FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g99 8/10 p. 24-26
  • Ahoana no Azoko Iatrehana ny Tsy Rariny?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Azoko Iatrehana ny Tsy Rariny?
  • Mifohaza!—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Esory ny fo lentika sy ny fahatezerana
  • Misy farany ny tsy rariny
  • Fahazoana fanampiana sy fanohanana
  • Ahoana no Hiatrehana ny Tsy Rariny?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
  • Tia Rariny i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Ahoana no Iaretana ny Tsy Rariny?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2024
  • Hanao zavatra hanoherana ny tsy rariny ve Andriamanitra indray andro any?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
Hijery Hafa
Mifohaza!—1999
g99 8/10 p. 24-26

Manontany ny Tanora Hoe...

Ahoana no Azoko Iatrehana ny Tsy Rariny?

“Ireo manam-bola ihany no hajaina, fa entina toy ny biby kosa izahay tsy manana na dia izay hohanina sy hatoriana aza. ny hany zavatra ampoiziko amin’ny hoavy, dia ny ho faty tsy misy mpahita.” — Arnulfo, 15 taona, ankizilahy tsy manan-kialofana.

BE NY tsy rariny eto an-tany. Hoy ny tatitra iray avy amin’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Mikarakara ny Reny sy ny Zaza (UNICEF): “Tato anatin’ny folo taona, dia ankizy maherin’ny 2 tapitrisa no maty nandritra ny ady, maherin’ny 4 tapitrisa kosa no tapaka rantsambatana fa tsy maty, ary maherin’ny 1 tapitrisa no lasa kamboty na tafasaraka tamin’ny fianakaviany, vokatry ny ady.” Mamely ny ampahany lehibe amin’ny mponina amin’ny tany koa ny hanoanana sy ny fahantrana, izay miara-misy amin’ny harena sy ny fisian-javatra tondraka. Tanora maro toa an’i Arnulfo no tsy omena fahafahana hianatra, any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana.

Mampanaintaina indrindra ny tsy rariny rehefa olona tokony ho tia sy hiaro anao no manao izany. Hevero ange izay nanjo an’ilay zazavavy 17 taona atao hoe Susana e! Nilaozan-dreniny izy sy ireo zandriny roa lahy. “Taona maro izay no lasa”, hoy i Susana tamin’alahelo mafy, “nefa tsy nangataka ahy mihitsy mba hiara-mipetraka aminy ny reniko na dia samy iray tanàna aza izahay. Mbola tsy nilaza tamiko mihitsy izy hoe ‘Tiako ianao’, ary izany dia zavatra efa nahatezitra ahy foana sady mbola mahatezitra ahy ihany.” Rehefa ampiharana fitondrana ratsy toy izany ianao, dia mety ho sarotra aminao ny mifehy ny fahatezeranao. Hoy ny vehivavy iray nanaovan’olona fihetsika vetaveta fony izy mbola zaza: “Nahatonga ahy ho sosotra tamin’Andriamanitra mihitsy aza ilay izy.”

Ara-dalàna tsotra izao raha malahelo sy tezitra ianao rehefa nentina tamin’ny fomba ratsy. Hoy ny Baiboly: “Ny fampahoriana dia mahavery saina ny hendry”. (Mpitoriteny 7:7). Mety hahaketraka anao koa ny fiainana ao anatin’ny tsy rariny isan’andro, mandritra ny androm-piainanao. (Ampitahao amin’ny Salamo 43:2.) Noho izany, dia mety haniry fatratra ny hifaranan’ny tsy rariny ianao. Izao no tsaroan’ny tovovavy iray any Amerika Afovoany: “Fony aho 13 taona, dia nirotsaka tao amin’ny fihetsiketsehan’ny mpianatra aho. Nofinofiko ny mba handray anjara amin’ny fisian’ny fiovana, mba hahatonga ny ankizy tsy ho noana. (...) Tatỳ aoriana aho dia nirotsaka tao amin’ny fifandonana nitanam-piadiana.” Tsy nahita ny rariny anefa izy fa nizaka fitondrana ratsy tsy hay lazaina kosa, avy tamin’ireo miaramila namany ihany.

Mampahatsiahy antsika izany fa tsy manan-kery hanatsarana ny toe-javatra misy azy ny ankamaroan’ny olona. Ahoana àry no azon’ireo iharan’ny tsy rariny iatrehana izany toe-javatra izany?a Ahoana no azonao iatrehana ny fo lentika sy ny fahatezerana mety ho tsapanao?

Esory ny fo lentika sy ny fahatezerana

Indraindray dia mety hilainao ny hampahatsiahy tena fa miaina amin’ny “andro farany” ho an’ity fandehan-javatra ity isika. Nambaran’ny Baiboly mialoha fa ny olona amin’izao andro izao dia “hampihatra fitondrana ratsy, (...) tsy hanam-pitiavana, tsy hamela heloka, hanendrikendrika, tsy hanana fifehezan-tena, hahery setra, tsy ho tia ny tsara, ho mpamitaka”. (2 Timoty 3:1-4, New International Version). Maro no “tsy mahalala henatra intsony”. (Efesiana 4:19). Zava-misy tsy azo ihodivirana eo amin’ny fiainana àry ny tsy rariny. Koa “raha hitanao ny fampahoriana ny malahelo sy ny famadihana ny fitsarana sy ny rariny amin’ny tany, dia aza gaga amin’izany”. — Mpitoriteny 5:7.

Misy antony marim-pototra matoa ny Baiboly mampitandrina mba tsy hamelanao ny fo lentika hanimba tanteraka anao. Izao, ohatra, no lazainy: “Esory aminareo ny fo-lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana”. (Efesiana 4:31). Nahoana? Satria, rehefa ela ny ela, dia manimba sy mahatonga fahavoazana ho an’ny tena ny fitoerana ho tezitra mafy. (Ampitahao amin’ny Ohabolana 14:30; Efesiana 4:26, 27.) Izany indrindra no izy raha toa ka “amin’i Jehovah no sosotra” ianao. (Ohabolana 19:3). Ilay afaka manampy anao indrindra no manjary ratsy fihavanana aminao raha tezitra amin’Andriamanitra ianao. Milaza ny Baiboly fa ny “mason’i Jehovah mijery eny tontolo eny eran’ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy”. — 2 Tantara 16:9.

Izao koa no lazain’ny Baiboly momba an’i Jehovah: “Ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy; marina sy mahitsy Izy.” (Deoteronomia 32:4). Nitranga ny tsy rariny noho ny fikomian’i Adama sy i Eva. (Mpitoriteny 7:29). Ny olona, fa tsy Andriamanitra, no ‘nanapaka ny olona, ka nampiditra loza taminy’. (Mpitoriteny 8:9). Tadidio koa fa “izao tontolo izao (...) dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa”, izany hoe eo amin’i Satana Devoly. (1 Jaona 5:19). I Satana, fa tsy i Jehovah, no tompon’andraikitra amin’ny tsy rariny eo amin’izao tontolo izao.

Misy farany ny tsy rariny

Soa ihany fa tsy hitohy mandrakizay akory ny tsy rariny. Afaka manampy anao hiatrika ny tsy rariny ny fitadidianao izany. Hevero ange ny zavatra niainan’ilay lehilahy nantsoina hoe Asafa e! Niaina tamin’ny andron’ny Baiboly izy io. Nanjaka nanodidina azy ny tsy rariny, na dia niaina teo anivon’ny olona izay nihambo ho nanompo an’i Jehovah aza izy. Tsy voasazy noho ny nitondrany tamin’ny fomba ratsy ny hafa ireo olona lozabe, fa toa tsy nisy zava-nanahirana kosa aza ny fiainany no sady toa nambinina izy! Niaiky toy izao i Asafa: “Nialona (...) aho, raha nahita ny fiadanan’ny ratsy fanahy.” Very vetivety ilay fahaiza-mandanjalanja nananan’i Asafa noho ny namelany zavatra toy izany hibahana tao an-tsainy. — Salamo 73:1-12.

Rehefa nandeha ny fotoana, dia nisy zavatra nanaitra mafy nanjary takatr’i Asafa. Izao no nolazainy mahakasika ny ratsy fanahy: “Eo amin’izay mahasolafaka tokoa no ametrahanao [Andriamanitra] azy, ary aripakao ho ringana izy.” (Salamo 73:16-19). Eny, nanjary takatr’i Asafa fa amin’ny farany, dia tena tsy ho afa-maina amin’ny faharatsiana nataony tokoa ny olona. Matetika no manody azy ny ratsy nataony, ary mizaka fanaovana am-ponja, fahafonganan’ny harenany, famoizana asa, na fanesorana amin’ny toeram-pahefana nananany izy. Amin’ny farany indrindra, dia ‘haripaka ho ringana’ ny ratsy fanahy rehefa hampiharin’Andriamanitra amin’ity fandehan-javatra ratsy ity ny didim-pitsarany. — Salamo 10:15, 17, 18; 37:9-11.

Afaka manampy anao hifehy ny fahatezeranao sy ny fahakivianao ny fahafantarana fa handamina tsy ho ela ny raharaha Andriamanitra. “Aza mamaly ratsy na amin’iza na amin’iza”, hoy ny fananaran’ny Baiboly. “Miomàna hanao izay mahamendrika eo imason’ny olona rehetra. Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra. Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo làlana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: ‘Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah’.” — Romana 12:17-19; ampitahao amin’ny 1 Petera 2:23.

Fahazoana fanampiana sy fanohanana

Mety hitondra holatra lalina ara-pihetseham-po toy ny fahatsiarovana mampanaintaina anefa ianao. Araka ny voalazan’ny tatitra iray navoakan’ny UNICEF, “ireo ankizy izay tsy voaro fa nahita herisetra tsy an-kijanona, dia saika iharan’ny fiovana lehibe foana eo amin’ireo zavatra inoany sy ny toe-tsainy, anisan’izany ny tsy fatokisana ny hafa intsony amin’ny ankapobeny. Marina indrindra izany raha ny amin’ireo ankizy izay notafihina na nentina tamin’ny fomba ratsy, ka olona izay mpifanila trano na sakaiza teo aloha no nanao izany”.

Tsy mora ahitam-panafana ny zava-manahirana toy izany. Kanefa, raha misy fihetseham-po ratsy na fahatsiarovana mampanaintaina mibahana ao an-tsainao, dia azo inoana fa mila fanampiana ianao. (Ampitahao amin’ny Salamo 119:133.) Voalohany, dia afaka mamaky boky izay mivaofy manokana ireo zava-manahirana nodiavinao ianao. Ny gazety Mifohaza!, ohatra, dia efa namoaka lahatsoratra maromaro izay manome torohevitra azo ampiharina ho an’ireo niharan’ny fametavetana, ny halatra, na ny fampijaliana ankizy. Mety hanampy anao tokoa ny milaza ny fanahianao sy ny fihetseham-ponao amin’ny mpihaino iray matotra sy mahay miombom-pihetseham-po aminao. (Ohabolana 12:25). Angamba ianao afaka mamboraka ny ao am-ponao amin’ireo ray aman-dreninao.

Ahoana anefa raha tsy misy ray aman-dreny manohana? Amin’izay dia mitadiava fanohanana avy amin’ny kôngregasiôna kristianina. Eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah, ny loholon’ny kôngregasiôna dia natao hialofan’ireo mijaly. (Isaia 32:1, 2). Tsy hihaino anao fotsiny izy ireo, fa mety hanana torohevitra azo ampiharina hatolotra anao koa. Aza hadinoina koa fa misy Kristianina matotra hafa izay afaka ho tonga “rahalahy sy anabavy sy reny” ho anao. (Marka 10:29, 30). Tsaroanao ve i Susana, izay nilaozan-dreniny? Nahazo fanohanana avy tamin’ny kôngregasiôna kristianina izy sy ny iray tam-po aminy. Nisy Kristianina mpitory iray, niahy aoka izany an’i Susana sy ny anadahiny, hany ka niantso azy hoe ray nanangana azy, i Susana. “Nanampy anay hihamatotra sy hijoro tsara tao amin’ny fahamarinana” ny fanohanana toy izany, hoy i Susana.

Misy manam-pahaizana manokana milaza fa mety hahasoa koa ny fihazonana fahazarana manao asa tena misy vidiny isan’andro. Ny fandehananao any an-tsekoly sy ny fanaovanao ireo raharaha ao an-trano fotsiny dia efa mahavita zavatra betsaka mba hitanana ny sainao tsy hisy eritreri-dratsy. Handray soa manokana anefa ianao raha manao ho fahazarana ireo asa ara-panahy, toy ny fanatrehana fivoriana kristianina sy ny fitoriana ny vaovao tsara. — Ampitahao amin’ny Filipiana 3:16.

Tsy hanjavona eto an-tany akory ny tsy rariny ambara-pahatongan’ny Fanjakan’Andriamanitra sy hanatanterahan’izy io ny sitrapon’Andriamanitra manerana ny tany. (Daniela 2:44; Matio 6:9, 10). Mandra-pahatongan’izany, dia ataovy izay azonao atao mba hiatrehana ny tsy rariny. Aoka ianao hanohana ny tenanao amin’ilay fampanantenana hoe, noho i Jesosy Kristy Mpanapaka ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia “hamonjy ny mahantra mitaraina izy sy ny ory tsy manan-kamonjy; hiantra ny reraka sy ny malahelo izy ary hamonjy ny fanahin’ny malahelo”. — Salamo 72:12, 13.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Na dia mifantoka amin’ny tsy rariny mety hozakain’ny tanora any amin’ny tany nanjary nahantra aza ity lahatsoratra ity, dia mihatra amin’izay mety ho tsy rariny zakain’ny olona ny foto-pitsipika dinihina ato.

[Teny notsongaina, pejy 25]

“Nahatonga ahy ho sosotra tamin’Andriamanitra mihitsy aza ilay izy”

[Sary, pejy 26]

Afaka manampy anao hiatrika ny tsy rariny ny fanohanan’ny Kristianina hafa

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara