Afaka Miova ho Biby Tokoa ve ny Olona?
AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ATSY AMIN’NY RÉPUBLIQUE CENTRAFRICAINE
MATY ilay mpimasy. Nihevitra anefa ireo olona nitangorona tao an-tokotaniny fa niova ho zavatra hafa fotsiny izy. Nisy bibilava ngeza be niporitsaka nivoaka ny tranony mantsy, tamin’ny fotoana nahafatesany! Nisy nihevitra fa fifanandrifian-javatra fotsiny izany. Ny hafa anefa nihevitra fa porofo tsy azo lavina iny hoe niova ho bibilava ilay mpimasy!
Tena mino ny ankamaroan’ny Afrikanina fa afaka miova na azo ovana ho biby ny olona. Mino ny olona matetika fa afaka miova ho voay sy bibilava ny mpamosavy. Betsaka koa no matahotra sao dia hovan’ny mpamosavy ho biby. Inoan’ny olona atsy Afrika Andrefana, ohatra, fa afaka mandefa ny fanahin’ny olona ho ao anaty vorona na biby hafa ny mpamosavy, mba hanisiana ratsy olona. Tsy mamono elefanta sy bibilava mihitsy ny olona sasany atỳ Afrika Afovoany. Matahotra mantsy izy ireo sao niova ho ny iray amin’ireny biby ireny ny havany efa maty.
Mety ho hafahafa ihany ny finoana toy izany ho an’ny mpamaky sasany, kanefa Afrikanina maro no mino fa misy vavolombelona nahita an’ireny fiovana ireny mihitsy. Maro be ny tantara toy ireny notantarain’ny olona salama saina tsara, ka tsy mino izy ireo hoe kisendrasendra fotsiny ireny.
Betsaka koa ny finoana mitovitovy amin’izany hita eran-tany. Any Japon, ohatra, dia misy mino fa mety hiova ho fosa sy alika ary mety hiova ho biby mampinono hafa ny olona. Ny zavakanto eoropeanina koa dia ahitana ny angano momba ireo lehilahy miova ho alikadia mpamiravira rehefa alina. Misy koa angano any amin’ny tany hafa milaza fa afaka miova ho olona ny tigra, lambo, voay, ary na ny saka koa aza.
Manamarina izany ve ny Baiboly?
Misy aza milaza fa hamarinin’ny Baiboly hoe tena miova ho biby tokoa ny olona. Misy tantara efatra ao amin’ny Baiboly raisina matetika hanaporofoana an’izany. Ny voalohany dia ny namoahan’i Jesosy ireo demonia tao amin’ny lehilahy roa, ka lasa niditra tao amin’ny andian-kisoa ireo demonia. (Matio 8:28-33) Ny fitantarana ao amin’ny Nomery 22:26-35 ny faharoa. Tantaraina ao fa niresaka tamin’i Balama ny borikiny. Ny fahatelo dia ny menarana niresaka tamin’i Eva tao amin’ny zaridainan’i Edena; io angamba no be mpahalala indrindra.—Genesisy 3:1-5.
Rehefa dinihina akaiky anefa ireny fitantarana ireny, dia hita fa tsy ohatra mampiseho olona niova ho biby mihitsy izy ireny. Diniho ny ohatr’ireo kisoa nisy demonia. Tsy milaza ny Baiboly hoe olona novana ho biby ireo kisoa ireo. Milaza ilay fitantarana hoe “nihinana teny lavidavitra” ny “kisoa maro andiany iray.” (Matio 8:30) Demonian’i Satana no niditra tamin’ireo kisoa fa tsy fanahin’olombelona akory.
Ahoana ny amin’ny borikin’i Balama sy ilay menarana tao Edena? Raha ny amin’ny borikin’i Balama, dia milaza tsara mihitsy ny Baiboly hoe “nosokafan’i Jehovah ny vavan’ny boriky” mba hahafahany hiteny. (Nomery 22:28) Tsy olona akory no niova ho biby. Ary momba ilay menarana tao Edena indray, dia milaza ny Baiboly fa ilay fanahy ratsy atao hoe Satana Devoly no antsoina hoe: “Ilay menarana ela.” (Apokalypsy 12:9) I Satana no niteny tamin’ny alalan’ilay menarana, ka ‘namitaka an’i Eva tamin’ny fihendreny.’ (2 Korintiana 11:3) Tsy niova akory ny borikin’i Balama sy ilay menarana. Efa biby izy ireo na talohan’ny nitenenany, na nandritra ny nitenenany, na taorian’izay.
Tantara fahefatra voatonona matetika koa ny tantaran’i Nebokadnezara, mpanjaka babylonianina niavonavona. Milaza ny Baiboly fa naetrin’Andriamanitra i Nebokadnezara. “Ny fony natao tahaka ny an’ny biby, ary ny fonenany tany amin’ny boriki-dia, dia nampihinanina ahitra toy ny omby izy, ary kotsan’ny andon’ny lanitra ny tenany, ambara-pahafantany fa Andriamanitra Avo Indrindra no manapaka amin’ny fanjakan’ny olona.” (Daniela 5:21) Toy ny biby no fijery an’i Nebokadnezara sy ny fihetsiny nandritra ireo fito taona nahavoa ny sainy. Milaza ny Daniela 4:30 fa ‘naniry toy ny an’ny voromahery ny volony, ary ny hohony toy ny an’ny vorona.’ Tsy hoe tena lasa nisy volom-borona na hohom-borona anefa tamin’ilay mpanjaka. Mbola olombelona foana izy!
Mifanohitra tanteraka amin’ny fampianaran’ny Baiboly ny fiheverana hoe misy hery tsy araka ny natiora mahatonga ny olona hiova ho biby. Asehon’ny Baiboly mantsy fa tsy manana fanahy mbola velona aorian’ny fahafatesana isika. Tsy afaka mifindra mankany amin’ny biby àry izany fanahy izany, satria milaza mazava ny Baiboly hoe “ny fanahy izay manota no ho faty.” (Ezekiela 18:4) Mifanohitra amin’ny lalàna voajanahary napetrak’i Jehovah Andriamanitra koa ny fiheverana fa miova ho biby ny olona. Natao hanan-taranaka “samy araka ny karazany avy” ny biby. (Genesisy 1:24, 25) Efa nisy fetra napetrak’Andriamanitra momba ny fandovan-toetra. Koa tsy mety hivady ka hanan-taranaka ny biby samy hafa karazana. Manoatra lavitra noho izany ny tsy fitovian’ny biby sy ny olona izay nataon’Andriamanitra ‘tahaka ny endriny.’ (Genesisy 1:26) Azo antoka fa tsy Andriamanitra indray no hanao tsinontsinona ny lalàna napetraky ny tenany ihany, ka hamela ny olona hanova tena ho biby tsy manan-tsaina.
Marina fa mahita fiovana na fiofoana isika eo amin’ny zavaboary. Ohatra, miova ho lolo ny fanday, ary lasa sahona ny tsiboboka. Rehefa dinihina akaiky anefa ireny fiovana ireny, dia hita fa tsy miova ‘karazana’ akory ilay biby. Anisan’ny dingana eo amin’ny fivoaran’ny ‘karazana’ sasany fotsiny izany. Tsy maintsy hanana taranaka “araka ny karazany avy” ihany ireny biby ireny rehefa lehibe.
Tsy voatery ho marina izay hita rehetra
Nahoana àry no misy olona nanatri-maso, mitantara amintsika fa tena nahita olona niova ho biby mihitsy izy? Mazava ho azy fa izany dia anisan’ny “fiàsan’i Satana amin’ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin’izay ho very.”—2 Tesaloniana 2:9, 10.
Mitovy amin’ny mpampijaly kely rehetra ihany ny demonia. Te hampino ny olona fotsiny izy ireo hoe mahery izy, kanefa tsy izany akory. Manome “famantarana” mampiaiky izy ireo, kanefa mitovy amin’ny fitaka ataon’ny mpangalatra sy ny mpisoloky ihany ireny.
Toy izany no ataon’ireo mpanambaka milalao karatra eran’ny tsenan’i Afrika. Tsy menatra akory izy ireo mandrokidroky vehivavy mpikarakara tokantrano. Milalao karatra hosoka ireny mpanambaka ireny mba hahavery ny vola efa nisahiranan’ireo vehivavy mpikarakara tokantrano. Mampiseho karatra telo amin’ilay vehivavy hilalao izy, mena roa ary mainty iray. Lazainy amin’ilay vehivavy fa honerana avo roa heny ny volany, raha ny karatra mainty no voatsoakany. Misalasala aloha ilay vehivavy, raha tsy mahita olona mahazo amin’ilay lalao. Tsy fantany akory fa mpiray tsikombakomba amin’ilay mpisoloky ihany ilay olona lazaina fa nahazo. Mametraka ny volany hatao fanamby àry izy, ary ilay karatra mainty ihany no banjininy rehefa pasohina ny karatra. Menatra sady tsiravina àry izy avy eo, mahita fa karatra mena no voatsoakany tao. Laniny ny vola hatao sakafon’ny fianakaviany. Maty antoka izy noho ny fitsiriritany tafahoatra sy ny hakingan-tanan’ny mpisoloky! Tara loatra anefa izy vao nahafantatra hoe tsy voatery ho marina izay hita rehetra.
Toy izany koa, fa mahafinaritra an’i Satana sy ireo demoniany ny mamitaka ny olona, mba hieritreritra fa afaka miova ho biby ny olona. Mpamitaka raindahiny i Satana. Izy mihitsy no voalohany nandainga, rehefa nilaza tamin’i Eva hoe: “Tsy ho faty tsy akory hianareo; . . . ho tahaka an’Andriamanitra hianareo.” (Genesisy 3:4, 5) Nahatonga fampianarana maro samihafa izany lainga izany ka lasa natahotra ny olona satria hoe tsy maty ny fanahy, misy ny afobe, ary mety hiova ho biby ny olona. Mahavita mandoa vola be mihitsy àry ny olona atỳ Afrika, mba “hanaovana vaksiny” izay heverin’izy ireo fa hiaro azy tsy hiova ho biby. Andevozin’ny “fampianaran’ny demonia” anefa ireny olona ireny, raha ny marina, ka voasakana tsy hanao ny sitrapon’Andriamanitra.—1 Timoty 4:1; Jakoba 4:7.
Ny tena fiovana marina
Angamba ianao nino na natahotra mihitsy aza fa afaka miova ho biby ny olona. Diniho àry izay lazain’ny Baiboly ao amin’ny Romana 12:2. Ny teny grika hoe me·ta·mor·phoʹo, izay midika hoe fiovan-toetra, no nampiasaina tao amin’ny soratra tany am-boalohany. Izao no vakiny: “Miovà [me·ta·mor·phouʹsthe] amin’ny fanavaozana ny saina.” Miresaka ny amin’ny fiovana mety hitranga io, izany hoe fiovan-toetra tanteraka!
Tsy maintsy manao izany fiovana izany ireo olona te hampifaly an’Andriamanitra, satria milaza ny Baiboly hoe: “Efa narianareo ny toetra taloha mbamin’ny asany; ary efa notafinareo ny toetra vaovao, izay havaozina ho amin’ny fahalalana tsara araka ny endrik’Izay nahary azy.”—Kolosiana 3:9, 10.
Ahoana no hahafahanao hiova? Tokony ho azonao tsara ny fahalalana araka ny marina avy ao amin’ny Baiboly. Marina fa mety hahatonga anao hanary izay hevitra sy finoana nahafinaritra anao taloha izany. Kanefa nilaza i Jesosy fa ‘ho fantatrao ny marina, ary ny marina hahafaka anao tsy ho andevo.’ (Jaona 8:32) Eny tokoa, ho afaka amin’ny tahotra tsy marim-pototra momba ny fiovana ho biby ianao.
[Sary, pejy 13]
Tsy voatery ho marina izay “hitan’ny” masontsika
[Sary nahazoan-dalana, pejy 11]
Mpimasy: Courtesy Africana Museum, Johannesburg