Sasao sy Hamaino ny Tananao!
AHOANA no mety hahavoan’ny sery sy ny areti-mifindra hafa antsika? Araka ny voalazan’ny Association for Professionals in Infection Control and Epidemiology (fikambanan’ny matihanina misahana ny fisakanana ny valanaretina), any Etazonia, dia avy amin’ny tanantsika, fa tsy avy amin’ny rivotra, no ifindran’ny 80 isan-jato, fara fahakeliny, amin’ny aretina toy izany. Raha ny marina, dia mazàna no heverina ho ny hany fomba lehibe indrindra hisorohana ny fielezan’ny aretina ny fanasan-tanana. Olona maro anefa no tsy manasa foana ny tanany isaky ny avy any an-kabine, na manisin-delo, na alohan’ny handraisan-tsakafo. Mazava ho azy aloha fa misy maro hafa manasa tanana foana amin’ny fotoana toy ireo. Tsy ny fanasan-tanana atao amim-pahazarana fotsiny sy maimaika anefa no misakana ny mety hahazoana otrikaretina.
Zava-dehibe mitovy amin’izany koa ny fanamainan-tanana araka ny tokony ho izy. Hitan’ny mpikaroka ao amin’ny Oniversiten’i Westminster, any Angletera, fa olona maro no tsy manamaina tanteraka ny tanany efa voasasa, indrindra fa rehefa mampiasa fanamainana amin’ny rivotra mafana izy ireo. Maro no mamita ny fanamainan-tanana amin’ny famafana azy amin’ny akanjony. Mety hampiely zavamiaina bitika dia bitika mampidi-doza izay tavela teo amin’ny tanana izany. Tsara indrindra, araka ny voalazan’ireo mpikaroka, ny hanamainana tanteraka ny tanana, ka amin’izany, dia tsara kokoa ny hampiasana servieta taratasy fanary, na servieta lamba madio sy mbola tsy nampiasaina.
Manolotra izao torohevitra manaraka izao, momba ny fanasan-tanana, ny Foibe Miady Amin’ny Aretina, any Etazonia:
• Mampiasà foana rano mafana mikoriana avy eo amin’ny raobine sy savony malefaka. Raha voatery hampiasa rano ao anaty koveta, fa tsy rano mikoriana avy eo amin’ny raobine ianao, dia diovy ilay koveta amin’ny alalan’ny ranon-javatra famonoana mikraoba, isaky ny mampiasa azy. Tsy tena manadio tsara ny tanana ny servieta kely taratasy efa nohamandoina.
• Koseho mafy ny tananao mandra-pisin’ny roatran-tsavony, ary koseho ihany mandritra ny 15 segondra, fara fahakeliny. Koseho mafy ny voho sy ny felatananao, ny eo anelanelan’ny rantsantananao, ary sokiro ny hohonao.
• Kobano amin’ny rano mafana mikoriana avy eo amin’ny raobine ny tananao.
• Hamaino amin’ny servieta madio na servieta fanary ny tananao, ary aza mikasika ilay raobine na ny fametrahan-tservieta amin’ny tananao efa madio.
• Ilay servieta ampiasaina rehefa hanidy ilay raobine ianao, mba tsy hikasihana azy io.
• Rehefa manasa tanana ny ankizy, dia tokony hampiakarina mba hahafahan’ny tanany hananty ny rano mikoriana. Ampio ilay ankizy hanao ireo dingana rehetra voalaza etsy ambony ireo, ary avy eo dia sasao ny tananao.