FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g99 8/3 p. 4-7
  • Nahoana no Tokony Hiresaka Momba ny Fivavahana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana no Tokony Hiresaka Momba ny Fivavahana?
  • Mifohaza!—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Halaviro ny tsy fahazoan-kevitra
  • Be mpanaraka sa tsy be mpanaraka ny fahamarinana?
  • Ny fomba hahitana ny lalana marina
  • Misy ilana mpampianatra ve?
  • Vavolombelon’i Jehovah
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
  • Tena zava-dehibe ny fivavahanao
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Fivavahana Ankasitrahan’Andriamanitra
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Mivavaka Amin’ny Fanahy sy ny Fahamarinana ny Kristianina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
Hijery Hafa
Mifohaza!—1999
g99 8/3 p. 4-7

Nahoana no Tokony Hiresaka Momba ny Fivavahana?

“Ny vy maharanitra ny vy, toy izany, ny olona maharanitra ny tarehin’ny sakaizany.” — Ohabolana 27:17.

TSY ny fampifamelezana azy no andranitana ny lelan’antsy. Ny fandranitana dia fanaovan-javatra malefaka kokoa noho izany. Mitovy amin’izany koa fa misy fomba mety sy tsy mety handranitana ny saina amin’ny alalan’ny resadresaka, indrindra fa momba ny foto-dresaka saro-pady, toy ny fivavahana.

Voalohany aloha, dia tsy maintsy manaja ny fahamendrehan’ilay olona iresahana isika, ary mampiseho izany amin’ny tenintsika sy ny ataontsika. “Aoka ny fiteninareo ho [mahafinaritra, NW ] mandrakariva, ho mamy sira”, hoy ny Baiboly. (Kolosiana 4:6). Ny teny mahafinaritra sy mamy sira dia tsy aseho amin’ny toe-peo manizingizina, na dia rehefa miaiky aza ilay miteny fa marina ny zavatra lazainy, ary diso ny an’ny ankilany.

Hita taratra eo amin’ny fomba fihainontsika koa ny toetra mahafinaritra. Tsy afaka ny hihaino amin’ny fomba mahafinaritra isika raha manapaka ny tenin’ny hafa, na raha tsy mifantoka amin’izay lazaina ny saintsika, satria variana manomana ny fanaporofoan-kevitsika manaraka isika. Azo inoana indrindra fa ho tsapan’ilay miresaka amintsika fa tsy liana amin’ny fomba fiheviny isika, ka mety hamarana ilay resaka izy. Afa-tsy izany koa, dia tsy tokony hanery na hanao izay hampahatahotra ilay iresahana mihitsy isika mba hanovany ny fomba fiheviny. Rehefa dinihina tokoa, dia ‘Andriamanitra no mampitombo’ ny voa ao am-pon’ny mpihaino mandray tsara. — 1 Korintiana 3:6.

Manana ny ohatra tsara navelan’ny apostoly Paoly, izay nampiasa “fanjohian-kevitra” (NW ) sy ‘fandresen-dahatra’ (Dikan-teny Iombonana Eto Madagasikara) teo amin’ny fanompoany, isika. (Asan’ny Apostoly 17:17; 28:23, 24). Niresaka momba ny fivavahana tamin’ny olona i Paoly, na taiza na taiza nahitany azy ireny, toy ny teny an-tsena, na tao an-tranon’izy ireo. (Asan’ny Apostoly 17:2, 3; 20:20). Miezaka mafy ny Vavolombelon’i Jehovah hanahaka izany ohatra izany, amin’ny fandehanana any amin’izay rehetra mety hahitana olona sy amin’ny fiarahana manjohy hevitra amin’izy ireny avy amin’ny Soratra Masina.

Halaviro ny tsy fahazoan-kevitra

Vao avy niorim-ponenana tao amin’ny Tany Nampanantenaina indrindra ny firenen’ny Isiraely raha nisy tsy fahazoan-kevitra momba ny alitara iray, saika nitarika azy ireo ho amin’ny ady an-trano. Nanorina alitara iray ny olona niorim-ponenana tany atsinanan’ny Ony Jordana, nefa ireo foko hafa dia diso fandray, ka nihevitra izany ho alitara hanaovana fivavahan-diso. Noho izany, dia niomana hanafika izy ireo mba hanafaizana ireo mpiray tanindrazana taminy. Nandresy anefa ny fahamalinana. Nandefa solontena aloha ireo saika hiady mba hanontany ny antony nanaovana ilay alitara. Akory ny fahamaivamaivanan’izy ireo nahafantatra fa tsangambato fotsiny izy io, “vavolombelona”, mba hampahatsiarovana ny foko rehetra fa iray ihany izy ireo eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra. Nisoroka ilay ady, ary namonjy aina maro ny fifampiresahana! — Josoa 22:9-34.

Mitovy amin’izany koa fa matetika ny tsy fahazoan-kevitra no miteraka fifankahalana na fitsarana an-tendrony mihitsy aza, amin’izao andro izao. Ohatra, misy olom-bitsy efa nihevitra ny Vavolombelon’i Jehovah ho mpivavaka mafana fo tafahoatra, satria nandre tatitra momba ny fandavan’izy ireo ny fampidiran-dra. Matetika anefa ireo izay nanontany manokana ny Vavolombelona momba io raharaha io no gaga sady faly nahafantatra fa mifototra amin’ny Baiboly ny toerana tanan’ny Vavolombelona, ary misy fitsaboana hafa azo fidina, izay sady mandaitra no tsy ahitan-doza. (Levitikosy 17:13, 14; Asan’ny Apostoly 15:28, 29). Raha ny marina, noho ny olana mahakasika ny tahirin-dra, dia nanoratra toy izao ny mpanoratra an-gazety iray: ‘Misaotra an’Andriamanitra isika fa nisava lalana ny Vavolombelon’i Jehovah teo amin’ny fikarohana zavatra hafa azo asolo ny ra.’

Mitovy amin’izany koa fa tsy nety niresaka tamin’ireo Vavolombelona ny sasany, satria nilazana izy ireo fa tsy mino an’i Jesosy Kristy ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy marina velively izany! Manantitrantitra ny anjara asan’i Jesosy eo amin’ny famonjena antsika ireo Vavolombelona, raha ny marina, ka manazava fa Zanak’Andriamanitra izy, ary nirahin’Andriamanitra tetỳ an-tany mba hanavotra ny olombelona amin’ny ota sy ny fahafatesana. Tamin’ny firesahana tamin’ireo Vavolombelona momba io raharaha io, dia voazava ilay tsy fahazoan-kevitra. — Matio 16:16; 20:28; Jaona 3:16; 14:28; 1 Jaona 4:15.

Be mpanaraka sa tsy be mpanaraka ny fahamarinana?

Mety hahagaga ny maro izao: mazàna ny lalana be mpanaraka no lalan-diso, raha ny fivavahana no asian-teny. Ny tenan’i Jesosy Kristy mihitsy no nampianatra hoe: “Midira amin’ny vavahady èty hianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny làlana izay mankany amin’ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. Fa èty ny vavahady, ary tèry ny làlana izay mankany amin’ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy.” — Matio 7:13, 14.

Tamin’ny andron’i Noa, dia olona valo monja no niresaka momba ny fahamarinana ara-panahy, dia i Noa, ny vadiny, ireo zanany telo lahy, ary ny vadin’ireo zanany ireo. Tsy isalasalana fa nahatonga ny olona hanao azy ireo ho fihomehezana, hampijaly azy mihitsy aza, ny hafatra fampitandremana nentiny sy ny asa fanorenana ny sambo fiara nataony. Na izany aza, dia tsy matin-kenamaso i Noa sy ny fianakaviany; fa nanohy nitory sy nanao fanorenana izy ireo. (Genesisy 6:13, 14; 7:21-24; 2 Petera 2:5). Mitovy amin’izany koa fa olona telo monja no nankato ireo toromarik’Andriamanitra ka tsy maty, tamin’ny fandravana an’i Sodoma sy i Gomora. — Genesisy 19:12-29; Lioka 17:28-30.

Ahoana ny amin’izao androntsika izao? “Na dia hiverina ara-batana aza i Kristy amin’izao andro izao, dia azo inoana fa hamono azy indray ny olona”, hoy ny tompon-trano iray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nihevitra io olona io fa amin’izao andro izao, toy ny tamin’ny 2 000 taona lasa ihany, dia tsy ho be mpanaraka ny fampianaran’i Jesosy sy ny fari-pitsipika ara-pitondran-tena ambony nampianariny. Mitovy hevitra amin’izany ve ianao?

Raha eny, dia marina ny anao, satria nampitandrina ny mpianany toy izao i Jesosy: “Ho halan’ny firenena rehetra hianareo noho ny anarako”; hita fa marina izany filazana mialoha izany. (Matio 24:9). Nilaza toy izao tamin’ny apostoly Paoly ireo mpitondra fivavahana jiosy tany Roma momba ny Kristianisma: “Izany antoko izany dia (...) efa ratsy laza eny tontolo eny”. (Asan’ny Apostoly 28:22). Kanefa, tsy hoe satria tsy be mpanaraka ny Kristianisma dia nitsahatra tsy nampita tamin’ny hafa ny zavatra ninoany ireo mpanara-dia an’i Kristy, na hoe nitsahatra tsy niresaka tamin’ireo Kristianina ny olona tso-po. — Asan’ny Apostoly 13:43-49.

Zava-dehibe kokoa noho ny hatramin’izay ny hafatr’i Jesosy amin’izao andro izao. Fa nahoana? Satria ny toe-piainana maneran-tany dia manondro fa miaina amin’ny “andro farany” ho an’ity fandehan-javatra ity isika izao, ary ny fanadiovana ny tany amin’ireo mpanao ratsy no ho fara tampon’izany andro farany izany. Nampitahain’i Jesosy tamin’ny andron’i Noa izao androntsika izao. (2 Timoty 3:1-5, NW; Matio 24:37-39). Koa tsy fotoana hanamaivanana ny zavatra inoantsika àry izao, satria ny fiainana mandrakizay dia tsy homena afa-tsy an’ireo izay mahalala an’Andriamanitra sy izay “mivavaka [aminy] amin’ny fanahy sy ny fahamarinana” ihany. — Jaona 4:24; 2 Tesaloniana 1:6-9.

Ny fomba hahitana ny lalana marina

Nanoro hevitra an’ireo izay mikaroka ny fahamarinana i Francis Bacon, filôzôfa anglisy tamin’ny taonjato faha-17, sady mpanoratra no mpahay lalàna ary mpitondra fanjakana, “mba handinika amim-pitandremana sy hihevitra tsara”. Ary nilaza toy izao i Thomas Jefferson, prezidàn’i Etazonia tany am-boalohany: “Fanjohian-kevitra sy fametrahana fanontaniana amin-kalalahana no hany fomba mandaitra ialana amin’ny fahadisoan-kevitra. (...) Ireo no fahavalo voajanaharin’ny fahadisoan-kevitra.” Koa raha tena mikaroka ny fahamarinana isika, dia “handinika amim-pitandremana sy hihevitra tsara” ary hikatsaka ‘fanjohian-kevitra sy hametraka fanontaniana amin-kalalahana’.

Namantatra ny antony maha zava-dehibe ny fanaovan-javatra toy izany ilay mpahay siansa britanika atao hoe Sir Hermann Bondi, ary nanao izao fanamarihana izao: “Koa satria tsy hety hisy finoana marina afa-tsy iray ihany, fara fahabetsany, dia tena azo inoana fa mety hino zavatra diso ny olona eo amin’ny sehatry ny fivavahana voambara. Tokony hampoizina ny hoe izany zava-misy miharihary izany dia hitarika ny olona iray hanetry tena, sy hihevitra fa na dia mety hanana finoana lalina aza izy, dia mety ho diso hevitra ny tenany.”

Ahoana àry no ahafantaran’ny olona iray fa eo amin’ny ‘lalana tery izay mankany amin’ny fiainana’ tokoa izy? Nampianatra i Jesosy fa tsy maintsy mivavaka amin’Andriamanitra “amin’ny fahamarinana” ny olona. Koa ny fanjohian-kevitra àry dia mitaky ny hoe raha misy fampianarana roa mifanohitra, dia tsy mety ho marina avokoa izy roa. Ohatra, na manana fanahy mbola velona aorian’ny fahafatesana ny olona, na tsia. Na hisalovana amin’ny raharahan’ny olombelona Andriamanitra, na tsia. Na Trinite Andriamanitra, na tsia. Valin-teny miorina amin’ny zava-misy ho an’ireo fanontaniana lehibe ireo no tadiavin’ireo mikaroka ny fahamarinana. Mino ny Vavolombelon’i Jehovah fa nanome antsika ny valiny Andriamanitra ao amin’ny Teniny, ny Baiboly.a

Koa satria ‘nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra ny Soratra rehetra’, ny fomba lehibe indrindra hitsapana ny fampianarana maro samihafa dia ny fampitahana azy ireny amin’ny Baiboly. (2 Timoty 3:16). Raha manao izany ianao, dia ‘ny tenanao mihitsy no hanamarina fa tsara sy azo ekena ary lavorary ny sitrapon’Andriamanitra’. (Romana 12:2, NW ). Afaka ‘manamarina mihitsy ve ny tenanao’ fa mifototra amin’ny Baiboly ny zavatra inoanao? Zava-dehibe ny ahafahanao manao izany, satria tsy irin’Andriamanitra ho voafitaka miaraka amin’“izao tontolo izao” ianao. — Apokalypsy 12:9.

Misy ilana mpampianatra ve?

Tsy nanolotra horonam-boky vitsivitsy an’ireo mpianany i Jesosy, ka niteny hoe: “Ato avokoa ny valin’ny fanontanianareo. Mandehana mody, ary tadiavo ao.” Tsy izany, fa nampianatra azy ireo ny tenin’Andriamanitra tamim-paharetana sy tamin-katsaram-panahy izy. Ireo izay nandray ny fampianarany indray kosa dia nanaraka ny fomba fanaony rehefa nampianatra ny hafa. Raiso ny ohatr’ilay mpianatra atao hoe Filipo. Niresaka tamin’ny tandapa etiopianina tso-po iray izay efa nahalala ny Soratra Masina noho ny fifampikasohany tamin’ny Jiosy, izy. Nila fanampiana anefa ilay lehilahy. Koa nasaina nanampy azy i Filipo, solontenan’ny kôngregasiôna kristianina. Raha tsy vonona ny hiresaka momba ny fivavahana io tandapa io, dia tsy ho nahafantatra momba ny anjara asan’i Jesosy eo amin’ny fikasan’Andriamanitra. Ohatra tsara dia tsara no navelan’io Etiopianina io ho an’izay rehetra mikaroka ny fahamarinana! — Asan’ny Apostoly 8:26-39.

Vonona ny hiresaka momba ny zavatra inoanao ve ianao, ary hametraka fanontaniana toy ny nataon’io Etiopianina io? Azo antoka fa handray soa betsaka ianao raha manao izany. Faly ny Vavolombelon’i Jehovah hiresaka momba ny Baiboly amin’ny olona izay maniry amim-pahatsorana hahalala izay lazain’izy io. Tsy manolotra ny fomba fiheviny manokana ny Vavolombelona. Tsy izany, fa miezaka mafy izy ireo hampiseho amin’ny olona izay lazain’ny Baiboly mihitsy.

Nianatra zavatra mahatalanjona sasany momba an’i Jesosy Kristy ilay Etiopianina, anisan’izany ny hoe nampiasa an’i Jesosy mifandray amin’ny famonjena antsika Andriamanitra. Tena kely sisa izao dia ho tanteraka ny fikasan’Andriamanitra. Hisy zavatra hampahatahotra sy hahatalanjona hitranga tsy ho ela eto an-tany. Ny lahatsoratra manaraka dia hampiseho fa voakasika avokoa ny olona rehetra eto an-tany. Mazava ho azy fa miankina betsaka amin’ny fihetsitsika sy ny ataontsika ny fomba hahavoakasika antsika.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Raha mila porofo ianao fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly, dia jereo, aza fady, ilay boky hoe Ny Baiboly — Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.

[Sary, pejy 7]

Nanaiky tamim-pifaliana hiresaka momba ny Baiboly ny tandapa etiopianina iray

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara