Ahoana no Tokony ho Fomba Fatorin’ny Zazakely?
ZAZAKELY maro maneran-tany no maty noho ny Fahafatesana Tampoka Mahazo ny Zazakely (SIDS). Izy io no antony fahita indrindra mahatonga fahafatesana eo amin’ireo zazakely eo anelanelan’ny 1 volana ka hatramin’ny 12 volana, any Etazonia. Misy fomba hampihenana ny mety hitrangan’ny loza ve? Araka ny voalazan’ny The Journal of the American Medical Association (JAMA), dia asehon’ny fikarohana natao tato anatin’ireo taona faramparany fa toa nihena be ny mety hitrangan’ny SIDS rehefa matory mitsilany ny zazakely, fa tsy mihohoka. Misy tany maromaro nanangana fandaharan’asa mba hampahafantarana ny ray aman-dreny ny amin’ny fifandraisana misy eo amin’ny fomba fatory sy ny SIDS. Tany Aostralia, Angletera, Danemark, Nouvelle-Zélande, ary Norvezy, dia nihena 50 isan-jato, fara fahakeliny, ny SIDS taorian’ny herintaona ka hatramin’ny roa taona nanaovana ezaka manokana ho fanentanana ny besinimaro mba hampandry mitsilany ny zazakely.
Tsy fantatra marina ny ifandraisan’ny fomba fatory mihohoka eo amin’ny zazakely sy ny SIDS, nefa misy mpikaroka milaza fa io fomba fatory mihohoka io dia mety hahatonga ilay zazakely hamerina hifoka indray ny rivotra navoakany, ka izany dia hampitombo ny habetsahan’ny roanôksida-na karbônina ao amin’ny rany. Mety hanjary hafana loatra koa ny tenan’ilay zazakely noho izy tsy mamoaka hafanana tsara, rehefa matory mihohoka. Na ahoana na ahoana, dia mazàna no tsy mivadibadika ny zazakely nampandriana mitsilany na mihohoka. Toa manondro koa ny fandinihana natao fa tsara kokoa ny hampandriana mitsilany ny zazakely ara-dalàna sy salama iray, noho ny fampandriana azy mihorirana.
Nahoana no misy fomba fatory tian’ireo reny kokoa? Marihin’ny JAMA fa matetika ny reny no manaraka fotsiny ny fomba fanao: toy ny fomba fanaon’ny reniny na ny olon-kafa eo amin’ny fiaraha-monina misy azy no ho fomba hampandriany ny zanany kely. Na mety hanao mitovy amin’izay voamariny tany amin’ny hopitaly izy. Mihevitra koa ny reny sasany fa misy fomba fatory manokana tian’ny zanany kely, na ahafahan’ilay zazakely matory tsara kokoa. Reny maro no mampandry ny zanany mitsilany foana mandritra ny volana voalohany, nefa manova azy hihohoka indray avy eo. “Mampanahy be izany fironana izany, satria eo amin’ny zazakely 2 ka hatramin’ny 3 volana no tena mety hitrangan’ny SIDS indrindra”, hoy ny JAMA. Miezaka mafy ireo dokotera mampahafantatra ny ray aman-dreny manan-janaka kely ny amin’izay lazain’izy ireo hoe fomba tsotra sy mandaitra hampihenana ny mety hitrangan’ny SIDS, tsy inona izany fa ny fampandriana zazakely salama iray mitsilany.a
[Fanamarihana ambany pejy]
a Raha voan’ny aretin’ny taovam-pisefo ny zazakely iray, na mandoa nono amin’ny fomba tsy ara-dalàna, dia ho fahendrena ny hizahana dokotera mba hahafantarana izay fomba fatory tsara indrindra ho azy.