FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g99 8/8 p. 19-20
  • Solosofina ho Ahy ny Alikako!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Solosofina ho Ahy ny Alikako!
  • Mifohaza!—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny anjara asan’i Twinkie
  • Fahaiza-mamolaka alika
  • Fiaraha-misalahy mahafinaritra
  • Tsy Misy Atahorana ho An’ny Ankizy ve ny Alikanao?
    Mifohaza!—1997
  • Ny Fahaizan’ny Alika Mamantatra Fofona
    Nisy Namorona Ve?
  • Alika
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Biby Mahafinaritra sa Mpamono Mahatsiravina?
    Mifohaza!—2002
Hijery Hafa
Mifohaza!—1999
g99 8/8 p. 19-20

Solosofina ho Ahy ny Alikako!

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY GRANDE-BRETAGNE

“ASA izay hataoko raha tsy eo ity alika keliko ity!”, hoy ny fihiakan’i Dorothy, sady nijery tamim-pitiavana ny alika kely iray, karazana alika metisy terrier, fotsy sy volontany, izay nivalampatra falifaly tao ambany sezany. “Vao volana vitsivitsy monja izao no nananako an’i Twinkie, nefa efa nitondra famelombelomana vaovao teo amin’ny fiainako sahady izy!”

Rehefa nandinika an’i Twinkie akaiky kokoa aho, dia hitako fa, hay, izy nanao salotra kely mavomavo, izay antonona azy tsara, ary nisy sora-matevina mainty hoe “ALIKA SOLOSOFINA HO AN’NY MARENINA”. Tsaroako aho nieritreritra hoe: ‘Biby hafa kely ity! Afaka manao inona avy izy io?’

Fihaonana tsy nampoizina ny anay sy i Dorothy, tao anaty vahoaka nisy olona 44 000 nanatrika ny Fivoriambe Iraisam-pirenena “Fomba Fiaina Araka An’Andriamanitra”, nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny Jolay lasa teo, tany Londres, Angletera. Afaka nandre ny fandaharana i Dorothy, noho izy nipetraka teo akaikin’ny fanamafisam-peo iray, koa nahoana izy no nila alika ho solosofiny? Rehefa nipetraka izahay mba hiresaka nandritra ny fiatoana tamin’ny fisakafoana, dia nilaza tamiko ny tantarany i Dorothy.

Ny anjara asan’i Twinkie

Marenina tanteraka i Dorothy, vokatry ny fihetsehan’aretina rhumatisme articulaire aigu, teo amin’ny fahatelo taonany. Nipetra-drery izy hatramin’ny nahafatesan’ny vadiny, 23 taona lasa izay. Araka ny nohazavainy anefa, dia tsy namana fotsiny no nilainy arakaraka ny nandrosoan’ny taonany. “Mety hahatsapa fanahiana be ny marenina amin’izao taonako izao”, hoy izy. “Efatra amby fitopolo taona aho, ary mipetraka ao amin’ny trano voambina. Tsy reko mihitsy anefa ny mpiambina rehefa mampaneno lakolosim-baravarana mba hitsidika ahy. Heveriny ho tsy tsaratsara angamba aho, ka miditra avy hatrany izy indraindray, nefa tsy fantatro akory; ka taitra be aho. Fa izao dia i Twinkie no mandre ny lakolosim-baravarana, ka manatona izy ary mikapoka kely ny tongotro sy mitarika ahy ho any am-baravarana. Toy izany koa fa mihazakazaka mankeo amiko i Twinkie rehefa mandre ny lafaoro maneno, ary manaraka azy aho. Raha misy setroka, na maneno ny fanairana raha sendra misy zavatra mirehitra, dia efa voafolaka hisarika ny saiko i Twinkie. Amin’izay dia mandry eo amin’ny tany izy, mba hampahafantarana ahy fa misy loza. Isaky ny avy manampy ahy izy, dia omeko valisoa manokana: sombin-kanina matsiro.”

Fahaiza-mamolaka alika

Taitra ny fahalianako. “Ahoana no nahazoanao io alikanao io, ary iza no namolaka azy?”, hoy aho. Izay fanontaniako izay no nahatonga an’i Dorothy hiresaka tamiko momba ny fikambanana iray mpanao asa soa, antsoina hoe Alika Solosofina ho An’ny Marenina. Ny zava-kendren’izy io dia ny hanampy ny marenina eto Grande-Bretagne hahaleo tena kokoa, ka hanatsara ny toe-piainany araka izany. Nanomboka tamin’ny 1982, dia nametraka alika an-jatony maro tany amin’ny olona marenina eto Grande-Bretagne izy io. Raha vantany vao voafolaka tanteraka ny alika iray, dia atolotra ny tompony vaovao maimaim-poana.

Alika mpirenireny mazàna no fidina, ary matetika no alika nalaina avy tamin’ny foibe mikarakara ny alika mpirenireny manerana an’i Grande-Bretagne manontolo. Fa misy ihany alika nomen’ny mpiompy alika. Mila hatramin’ny 12 volana ny famolahana alika iray. Matetika ny mpanohana iray no misahana ny lany, na kompania iray izany, na antokon’olona izay nanambatra fanomezana kely maromaro. Nilaza tamiko i Dorothy fa klioba iray momba ny fampihenan-tena no nanohana tamin-katsaram-panahy an’i Twinkie.

Raha vantany vao voafidy ny tsirairay aminy, izay mety ho tonga alika solosofina, dia folahina mba hanao zavatra ho setrin’ny feo toy izao na izao. Alika manomboka eo amin’ny fito herinandro ka hatramin’ny telo taona no ampiasaina amin’izany. Amin’ny voalohany anefa, dia alefa hifanerasera amin’ny olona izay nanolo-tena handray azy any an-tranony mandritra ny roa ka hatramin’ny valo volana, ilay alika, arakaraka ny taonany sy ny traikefa ananany. Tafiditra amin’ny fifaneraserana amin’olona ny fampianarana fahalalam-pomba fototra ao an-tokantrano. Nefa ny tanjona lehibe indrindra dia ny fitondrana ilay biby any amin’ny toerana ho an’ny daholobe sy any amin’ny fitateram-bahoaka mba hahazatra azy, ary ny fanomezana azy traikefa maro isan-karazany amin’ny fiarahana amin’olona na firy taona na firy taona, anisan’izany ny ankizy sy ny zazakely. Ny zava-kendrena dia ny hampiofana ilay alika mba hitondra tena amin’ny fomba azo ekena, na toy inona na toy inona tarehin-javatra mety ho hitany amin’ny farany.

Fanampin’izany, dia fantatro fa, hay, misy fikambanana hafa mampiasa alika mba hanampy ireo izay manana zavatra ilaina manokana. Ankoatra ny famolahana azy mba hankato baiko, dia ampisehoana zavatra voafaritra tsara sy ampandrenesina fofon-javatra voafaritra tsara ireny alika ireny. Ny alika mpihaza iray mikarakara vehivavy voatana eo ambony seza mikorisa dia nampianarina handray ny telefaoniny sy ny taratasiny ary hilelaka ny hajia handefasana taratasy! Mahalala baiko 120 ny alika hafa iray, hatramin’ny fakana boaty sy fonosana avy eny amin’ny talantalan’ny supermarché aza. Mampiasa hazavana laser ilay tompony kilemaina mba hampahafantarana an’ilay alika ny zavatra nofidiny ary entin’ilay alikany any aminy izany, avy eo.

Fiaraha-misalahy mahafinaritra

“Takatry ny rehetra ve ny hasarobidin’i Twinkie?”, hoy ny fanontaniako. “Nisy mpivarotra iray tsy namela azy hiditra”, hoy ny navalin’i Dorothy. “Heveriko fa nanao izany izy satria nisy sakafo nihanjahanja tao amin’ny fivarotany. Nefa tena maningana vao misy olona manao toy izany, satria tsy takany ny antony ilako an’i Twinkie.”

Takatro tamin’izay ny hasarobidin’ny fananana alika solosofina ao an-trano, nefa mbola nanana fanontaniana hafa aho. Misy ilana an’i Twinkie ve rehefa falifaly miaraka amin’ny Kristianina hafa maro be i Dorothy? “Afaka mamantatra tsara izay lazain’ny olona aho amin’ny fijerena ny molony, ary manana fitaovam-pandrenesana aho izay manampy ahy hiresaka amin’olona”, hoy ny fanazavan’i Dorothy. “Rehefa hitan’ny olona ny salotra mavomavon’i Twinkie, dia fantatr’izy ireo avy hatrany fa marenina aho. Miresaka mivantana amiko àry izy ireo, mazàna miresaka mazava araka izay azony atao. Tsy voatery hanazava ny takaitrako aho araka izany, ary tena manamora be ny fiainako izany.”

Tokony hanomboka amin’izay ny fotoam-pivoriana amin’ny fivoriambe, ary nila ny nentina nandehandeha i Twinkie talohan’ny hipetrahana ho amin’ny tolakandro. Talohan’ny nandaozako azy ireo, dia niondrika aho mba hanafosafo azy. Nanokatra ny masony nanjelatra i Twinkie ary nijery tany amin’i Dorothy sady nanetsiketsika ny rambony. Namana kely tena mahafinaritra sy mahasoa tokoa izy, ary tena mifankahazo tsara izy ireo!

[Sary, pejy 20]

Sarobidy ny fanampian’i Twinkie any amin’ny fivoriambe

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara