo sy fitafiana ary fialofana — izy ireo, satria mahantra. Ny fahantrana dia afaka manaisotra amin’izy ireo ny fahafahana, ny fahamendrehana, ny fahafahana hianatra ary ny fahasalamana. Hoy ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana: “Mampihatra ny heriny mandrava ny fahantrana, eo amin’ny ambaratonga rehetra amin’ny fiainan’olombelona, manomboka amin’ny fahatorontoronina, ka hatrany am-pasana. Miara-mioko izy sy ny aretina faran’izay mahafaty sy mampijaly, mba hampahory mafy dia mafy an’izay rehetra tratrany.”
Tsy efa mihatsara ve anefa ny fari-piainan’ny olona atỳ amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana? Any amin’ny firenena sasany izany, fa tsy any amin’ny firenena maro hafa. Lazalazain’ny gazetiboky Choices izay mivaofy momba ny fampivoarana ny maha-olona, ho ‘hevi-dravina mampidi-doza’ ny hevitra ny amin’ny hoe “eo am-pahatratrarana ny manankarena ny mahantra”. Mifanohitra amin’izany kosa, fa milaza toy izao izy io: “Isika dia miaina ao amin’ny tontolo iray izay manjary voazarazara kokoa ara-toe-karena, raha ny marina, eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy ao anatin’ny firenena tsirairay.”
Hitohy mandrakizay ve ny famelezan’ny fahantrana ny olombelona? Ao amin’ireo lahatsoratra roa manaraka, ny Mifohaza! dia mandinika io loha hevitra sarotra io sy mampiseho hoe inona no ho vahaolana.