FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g99 8/5 p. 30
  • Avy Amin’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Avy Amin’ny Mpamaky
  • Mifohaza!—1999
  • Mitovitovy Aminy
  • ‘Mampamirapiratra ny Tavany Amin’izy Ireo i Jehovah’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Asehoy fa Tianao Ireo Rahalahy sy Anabavy Marenina!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Miahy ny Marenina Andriamanitra
    Foto-kevitra Hafa
  • “Mahasoa An’ireo Marenina ny Mianatra Baiboly”
    Mifohaza!—2010
Hijery Hafa
Mifohaza!—1999
g99 8/5 p. 30

Avy Amin’ny Mpamaky

Tanora Mamono Tena Iriko ny hisaotra betsaka anareo noho ilay fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Inona no Fanantenan’ny Tanora Amin’izao Andro Izao?” (8 Septambra 1998). Nampilatsa-dranomaso ahy ilay izy. Nanandrana namono tena imbetsaka aho. Faly anefa aho satria tsy nahomby.

A. Z., Repoblika Tseky

Lahatsoratra ahitana tena fahazoana ny fihevitry ny hafa, mahakasika loha hevitra saro-pady, izy ireo. Nanandrana namarana ny androm-piainako aho tany am-piandohan’ity taona ity, nandritra ny fotoana nitsaboana ahy noho ny fahaketrahana. Misaotra noho io loha hevitra tonga tamin’ny fotoana nety io. Namonjy ny aiko izy io.

R. P., Angletera

Mampalahelo fa nisy mpiara-mianatra tamiko anankiroa nanandrana namono tena. Nanao izany ny iray tamin’izy ireo, satria rehefa nandinika ny hoaviny izy, dia tsy nahita zavatra tsara mihitsy, fa tsy nisy afa-tsy zava-tsarotra tsy maintsy resena. Azo ampiharina àry io lahatsoratra io, satria nanazava tamin’ny fomba voafaritra tsara ny mety hananantsika hoavy misy heviny.

R. D., Espaina

Nanohina ny foko ilay lahatsoratrareo. Toy ny hoe niresaka tamiko, tamin’ny maha Ray be fitiavana azy, i Jehovah. Fony aho mbola kely, dia novetavetain’ny raiko. Nahatsiaro ho tsy nisy vidiny aho, ary matetika no nieritreritra ny hamarana ny fiainako. Ankehitriny anefa, araka ny fanoloran-kevitra tao amin’ilay lahatsoratrareo, dia mamboly faniriana mafy “ny tena fiainana” aho. — 1 Timoty 6:19.

S. R., Brezila

Misaotra, indrindra fa noho ny teny nambaran’ireo tanora. Ny ankamaroan’ireo teniny dia nirakitra vahaolana amin’ny teny vitsy dia vitsy monja.

W. H., Alemaina

Fahazoam-bola Misaotra indrindra noho ny nakanareo fotoana namoahana ilay lahatsoratra ahazoana fahalalana hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Ahoana no Mety Hahazoako Vola?” (8 Septambra 1998). Sarotra tamiko ny nahita asa. Narahiko anefa ireo torohevitrareo, ka nahita asa ihany aho tamin’ny farany!

S. D., Ghana

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara