Mahaliana ny Tanora ve ny Fivavahana?
AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY FRANTSA
TSY maintsy ho takarivam-pifaliam-be ilay izy ho an’ireo tanora 750 000 nanatrika teo. Nanofahofa saina sy nihira ary nitehaka izy ireo. Niakatra teny amin’ny lanitra ny taratra laser sy ny afomanga, ary nisy mpitendry zavamaneno nanentana ny vahoaka. Nitovy tamin’ny “toeram-pandihizana goavana namboamboarina teo no ho eo” ilay izy. Tamin’ny farany, dia tonga teo amin’ny lampihazo, narahina horakora-pihobiana, ilay lehilahy nandrasan’izy ireo.
Moa ve izany fanombohan’ny fampisehoana hitetezan’ny tarika rock iray an’izao tontolo izao? Tsia. Fivoriambe ara-pivavahana tao Paris ilay izy, nandritra ireo Andro Iraisam-pirenena ho An’ny Tanora Katolika, ary tsy iza tsy akory ilay lehilahy fa ny Papa Jean-Paul II!
Mety ho toa hafahafa amin’ny sasany ny fahalianan’ny tanora amin’ny fankalazana ara-pivavahana toy itỳ. Ankehitriny anefa, ny fampitam-baovao dia miresaka momba ny fahalianan’ny tanora indray amin’ny fivavahana.
Zavatra hita eo ivelany
Toa miroborobo ny fivavahana, raha jerena ivelany fotsiny. Tokotokony ho ny 68 isan-jaton’ny tanora eoropeanina no milaza tena ho mpikambana ao amin’ny fivavahana iray, ary mihoatra ny 90 isan-jato io isa io, any Irlandy. Any Armenia, repoblika sovietika teo aloha, izay niheveran’ny olona maro ny fivavahana ho fomba fanao nilaozan’ny toetr’andro, dia nilaza toy izao ny mompera iray, momba ny eglizy izay foana taloha, nefa feno mpiangona ankehitriny: “Gaga aho mahita ny fanintonan’ny fivavahana ny tanora.”
Nampahafantatra ombieny ombieny ny fidiran’ny tanora ao amin’ny antokom-pivavahana madinika sy mpanao fanasitranana, ny fampitam-baovao any amin’ny tany maro. Be mpitia ny fankalazana ara-pivavahana, toy ilay voalaza etsy am-piandohana. Inona anefa no mitranga rehefa mijery lalina kokoa isika?
Fandinihana akaiky kokoa
Ahariharin’ny fandinihana akaiky kokoa fa nino an’Andriamanitra ny 81 isan-jaton’ny tanora frantsay tamin’ny 1967, nefa latsaka ny antsasak’izany tamin’ny 1997. Atỳ Eoropa manontolo, dia ny 28 isan-jaton’ny tanora monja no mino Andriamanitra velona iray. Tsy mahagaga àry raha ny 12 isan-jaton’ny tanora monja, atỳ Eoropa, no mivavaka matetika. Ahoana no ahitana taratr’izany eo amin’ny fomba fiheveran’ny tanora ny fivavahana?
Any Danemark, dia ny 90 isan-jaton’ny tanora no milaza tena ho mpiangona ao amin’ny eglizim-pirenena. Telo isan-jato monja no milaza ny tenany ho mpiangona mazoto. Tamin’ny 1997, dia nisy fitsapan-kevitra nataon’ny La Croix, gazety katolika iray eto Frantsa, nampiseho fa ny 70 isan-jaton’ny tanora frantsay no miaiky fa tsy manan-kery firy eo amin’ny fiainan’izy ireo ny fivavahana. Mihevitra ny traikefa ananan’ny tenany ho zava-dehibe kokoa noho ny fampianaran’ny fivavahana iray ny telo ampahefatr’izy ireo. Mitovy amin’izany koa ny toe-javatra any amin’ny ankamaroan’ireo tany eoropeanina hafa.
Nahoana ny tanora no miala amin’ireo eglizy? Mihevitra ny ankamaroan’ireny tanora ireny fa tsy mendri-pitokisana ireo fivavahana lehibe. Eto Frantsa, ohatra, ny ankamaroan’ireo tanora dia mihevitra ny fivavahana ho anton-javatra mahatonga fisaraham-bazana eto amin’izao tontolo izao. Fanampin’izany, dia fahita matetika ny tanora izay mihevitra toa an’i Judith, 15 taona, Katolika iray avy atsy Espaina. Hoy izy: “Tsy manaiky izay lazain’ny eglizy momba ny fari-pitondran-tena aho.” Toy izany koa fa, hitan’i Joseph, 20 taona, avy any Taïwan, ho “fatra-panaraka ny fomba nentim-paharazana” ny fivavahana. Raha tsy manaiky ny fampianaran’ny fivavahana misy azy anefa ny ankamaroan’ireo tanora, inona àry no inoany?
Fivavahana araka izay tiana
Ankehitriny, dia toy ny fifidianana sakafo ao amin’ny hotely fisakafoana mazàna no ifidianan’ny tanora ny zavatra inoana ara-pivavahana. Antsoin’ny gazetiboky iray hoe ‘fanarahana fivavahana araka izay tiana’ ilay izy. Niresaka izany ‘fomba fanarahana fivavahana izany ho toy ny fitetezana magazay’ ny gazetiboky katolika iray. Manjary fatra-piely ankehitriny ny hevitra izay nihananjary nilaozan’ny toetr’andro taloha. Araka izany, atỳ Eoropa, dia tokotokony ho ny 33 isan-jaton’ny tanora no mino ny hasin’ny ody mahatsara vintana, ny 40 isan-jato mino fa afaka manambara mialoha izay hitranga ny mpamantatra ny hoavy, ary ny 27 isan-jato mino fa misy heriny eo amin’ny fiainan’ny olona ny kintana. Anisan’ny zavatra inoan’ny tanora eoropeanina maro ankehitriny ny hevitra toy ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao.
Maro samihafa aoka izany ireo zavatra inoana ara-pivavahana, hany ka afaka mifidy hevitra izay mifanaraka amin’izay tian’ny tenany manokana ny tanora. Vitsy no mino fa tsy misy fivavahana marina afa-tsy iray monja. Koa satria mifidy izay zavatra tiany hinoana ny tanora, dia manjary tsy hita firy intsony ny fahasamihafan’ny zavatra inoany ara-pivavahana. Noho izany, ankehitriny ireo sôsiôlôgy dia miresaka momba ny “fampanjavonana miandalana”, na ny “fanimbana tsikelikely” ny fanekem-pinoana nekena hatramin’izay. Ahoana no fihetsiky ny fivavahana nentim-paharazana eo anoloan’izany rivo-piainana ara-panahy izany?
Mitady tanora ny fivavahana
Zava-tsarotra amin’ny fivavahana ny misarika ny tanora. Nanontany toy izao ny mompera frantsay iray, momba ireo vahoaka betsaka nanatrika ilay fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho An’ny Tanora Katolika, tao Paris: “Avy aiza ireo tanora ireo? Tsy manana tanora na dia iray aza ireo egliziko. Mbola tsy hitako mihitsy izy ireo.” Mba hisarihana sy hihazonana ny fahalianan’ny tanora, dia voatery manova ny fomba fitoriny sy ny fisehoany ivelany ny Eglizy Katolika.
“Manova ny fomba fanaony ny eglizy!”, hoy ny fanambaran’ilay gazety frantsay hoe Le Figaro. Tamin’ilay fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena faha-12 ho An’ny Tanora, tao Paris, dia nampiasa kompania manana traikefa amin’ny fanaovana rindran-kira rock ny eglizy mba hikarakara ilay fampisehoana. Maherin’ny 300 ny fampisehoana natao mba hampialana voly ireo tanora nitsidika avy tany amin’ny firenena 100 mahery, ary nisy fitafiana nozairin’ny mpanjaitra malaza natao manokana ho an’ireo mpitondra fivavahana.
Koa satria tsy nahatakatra izay ilain’ny tanora amin’izao andro izao ny fivavahana maro, ka mahatsapa ny ilana hampifanara-javatra, dia manjary mandray olona avy amin’izao karazam-pinoana rehetra izao. Ahitana taratr’izany tetika izany izao tenin’i Michel Dubost izao: “Mazava ho azy, fa ho tiako raha ho mahatoky eo anatrehan’i Kristy avokoa ireo natao batemy rehetra. Na dia tsy mahatoky aza anefa izy ireo, dia manana ny toerany ihany ato amin’ny eglizy.” I Michel Dubost dia ilay mpitondra fivavahana nandamina ilay fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho An’ny Tanora, tao Paris.
Mitady valiny ny tanora
Nasongadin’ny gazety iray fa tena mitady valiny ho an’ny fanontaniany tokoa ny tanora. Nolazainy koa fa ny fanatrehan’izy ireo ilay fankalazana ara-pivavahana tao Paris dia “antsoantso ho fanehoana hetahetam-pinoana, fa tsy antsoantso ho fanehoam-pinoana”. Nahazo valiny avy tamin’ny Eglizy Katolika ve izany antsoantso izany?
Rehefa tsy heverinao ny zavatra hita eo ivelany, na rehefa mandinika ilay antsoin’ny gazety katolika iray hoe “zavatra mamitaka ny maso” amin’ny fankalazana ara-pivavahana lehibe ianao, inona no sisa tavela? Nilaza ilay gazety frantsay hoe Le Monde fa “tsy nisy votoatiny” tao anatiny.
Na dia zava-dehibe aza ny fomba andravahana ny sakafo aroso, dia tokony ho mahavelona koa ilay sakafo. Mitaky valiny mahavelona ara-panahy amin’ireo fanontaniany momba ny hevitry ny fiainana, ny tanora. Tsy mahafa-po ny tanora ny valin-teny mahafinaritra nefa tsy misy heviny, aroso ho azy ireo.
Koa satria tsy misy heviny ny fisehoan-javatra ara-pivavahana toy ireny, moa ve hanana vokany maharitra eo amin’ireo tanora amin’izao andro izao izy ireny? Izao no fanamarihan’i Danièle Hervieu-Léger, sôsiôlôgy frantsay: “Tsy antenaina firy ny hisian’ny vokany sosialy maharitra avy amin’ireny zava-niseho nanaitra ireny.” Aiza àry no mety hahitan’ireo tanora valiny mahafa-po amin’ireo fanontaniany?
Valiny mahafa-po
Namoaka lahatsoratra momba ny zava-manahirana atrehin’ny tanora ilay gazetiboky frantsay hoe Le Point, tamin’ny 1997. Fanampin’ny fanontaniana momba ny hevitry ny fiainana apetraky ny ankamaroan’ireo tanora matetika, dia tsy maintsy miatrika heloka bevava sy herisetra koa izy ireo. Azo atao ve ny mandresy izany? Nanazava toy izao ny lahatsoratra tao amin’ilay gazetiboky: “Teo amin’ny faha-30 taonany, dia nanomboka nanahy momba ny fahasimbana nentin’ny zava-pisotro misy alkaola sy ny zava-mahadomelina ary ny herisetra teo amin’ny vatany i David. Nandondòna tao am-baravarany ny Vavolombelon’i Jehovah mba hitondra valiny ho an’ny fanantenany ho afaka amin’ny fahatsiarovana ho meloka. Nianatra izy. Niova finoana izy. Naloany ny trosany tamin’ny filokana, ary nonerany ny volan’ireo rehetra tsy nahalala akory hoe nofetseny tamin’ny lalao poker anie izy ireo. Tsy mifoka, misotro na miady intsony izy.”
Nanohy ny teniny toy izao ilay lahatsoratra, momba ny tanora hafa izay nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Nahita ny valiny rehetra ho an’ny fanontaniany rehetra izy ireo.” Nilaza tsotra toy izao ny Vavolombelona tanora iray momba izany: “Efa roa arivo taona izao no nilazan’ny Baiboly ny fahamarinana, koa nahoana aho no tokony hitady tari-dalana any an-toeran-kafa?”
Mirakitra hafatra ho an’ny tanora ny Tenin’Andriamanitra. Manampy azy ireo hiatrika ny olana amin’izao andro izao ny torohevitra azo ampiharina ao anatiny, ary manome azy ireo fototra mafy orina hinoana hoavy hanjakan’ny filaminana sy ny firahalahiana. Ao amin’ny tontolo miovaova tsy an-kijanona, ny fanantenana omen’ny Baiboly dia “vatofantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika”, ka manome tsy fihilangilanana sy fampiononana. (Hebreo 6:19). Nahita heviny marina teo amin’ny fiainany ny tanora ana hetsiny maro tamin’ny alalan’ny fianarany ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hitan’ny tenan’izy ireo mihitsy ny fomba itondran’ny Baiboly fiovana lalina kokoa. Rehefa manaiky ny valiny omen’ny Baiboly ny tanora, dia hitany fa valian-tsoa ny fitadiavany tena finoana.
[Sary, pejy 12]
Nahasarika tanora an’arivony maro ny fankalazana ara-pivavahana tao Paris
[Sary, pejy 13]
Andro Iraisam-pirenena ho An’ny Tanora, tao Paris — tena fahalianana indray amin’ny fivavahana ve?