Iza no Hanadio ny Tanintsika?
“VINANIKO fa amin’ny taona 2025, dia ho efa nanjavona tsy ho eo amin’ny voambolan’ny firenentsika ny teny hoe ‘fandotoana’, raha ny indostriantsika no asian-teny.” Izany no faminaniana vao haingana nataon’ny prezidàn’ny fikambanana iray mpamokatra zavatra simika. Mino ve ianao fa hitranga izany? Raha izany no izy, amin’ny fomba ahoana no hahatanteraka izany?
Matetika dia ny faniriana hahazo tombony no mahatonga ireo vokatra mety hampidi-doza ho tonga eny amin’ny talantalan’ny mpivarotra. Ohatra, misy lalàna momba ny tsiambaratelon’ny varotra mamela ireo kompania mpanao fanafody famonoana bibikely hihazona ho tsiambaratelo ny raikipohy ahazoan-tombony sasany. Ireo zavatra nanaovana izany dia asiany soratra hoe “tsy misy heriny”, filazana izay mety horaisina mora foana hoe “tsy manimba”. Kanefa, “zavatra tsy misy heriny 394, fara fahakeliny, no nampiasaina ho fanafody famonoana bibikely mandaitra”, hoy ny tatitra nataon’ilay gazetiboky hoe Chemical Week. Ny 209 amin’ireo zavatra ireo dia fandoto mety hampidi-doza, ny 21 dia voasokajy amin’ny fomba ofisialy hoe miteraka kansera, ary ny 127 dia mety hampidi-doza ny fahasalaman’ny tena any am-piasana!
Marina aloha fa matetika no nahasoa ny fitiliana nataon’ny fanjakana mba hahafantarana raha tsy mampidi-doza ny zavatra simika iray, kanefa ny zavatra ahiny voalohany indrindra, hoy ny mpanoratra iray, dia ny “fivoaran’ny toe-karena sy ny fahazoan-tombony avy amin’ny indostria”. Araka izany, dia miatrika lalandava safidy sarotra izy ireo: ny loza mety hitranga sa ny tombony mety ho azo. ‘Fandotoana araka ny lalàna’ no vokatr’izany, amin’ny ankapobeny.
Koa aiza àry no hitodihantsika mba hahitana vahaolana? Nametraka io fanontaniana io tamin’ny tompon-trano iray sariaka ny Vavolombelon’i Jehovah iray. Naneho ny fitokisany ny mpitondra olombelona sy ny mpahay siansa ilay olona ka namaly hoe: “Hahalamina ny zava-drehetra izy ireo indray andro any.”
“Iza anefa izany izy ireo izany?”, hoy ilay Vavolombelona. “Tsy olona tahaka ahy sy tahaka anao ihany ve izy ireo? Mety ho nahita fianarana kokoa izy ireo, nefa voafetra ihany ny mety ho vitany, ary eo koa ny fahalemeny. Manao fahadisoana izy ireo.” Eo koa ireo olana goavana atrehin’izy ireo, mbamin’ny fierenana sy ny fandraisana kolikoly izay misy eo amin’ny fitambaran’olona.
Mino koa ve ianao fa hahalamina ny zava-drehetra izy ireo? Tsy mahatonga antsika hatoky azy ireo ny tantara lava be mirakitra ny tsy fahombiazan’ny olombelona. Hoy ny gazetiboky Outdoor Life: “Lasa lavitra kokoa ny fahaizan’ireo mpahay siansa sy ny fikambanany eo amin’ny fandinihana ny olana momba ny fandotoana, noho ny amin’ny famahana azy ireny.” Misy fanantenana ve fa ho afaka hamaha io olana lehibe io ny olombelona?
Afaka manao izany samirery ve ny olombelona?
Tsy olana ho an’ireo manam-pahefana eo an-toerana fotsiny ny fisakanana ny fandotoan’ny zavatra simika. Izany no izy, satria misy vokany eo amin’ny firenena manodidina, eny, eo amin’ny olona maneran-tany mihitsy aza, ny zavatra simika ampiasaina ao amin’ny firenena iray! Ary tsy nahomby ny fifarimbonan’ny olombelona mba hamahana izany olana maneran-tany izany. Manambara ny antony ny Baiboly rehefa nilaza hoe: ‘Manapaka ny namany ny olona ka mampidi-doza aminy.’ (Mpitoriteny 8:9). Nahoana ny olombelona no tsy mahomby eo amin’ny fitondrana ny tenany? Manazava toy izao koa ny Baiboly: “Tsy (...) an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” (Jeremia 10:23). Inona no dikan’izany?
Midika izany fa tsy natao mihitsy hanapaka ny tenany tsy miankina amin’ny fitarihan’Andriamanitra ny olombelona. Marina aloha fa nahavita zavatra niavaka ny olombelona: nanorina trano fonenana mahatalanjona izy ireo, nanamboatra fitaovana kely maoderina mampiseho fahaiza-mamoron-kevitra, eny, tonga teny amin’ny volana mihitsy aza, kanefa dia tsy mahay mitondra ny tenany izy ireo raha tsy mahazo tari-dalana avy amin’Andriamanitra. Izany no ampianarin’ny Baiboly, ary manamarina ny Baiboly ny tantara.
Amin’ny fomba ahoana no hahavoadio ny tany?
I Jehovah Andriamanitra, Mpamorona antsika, dia niahy mandrakariva ny amin’ny taranak’olombelona sy ity tany ity, izay nomaniny ho an’ny olombelona. Rehefa avy namorona ny olombelona izy, dia nanome toromarika azy ireo mba hikarakara ny tany sy ny zavamiaina eo aminy. (Genesisy 1:27, 28; 2:15). Tatỳ aoriana, taorian’ny tsy nankatoavan’ilay mpivady voalohany ny tari-dalany, dia nomeny toromarika momba ny fikarakarana ny tany ny firenen’ny Isiraely fahiny, anisan’izany ny tsy maintsy hamelana ny tany tsy hovolena mandritra ny herintaona maninjitra, isaky ny fito taona. Izany dia hamela ilay tany hihavao. (Eksodosy 23:11; Levitikosy 25:4-6). Nanjary nierina anefa ny olona, ka tsy nankato an’Andriamanitra. Nahita faisana noho izany izy ireo, ary koa ny tany.
Mazava ho azy fa tsy nisy fandotoan’ny zavatra simika toy ny amin’izao androntsika izao tamin’izany fotoana izany. Na izany aza, dia nanjary simba ny tany satria tsy navelan’ny Isiraelita hiala sasatra araka ny fikasan’Andriamanitra, ary nijaly noho izany ny olona tsy nanan-tsiny. Koa navelan’Andriamanitra ho resin’ny Babylonianina sy hataony sesitany tany Babylona nandritra ny 70 taona àry ny Isiraely. Io sazy io koa dia namela ilay tany hiala sasatra, mba hihavaozany indray. — Levitikosy 26:27, 28, 34, 35, 43; 2 Tantara 36:20, 21.
Ampianarin’izany tantara izany antsika fa ampamoahin’Andriamanitra ny olombelona ny amin’izay ataony amin’ny tany. (Romana 15:4). Raha ny marina, Andriamanitra dia mampanantena fa ‘hanimba izay manimba ny tany’ izy. (Apokalypsy 11:18). Mendri-komarihina ny filazalazan’ny Baiboly ny karazan’olona izay mandray anjara amin’izany ‘fanimbana’ izany. Anisan’ny lafin-toetra lehibe mampiavaka ireo olona ireo, araka ny lisitra hita ao amin’ny Baiboly ao amin’ny 2 Timoty 3:1-5, ny hoe mibahana ao an-tsainy ny fitiavan-tena sy ny vola, hany ka tsy miraharaha firy an’Andriamanitra izy ireo, ary rehefa itarina, dia tsy miraharaha firy ny zavatra noforoniny, anisan’izany ny olombelona tahaka azy ireo.
Azo anaovana fanatsoahan-kevitra roa lehibe àry ireo andininy roa ao amin’ny Baiboly ireo, dia ny 2 Timoty 3:1-5 sy ny Apokalypsy 11:18. Voalohany aloha, ny toe-tsaina voaloto dia miteraka tany voaloto. Ary ny faharoa, dia hisalovana Andriamanitra mba hamonjena ity planeta ity sy ny olombelona matahotra azy, rehefa samy hahatratra ny fara tampony ireo endriny roa amin’ny fandotoana ireo. Ahoana no fomba hisalovanan’Andriamanitra?
Nanambara mialoha toy izao Andriamanitra tamin’ny alalan’i Daniela mpaminaniny: “Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo [miharihary fa ireo fitondram-panjakana amin’izao andro izao] Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana (...), [ka] ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.” (Daniela 2:44). Tena fitondram-panjakana haneran-tany io Fanjakana io. Nampianatra ny mpanara-dia azy hivavaka momba io fitondram-panjakana io i Jesosy Kristy rehefa nilaza hoe: “Koa amin’izany mivavaha toy izao hianareo: Rainay Izay any an-danitra (...). Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” — Matio 6:9, 10.
Eo ambany fanaraha-maso feno fitiavan’ny Fanjakan’Andriamanitra, ireo mponina eto an-tany dia hankafy ny tombontsoa mahafinaritra ny hanao ny tany manontolo ho paradisa. Hadio ny rivotra, hangalahala ny renirano, ary hamokatra ny nofon-tany satria tsy hisy zavamananaina voaloto. (Salamo 72:16; Isaia 35:1-10; Lioka 23:43, NW ). Izao no fampanantenan’ny Baiboly ny amin’izay hitranga aorian’izany: “Tsy hotsarovana intsony ny taloha [ny aretina, ny fijaliana, ny fandotoana, ary ny loza hafa maro amin’izao andro izao], na ho mby ao an-tsaina akory aza.” — Isaia 65:17.
[Sary, pejy 10]
Tany voadio: ho velona mba hahita izany ve ianao?