Avy Amin’ny Mpamaky
Ala Tropikaly Misaotra noho ilay fanazavana mazava sy mampionona izay navoakanareo momba ny ala tropikaly. (8 May 1998). Mampalahelo ny mahita ny planetantsika sy ny biby ary ny zavamaniry sarobidy eo aminy, simban’ny hadalan’olombelona sy ny fierenany. Faly aho mieritreritra fa tsy ho ela i Jehovah, ilay Mpamorona Lehibe antsika, dia hisalovana mba hiarovana io vatosoa sarobidy io sy ny zavamiaina eo aminy.
F. A., Brezila
Vao avy namaky ilay nomerao mahatalanjona amin’ny gazety Mifohaza! aho. Olona tsy fantatro, fa Vavolombelon’i Jehovah iray sariaka, no nanome ahy azy io. Mpikambana ao amin’ny fikambanana miaro ny tontolo iainana ao amin’ny Oniversiten’i Édimbourg aho, noho izaho nahazo diplaoma momba ny ala tao amin’ny Oniversiten’i Édimbourg tamin’ny 1939. Zavatra betsaka no nampianarina anay momba ny ala tropikaly. Tena miarahaba anareo sy ireo izay nanampy anareo aho noho ny hatsaran’ilay fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Mety ho Voavonjy ve ny Ala Tropikaly?” Voavakiko manontolo izy io. Enga anie hiroborobo ny asa masina ataonareo! Eny, tena hiroborobo tokoa izy io.
L. M., Angletera
Ny Taona 2000 Nahafaly ahy ny nahazo ilay fampahatsiahivana ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Ny Fiheveran’ny Baiboly: Mifono Heviny Lehibe ve ny Taona 2000?”, ao amin’ny Mifohaza! tamin’ny 8 May 1998. Nankasitrahako ilay firesahanareo tsy nisy olakolaka momba ny tsy tokony hironana hanombantombana, sy ny fahatsoranareo rehefa nanazava momba ireo filazana tamin’ny lasa mahakasika ny fotoana hahatongavan’ny andron’i Jehovah.
S. W., Etazonia
Fiainana sy Fandripahana Tany Kambodja Misaotra noho ilay lahatsoratra hoe “Ilay Diako Lavitra avy Tamin’ny Fiainana sy ny Fandripahana Tany Kambodja”. (8 May 1998). Mahafinaritra ny manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana sy ny mahalala fa toa an’i Wathana Meas, izay namono olona mba tsy hahafaty ny tenany fony izy miaramila, dia misy olona maro koa manompo an’i Jehovah, na dia eo aza ny fahatsiarovana mampalahelo. Gaga be aho namaky fa niafina tao an-davaka nandritra ny telo volana izy. Tsy fantany akory fa tsy ho ela izy dia hahazo ny tombontsoa lehibe indrindra teo amin’ny fiainany, dia ny hanjary hahalala an’i Jehovah!
C. M. S. L., Brezila
Mitsara Ivelany ve Ianao? Mety hamitaka ny fisehoana ivelany, araka ny naseho tsara an’ohatra tamin’ny alalan’ilay vakomanitra momba an’i Nasreddin Hoja. (8 May 1998). Misaotra noho ny nampahatsiahivanareo anay fa tsy tokony hitsara ivelany fotsiny izahay hoe tsara na ratsy ny hafa, ary koa ny toe-pontsika no itsaran’i Jehovah antsika, fa tsy mitsara antsika ivelany izy.
A. O. F. A., Brezila
Tsy ho Levona Mandrakizay ny Fitiavana Misaotra anareo amin’ny foko rehetra aho noho ilay lahatsoratra fohy sy tsara dia tsara hoe “ ‘L’amour ne disparaît jamais’ ” (8 May 1998, frantsay). Nanohina lalina ny foko sy nampahery ahy ireo hevitra novelabelarina nifandray tamin’ireo lafiny maro samihafa amin’ny fitiavana marina, indrindra fa satria tonga tamin’ny fotoana tena nilako fanampiana mihitsy ilay lahatsoratra. Miaiky aho ankehitriny fa na inona na inona toe-javatra, ny fitiavana dia tsy ho levona mandrakizay.
S. G., Frantsa