Manontany ny Tanora Hoe...
Nahoana i Neny no Marary Be toy Izao?
Matin’ny kansera ny rain’i Al.a Nahazaka izany ihany izy, satria nampianarina ny amin’ny fampanantenana fitsanganana amin’ny maty, voalaza ao amin’ny Baiboly. Nanomboka indray anefa ny nofy ratsy, rehefa fantatra fa voan’ny kansera ny reniny. Nampihorohoro an’i Al ny fieritreretana hoe hamoy ny reniny koa izy. ‘Nahoana no tsy maintsy ny reniko no marary?’, hoy izy anakampo sy tamin’alahelo mafy.
ARAKA ny voalazan’ny Dr. Leonard Felder, dia ‘Amerikanina maherin’ny enimpolo tapitrisa no miatrika aretina na takaitra mahazo havan-tiana.’ Hoy koa i Felder: “Amin’ny fotoana iray voafaritra tsara, dia mpiasa amerikanina iray isaky ny efatra eo ho eo no mahazo andraikitra fanampiny hikarakara ny zavatra ilain’ny ray na ny reny [na ny havan-tiana hafa] marary.” Raha izany no toe-javatra misy anao, dia tsy irery ianao. Na izany aza, dia mampahatahotra sy mampijaly ny mahita olona tianao manjary marary. Ahoana no azonao iatrehana izany?
Nahoana no marary ny raiko na ny reniko?
Hoy ny Ohabolana 15:13: “Ny alahelon’ny fo mahareraka ny fanahy.” Ara-dalàna tanteraka ny hahatsapana fihetseham-po be dia be rehefa marary ny ray na ny reninao. Ohatra, mety hahatsapa ho meloka noho izay manjo ny ray na ny reninao ianao. Angamba nisy tsy fifanarahana teo aminao sy ny ray na ny reninao. Mety ho nisy fifandirana nirehitra teo aminareo, indray mandeha na indroa. Amin’izao izy marary izao, dia mety ho somary hahatsapa ianao hoe misy fahadisoanao amin’izany. Na dia mety hiteraka fihenjanana aza anefa ny fifamaliana eo amin’ny mpianakavy, dia mahalana izany no miteraka aretim-be. Mety hitranga ny fihenjanana sy ny tsy fifanarahana madinika, na dia ao amin’ny tokantrano kristianina feno fitiavana aza. Koa tsy tokony hivesatra fanamelohan-tena àry ianao, toy ny hoe ianao no tokony homen-tsiny noho ny tsy fahasalaman’ny rainao na ny reninao.
Raha ny marina, dia noho ny fahotan’i Adama sy i Eva, ray aman-drenintsika voalohany, no mahatonga ny rainao na ny reninao harary. (Romana 5:12). Noho izany fahotana tany am-boalohany izany, dia ‘miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka mandraka ankehitriny izao zavatra ary rehetra izao’. — Romana 8:22.
Fihetseham-po mampijaly
Na izany aza, dia mety hanahy sy hitebiteby ihany ianao. Voan’ny lupus, fikorontanana ara-pahasalamana izay nanimba azy, ny renin’i Terri. Miaiky toy izao i Terri: “Isaky ny tsy ao an-trano aho, dia manahy ary manontany tena raha tsy maninon-tsy maninona i Neny. Sarotra tamiko ny nampifantoka ny saiko. Kanefa, nohazoniko ho ahy ny fihetseham-poko, satria tsy tiako ny hampanahy azy.”
Hoy ny Ohabolana 12:25: “Ny alahelo ao am-pon’ny olona dia mampitanondrika azy”. Fahita matetika ny fahaketrahana eo amin’ny tanora ao anatin’ny toe-javatra toy io. Milaza i Terri fa nahavaky fo ny nahita hoe tsy afaka nanao zavatra tsotra ny reniny. Manampy trotraka an’ilay fihenjanana ny hoe matetika ny tanora, ny ankizivavy indrindra indrindra, no voatery miantsoroka andraikitra fanampiny. Araka ny voalazan’ny Profesora Bruce Compas, dia “manjary vesaran’andraikitra ara-pianakaviana, toy ny fikarakarana tokantrano sy ny fiahiana ny zandry, ny zanakavavy. Tsy zakany ireny andraikitra ireny, ary manakantsakana ny fitomboany ara-dalàna ao amin’ny fiaraha-monina”. Mitokantokana ny zatovo sasany, ka mihaino mozika mampalahelo sy mahaketraka. — Ohabolana 18:1.
Fahita koa ny tahotra hoe mety ho faty ny ray na ny renin’ny tena. Tsy manana iray tam-po i Terri, ary tsy manambady ny reniny. Nitomany i Terri isaky ny nankany amin’ny hopitaly ny reniny, ary natahotra sao tsy hiverina intsony izy. Hoy i Terri: “Efa izahay mianaka irery sisa, ka tsy tiako ny hamoy ny namako akaiky indrindra.” Niaiky toy izany koa ny zatovovavy iray antsoina hoe Martha: “Valo ambin’ny folo taona aho, nefa mbola matahotra ny hamoy ny ray aman-dreniko ihany. Hiteraka fahatsapana ho manirery izay tena manimba ahy izany.” Zavatra hafa fahita koa ny tsy fatoriana tsara sy ny nofy ratsy ary ny fihinanana tsy ara-dalàna, rehefa marary ny ray na ny renin’ny tena.
Izay azonao atao
Afaka miatrika izany ianao, na dia sarotra toy inona aza ny toe-javatra amin’izao fotoana izao! Ny filazana ny tahotrao sy ny fanahianao amin’ny ray aman-dreninao no anombohy azy. Tena aretim-be ve no mahazo ny rainao na ny reninao? Azo inoana ho sitrana ve izy? Inona avy no fandaharana natao momba ny fikarakarana anao, raha sanatria ka tsy ho tafaverina amin’ny laoniny ny fahasalamany? Mety ho voan’ny aretina toy io koa ve ianao any aoriana any? Na dia sarotra amin’ny ray aman-dreninao aza ny miresaka momba ny zavatra toy izany, dia azo inoana fa hanao araka izay fara heriny izy mba hanampiana sy hanohanana anao, raha toa ka amim-pahatoniana sy amim-panajana no angatahanao ny fanampiany.
Lazao amin’ny hafa koa ny fihetseham-po tsara ao anatinao. Tsaroan’i Al fa tsy nanao izany izy fony nahafantatra fa tsy maintsy hahafaty an-dreniny ny kansera nahavoa azy. Hoy izy: “Tsy voalazako taminy hoe tena tiako be izy. Fantatro fa tiany ny nandre ahy nilaza izany, nefa hafahafa tamiko, izay zatovo, ny haneho fihetseham-po toy izany taminy. Maty izy taoriana kelin’izay, ary mahatsiaro ho meloka aho izao, satria tsy nanararaotra ny fahafahana hanao izany aho. Manenina aho, satria izy no olona sarobidy indrindra teo amin’ny fiainako.” Aza miahotra mampahafantatra amin’ny ray aman-dreninao hoe tena tianao be izy ireo.
Raha azo atao, dia fantaro ny aretina mahazo ny ray na ny reninao. (Ohabolana 18:15). Angamba afaka manampy anao amin’izay lafiny izay ny dokoteram-pianakavianareo. Hanampy anao hahay hiombom-pihetseham-po amin’ny hafa kokoa sy hanana faharetana ary hahatakatra izay manjo ny hafa ny fahazoanao fanazavana. Ary afaka manampy hiomananao amin’izay fiovana hita maso, toy ny holatra, fihintsanam-bolo, na ny harerahana, mety hiseho amin’ny ray na reninao izany.
Any amin’ny hopitaly ve ny ray na ny reninao? Misehoa ho falifaly sy mampahery àry rehefa mitsidika azy ianao. Resadresaka mahabe fanantenana foana atao, raha azo atao. Ilazao vaovao momba ny fianaranao any an-tsekoly sy momba ny asa kristianina ataonao izy. (Ampitahao amin’ny Ohabolana 25:25.) Raha antenaina ny hanateran’ny havana sakafo na ny hanaovany asa hafa ho an’ny marary any amin’ny taninao, dia ataovy tsy misy fitarainana ny anjaranao. Tsy vitan’ny hoe hampifaly ny ray na ny reninao ny fanananao fisehoana ivelany madio sy milamina ary tsara, fa hahatonga ny mpiasan’ny hopitaly sy ny dokotera hihevitra anao ho olona tsara koa. Mety ho afaka hanatsara ny fikarakarana omena ny ray na ny reninao koa izany.b
Eo am-pakana aina ao an-trano ve ny ray na ny reninao? Ataovy àry izay azonao atao mba hanampiana eo amin’ny fikarakarana azy. Manolora tena mba hanao izay raharaha araka ny antonony, ao an-trano. Miezaha hanahaka an’i Jehovah amin’ny fanomezana ‘malalaka sady tsy mandatsa’ avy amin’ny tenanao. (Jakoba 1:5). Araka izay fara herinao, dia manehoa toe-tsaina tsy be taraina, fa mijery ny lafy tsaran-javatra sy falifaly.
Mazava ho azy fa mbola eo foana ny entimodinao. Miezaha hanokana fotoana ho amin’izany, satria mbola zava-dehibe foana ny fianaranao. Raha azo atao, dia manokàna fotoana hialan-tsasatra sy hialam-boly. (Mpitoriteny 4:6). Hamelombelona sy hanampy anao izany mba hahafahanao hanohana tsara kokoa ny ray na ny reninao. Farany, dia aza mitokantokana. Mandraisa soa avy amin’ny fanohanan’ireo Kristianina hafa. (Galatiana 6:2). Hoy i Terri: “Nanjary fianakaviako ny kôngregasiôna. Vonona foana ireo loholona hiresaka tamiko sy hampahery ahy. Tsy hohadinoiko na oviana na oviana izany.”
Fihazonana fahaiza-mandanjalanja ara-panahy
Faran’izay zava-dehibe ny hihazonanao fahaiza-mandanjalanja ara-panahy. Aoka ianao ho be zavatra ara-panahy atao foana, toy ny fianarana ny Baiboly, ny fanatrehana fivoriana, ary ny fitoriana amin’ny hafa. (1 Korintiana 15:58). Mandritra ny fotoam-pialan-tsasatra, dia nampitombo ny fandraisany anjara eo amin’ny asa fitoriana i Terri, ka nanao ny fanompoan’ny mpisava lalana mpanampy. Hoy koa izy: “Nampirisika ahy foana i Neny mba hanomana sy hanatrika ireo fivoriana any amin’ny Efitrano Fanjakana. Hita fa nahasoa anay mianaka izany. Koa satria tsy afaka namonjy ny fivoriana rehetra, araka ny niriny izy, dia nanongilan-tsofina kokoa aho mba hahafahako hitantara taminy ny fivoriana rehefa avy eo. Niantehitra tamiko izy mba hanome azy sakafo ara-panahy rehefa tsy afaka nankany ny tenany.”
Namintina tsara ny zavatra ny lahatsoratra iray tao amin’ny The New York Times, rehefa nilaza ny amin’ny mpanao asa sosialy iray izay “gaga hatrany foana ny amin’ny fahafahan’ny ankizy mihalehibe sy mivelatra tsara mihitsy aza, na dia ao anatin’ny fikorontanana anaty vokatry ny tsy fahasalaman’ny ray aman-dreny aza”. Hoy izy: “Nampitombo fahaizana efa nananany, saingy tsy fantany, izy ireo (...). Raha afaka misetra izany tsy fahasalaman’ny ray aman-dreniny izany izy ireo, dia afaka misetra zavatra maro koa.”
Afaka misetra io fe-potoana sarotra io koa ianao. Efa mba tsy miovaova ankehitriny ny fahasalaman’ny renin’i Terri, ka afaka mikarakara ny tenany izy. Angamba, rehefa mandeha ny fotoana, dia ho sitrana koa ny ray na ny reninao. Mandra-pahatongan’izany anefa, dia aza hadinoina fa manana ny fanohanan’i Jehovah, Sakaizanao any an-danitra, ianao. “Mpihaino vavaka” izy, ary hihaino ny fitalahoanao fanampiana. (Salamo 65:2). Hanome anao, sy ny ray na ny reninao matahotra an’Andriamanitra, “ny hery mihoatra noho ny mahazatra” izy, mba hahafahanareo hiatrika ilay toe-javatra. — 2 Korintiana 4:7, NW; Salamo 41:3.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Novana ny anarana sasany.
b Misy fanipazan-kevitra azo ampiharina maromaro ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Fitsidihana Marary Iray — Inona no Holazaina? Inona no Hatao?”, ao amin’ny Mifohaza! No. 4 1991.
[Teny notsongaina, pejy 22]
“Isaky ny tsy ao an-trano aho, dia manahy ary manontany tena raha tsy maninon-tsy maninona i Neny”
[Sary, pejy 23]
Afaka manampy anao tsara kokoa mba hitondranao fanampiana ny fahafantaranao ny zava-misy momba ny aretina mahazo ny ray na ny reninao