Ny Antony Andavan’ny Maro Tsy Handray Ra
NANTSOINA hoe fanapahan-kevitra nanan-tantara ny fanapahan-kevitry ny fitsarana iray any Ontario, izay nihazona ny Vokovoko Mena any Kanada ho tompon’andraikitra amin’ny nahazoan’ny olona roa ny otrikaretina VIH, rehefa samy nampidirana ra voaloto, avy tamin’ny olona iray ihany nanome ra, izy ireo. “Rehefa nandrahona ny ain’ny nampidiran-dra ny zavatra mahatsiravina toy ny ra voaloto”, hoy ilay Mpitsara atao hoe Stephen Borins, “dia tena ilaina ny hanaovan-javatra haingana.”
Kanadianina tokony ho 1 200, nandritra ireo taona 1980, no nahazo otrikaretina VIH, ary 12 000 fanampiny no voan’ny hépatite C, ireo rehetra ireo dia noho ny ra voaloto sy ny zavatra misy ra voaloto avokoa. Mba hampihenana ny isan’ny olona nahazo otrikaretina, dia natao tamim-pitandremana be kokoa ny fitiliana ireo mpanome ra. Tsy ny mpanome ra rehetra anefa no milaza ny marina momba ny firaisana ara-nofo nataony. Ny fanadihadiana iray natao tany Etazonia, ohatra, dia nampiharihary fa mpanome ra 1 amin’ny 50 no tsy nampahafantatra ireo lafin-javatra mety hampidi-doza, toy ny hoe lehilahy miray amin’ny lehilahy na vehivavy miray amin’ny vehivavy izy, na efa nanao firaisana tamin’ny mpivaro-tena izy.
Manampy trotraka ilay olana saro-bahana koa ny hoe tsy azo ianteherana ho marina ny valin’ny fitsirihana ny ra. Araka ilay gazetiboky hoe New Scientist, “raha manome ra ny olona iray ao anatin’ny roa tokom-bolana latsaka taorian’ny nahazoany VIH, ny fitsirihana atao ao anatin’izay fotoana izay dia tsy hahitana ireo virosy. Mety haharitra hatramin’ny roa volana mahery aza io ‘fe-potoana tsy hisehoan’ny soritr’aretina’ io amin’ny hépatite C”.
Tato anatin’ireo taona faramparany, dia nihena be ny isan’ireo Kanadianina naniry hanome, na handray, ra. Izao no tenin’ilay mpanoratra an-gazety atao hoe Paul Schratz: “Koa satria nihena be ny olona marisika hanome ra, ary niakatra be ny isan’ireo izay tsy afaka manome ra, dia misaotra an’ireo Vavolombelon’i Jehovah isika fa nisava lalana izy ireo teo amin’ny fikarohana zavatra hafa azo asolo ny ra.”
Mahaliana fa manao tatitra ny The Toronto Star fa nandritra ny taona iray vao haingana, dia olona 40 eo ho eo “nisoratra anarana tao amin’ireo hôpitaly eto Kanada no nisandoka ho Vavolombelon’i Jehovah, satria tsy tiany ny hampidiran-dra aminy”. Asehon’ny fanadihadiana fa sahabo ho 90 isan-jaton’ireo Kanadianina no tia kokoa zavatra hafa azo asolo ny ra, toy izay ra avy tamin’ny mpanome ra. Tsy raharaha mahakasika ny fivavahana intsony, araka izany, ny fampiasana ra.