FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g98 8/11 p. 4-7
  • Ny Fomba Iadiana Amin’ny SIDA

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Fomba Iadiana Amin’ny SIDA
  • Mifohaza!—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanalahidin’ny fisorohana azy
  • Rahoviana no tokony hanao fitiliana?
  • Ahoana no azon’ny fanabeazana anampiana?
  • Inona avy ireo fitsaboana azo isafidianana?
  • Ny vaksiny ve no vahaolana?
  • Fandrosoana eo Amin’ny Ady Atao Amin’ny SIDA
    Mifohaza!—2004
  • Mihanaka Be ny SIDA atỳ Afrika
    Mifohaza!—2002
  • Ilaina Maika ny Fanafodin’ny SIDA!
    Mifohaza!—2004
  • Ahoana no Ahafahako Misoroka ny SIDA?
    Mifohaza!—1994
Hijery Hafa
Mifohaza!—1998
g98 8/11 p. 4-7

Ny Fomba Iadiana Amin’ny SIDA

TSY misy fanafody itsaboana ny SIDA ankehitriny, ary toa tsy azo inoana ny hahitan’ny siansa ara-pitsaboana fanafody, ato ho ato. Misy fitsaboana vaovao manemotra ny fihomboan’ilay aretina; na izany aza anefa, dia tsara lavitra ny misoroka ny fahazoana ilay otrikaretina, voalohany indrindra. Alohan’ny hiresahantsika momba ny fisorohana azy io anefa, dia andeha aloha hodinihintsika ny fomba hifindran’ilay virosin’ny SIDA (VIH) amin’ny hafa, sy ny fomba tsy hifindrany.

Fomba efatra lehibe no mety hahazoan’ny olona iray ilay otrikaretina: 1) fampiasana fanjaitra fanindronana, na seraingy, misy otrikaretina, 2) fanaovana firaisana (amin’ny fivaviana, amin’ny lava-pitombenana, na amin’ny vava) amin’olona voa, 3) fampidiran-dra sy fampiasana zavatra avy amin’ny ra, na dia efa nihena aza ny loza entin’izy io any amin’ny tany mandroso izay itiliana ny ra ankehitriny mba hahitana sao misy mpisetran’ny VIH, ary 4) amin’ny alalan’ny reniny tratran’ny VIH, izay afaka mamindra amin’ilay zazakely, aloha na mandritra ny fiterahana, na rehefa mampinono.

Araka ny voalazan’ny Foibe Miady Amin’ny Aretina (CDC) any Etazonia, dia milaza ny porofo siantifika ankehitriny fa 1) tsy toy ny fifindran’ny sery na ny gripa no ifindran’ny SIDA, 2) tsy ho voan’ny SIDA raha mipetraka eo akaikin’ny olona voany, na raha mikasika na mamihina azy, 3) tsy mifindra aminao amin’ny alalan’ny fihinanana sakafo noraisin’olona voa, na nokarakarainy na narosony izy io, ary 4) tsy ho voany ianao raha mampiasa kabine, telefaonina, fitafiana, fitaovana fisakafoana sy fisotroana nampiasain’ny olona voa. Ambonin’izany, dia milaza ny CDC fa tsy mifindra amin’ny alalan’ny moka na ny bibikely hafa na inona na inona ilay virosy.

Fanalahidin’ny fisorohana azy

Mamitsaka ao amin’ny ran’ny olona nidirany ny virosin’ny SIDA. Raha mitsindrona ny olona toy izany, dia mety hisy ra misy ilay virosy ho tavela eo amin’ilay fanjaitra na ao amin’ilay seraingy. Raha misy olon-kafa mitsindrona amin’ny fanjaitra toy izany, dia mety hifindra aminy ilay virosy. Aza matahotra mihitsy manontany dokotera na mpitsabo mpanampy iray, rehefa mampisalasala anao ny fanjaitra na ny seraingy iray. Zonao ny mahalala, satria ny ainao no tandindomin-doza.

Hita ao amin’ny ranonaina na ny tsiranoky ny fivavian’ny olona voa koa ny virosin’ny SIDA. Noho izany, momba ny fisorohana, dia manoro hevitra toy izao ny CDC: “Ny fitanan-tena tsy hanao firaisana no hany fiarovana azo antoka. Raha tapa-kevitra ny hanao firaisana anefa ianao, dia andraso aloha ny tenanao ho efa manana fifandraisana maharitra izay anjakan’ny fifampitokisana, toy ny fanambadiana olona tsy mitondra ilay otrikaretina.”

Mariho fa mba hahavoaro anao, dia tsy maintsy tanana ny “fifandraisana anjakan’ny fifampitokisana”. Raha mahatoky amin’ny vadinao ianao, saingy tsy mba toy izany aminao kosa izy, dia tsy ho voaro ianao. Matetika izany no miteraka olana saro-bahana ho an’ny vehivavy ao amin’ny fiaraha-monina izay tapahin’ny lehilahy, eo amin’ny lafiny fanaovana firaisana sy ara-bola. Any amin’ny tany sasany aza, dia tsy mahazo miresaka momba ny mahalahy na ny mahavavy amin’ny vadiny akory ny vehivavy, mainka moa fa izany hoe hifanaraka amin’izy ireny momba ny fomba fanao tsy ahitan-doza eo amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy izany.

Tsy hoe tsy afa-manoatra daholo anefa ny vehivavy rehetra toy izany. Ny fandinihana iray natao tany amin’ny firenena iray atsy Afrika Andrefana, dia nampiseho fa nisy vehivavy sasany nahaleo tena ara-bola, afaka nanda tsy hanao firaisana tamin’ny vadiny izay mitondra otrikaretina, ary tsy niteraka herisetra izany fandavana izany. Tany New Jersey, Etazonia, dia nisy vehivavy nanda tsy hanao firaisana, raha toa ka tsy nety nanao kapaoty anglisy ilay lehilahy. Mazava ho azy, fa na dia afaka miaro amin’ny VIH sy ny aretina hafa azo avy amin’ny firaisana aza ny kapaoty anglisy, dia tsy maintsy ampiasaina araka ny tokony ho izy sady ampiasaina foana, izy ireny.

Rahoviana no tokony hanao fitiliana?

I Karen, izay voaresaka tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha, dia tsy afaka nanao zavatra firy mba hiarovan-tena tamin’ilay otrikaretina. Taona maromaro talohan’ny nivadian’izy ireo no nahazoan’ny vadiny ilay otrikaretina, ary nivady izy ireo raha vao teo am-panombohana ny fitiliana ilay valanaretina sy ilay otrikaretina VIH. Ankehitriny anefa, dia nanjary fanao mahazatra any amin’ny tany sasany ny fitiliana VIH. Koa raha tsy mahazo antoka ny olona iray hoe mitondra ilay otrikaretina VIH izy, sa tsia, dia fahendrena ny hanaovany fitiliana alohan’ny hiarahany amin’ny olona iray tiany hovadina. Izao no torohevitr’i Karen: “Fidio amim-pahendrena ny ho vadinao. Mety hovidinao lafo ny safidy ratsy ataonao, mety ho ny ainao mihitsy aza no hanefa.”

Raha toa ka nisy fanitsakitsaham-bady, dia mety hanampy hiarovana ilay vady tsy diso ny fanaovana fitiliana. Mety hilaina ny hanaovana fitiliana maromaro, satria mety tsy ho hita ny VIH, raha latsaka ny enim-bolana ny nahazoana azy. Raha mitohy indray ny fanaovana firaisana amin’ilay vady nanitsakitsa-bady (milaza tsy mivantana izany fa navela ny helony), ny fampiasana kapaoty anglisy dia afaka manampy mba hiarovan-tena amin’ny otrikaretina.

Ahoana no azon’ny fanabeazana anampiana?

Tsara homarihina fa na dia nosoratana ela be talohan’ny nipoiran’ny SIDA aza ny Baiboly, ny fiainana mifanaraka amin’ny foto-pitsipika ao anatiny dia mandaitra mba hiarovan-tena amin’ilay aretina. Ohatra, ny Baiboly dia manameloka ny fanaovana firaisana ivelan’ny fanambadiana, sy mitaky ny hanajan’ny mpivady ny tokantranony, ary milaza fa tokony tsy hanambady afa-tsy olona mampihatra foto-pitsipiky ny Baiboly toa azy, ny Kristianina. (1 Korintiana 7:39; Hebreo 13:4). Mandrara ny fampiasana zava-mahadomelina amin’ny endriny rehetra, sy ny fihinanana ra na ny fampidiran-dra, izay mandoto ny tena, koa izy io. — Asan’ny Apostoly 15:20; 2 Korintiana 7:1.

Fahendrena ny mamantatra ny loza mety hisy amin’ny fifampikasohana amin’olona mitondra otrikaretina VIH. Manampy ny olona hiaro tena amin’ny SIDA ny fahalalana ny mombamomba azy io.

Hoy ny Fikambanana Miady Amin’ny SIDA: “Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, dia azo sorohina ny SIDA. Mandra-pahita fanafody, dia ny fanabeazana no fiarovana tsara indrindra, sady hany fiarovana amin’ny SIDA [ho an’ny fitambaran’olona], hatramin’izao aloha.” (Izahay no manao sora-mandry.) Tsara ny hiresahan’ny ray aman-dreny amim-pahatsorana amin’izy samy izy sy amin’ireo zanany, momba ny SIDA.

Inona avy ireo fitsaboana azo isafidianana?

Mazàna ny soritr’ilay aretina no tsy mipoitra raha tsy rehefa afaka enina ka hatramin’ny folo taona any aorian’ny nahazoan’ny olona iray ny VIH. Mandritra ireo taona ireo, dia misy ady mafana ao anatin’ny vatana. Mitombo isa ny virosy tsirairay, ary mamono ireo selan’ny rafi-kery fanefitra izay mba miady koa, ho setrin’izany. Amin’ny farany, dia resy ny rafi-kery fanefitra, satria virosy vaovao an’arivo tapitrisany maro no mipoitra isan’andro.

Nisy fanafody maro samihafa namboarina mba hanandramana hanampy ny rafi-kery fanefitra, fanafody manana anarana sarotra tononina: AZT sy DDI ary DDC. Na dia ninoan’ny sasany aza fa hitondra soa lehibe ireny fanafody ireny, ary mety hitondra fanasitranana mihitsy aza, dia nanjavona haingana izany fanantenana izany. Tsy vitan’ny hoe tsy nandaitra intsony izy ireny rehefa nandeha ny fotoana, fa niteraka vokany hafa nampidi-doza koa, teo amin’ny olona sasany: nihena be ny isan’ny selan’ny ra, tsy nety nandry ny ra, simba ny hozatry ny tanana sy ny tongotra.

Misy sokajim-panafody vaovao ankehitriny, dia ny fanafody mampihena ny fiasan’ny protéase (karazana anzima). Fanafody telo no asain’ny dokotera hohanina, dia io fanafody io miaraka amin’ny fanafody hafa miady amin’ny virosy. Nasehon’ny fitiliana fa na dia tsy mamono ilay virosy aza io fitsaboana telo sosona io, dia mampitsahatra kosa, na saika mampitsahatra, ny fitomboan’ny isany ao amin’ny vatana.

Nanatsara be ny fahasalaman’ireo marary ny fitsaboana telo sosona. Mihevitra anefa ireo manam-pahaizana manokana fa mandaitra indrindra izy io, raha lasa aloha ny fanomezana azy ny olona tratran’ny VIH, izany hoe alohan’ny isehoan’ny soritr’aretina. Raha izany no atao, dia mety ho azo atao ny misoroka, angamba aza misoroka tanteraka mihitsy, ny tsy hihomboan’ilay aretina, ka ho lasa SIDA. Koa satria fitsaboana vaovao ilay izy, dia mbola ho hita eo ihany hoe hafiriana izy io no hisakana ilay aretina.

Lafo ilay fitsaboana telo sosona. Amin’ny antsalany, dia 12 000 dolara (64 800 000 FMG eo ho eo), isan-taona, ny vidin’ny fanafody telo miady amin’ny virosy, miampy ny fitiliana any amin’ny laboratoara. Ankoatra ny fandaniam-bola, dia tsy maintsy mivezivezy any amin’ny vata fampangatsiahana koa ny marary manaraka fitsaboana telo sosona, satria ao no tsy maintsy itahirizana ireo fanafody. Raha ny ara-dalàna, dia mihinana pilina karazany iray indroa isan’andro ny olona iray, ary pilina karazany hafa, intelo isan’andro. Ny sasany tokony hohanina alohan’ny sakafo, ary ny sasany, aorian’ny sakafo. Vao mainka sarotra ny fitsaboana rehefa misy fanafody fanampiny tsy maintsy hanina mba handresena aretina maro hafa, satria ny olona mararin’ny SIDA mora voan’ny aretina hafa.

Anisan’ny mampanahy mafy ny dokotera ny zavatra mety hitranga raha toa ka mampiato ilay fitsaboana telo sosona ny olona iray. Hitohy indray mantsy ny fitomboan’ny isan’ireo virosy ary tsy ho voasakana. Mety hanjary tsy handairan’ireo fanafody nampiasaina teo aloha mba hiadiana taminy, ireo virosy tsy maty tamin’ilay fitsaboana. Ho sarotra kokoa ny hitsaboana ny karazana VIH tsy andairam-panafody. Ambonin’izany, dia mety hifindra amin’olon-kafa ireo virosy matanjaka be ireo.

Ny vaksiny ve no vahaolana?

Vaksiny azo antoka sy mandaitra no inoan’ireo mpikaroka sasany momba ny SIDA fa fanalahidin’ny fisakanana io valanaretina maneran-tany io. Virosy lefy hery no nanaovana vaksiny mandaitra iadiana amin’ny tazo vony, ny kitrotro, ny donika, ary ny bonibony. Raha ny ara-dalàna, rehefa ampidirina ao amin’ny vatana ny virosy iray lefy hery, dia tsy vitan’ny hoe miezaka hamono azy ny rafi-kery fanefitra, fa manamboatra fiarovana izay haharesy tokoa ny tena virosy miditra an-keriny, koa izy.

Nasehon’ny andrana roa natao vao haingana tamin’ny gidro, fa ny olana amin’ny VIH, dia satria mety ho lasa virosy mahafaty, na dia ny virosy lefy hery aza. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia mety hiteraka ilay aretina izay tokony ho nosakanany ilay vaksiny.

Nandiso fanantenana sy nahakivy ny fanamboarana vaksiny. Tsy nampihontsina ny VIH ny fangarom-panafody maro nanaovana andrana, izay azo antoka fa ho nahafaty virosy tsy nahery loatra. Ankoatra izany, dia miova ny VIH, ka manjary sarotra kendrena. (Ankehitriny, dia misy karazana VIH folo, fara fahakeliny, maneran-tany.) Manampy trotraka izany koa, dia izao: ireo selan’ny rafi-kery fanefitra mihitsy, izay tokony hifarimbona amin’ilay vaksiny mba hiarovana ny vatana, no asian’ilay virosy mivantana.

Mandray anjara eo amin’ny fikarohana koa ny lafiny ara-bola. “Tsy marisika firy amin’izany ny indostria tsy miankina”, hoy ny International AIDS Vaccine Initiative, miorina any Washington. Izany dia noho ny tahotra sao tsy hitondra tombony ho azy ny fanamboarana vaksiny, satria any amin’ireo tany an-dalam-pandrosoana ny ankamaroany no hamidy.

Mbola manohy mikaroka fomba maromaro hahazoana vaksiny mandaitra ireo mpikaroka, na dia eo aza ny fahasahiranana maro. Ankehitriny anefa, dia toa tsy azo inoana ny hamokarana vaksiny, ato ho ato. Rehefa tena vita tokoa avy ao amin’ny laboratoara ny vaksiny iray mety hahomby, dia ho avy hanaraka izany ny fanandramana azy io amin’olombelona. Mitaky ezaka mafy anefa izany fanandramana izany, no sady lafo vidy sy mety hampidi-doza.

[Efajoro, pejy 5]

Iza no Tratran’ny VIH?

Olona tokony ho 16 000 isan’andro no voa, maneran-tany. Voalaza fa atỳ amin’ny tany an-dalam-pandrosoana no misy ny 90 isan-jato mahery aminy. Tokotokony ho 1 amin’ny 10 no ankizy latsaka ny 15 taona. Olon-dehibe ny ambiny, ka vehivavy ny 40 isan-jato mahery, ary eo anelanelan’ny 15 sy 24 taona ny antsasany mahery. — Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana sy ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana Miady Amin’ny VIH/SIDA, izay miaraka aminy.

[Efajoro, pejy 7]

Ahoana no Ahafantarana hoe Iza no Voa?

Sarotra ny milaza raha voa ny olona iray na tsia, amin’ny fijerena azy ivelany fotsiny. Na dia toa salama aza no fijery ny olona mitondra VIH, izay mbola tsy ahitana soritr’aretina, dia afaka mamindra ilay virosy amin’ny hafa izy. Azo inoana ve ny tenin’ny olona iray milaza fa tsy mitondra otrikaretina izy? Tsy voatery ho azo inoana foana. Maro amin’ireo olona tratran’ny VIH no tsy mahalala izany akory. Ireo izay tena mahalala tokoa dia mety hanafina izany, na mety handainga. Nahariharin’ny fanadihadiana iray tany Etazonia fa olona 4 amin’ny 10 tratran’ny VIH no tsy nampahafantatra ny olona nanaovany firaisana momba ny toe-pahasalamany.

[Efajoro/Sary, pejy 6]

Ny Fifandraisana Misy eo Amin’ny VIH sy ny SIDA

Ny hoe VIH dia fanafohezana ny “virus d’immunodéficience humaine”, izany hoe ilay virosy izay mandrava tsikelikely ny ampahany amin’ny rafi-kery fanefitry ny vatana, izay miady amin’ny aretina. Ny hoe SIDA dia fanafohezana ny “syndrome immunodéficitaire acquis”. Izy io no dingana farany amin’ny fitondrana VIH, ary mahatandindomin-doza ny aina izy io. Izany anarany izany dia milazalaza ny fanimbana be nateraky ny VIH teo amin’ny rafi-kery fanefitra, ka mahatonga ilay marary ho mora voan’ny areti-mifindra izay tokony ho niadian’ny rafi-kery fanefitra.

[Sary nahazoan-dalana]

CDC, Atlanta, Ga.

[Sary, pejy 7]

Fahendrena ny misafidy ny hanao fitiliana VIH alohan’ny hieritreretana ny hanambady

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara