Ny Fiheveran’ny Baiboly
Ny Hasarobidin’ny Fitoerana ho Irery
INDRAY mandeha, dia ‘niakatra tao an-tendrombohitra i Jesosy mba hitokana hivavaka; ary nitoetra irery teo Izy, nony hariva ny andro’. (Matio 14:23). Tamin’ny fotoana hafa indray, “raha vao naraina ny andro, dia lasa nankany amin’ny toerana mangingina anankiray izy”. (Lioka 4:42, Fandikan-teny Katolika). Ireo andinin-teny ireo dia manaporofo fa nitady fotoana i Jesosy Kristy indraindray, mba ho irery, ary noheveriny ho sarobidy ireny fotoana ireny.
Misy ohatra hafa ny amin’ny lehilahy, toa an’i Jesosy, izay nihevitra ny fitoerana ho irery ho sarobidy, ao amin’ny Baiboly. Nandritra ny fotoana niambenany irery tamin’ny alina no nisaintsainan’ny mpanao salamo ny fahalehibeazan’ny Mpamorona Lehibe azy. Ary raha ny amin’i Jesosy Kristy, dia nandeha ‘nitokana tany an-tany foana’ izy, raha vao nandre ny vaovao momba ny nahafatesan’i Jaona Mpanao Batisa. — Matio 14:13; Salamo 63:6.
Amin’izao fiainana maoderina feno tabataba sy fisafotofotoana izao, dia tsy heverin’ny olona ho zava-dehibe loatra ny fitoerana ho irery, na nifidy ny hitoetra irery izy, na noteren’ny toe-javatra. Tadidinao ve hoe oviana ianao no irery farany? Nilaza toy izao ny vehivavy tanora iray manambady: “Mbola tsy irery mihitsy aho teo amin’ny fiainako.”
Fa tena ilaina ve anefa ny fitoerana ho irery? Raha eny, ahoana no azo ampiasana ny fotoana mangina mba handraisan-tsoa sy hahafinaritra? Inona no anjara asan’ny fahaiza-mandanjalanja rehefa mitady fotoana hitokanana irery ny tena?
Nahoana no sarobidy ny fitoerana ho irery?
Milaza amintsika ny Baiboly fa nitady fotoana hitokanana irery ‘tany an-tsaha, ny lehilahin’Andriamanitra iray antsoina hoe Isaka rehefa nitehin-ko hariva ny andro’. Fa nahoana? “Mba hisaintsaina”, hoy ny Baiboly. (Genesisy 24:63, NW ). Araka ny voalazan’ny diksionera iray, ny hoe misaintsaina dia “mieritreritra sady mandinika milamina tsara”. “Milaza tsy mivantana fe-potoana lava hifantohan’ny saina tsara” izy io. Tsy ho ela i Isaka dia hiantsoroka andraikitra mavesatra. Koa namela azy hahita mazava ny toe-draharaha, handamina ireo eritreriny ary hanombana izay homena ny laharam-pahamehana ny fisaintsainana tsy nisy fanelingelenana toy izany.
Milaza ny manam-pahaizana manokana momba ny fahasalaman’ny saina fa, raha mbola ‘tsy tafahoatra ny fahatsapantsika ho manirery, ny tsy fisian’olon-kafa manodidina antsika dia mamela antsika handamina ireo eritreritsika, sy hampifantoka tsara kokoa ny saintsika’. Maro no ho afaka hanaporofo fa mamelombelona sy manatanjaka ary mahasalama izany.
Anisan’ny voka-tsoa azo avy amin’ny fisaintsainana ny fahaiza-mahataka-javatra lalina sy ny fahaiza-mitan-tena mangina. Izany dia toetra mahatonga ny olona iray hiteny sy hanao zavatra amim-pahamalinana. Ireo toetra ireo kosa dia miteraka fifandraisana mirindra eo amin’ny samy olombelona. Ohatra, afaka mianatra ny hitoetra ho mangina koa ny olona iray mianatra ny misaintsaina. Tsy hanao teny henjana izy, fa hihevitra mialoha ny mety ho vokatry ny teniny. “Hitanao va ny olona faingam-bava?”, hoy ny fanontanian’ny mpanoratra ny Baiboly nahazo tsindrimandry. Nanohy toy izao izy: “Ny adala aza misy hantenaina kokoa noho izy.” (Ohabolana 29:20). Inona no fanafodin’izany fampiasana ny lela amin’ny fomba tsy misy fiheverana izany? Hoy ny Baiboly: “Ny fon’ny marina mihevitra vao mamaly”. — Ohabolana 15:28; ampitahao amin’ny Salamo 49:3.
Lafin-javatra lehibe ilaina mba hitomboan’ny Kristianina ho amin’ny fahamatorana ara-panahy ny fisaintsainana mangina rehefa irery izy. Mifanaraka tsara amin’izany toe-javatra izany ireto tenin’ny apostoly Paoly manaraka ireto: “Mazotoa hihevitra izany zavatra izany, dia mikeleza aina fatratra amin’izany, mba hiseho amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao.” — 1 Timoty 4:15.
Ampiasao ny fitoerana ho irery hanatonana akaiky kokoa an’Andriamanitra
“Azo lazaina hoe efitra ahafahana miresaka amin’Andriamanitra ny fitoerana ho irery”, hoy ny mpanoratra anglisy iray. Tsapan’i Jesosy fa nila ny nihataka kely tamin’ireo mpiara-belona taminy izy indraindray, mba hidirany samirery teo anatrehan’Andriamanitra. Misy ohatra iray ny amin’izany ao amin’ny Baiboly: “Nifoha maraina alina koa Izy, dia nivoaka nankany an-tany foana ka nivavaka tany.” — Marka 1:35.
Misy firesahana miverimberina ny amin’ny fisaintsainana momba an’Andriamanitra, ao amin’ireo Salamo. Hoy i Davida Mpanjaka raha niresaka tamin’i Jehovah: “Mieritreritra Anao amin’ny fiambenan-alina [aho].” Mitovitovy amin’izany koa ireto tenin’i Asafa ireto: “Hisaina ny asanao rehetra aho ary hihevitra ny nataonao.” (Salamo 63:6; 77:12, izahay no manao sora-mandry.) Araka izany, ny fisaintsainana ireo toetran’Andriamanitra sy ny fifampiraharahany tamin’ny olombelona dia mitondra valisoa betsaka. Mampitombo ny fankasitrahana an’Andriamanitra izy io, ka mahatonga ny olona iray hanatona akaiky kokoa azy. — Jakoba 4:8.
Ilaina anefa ny fahalalana ny antoniny
Mazava ho azy fa tokony ho araka ny antoniny ny fitadiavana ny hitoerana ho irery. Azo faritana hoe toerana mahasoa izay tokony hotsidihina, fa toerana mampidi-doza kosa raha hitoerana maharitra, ny fitoerana ho irery. Mifanohitra amin’ny zavatra fototra ilain’ny olombelona, dia ny fifaneraserana amin’ny hafa, sy ny fifampiresahana ary ny fifanehoam-pitiavana, ny fitokanana be loatra. Ambonin’izany, dia azo ampitahaina amin’ny tany mora anirian’ny voan’ny hadalana sy ny fitiavan-tena ny fitokanana. Mampitandrina toy izao ny ohabolana ao amin’ny Baiboly: “Izay mitokana ho azy dia mitady ny mahafinaritra ny tenany ihany, misafoaka manohitra izay hevitra mahasoa rehetra izy.” (Ohabolana 18:1). Mba hahaiza-mandanjalanja rehefa mitady ny ho irery, dia tsy maintsy manaiky isika fa misy loza entin’ny fitokanana.
Toa an’i Jesosy sy ny lehilahy hafa araka ny fanahy tamin’ny andron’ny Baiboly, ny Kristianina amin’izao andro izao, dia mankamamy ny fotoana itokanany irery. Marina aloha fa mety ho fanamby izany hoe hahita fotoana hisaintsainana irery izany, rehefa jerena ny andraikitra maro sy ny zavatra maro tokony hahina. Na izany aza, toy ny tsy maintsy ataontsika amin’ny raharaha tena lehibe hafa rehetra ihany, dia tsy maintsy maka “ny fotoana azo hararaotina” isika. (Efesiana 5:15, 16, NW ). Amin’izay, dia afaka milaza, toy ny mpanao salamo, isika hoe: “Aoka ny tenin’ny vavako sy ny fisainan’ny foko samy hankasitrahana eo imasonao, Jehovah ô”. — Salamo 19:14.