FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g98 8/11 p. 16-18
  • Vadi-mpanjaka Nahay Nandanjalanja Nandresy Eveka Be Tetika

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Vadi-mpanjaka Nahay Nandanjalanja Nandresy Eveka Be Tetika
  • Mifohaza!—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Eveka be tetika
  • Nampijalijalina teo amin’ny chevalet
  • Vadi-mpanjaka hendry sy malina
  • Ny Fanavaozana Anglisy — Fotoam-piovana
    Mifohaza!—1998
  • Tsy Fileferana Ara-pivavahana—Niaiky ny Amin’izany Izy Ireo Ankehitriny
    Mifohaza!—2000
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1999
  • “Mbola Tsy Nahatsapa Fitiavana toy Izao Aho”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
Hijery Hafa
Mifohaza!—1998
g98 8/11 p. 16-18

Vadi-mpanjaka Nahay Nandanjalanja Nandresy Eveka Be Tetika

Avy amin’ny masoivohon’ny Mifohaza! atsy Afrika Atsimo

NAHATSIARO ho voaro i Catherine Parr, vadi-mpanjaka, rehefa niaraka tamin’ireo vehivavy tandapany tsy nivadika taminy. Nisy vokany nanimba teo amin’ny Mpanjaka Henri VIII ny tsy fahasalamany sy ny tetika niafina izay nisy tao amin’ny fiainana tao an-dapa. Teo am-piresahana tamin’ny namana iray ny vadi-mpanjaka no indro nihazakazaka nanatona ny vehivavy tandapany iray, namihina takela-taratasy teny an-tanany. Sempotra izy rehefa nanolotra ilay takela-taratasy an’i Catherine. Nanaitra an’ilay vadi-mpanjaka ny endrika nitebitebin’ilay tandapa, hany ka nisalasala ny handray ilay taratasy izy. Hita fa taratasy latsaka tsy nahy, avy teny amin’ny manam-pahefana iray, teo ivelan’ny efitranon’ilay vadi-mpanjaka, ilay izy.a

Nivaloarika i Catherine teo am-pamakiana azy io. Tsy nino izy aloha, ary nihorohoro avy eo. Ilay taratasy dia nisy lisitry ny fiampangana azy ho heretika, ary nosoniavin’ny mpanjaka ilay izy. Nikiakiaka izy ary saika nitambotsotra, saingy nisy namana nanohana azy. Niezaka ny ho tony sy hisaina mazava tsara izy, nefa taitra loatra izy. Nanampy azy hamonjy fandriana tamim-pangoraham-po ireo tandapany.

Nitsotra teo am-pandriana izy, nefa tsy afaka tamin’ny tebitebiny. Nitsitapitapy ny fitamberenan’ireo zava-niseho nifandray tamin’ny fanambadiany ny Mpanjaka Henri VIII, tao an-tsainy. Iraika amby telopolo taona izy tamin’izay, indroa nanambady ary indroa maty vady, ary nikasa ny hanambady an’i Thomas Seymour, izay nahay nihaingo sy nahalala fomba. Hafa anefa ny fikasan’ny mpanjaka. Nangataka azy ho vady izy. Ataon’i Catherine ahoana moa ny handa izany? Azo antoka fa voninahitra ho azy izany, saingy voninahitra novesaran’olana. Nanjary vady fahenin’ny mpanjaka àry izy, tamin’ny 12 Jolay 1543.

Efa tsy ilay tovolahy navitribitrika sy nahay niady avy teny ambony soavaly ary natanjaka taloha intsony, i Henri. Efa 52 taona izy izao, sy natavy be, ary matetika no niovaova tampoka ny toe-pony. Nisy fery namely azy teo amin’ny tongony, hany ka indraindray, dia zara raha afaka nandeha izy, fa voatery nentina tamin’ny seza.

Na izany aza, dia nampiasa ny fahiratan-tsainy lalina sy ny talentany i Catherine, mba hahavanona ny fanambadiany. Niezaka izy mba ho naman’ireo zanaka telon’ny mpanjaka tamin’ny fanambadiany teo aloha. Niezaka mafy izy mba hahatongavana ho vady nahay namalifaly. Rehefa narary ny tongotry ny mpanjaka, dia nanary dia azy tamin’ny resaka velombelona, izay matetika no niompana tamin’ny fivavahana, i Catherine. Nitondra fahatoniana ho an’ny mpanjaka teo amin’ny fahanterany izy.

Izao izy dia niezaka nandinika indray ny fiainany niaraka tamin’ny mpanjaka. Inona no tsy nety nataony? Nieritreritra ny amin’ny fihaonana taminy, vao haingana, izy. Tamin’io takariva io, dia nisy tandapan’ny mpanjaka nanatrika teo, ary toa faly no fijery ny mpanjaka tamin’izay. Araka ny fanaony, dia nametraka fanontaniana momba ny fivavahana, izay efa noresahin’izy roa teo aloha, i Catherine. Sorena ny mpanjaka, ka nanapaka ny resaky ny vadiny. Gaga i Catherine, saingy noheveriny fotsiny hoe niova indray ny toe-pon’ny mpanjaka no nahatonga azy hanao izany. Mazàna mantsy dia tian’ny mpanjaka ny resaka toy izany, ary tsy nanohitra ny fahalianan’i Catherine tamin’ny fivavahana izy.

Notadidin’i Catherine avokoa izay olona nanatrika teo tamin’izay fotoana izay. Tsy nety mihitsy ny eritreriny fa nitopy mandrakariva tany amin’ny lehilahy iray, i Stephen Gardiner, fahavalo fantatra tsara.

Eveka be tetika

Lehilahy nanana fahefana sy mpanohitra ny fanavaozana ara-pivavahana i Gardiner, izay evekan’i Winchester, sady anisan’ny mpanolo-tsaina ny mpanjaka. Tsy tia an’i Catherine izy, noho izy io liana tamin’ny fanovana ara-pivavahana sy noho izy nanan-kery teo amin’ny mpanjaka.

Rehefa nampiasa tetik’ady hanonganana an’i Gardiner tsy ho lehiben’ny sekreteran’ny mpanjaka intsony i Thomas Cromwell, lehiben’ny mpanolo-tsain’i Henri, dia nitady fahafahana hamaly faty i Gardiner. Tafiditra tao amin’ny fiokoana izay niteraka ny fanonganana sy ny famonoana an’i Cromwell izy. Diso fanantenana koa i Gardiner, satria tsy noraharahain’i Henri izy, ka i Thomas Cranmer indray no notendren’ny mpanjaka ho Arsevekan’i Cantorbéry. I Cranmer anefa dia tsy nalaza firy, raha noharina taminy, sady mpomba ny Protestanta. Soa ihany ho an’i Cranmer fa nampandamòka ny fiokoana iray nokotrehin’i Gardiner sy ny hafa, hamelezana an’i Cranmer, i Henri.

Nisy tetika hafa iray vao haingana nokotrehin’ny Eveka Gardiner, nanampy trotraka ny loza nandrahona an’i Catherine sy ireo vehivavy tandapany. Nisy vehivavy tanora iray, nantsoina hoe Anne Askew, niteny tsy an-kifonofono niaro ny fanavaozana ara-pivavahana. Tany am-ponja izy, ary niandry ny famonoana azy ho faty satria hoe heretika. Antony hafa anefa no nahaliana an’i Gardiner taminy. Naniry hanana porofo izy fa nifandray tamin’ireo vehivavy nanana fahefana tao an-dapa i Anne, ary izany koa dia ho azo niampangana ilay vadi-mpanjaka. Lasa nanao famotorana an’i Anne Askew ny iray tamin’ireo lehiben’ny mpanolo-tsaina ny mpanjaka, dia i Thomas Wriothesley, naman’i Gardiner.

Nampijalijalina teo amin’ny chevalet

Nanao famotorana an’i Anne nandritra ny fotoana fohifohy i Wriothesley, saingy tsy nahazo ilay porofo notadiaviny hahazoany niampanga. Tamin’ny farany, dia nandidy ny hamatorana azy teo amin’ny chevalet izy, na dia tsy araka ny lalàna aza ny fampiasana io fitaovana fampijalijaliana io tamin’ny vehivavy.b Rehefa tsy nahavita nampiteny azy izany, dia ny tenan’i Wriothesley sy ny mpanolo-tsaina hafa iray mihitsy no nanodina ilay chevalet ka nohenjaniny hatramin’ny fetrany farany i Anne, nefa mbola tsy nahazo ilay fanazavana notadiaviny ihany izy ireo.

Latsa-dranomaso i Catherine noho ny fieritreretana ny fijalian’i Anne Askew. Tsapany izao fa nisy olona niditra tao amin’ilay efitrano. Nanatona ny iray tamin’ireo vehivavy tandapany, ary nilaza taminy fa nirahin’ny mpanjaka mba hizaha azy ny dokoteran’ny mpanjaka, ny Dr. Wendy. Nanontany azy ny fahasalamany ilay dokotera tsara fanahy, ary nampita taminy ny fanahian’ny mpanjaka momba ny fahasalamany.

Nohazavain’ilay dokotera fa namboraka taminy ilay fiokoana hamelezana an’i Catherine ny mpanjaka, ary nangataka azy hianiana fa tsy hilaza izany na tamin’iza na tamin’iza. Na izany aza, dia nolazain’ny Dr. Wendy taminy ny zava-drehetra: ny nilazany tamim-panesoana, taorian’ny nandaozan’i Catherine azy, tamin’iny alina iny, hoe tena mba nampionona azy kosa, amin’izao fahanterany izao, ny “hampianarin’ny vadi[ny]”.

Hitan’i Gardiner fa fahafahana nisokatra ho azy izany, ka dia nohararaotiny. Nilaza izy fa nampialokaloka olona heretika ny vadi-mpanjaka, ary mpamadika, ka nahatandindomin-doza ny fahefan’ny mpanjaka. Nilaza izy fa raha nomena fotoana izy sy ireo hafa, dia ho afaka nanaporofo izany teo anatrehan’ny mpanjaka. Tezitra ny mpanjaka, ary nanaiky ny hanao sonia fanambarana fandikan-dalàna nataon’i Catherine.

Rehefa avy nitantara taminy ireny zava-niseho ireny ny Dr. Wendy, dia nampirisika azy handeha ho any amin’ny mpanjaka, raha vao nisy fahafahana, sy hangataka famelan-keloka tamim-panetren-tena taminy. Izay ihany no fomba handreseny ny hafetsen’ireo fahavalony, izay tsy hipetraka mihitsy mandra-pigadran’i Catherine tao amin’ny Tour de Londres, sy mandra-pananan’izy ireo porofo hanamelohana azy ho faty.

Hitan’i Catherine fa feno fahendrena izany torohevitra izany, koa indray alina be, rehefa reny fa tao amin’ny efitra fatoriany ny mpanjaka, dia niakanjo tamim-pitandremana izy, ary nanao famerenana izay zavatra holazainy. Niaraka taminy ny rahavaviny, sy ny namana iray, ny Andriambavy Lane.

Vadi-mpanjaka hendry sy malina

Teo am-pipetrahana, nivazivazy tamin’ny sasany tamin’ireo mpanompolahiny ny mpanjaka. Noraisiny an-tanan-droa sy tamim-pitsikiana ny vadiny. Avy eo, dia nahodiny ho amin’ny fivavahana ny resaka. Nangatahiny i Catherine hanaisotra ny fisalasalany momba ny hevitra sasantsasany. Hitan’i Catherine avy hatrany ilay fandrika. Niezaka mafy izy hamaly tamim-pahatsorana sy tamim-pahamarinana.

Nilaza izy fa ny lehilahy aloha no noforonin’Andriamanitra, vao ny vehivavy, izay ambany kokoa noho ny lehilahy. Hoy koa izy hoe: ‘Nanomboka tamin’izay, dia nametra tsy fitoviana voajanahary lehibe aoka izany teo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy Andriamanitra. Koa manam-pahendrena ambony dia ambony ianao, ry mpanjaka, ary izaho dia tena ambany be amin’ny lafiny rehetra, raha oharina aminao. Koa nahoana ianao, ry mpanjaka, no toa manontany ny hevitro, ny amin’ny raharaha ara-pivavahana sarotra toy izany?’ Tamin’izany, dia niaiky izy fa ny mpanjaka no lohany tamin’ny zavatra rehetra, ary nanarakaraka avy hatrany an’Andriamanitra.

‘Tsy izany ka’, hoy ny mpanjaka. ‘Efa lasa mpampianatra ianao, ka ianao no hampianatra anay, fa tsy ny tenanay no hampianatra, na hitarika, anao.’

Namaly i Catherine hoe: ‘Raha izany no andraisan’ny mpanjaka azy, dia tena diso hevitra momba ahy ny mpanjaka. Nihevitra foana mantsy aho fa tena tsy mety, sy mifanohitra amin’ny natiora, raha ny vehivavy no hiantsoroka ny andraikitry ny mpampianatra ny tompony sady vadiny; fa tokony hiana-javatra avy amin’ny vadiny kosa izy, ka ny vadiny no hampianatra azy.’ Nanohy nanazava izy fa rehefa niresaka taminy momba ny fivavahana ny tenany, ka nilaza ny heviny indraindray, dia tsy hoe mba hampandrosoana ny heviny no nanaovany izany. Rehefa nanombo-dresaka kosa izy, dia nanantena ny hanary dia azy noho ny fanaintainany vokatry ny aretiny.

‘Dia izany tokoa ve no izy, ry malala?’, hoy ny mpanjaka. ‘Tsy misy zavatra hafa kendrenao ve amin’izany fanaporofoan-kevitrao izany? Raha izany àry no izy, dia minamana toy ny teo aloha indray isika.’ Mbola nipetraka teo ihany ny mpanjaka, raha nanasa an’i Catherine hanatona azy, sy namihina azy tamim-pitiavana, ary nanoroka azy. Nilaza taminy izy fa ny fandrenesana izany dia tsara noho ny fahazoana fanomezana tsy nampoizina, fanomezana vola anglisy iray hetsy. Nitohy ny resaka nahafinaritra nifanaovan’izy roa mandra-panomezany azy lalana handeha, tokotokony ho tamin’ny misasakalina.

Ny ampitson’iny, dia nitsangantsangana tao amin’ny zaridainan’ny lapa, toy ny mahazatra azy ny mpanjaka, niaraka tamin’ny mpanompolahy roa mpikarakara ny efitra fatoriany. Nampanantsoiny hiaraka taminy ny vadi-mpanjaka, ary tonga teo araka ny tokony ho izy i Catherine, niaraka tamin’ny telo tamin’ireo vehivavy tandapany. Tsy voambaran’i Henri tamin’i Catherine fa io no fotoana nifanekena hisamborana azy. Tsy voalazany tamin’i Wriothesley izay tokony hanatanteraka ilay fisamborana koa, fa efa nihavana indray tamin’ny vadi-mpanjaka izy. Raha mbola niara-paly iny indrindra izy roa no tonga i Wriothesley niaraka tamin’ny 40 tamin’ireo mpiambina ny mpanjaka mba hisambotra ny vadi-mpanjaka sy ireo tandapany.

Nihataka tamin’ilay antokon’olona i Henri ary nampiantso an’i Wriothesley, izay nandohalika. Tsy afaka nandre izay nolazain’ny mpanjaka ilay antokon’olona, fa henon’izy ireo tsara kosa ny mpanjaka, tezitra mafy, nanao hoe: ‘Mpamitaka! Maharikoriko! Adala!’ Nandidy an’i Wriothesley izy hiala teo mba tsy ho hitan’ny masony.

Rehefa niverina teo aminy ny mpanjaka, dia niezaka nampitony azy tamin’ny teny nalefaka, i Catherine. Niaro an’i Wriothesley mihitsy aza izy, ka nilaza fa nety ho fahadisoan-kevitra no nahatonga azy hanao izany.

Izao no navalin’ny mpanjaka izany: ‘Azoko antoka, ry malala, fa tena mpamitaka ratsy izy ary nitady hamitaka anao. Avelao izy handeha any.’

Toy izany no nahavoatsimbina an’i Catherine tamin’ireo fahavalony, ka tsy nahazoan’ny Eveka Gardiner ny fankasitrahan’ny mpanjaka intsony. Nandresy an’ilay eveka be tetika ilay vadi-mpanjaka. Izay no niafaran’ilay tetik’ady.c

[Fanamarihana ambany pejy]

a Miorina amin’ny loharanon-kevitra maro samihafa, anisan’izany ilay boky hoe Foxe’s Book of Martyrs, io fitantarana noforonin’ny saina fotsiny io.

b “Fitaovana fampijalijaliana izay misy rafitra miaraka amin’ny kodia, ka amin’izy io no afatotra ny hato-tanana sy ny kitrokelin’ny olona iray, hany ka mihenjana mafy ny tonon-taolany rehefa ahodina ilay kodia.” — Oxford Advanced Learner’s Dictionary.

c Rehefa maty i Henri, dia nanambady an’i Thomas Seymour ihany i Catherine Parr, tamin’ny farany. Maty tamin’ny 1548 izy, teo amin’ny faha-36 taonany, fotoana fohy taorian’ny niterahany. Naongana tsy ho eveka intsony i Gardiner tamin’ny 1550, rehefa avy nijanona tany am-ponja sy tao amin’ny Tour de Londres. Nahazo sitraka indray izy fony nanjaka ilay Katolika nantsoina hoe Marie I (1553), ary maty tamin’ny 1555.

[Sary, pejy 17]

Catherine Parr, vadi-mpanjaka

Stephen Gardiner, eveka

[Sary nahazoan-dalana]

Sarin’i Catherine Parr: By courtesy of the National Portrait Gallery, London; Stephen Gardiner: National Trust Photographic Library/J. Whitaker

[Sary, pejy 18]

Namaky bantsilana an’i Thomas Wriothesley teo imason’ny vadi-mpanjaka i Henri VIII

[Sary nahazoan-dalana]

Sary nataon’i Holbein, nalaina tao amin’ilay boky hoe The History of Protestantism (Vol. III)

[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]

Ravaky ny pejy 16-18: Nalaina tao amin’ilay boky hoe The Library of Historic Characters and Famous Events, Vol. VII, 1895

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara