Ilay Zanabolana Voatr’olombelona Iraisam-pirenena — Laboratoara Mihodinkodina
ATO anatin’ny taona vitsivitsy, rehefa hibanjina ny lanitra mazava ianao amin’ny alina, dia mety hahita, tsy ireo kintana sy ny volana ihany, fa “kintana” voatr’olombelona iray koa, tenan-javatra mamirapiratra toy ny planeta. Mitovy refy amin’ny kianja roa fanaovam-baolina io zavatra goavam-be nataon’olombelona io. Efa eo an-dalam-panamboarana izy io, ary antsoina hoe ‘ilay tetikasa fanorenana lehibe indrindra hatramin’ireo piramida’. Inona moa izy io?
Rehefa ho vita izy io, dia ho ilay Zanabolana Voatr’olombelona Iraisam-pirenena (ISS): laboratoara maharitra, fanaovana fikarohana any ambony tsy taka-maso, izay noforonin’ny mpiasa maherin’ny 100 000. Ny ankamaroan’izy ireo dia miasa any Etazonia, any Kanada ary any Rosia, nefa misy maro hafa any Alemaina, Belzika, Brezila, Danemark, Espaina, Frantsa, Holandy, Italia, Japon, Norvezy, Royaume-Uni, Soeda, ary Soisa. Ho 88 metatra ny halavany, ary ho 109 metatra ny sakan’ilay ISS rehefa ho vita tanteraka, ary hanana toerana azo iasana sy azo onenana mitovy amin’ny faritra misy ny mpandeha ao amin’ny fiaramanidina Boeing 747 anankiroa. Hilanja 520 taonina ilay zanabolana voatr’olombelona amin’ny farany, ary handaniana dimy alina tapitrisa dolara, fara fahakeliny, ny fanorenana azy!
Misy mpanao tsikera, manahy ny amin’izany fandaniana tsy toko tsy forohana amin’ny anaran’ny fikarohana izany, miantso an’ilay ISS hoe “fananana eny anivon’ireo kintana nefa tsy hahaleo ny sarany ny vidiny”. Etsy an-danin’izany, ireo mpanohana azy, dia manantena ny hahatongavan’ilay zanabolana ho toerana fanaovana andrana hahazoana zavatra vaovao sy maoderina eo amin’ny indostria sy ny teknôlôjian’ny fifandraisan-davitra ary ny fikarohana ara-pitsaboana. Alohan’ny hahafahan’ireo mpanamory sambon-danitra hametraka ireo fitaovan’ny laboratoara amin’ny toerana azo antoka eo amin’ny rindrin’ilay ISS anefa, dia tsy maintsy atambatra tsirairay izy io, ary tsy maintsy atao any ambony tsy taka-maso izany rehetra izany!
Fanorenana azy any ambony tsy taka-maso
Noho izy goavam-be, dia tsy azo atambatra eto an-tany ilay ISS, satria hitambesaran’ny lanjany ny tany. Mba handresena io vato misakana io, dia manorina eto an-tany tapany izay hatambatra any ambony tsy taka-maso ireo mpahay siansa, mba hahaforona ilay zanabolana voatr’olombelona. Hitaky ny handefasan’ny mpanosika sambon-danitra rosianina sy amerikanina in-45 ny fandefasana ireny fitaovana ireny any ambony tsy taka-maso.
Asa tsy mbola nisy toy izany mihitsy ny fanakambanana ilay zanabolana, ary hanova ny any ambony tsy taka-maso ho toeram-panorenana tsy mitsaha-miova. Hisy tapany maherin’ny 100 hatambatra, raha mbola mihodinkodina ireo mpiasa sy ireo fitaovana. Tsy maintsy manao ny ankamaroan’ny asa amin’ny tanana ireo mpanamory sambon-danitra sady mpiasa iraisam-pirenena ireo, ka hijanona eny ivelan’ny sambon-danitra mandritra ny ora an-jatony maro.
Niainga tamin’ny 20 Novambra 1998, i Zarya (midika hoe “Fiposahan’ny Masoandro”), ilay tapany voalohany amin’ilay ISS. Milanja 20 taonina io tapany namboarin’ny Rosianina io, ary avy tany Baykonur Cosmodrome, any Kazakhstan, no niainga. Nila solika ampy io tapany io mba hahafahan’izy io sy ny tapany hafa izay atambatra aminy, hanohy hihodinkodina. Tapa-bolana taorian’ny niaingan’i Zarya, dia nampiakatra an’ilay tapany antsoina hoe Unity, namboarin’ny Amerikanina, ny sambon-danitra Endeavour.
Nanomboka nahita ny zava-tsarotra miandry azy ny mpiasan’ny Endeavour, nandritra io fotoam-panorenana voalohany tany ambony tsy taka-maso io, tamin’ny Desambra 1998. Nandritra ny fampihaonana tamin’i Zarya, tany amin’ny 400 kilaometatra tany ambonin’ny tany, dia nampiasa tanan’ny robot iray, izay nirefy 15 metatra, ilay mpanamory sambon-danitra atao hoe Nancy Currie mba handray an’io tapany nilanja 20 taonina io sy hampitambatra azy eo ambonin’i Unity. Avy eo, i Jerry Ross sy i James Newman, samy mpanamory sambon-danitra, dia namatotra, eny ivelan’ireo tapany roa, ny tariby elektrika sy amin’ny ôrdinatera ary fantson-drano. Ampiasaina izany fampifandraisana izany mba handefasana herin’aratra eo anelanelan’ireo tapany ireo, sy hamelana ny rano hikoriana mba hampangatsiahana ny rivotra sy mba hahazoana rano hosotroina. Nila nivoaka ny sambon-danitra intelo izy ireo, ary nijanona teny ivelany nandritra ny adiny 21 mahery tamin’ny fitambarany, mba hamitana izany asa izany.
Arakaraka ny andefasan’ireo mpandefa bala afomanga sy ireo sambon-danitra tapany vaovao isaky ny herinandro vitsy, dia hitombo ilay ISS, avy tamin’i Zarya, ilay tapany tokana rosianina, ka ho lasa zanabolana voatr’olombelona hilanja 520 taonina. Ho fanamby ny hanaovana izay tsy hitsaharan’io zanabolana mihalehibe io hihodinkodina, satria tsy maintsy manohitra ny hery misintona mafin’ny tany izy io. Koa eo foana àry ny loza ny amin’ny mety hianjerany etỳ an-tany. Mba hihazonana ilay zanabolana voatr’olombelona eny ambony eny foana, dia hisy sambon-danitra halefa mba hitsidika azy io, sy hanosika azy mba ho eo amin’ny haavo mety hatrany.
Hanana anjara asa lehibe eo amin’ny fikarohana hatao ao amin’ilay ISS ny sinton’ny tany efa manakaiky ny zerô. Ny hery misintona ao amin’ilay ISS mantsy dia mitovy amin’ny ampahatapitrisan’ny an’ny etỳ an-tany monja. Eto an-tany, ny pensilihazo iray latsaka dia hianjera roa metatra ao anatin’ny 0,5 segondra. Any amin’ilay zanabolana voatr’olombelona, dia hila folo minitra izy io! Ahoana no hiasan’ilay laboratoara ISS, ary inona no fiantraikan’izany eo amin’ny fiainanao andavanandro?
Laboratoara mihodinkodina
Antenaina ho vita amin’ny taona 2004 ilay ISS. Aorian’izany, dia mpanamory sambon-danitra hatramin’ny fito indray miaraka no hitsidika ilay trano goavana be kojakojany. Hipetraka eny mandritra ny volana maromaro ny sasany. Ao anatin’io lazaina fa varavarankely ho amin’izao rehetra izao io, ny mpiasan’ny ISS dia hanao andrana maro samihafa, efa novolavolain’ny mpahay siansa maneran-tany.
Ohatra, rehefa malefaka be ny herin’ny sinton’ny tany, dia tsy milentika any ambany ny fakan’ny zavamaniry, ary tsy miakatra ny raviny. Koa mikasa ny hanao andrana ireo mpahay siansa mba hahafantarana izay ataon’ny zavamaniry rehefa tsy misy ny sinton’ny tany. Fanampin’izany, any ambony tsy taka-maso dia mihalehibe kokoa sy manjary mitovitovy bika tsiroaroa ny kristalin’ny prôteinina. Araka izany, dia azo atao ny manao kristaly madio kokoa ao anatin’ny toe-javatra toy izany. Mety hanampy ny mpikaroka mba hanao fanafody izay mikendry ny prôteinina manokana miteraka aretina, ny fanazavana momba izany. Ao amin’ny tontolo iray ahitana sinton’ny tany malefaka be, dia mety ho azo atao ny hanao zavatra izay saika tsy azo atao eto an-tany.
Mihasimba ny taolan’olombelona sy ny hozany, rehefa manakaiky ny zerô ny sinton’ny tany. Izao no fanamarihana nataon’ilay mpanamory sambon-danitra teo aloha atao hoe Michael Clifford: “Zava-kendren’ny ampahany amin’ilay fikarohana siantifika ny hahazo ny hevitry ny vokatra fiziôlôjikan’ny fijanonana ela any ambony tsy taka-maso.” Andrana iray, fara fahakeliny, no hatao mba hamantarana ny fomba iadiana amin’ny fahosan’ny taolana.
Angamba ny fahafantarana ny vokatry ny fijanonana maharitra any ambony tsy taka-maso dia afaka manampy mba hanaovana izay hahafahana hisidina maharitra ho eny amin’ny Mars, indray andro any. “Lalana tena lava be izany”, hoy ny fieken’i Clifford. “Tianay ny ho afaka hamerina [an’ireo mpamantatra ny any ambony tsy taka-maso ireo] tsy hisy nanombinana.”
Fanampin’izany, dia manambara mialoha ny mpanohana ny ISS fa hitarika ho amin’ny fahatakarana tsara kokoa ny zavatra fototra mahaforona ny aina, ny fikarohana ao amin’ilay zanabolana voatr’olombelona. Mety ho afaka hiteraka fomba vaovao hitsaboana ny kansera, ny diabeta, ny fivontosan’ny havokavoka ary ny fikorontanan’ny rafi-kery fanefitra izany fahatakarana izany. Hanana cuve lehibe fanaovana fiota ara-tsimia izay hisian’ny voly sela mitovy amin’ny tambatsela voajanahary ny laboratoara ao amin’ilay ISS. Hitady izay hahalalana misimisy kokoa momba ny aretina mpahazo ny olombelona sy ny fomba itsaboana azy ireny amim-pahombiazana ny mpahay siansa. Hisy varavarankely hirefy 50 santimetatra koa izy io, mba hahafahana handinika ny gazan’ny atmôsfera, ny fihafotsian’ny haran-dranomasina, ny rivo-doza ary ny zava-miseho araka ny natiora hafa eto an-tany.
“Laboratoara ho an’ny fandriampahalemana” ve?
Na izany aza, dia tsy laboratoara mihantona fotsiny ny ISS ho an’ny sasany amin’ireo mpanohana azy mafana fo. Hitan’izy ireo fa izy io no manatanteraka ny fampanantenana tao amin’ny fandaharan’ireo mpanamory an’i Apollo, izay namela takelaka fahatsiarovana teny amin’ny volana, ary nilaza hoe: “Tonga teto izahay ho amin’ny fandriampahaleman’ny taranak’olombelona rehetra.” Rehefa avy nilazalaza ny ISS ho “laboratoara ho an’ny fandriampahalemana” ilay mpanamory sambon-danitra atao hoe John Glenn, izay efa fitopolo taona mahery, dia nanampy teny hoe: “Hahatonga fiaraha-miasan’ny firenena 16 any ambony tsy taka-maso [izy io], fa tsy hahita kosa fomba hifanaovan-javatra tsy tsara eto ambonin’ny Tany.” Aminy sy amin’ireo hafa, ny ISS dia toerana ahafahan’ireo firenena mianatra ny hiara-miasa eo amin’ny tetikasa ara-tsiansa sy ara-teknôlôjia izay tsy takatry ny volan’ny tsirairay, nefa handraisan’ny rehetra tombontsoa.
Maro anefa no manontany tena tsotra izao raha tena hiara-miasa amim-pihavanana any ambony tsy taka-maso tokoa ireo firenena, satria tsy afaka nanao izany izy ireo teto an-tany. Na ahoana na ahoana, ilay ISS dia vokatry ny faniriana mafin’ny olombelona hitsabaka ao amin’ny tsy fantatra sy hahalala izay mitranga ao anatin’ny toe-javatra misy any. Eny tokoa, vokatry ny fahatsapan’ny olombelona fitiavana hisetra zavatra manaitaitra sy ny fitiavany lalina hahita zava-baovao io tetikasa faran’izay goavana io.
[Efajoro/Sary, pejy 15-17]
DATY MIFANDRAY AMIN-JANABOLANA VOATR’OLOMBELONA
1869: Ilay Amerikanina atao hoe Edward Everett Hale dia namoaka tantara fohy mitondra ny lohateny hoe The Brick Moon, momba ny zanabolana vita tamin’ny biriky, nataon’olombelona, any ambonin’ny tany.
1923: Namorona ilay teny hoe “zanabolana voatr’olombelona” i Hermann Oberth, izay manana fiaviana romanianina. Ny noeritreretiny dia toerana fiaingan’ny sambon-danitra ho eny amin’ny Volana sy ho eny amin’i Mars.
1929: Nanoritra planina ho amin’ny zanabolana iray voatr’olombelona i Hermann Potocnik, tao amin’ilay bokiny hoe The Problem of Space Travel.
Ireo taona 1950: Nilazalaza ny amin’ny zanabolana miendrika kodiarana, izay mihodinkodina any amin’ny 1 730 kilaometatra any ambonin’ny tany, ilay injeniera momba ny bala afomanga antsoina hoe Wernher von Braun.
1971: Nandefa an’i Salyut 1, ilay zanabolana voatr’olombelona voalohany teo amin’ny tantara, ny Firaisana Sovietika. Nijanona tao amin’ilay zanabolana nandritra ny 23 andro ny mpanamory sambon-danitra telo.
1973: Nalefa mba hihodinkodina any ambony any ny zanabolana voatr’olombelona amerikanina voalohany antsoina hoe Skylab, ary nisy ekipa telo ny mpanamory sambon-danitra tao anatiny. Tsy any ambony any intsony izao io zanabolana io.
1986: Nandefa an’i Mir, ilay zanabolana voatr’olombelona voalohany natao hihazonana maharitra ny fisian’ny olombelona any ambony tsy taka-maso, ny Sovietika.
1993: Nanasa an’i Rosia sy i Japon ary firenena hafa i Etazonia mba hiaraka aminy amin’ny fanaovana ilay Zanabolana Voatr’olombelona Iraisam-pirenena (ISS).
1998/1999: Nalefa ho afaka hihodinkodina any ambony any ireo tapany voalohany amin’ilay ISS, tara herintaona araka ny fandaharam-potoana.
[Sary]
Ambony: Sarin’ilay zanabolana ho vita tanteraka amin’ny 2004, nataon’ny mpanakanto
Ampifandraisina ny tapany roa voalohany, dia i Zarya sy i Unity
I Ross sy i Newman, rehefa nandehandeha fanintelony ivelan’ny sambon-danitra
Iray amin’ireo fandefasana sambon-danitra maro be nokasaina hatao
Skylab
Mir
[Sary nahazoan-dalana]
Pejy 15-17: NASA photos