Ry Mpitia Mitanina Andro — Arovy ny Hoditrareo!
AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY BREZILA
TIANAO ve ny mandany fotoam-pialan-tsasatra eny amin’ny torapasika? Sa ny mihanika tendrombohitra? Raha izany no izy, dia anisan’ireo olona an-tapitrisany maro mankafy ny fanaovan-javatra eny ivelany ianao. Indro anefa misy fampitandremana: Matetika izany no midika hoe fitaninana andro bebe kokoa. Mitondra loza ve izany? Raha izany no izy, ahoana no azonao iarovana ny tenanao?
“Ny hoditrao no taova be velarana indrindra sy iray amin’ireo taova mora tazana indrindra eo amin’ny vatanao”, hoy ny nosoratan’ny Dr. W. Mitchell Sams, zanany. Manampy mba hiarovana ny vatanao tsy ho maina sy mba hampahafana anao hatrany ny hoditrao. Mahatonga anao ho afaka hahatsapa hatsiaka, hafanana, fanaintainana, sy hovotrovotra, ary koa faritra marokoroko na malama, izy io. Manana anjara asa lehibe koa ny hoditrao eo amin’ny famokarana vitaminina D, izay tena ilaina eo amin’ny fiforonan’ny taolana. Mitranga io famokarana vitaminina D io rehefa mitanina andro ianao.
Misy loza mihamitombo anefa raha atao azon’ny hainandro tafahoatra ny hoditra. Ny taratry ny masoandro mipaka etỳ an-tany dia voaforon’ny hazavana infrarouge (eo ambanin’ny mena) sy hazavana hita maso, ary koa hazavana ultraviolet (any ankoatra ny volomparasy) ao amin’ny laharana A sy B (UVA sy UVB). Soa ihany fa fohin’ny atmôsfera ny taratra kôsmika, sy ny taratra gamà, ary ny taratra X avoakan’ny masoandro. Ny sosona ôzônina ao amin’ny atmôsfera dia mahasakana tsara ny taratra ultraviolet C (UVC), ary mahasivana tsara ny ankamaroan’ny UVA sy ny UVB. Mampalahelo fa mihasimba io sosona ôzônina io any amin’ny toerana sasany. Zavatra simika sasany miteraka hatsiaka, sy ranoka afantsitsitra sasany no lazain’ny mpahay siansa maro ho mahatonga ilay olana. Na ahoana na ahoana, dia mihamampidi-doza mbola tsy nisy toy izany ho an’ny fahasalamanao ny fitaninana andro.
Mety handoro ny hoditrao ny taratra ultraviolet. Fanampin’izany, dia mety hiteraka pentina volontsôkôlà eo amin’ny hoditrao sady hanatevina sy hanamaina tsikelikely azy io koa ny taratra ultraviolet. Manjary mora roritina kokoa ny hoditrao noho ny taratra ultraviolet, ka hihantitra alohan’ny fotoana ianao, sady hisy irony ketrona atahoran’ny olona irony. Ny mbola ratsy kokoa aza, dia afaka manakantsakana ny rafi-kery fanefitra ao amin’ny vatanao ny fahazoana taratra ultraviolet be loatra, ary mety hahatonga ny hoditrao ho simba sy ho voan’ny kansera. Fanampin’izany koa, ny hoditra voa na marary dia manova ny bika aman’endrikao, ary mety ho anisan’ny mahatonga tsy fatokian-tena sy fahaketrahana mihitsy aza, amin’ny toe-javatra sasany.
Inona no azonao atao?
Mila fiarovana isan’andro amin’ny masoandro ny hoditrao, toy ny ilany fiarovana mandritra ny fe-potoana fohy hitaninana hainandro mahery. Inona no azo atao? Ankoatra ny fanaovana fitafiana, izay miaro amin’ny hainandro, sy ny famerana ny fotoana hitaninanao andro, dia afaka manaraka ny torohevitry ny manam-pahaizana manokana izay mampirisika ny hampiasana menaka fiarovana amin’ny masoandro ianao. Ahoana no ifidiananao izay tena mandaitra aminy? Vakio tsara izay voasoratry ny mpanamboatra azy momba ny tarehimarika milaza ny herin’ny fiarovana amin’ny masoandro (SPF) ao aminy. Arakaraka ny maha ambony ny tarehimarika no mahabe ny fiarovana. Ny olona mazava fihodirana dia mila mampiasa menaka fiarovana izay manana SPF ambony kokoa noho ireo olona maintimainty kokoa ny fihodirany. Fampitandremana: Miaro amin’ny taratra UVB fotsiny ny SPF. Noho izany, dia menaka fiarovana maharo amin’ny taratra maro kokoa fidina, ilay manome fiarovana amin’ny taratra UVA koa.
Ny ankizy, indrindra fa ireo fotsy hoditra, no tena mora main’ny hainandro. Ambonin’izany, dia manamarika ilay boky hoe Fotoproteção (Photoprotection) fa mitanina andro ela kokoa noho ny olon-dehibe ny ankizy. Afaka mampihena be ny mety hahavoan’ny kanseran’ny hoditra ny zanakao ny fandraisana fepetra mba hiarovana ny hodiny amin’ny masoandro, mandritra ireo 18 taona voalohany eo amin’ny fiainany, hoy ny Fotoproteção.
Tena ilaina ny hazavan’ny masoandro mba hisian’ny fiainana eto an-tany. Ary iza moa no tsy tia andro tsara misy masoandro mibaliaka? Kanefa, aza manaiky ho voafitaky ny sary be mpitia, izay mampiseho hoditra notaninin’ny masoandro, ary aseho ho fisehoana velon’ny hatsaran-tarehy sy ny fahatanorana! Arovy ny fahasalamanao, arovy ny hoditrao ka aza mitanina andro ela loatra.
[Efajoro, pejy 17]
Arovy ny Hoditrao!
1. Miarova tena amin’ny masoandro, indrindra fa eo anelanelan’ny amin’ny 10.00 maraina sy amin’ny 4.00 tolakandro, fotoana izay mahamafy indrindra ny taratry ny masoandro.
2. Na dia misy rahona aza ny lanitra, dia mampiasà menaka fiarovana amin’ny masoandro izay maharo amin’ny taratra maro kokoa, sy miaro amin’ny taratra UVA sy UVB, ary 15 na mihoatra ny tarehimarika milaza ny herin’ny fiarovana, entiny.
3. Hosory isaky ny adiny roa izy io rehefa eny ivelan’ny trano ianao, indrindra fa rehefa milomano na rehefa tsemboka.
4. Manaova fitafiana fiarovana izay tsy makarakara. Miaro kokoa ny loko matroka.
5. Manaova satroka izay misy sofiny folo santimetatra eo ho eo, fara fahakeliny, sy solomaso izay misy vera miaro amin’ny taratra ultraviolet.
6. Mitoera foana eny amin’ny aloka, isaky ny azo atao.
7. Halaviro ny faritra mamerina taratra, toy ny rano, ny fasika, ny ranomandry, izay mamerina ny ankamaroan’ny taratra manimba avy amin’ny masoandro.
[Sary nahazoan-dalana]
(Miorina amin’ny Skin Savvy, navoakan’ny American Academy of Dermatology)
[Sary, pejy 17]
Arovy ny fahasalamanao sy ny bika aman’endrikao — asio arony ny hoditrao
Ilana fikarakarana amboniny ny hoditra, any amin’ny faritra mamerina ny taratry ny masoandro