Taratasy Manokana ho An’ny Ray Aman-dreniny
Vao haingana izay, dia nanoratra taratasy fankasitrahana ho an’ny ray aman-dreniny ny zatovovavy roa tany Espaina. Inty ny sombiny amin’izany:
Ho an’i Pepe sy i Vicenta, ray aman-dreninay malala,
Inona re no hanombohanay azy e? Betsaka loatra ny zavatra tianay holazaina, ary sarotra ny mamintina izany rehetra izany amin’ny teny vitsivitsy. Maniry hisaotra anareo izahay noho ireo 17 sy 15 taona niainanay, taona izay feno fiahiana sy fitiavana.
Fantatray foana ny hevitrareo sy ny fitsipika napetrakareo. Indraindray, dia nanontany tena izahay hoe nahoana izahay no tsy maintsy nody tamin’ny ora voatondro. Ankehitriny anefa, rehefa hitanay ny niafaran’ny toe-javatra ho an’ireo tanora hafa izay tsy voatery nody tamin’ny ora voatondro, dia takatray fa niaro anay ireny fitsipika ireny.
Nanome ohatra ianareo teo amin’ny tsy fanapatapahana ny fanatrehana fivoriana kristianina tany amin’ny Efitrano Fanjakana, raha tsy hoe noho ny antony marim-pototra angaha. Nanampy anay betsaka izany ohatra nomenareo izany, toy izany koa ny amin’ny fiaraha-nitory taminareo ny alahady. Tsy nila nanontany izahay ny alahady maraina raha handeha hanao fanompoana eny amin’ny saha isika, na tsia. Fantatray tsara fa eny no valiny!
Anisan’ny fitaizana noraisinay koa ny fianarana mandray vahiny. Be mpitsidika isika, ary nomenareo izay tsara indrindra tamin’izay nanananareo foana izy ireny. Hitanay izany, fony izahay mbola kely, ary mankasitraka ny fananana ray aman-dreny hafa kely izahay.
Tsy misy olona mahalala na mahatakatra tsara kokoa ny fihevitray noho ianareo. Ianareo no namana akaiky anay indrindra, sy hany nitokisanay tanteraka.
Ho famaranana, dia tianay ny haneho ny fitiavanay anareo. Ray aman-dreninay ianareo, ary tsy hatakalonay na iza na iza. Raha azonay atao ny mifidy ny ray aman-dreninay sy ny fomba fiainanay indray, dia tsy isalasalana fa ho nifidy anareo izahay, ary ho niaina araka izao fomba fiainanay izao ihany indray izahay.
Ba mamy avy amin’ny zanakareo,
ESMERALDA SY YOLANDA