Ilaina sy Sambatra Aho na dia Jamba Aza
Notantarain’i Polytimi Venetsianos
Fony aho mbola kely, raha niara-nilalao tamin’ny iray tam-po amiko anankitelo, sy ny zanak’olo-mpiray tam-po amiko anankiray aho, dia nisy zavatra kely nisidina, niditra teo am-baravarankely. Hay grenady ilay izy, ary rehefa nipoaka izy io, dia maty avokoa ireo iray tam-po amiko anankitelo, ary lasa jamba tanteraka aho.
TAMIN’NY 16 Jolay 1942 no nitrangan’izany, fony aho vao dimy taona monja. Nandritra ny andro maro, dia mbetika aho nahatsiaro tena, mbetika aho safotra. Nanontany ny momba an’ireo anadahiko sy rahavaviko aho, rehefa nahatsiaro tena indray. Rehefa fantatro fa maty izy ireo, dia naniry ny ho faty koa aho.
Nipetraka tany amin’ny nosy grikan’i Salamine, any akaikin’i Piraiévs, seranan’i Atena, ny fianakaviako, fony aho teraka. Nanana fiainana nilamina izahay, na dia nahantra aza. Potika izany rehetra izany rehefa nanomboka ny Ady Lehibe Faharoa, tamin’ny 1939. Tantsambo tany amin’ny Ranomasina Mediterane ny raiko. Matetika izy no voatery nidify an’ireo sambo mpisitrika, sambo mpiady, baomba itifiran-tsambo, sy ny baomban’ny Axe (ireo firenena niaraka tamin’i Alemaina) sy ny an’ny Mpiray Dina. Teo ambany vahohon’ny Fasisma sy ny Nazisma i Gresy.
Nampianarina hankahala an’Andriamanitra
Noho ny toe-piainana nahatsiravina nandritra ilay ady, dia namoy ny zanany fahefatra i Neny. Tratran’ny fahaketrahana lalina izy, ary voan’ny raboka. Rehefa avy niteraka ny zanany fahenina izy, dia maty tamin’ny farany, tamin’ny Aogositra 1945. Nanomboka nilaza taminay ireo mpiray tanàna mpivavaka fa nosazin’Andriamanitra izahay. Nisy pretra ôrtôdôksa grika nanandrana nampahery anay tamin’ny filazana fa nalain’Andriamanitra ho any an-danitra ny anadahiko sy ny rahavaviko mba ho tonga anjely kely. Nefa tsy nanao afa-tsy ny nanampy trotraka ny fahorianay izany.
Sosotra i Dada. Nahoana Andriamanitra no nandrombaka zaza efatra avy tamina fianakaviana mahantra iray, nefa izy manana anjely an-tapitrisany maro any aminy? Niteraka fankahalana mafy an’Andriamanitra sy ny fivavahana tao aminy ireny finoan’ny Eglizy Ôrtôdôksa ireny. Taorian’izany, dia tsy te hifandray tamina fivavahana intsony izy. Nampianatra ahy hankahala sy hanao tsinontsinona an’Andriamanitra izy, ka nanamafy fa Andriamanitra no rangory fototry ny afo tamin’ny fijalianay sy ny fahorianay.
Toy ny biby voahidy
Taoriana kelin’ny nahafatesan’ny reniko tamin’ny 1945, dia voan’ny raboka koa i Dada, ary voatana tao amin’ny sanatôriôma (trano fitsaboana ny marary tratra). Nentina tany amin’ny trano fitaizan-jaza notantanan’ny fanjakana ny zandriko vavy kely. Tatỳ aoriana, rehefa nivoaka ny sanatôriôma i Dada, ka nankany amin’ilay trano fitaizan-jazakely mba haka azy, dia nilazana izy fa efa maty ilay rahavaviko. Nalefa tany amin’ny sekoly ho an’ny jamba aho, ary ireo valo taona nanaraka teo amin’ny fiainako no laniko tany. Difotry ny alahelo aho tamin’ny voalohany. Nandritra ireo andro famangiana no tena nampamoy fo indrindra. Nisy nitsidika ny ankamaroan’ireo ankizy jamba niara-nianatra tamiko, fa izaho kosa tsy mba nisy nitsidika, na iray aza.
Toy ny biby voahidy aho. Nantsoina hoe ilay biby mpandrahona aho tao amin’ilay sekoly. Ho vokany, dia nokapohina aho ary voatery nipetraka teo amin’ny ‘sezan’ny zaza maditra’. Matetika aho no nieritreritra ny hamono tena. Rehefa nandeha anefa ny fotoana, dia nanjary nazava tamiko fa tsy maintsy nianatra ny hahavita tena aho. Nanjary nahita fahafaham-po tamin’ny fanampiana ireo jamba izay niara-nianatra tamiko aho, ary matetika no nanampy azy ireny hiakanjo na hampirina ny fandrianany.
Nilaza taminay ny pretra fa nataon’Andriamanitra jamba izahay noho ny fandikan-dalàna nahatsiravina nataon’ny ray aman-dreninay. Tsy nanao afa-tsy ny nanaitra fankahalana bebe kokoa an’Andriamanitra, izay toa ratsy fanahy sy feno hasomparana, izany. Nampahatahotra sady nahasosotra ahy ilay finoana hoe mihelohelo manakorontana ny velona ny fanahin’ireo maty. Noho izany, na tiako aza ireo iray tam-po tamiko sy ny reniko efa maty, dia natahotra ny ‘fanahin’izy ireo’ aho.
Nanampy ahy ny raiko
Rehefa nandeha ny fotoana, dia nifampikasoka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Dada. Gaga izy nahafantatra avy tao amin’ny Baiboly fa i Satana, fa tsy i Jehovah, no loharanon’ny fijaliana sy ny fahafatesana. (Salamo 100:3; Jakoba 1:13, 17; Apokalypsy 12:9, 12). Rehefa nahazo fanazavana toy izany i Dada, dia tsy ela dia nanomboka nanatrika fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah, sy nanao fandrosoana ara-panahy, ary natao batisa tamin’ny 1947. Volana vitsivitsy talohan’izay, dia nanambady fanindroany izy, ary nanan-janaka lahy izao. Rehefa nandeha ny fotoana, dia niaraka taminy teo amin’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah koa ilay vadiny vaovao.
Nandao ny sekoly ho an’ny jamba aho, teo amin’ny faha-16 taonako. Nampionona erỳ ny niverina tao amin’ny fianakaviana kristianina nisy firaiketam-po! Nanao ilay nantsoin’izy ireo hoe fianaram-pianakaviana izy ireo, ary nasaina hanatrika izany aho. Nifototra tamin’ny Baiboly izany fianarana izany. Nanatrika izany ho fanajana sy ho fahalalam-pomba aho, na dia tsy tena nihaino tsara aza. Mbola feno fankahalana an’Andriamanitra sy ny fivavahana aho.
Ilay bokikely hoe La voie de Dieu est une voie d’amour (Ny Lalan’Andriamanitra dia Lalan’ny Fitiavana) no nianaran’ilay fianakaviana. Tamin’ny voalohany, dia tsy nahaliana ahy ilay izy, nony avy eo anefa dia reko i Dada niresaka momba ny toetoetran’ny maty. Nanaitra ny saiko izany. Novakina avy tao amin’ny Baiboly ny Mpitoriteny 9:5, 10, manao hoe: “Ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona (...). Tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ny fiainan-tsi-hita izay alehanao.”
Nanomboka takatro fa tsy nitombina ny tahotro. Tsy afaka nitondra fahavoazana ho ahy ny reniko sy ny anadahiko ary ny rahavaviko efa nodimandry. Momba ny fitsanganana amin’ny maty indray avy eo ny foto-kevitra nodinihina. Nanongilan-tsofina tanteraka aho. Safononoky ny hafaliana ny foko rehefa nandre ny fampanantenan’ny Baiboly aho fa eo ambanin’ny fanjakan’i Kristy, dia hiverina ho amin’ny fiainana ny maty! (Jaona 5:28, 29; Apokalypsy 20:12, 13). Tena nahaliana ahy izao ilay fianarana. Tsy andriko erỳ ny andro hanaovan’ny fianakaviana io fiaraha-midinika io, ary na dia jamba aza aho, dia nanao fanomanana tsara.
Nanjary nahita teo amin’ny lafiny ara-panahy
Arakaraka ny nitomboan’ny fahalalako ny Soratra Masina no nanjavonan’ny fiheveran-disoko momba an’Andriamanitra sy ny fifampiraharahany amin’ny olombelona. Nianarako fa na izaho na olon-kafa dia tsy nataon’Andriamanitra jamba, fa i Satana Devoly, Fahavalony, no fototry ny faharatsiana rehetra. Nanenina mafy aho, satria nanome tsiny an’Andriamanitra, noho ny tsy fahalalako tsotra izao! Noho ny hetaheta tsy nety afa-po tato anatiko, dia nitombo ny fahalalako araka ny marina ny Baiboly. Nanatrika sy nandray anjara tamin’ireo fivoriana kristianina rehetra aho, na dia nipetraka tany amin’ny kilaometatra maro avy teo amin’ny Efitrano Fanjakana aza izahay. Nandray anjara tamim-pahavitrihana tamin’ny asa fitoriana koa aho, ka tsy navelako hanakana ahy ny tsy fahitan’ny masoko.
Akory ny fahasambarako rehefa natao batisa aho, tamin’ny 27 Jolay 1958, izany hoe 16 taona mahery kely taorian’ilay loza nahatonga ahy ho jamba! Nanao fiaingana vaovao aho, sady feno fanantenana no tsy nijery afa-tsy ny lafy tsaran-javatra. Nanan-java-kendrena izao ny fiainako, dia ny hanompo an’ilay Raiko be fitiavana any an-danitra. Nanafaka ahy tamin’ireo fampianaran-diso ny fahalalana azy, ary nanome ahy herim-po hiatrehana, tamim-pahatapahan-kevitra sy fanantenana, ny fahajambako sy ny zava-tsarotra entin’izany. Nanokana tsy tapaka 75 ora, fara fahakeliny, isam-bolana tamin’ny fitoriana tamin’ny hafa ilay vaovao tsara be voninahitra aho.
Faharavan’ny tokantranoko
Tamin’ny 1966, dia nanambady lehilahy iray izay nitovy zava-kendrena tamiko teo amin’ny fiainana aho. Toa hita fa ho sambatra ny tokantranonay, satria samy niasa ho amin’ny fampitomboana ny asa fitoriana nataonay izahay. Nisy volana nanokananay ora maro tamin’io asa mamonjy aina io. Nifindra tany amin’ny faritra nitokana tany akaikin’i Livadiá, any afovoan’i Gresy, izahay. Nandritra ireo taona nipetrahanay tany, nanomboka tamin’ny 1970 ka hatramin’ny 1972, dia afaka nanampy olona maromaro hianatra ny fahamarinana ara-baiboly sy ho tonga Kristianina vita batisa izahay, na dia teo aza ny famoretan’ny fitondrana miaramila teto Gresy tamin’izany fotoana izany. Faly koa izahay nanampy ilay kôngregasiôna kelin’ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’io faritra io.
Rehefa nandeha anefa ny fotoana, dia nanomboka nanao tsirambina ny fianarana ny Baiboly sy ny fanatrehana ireo fivoriana kristianina ny vadiko. Tamin’ny farany, dia nandao tanteraka ny fampianaran’ny Baiboly izy. Niteraka fihenjanana be tao amin’ny tokantranonay izany, ary fisaraham-panambadiana no niafarany, tamin’ny 1977. Kivy tanteraka aho.
Fiainana sambatra sy mahavokatra
Tamin’io fotoana tena nanjombona teo amin’ny fiainako io, dia tonga indray mba hamonjy ahy i Jehovah sy ny fandaminany. Nohazavain’ny anadahy kristianina iray be fitiavana fa, raha navelako hanaisotra tamiko ny fifaliako ilay toe-javatra napoitran’ilay vadiko taloha, dia ho tonga andevony aho, raha ny marina. Ho nihazona ny fanalahidin’ny fahasambarako izy. Tokotokony ho tamin’izany fotoana izany, dia nisy rahavavy be taona tao amin’ny kôngregasiôna kristianina nangataka fanampiana mba hanatsarana ny fahaizany mitory. Tsy ela dia revo tanteraka tamin’izay nitondra fifaliana be indrindra ho ahy aho, dia ny fandraisana anjara amin’ny fanompoana!
Avy eo, dia nanolotra izao soso-kevitra izao ny Kristianina hafa iray: “Afaka manohy mitondra ny fanampianao any amin’ny toerana izay ilana anao indrindra ianao. Mety ho tonga fanilo ampiasain’i Jehovah Andriamanitra ianao.” Nampientana ahy erỳ ny nieritreritra izany! Olona jamba, nefa ho tonga “fanilo ampiasain’i Jehovah Andriamanitra”! (Filipiana 2:15). Tsy nangataka andro aho fa nandao an’i Atena, mba hipetraka tatỳ amin’ny vohitr’i Amárinthos, atỳ atsimon’i Évvoia, faritra iray tsy nisy afa-tsy mpampianatra Baiboly vitsy dia vitsy. Nanampy ahy ireo anadahy sy rahavavy teto, ka afaka nampanorina trano iray ary nikarakara tsara ny zavatra nilaiko aho.
Koa efa 20 taona mahery izao no nahafahako nanokana volana maromaro isan-taona nanitarana ny asa fitoriana tamin’ny endriny samihafa. Noho ny hery avy amin’i Jehovah, dia mahavita mandray anjara amin’ny endriny rehetra amin’ny fanompoana aho, anisan’izany ny fitsidihana olona any an-tranony, ny fitarihana fampianarana Baiboly amin’olona liana, ary ny firesahana amin’olona eny amin’ny arabe. Amin’izao fotoana izao aho dia manana tombontsoa mitarika fampianarana Baiboly efatra amin’olona liana ny amin’ny Mpamorona antsika. Akory ny hafaliako nahita kôngregasiôna telo niorina teto amin’ity faritra ity, niainga avy tamin’ireo anadahy vitsivitsy monja, 20 taona lasa izay!
Mandeha an-tongotra maherin’ny 30 kilaometatra mandroso, ary toy izany koa miverina, indroa isan-kerinandro aho, mba hanatrehana fivoriana kristianina, ka tapa-kevitra ny tsy hanapatapaka na dia iray amin’izy ireny aza. Rehefa voamariko fa miriorio ny saiko mandritra ireo fivoriana, noho izaho tsy afaka mahita ny mpandahateny, dia mampiasa ny fandraisako an-tsoratra manokana amin’ny Braille aho mba handraisana naoty fohy. Amin’izany fomba izany no anereko ny sofiko sy ny saiko hihaino tsara. Ambonin’izany, dia manana tombontsoa aho mampiantrano ny iray amin’ireo fivorian’ny kôngregasiôna. Tonga avy any amin’ireo vohitra eny akaiky ny olona mba hanatrika ilay antsoina hoe Fianarana ny Bokin’ny Kôngregasiôna. Tsy manantena foana ny hitsidihan’ny hafa ahy ato an-tranoko aho, fa manao ny dingana voalohany, ka mitsidika azy ireo. Fifampaherezana no vokatr’izany. — Romana 1:12.
Fony aho mbola zatovo ka niara-nipetraka tamin-draiko, dia tsy nitondra ahy toy ny jamba mihitsy izy. Nanam-paharetana sy fikirizana izy ka nandany fotoana betsaka nampianarana ahy hanao zavatra amin’ny tanako. Nanjary afaka nikarakara tsara ny zaridainako sy ny biby fiompy keliko aho, noho izany fampiofanana azo ampiharina izany. Miasa mafy aho ato an-trano, manao izay hampahadio foana ny tranoko, sy mikarakara sakafo. Nianarako fa azontsika atao ny mahita fifaliana sy fahasambarana amin’ireo zavatra tsotra eo amin’ny fiainana, amin’izay zavatra ananantsika. Afaka nanao zavatra maro aho tamin’ireo vavahadin-tsaiko efatra sisa, dia ny fandrenesana, ny fanamboloana, ny fahatsapana tsiro, ary ny fikasihana, ary nahazoako fahafaham-po tsy hita pesipesenina izany. Izany koa dia fanambarana nahatalanjona tamin’ireo tsy Vavolombelona.
Nanohana ahy ny Andriamanitro
Maro no manontany tena hoe ahoana no nahafahako nijery ny lafy tsaran-javatra sy nahavita tena, nefa voafetra ny mety ho vitako. Ambonin’ny zavatra rehetra, dia i Jehovah, ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra”, no tsy maintsy omem-boninahitra. (2 Korintiana 1:3). Taorian’ny nahajamba ahy, dia matetika aho no nieritreritra ny hamono tena. Noho izany, dia tsy nino aho hoe mbola ho velona amin’izao fotoana izao raha tsy noho i Jehovah sy ny fahamarinana ara-baiboly. Nanjary takatro fa nanome antsika fanomezana maro, fa tsy ny fahitana ihany, ny Mpamorona antsika, ary raha ampiasaintsika izy ireny, dia afaka ny ho sambatra isika. Indray mandeha, rehefa nisy Vavolombelona nitory teto amin’ny vohitra onenako, dia nilaza tamin’izy ireo toy izao ny ramatoa iray, momba ahy: “Ny Andriamanitra ivavahany no manampy azy hahavita izany rehetra izany!”
Nampanatona ahy akaiky kokoa an’Andriamanitra ny fisedrana rehetra nahazo ahy. Tena nanatanjaka ny finoako izany. Tsaroako fa voan’ilay nantsoiny hoe “tsilo tamin’ny nofo” koa ny apostoly Paoly, angamba areti-maso. (2 Korintiana 12:7; Galatiana 4:13). Tsy nahasakana azy tsy ‘hisahirana fatratra’ tamin’ny vaovao tsara izany. Toa azy, dia afaka milaza koa aho hoe: “Koa mainka sitrako ny hirehareha amin’ny fahalemeko. (...) Fa ny fahalemeko no fahatanjahako.” — Asan’ny Apostoly 18:5, NW; 2 Korintiana 12:9, 10.
Ambonin’ny zavatra rehetra, ny fanantenako miorina amin’ny Baiboly dia ny hahita maso an’i Neny, sy ny rahavaviko, ary ny anadahiko malalako amin’ny fitsanganana amin’ny maty. Tena misy vokany tsara sy mahasoa eo amiko izany fanantenana izany. Mampanantena ny Baiboly fa “hampahiratina ny mason’ny jamba” ary “hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina”. (Isaia 35:5; Asan’ny Apostoly 24:15, NW ). Mahabe fanantenana ahy sy mahatonga ahy hiandrandra fatratra ny hoavy be voninahitra eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra ireo zavatra antenaina ireo!
[Sary, pejy 15]
Ny raiko, izay nampianatra Baiboly ahy
[Sary, pejy 15]
Ao an-dakoziako
[Sary, pejy 15]
Miara-manompo amin’ny namana iray