FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g99 8/10 p. 3-4
  • Ny Herin’ny Mozika

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Herin’ny Mozika
  • Mifohaza!—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Antony mampanahy
  • Mitandrema Tena Amin’ny Mozika Tsy Mahasoa!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Mety Hanimba Ahy Tokoa ve ny Mozika?
    Mifohaza!—1993
  • Be Loatra ve ny Fotoana Ihainoako Mozika?
    Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2
  • Hahay Hifidy ve Ianao?
    Mifohaza!—2011
Hijery Hafa
Mifohaza!—1999
g99 8/10 p. 3-4

Ny Herin’ny Mozika

“Ny mozika fotsiny, miaraka amin’ny toetoetra mambabo tampoka, dia afaka mampitombina ny saina miriorio sy mampitony ny saina mikorontana.”

IZANY no nosoratan’i William Congreve, tokotokony ho 300 taona lasa izay, tao amin’ilay bokiny hoe Hymn to Harmony. Taonjato maro talohan’izay, dia nisy asa soratra grika tranainy nilaza fa “fitaovana mahery noho ny hafa rehetra ny fiofanana momba ny mozika, satria tafiditra hatrany amin’ny aty fanahy ny gadon-kira sy ny firindrana”.

Hitan’ny ray aman-dreny sasany ny fahamarinan’izany, satria voamariny fa manjary tsy ahitan-teny firy sy tsy tia fiaraha-miasa ireo zanany zatovo rehefa avy nihaino tsy an-kijanona mozika heavy metal. Hita fa marina koa izany nandritra ireo taona 1930 sy 1940 tany Alemaina, fony nampiasa mozika fanentanana sy fanaovana matso ny Nazia mba hanomanana vahoaka sesehena hihaino ny kabary nambabon’i Adolph Hitler.

Tsy isalasalana fa manan-kery eo amin’ny saina sy ny fo ny mozika ary azo ampiasaina mba hanosehana azy ireo ho amin’ny tsara na ho amin’ny ratsy. Ohatra, inoana fa hanatsara ny fitomboan’ny fahiratan-tsaina sy ny fihetseham-pon’ny ankizy madinika ny fampihainoana azy karaza-mozika sasany. Ny olona miakanakam-piteny aza indraindray mimonomonona hira tsy hainy tononina.

Ny vokatry ny mozika eo amin’ny olona manana aretina ao amin’ny rafi-pitatitra, izay mahatonga azy hanao fihetsehana tsy ara-dalàna, dia mahagaga indraindray, araka ny voalazan’i Anthony Storr ao amin’ilay bokiny hoe Music and the Mind (Ny Mozika sy ny Saina). Manonona ny ohatra ny amin’ny vehivavy narary iray i Storr: “Tsy afa-nihetsika izy noho ny aretin[’i Parkinson], ary tsy afa-nanoatra fa dia tsy afa-nihetsika mihitsy, mandra-pahatongan’ny fotoana nahafahany nahatsiaro feon-kira hainy fony izy mbola tanora. Izany no nanome azy tampoka teo fahafahana hihetsika indray.”

Antony mampanahy

Koa toa misy soa raisina àry avy amin’ny herin’ny mozika. Misy loza koa anefa: mety hanao ny herin’ny mozika ho fitaovana manimba be ireo olona ratsy fitondran-tena na mpierina. Nisy fandinihana nampiseho fa nisy fifandraisana nivantana teo amin’ny fitondran-tena manohitra ny fiaraha-monina sy ny karaza-mozika sasany.

Manohana izany voalaza izany izao tatitra nataon’ny Psychology of Women Quarterly izao: “Misy porofo ahafahana milaza fa mety hisy vokany mitovy amin’ny fijerena sary vetaveta ny fijerena clips misy mozika rock, satria ny lehilahy nampisehoana clips misy mozika rock mahery setra, dia naneho fihetsika tsy nisy antra kokoa sy feno fankahalana kokoa teo anoloan’ny vehivavy, noho ny lehilahy nampisehoana clips misy mozika rock tsy mahery setra.”

Tsy voafetra ho amin’ny lehilahy ihany ny vokany toy izany, fa mahakasika ny vehivavy koa. Manampy teny toy izao ilay tatitra teo ihany: “Mety hanomboka hanaiky ireo hevitra manimba aroson’ireny hira ireny, momba ny tsy fananan’ny vehivavy fahamendrehana, ny lehilahy sy ny vehivavy koa.”

Manaiky io fanatsoahan-kevitra io ilay gazety hoe Sex Roles, rehefa nilaza hoe: “Hitan’ny (...) fandinihana iray natao vao haingana fa nisy fifandraisany be tamin’ny fihetsika amam-pitondran-tena milefitra loatra momba ny lahy sy ny vavy teo anivon’ireo zatovovavy ny hoe avy tamin’ny fianakaviana tsy ahitana fahafaham-po izy ireo sady mijery clips matetika loatra.” Ny herisetra azo alaina sary an-tsaina sy ny tonon-kira mivantambatana momba ny lahy sy ny vavy amin’ny mozika rap sasany dia nitarika mpitsara iray ao amin’ny distrika iray any Etazonia hamoaka didy fa “naharikoriko araka ny fari-pitsipiky ny fitambaran’olona” ny raki-kira CD iray misy mozika rap.

Tafahoatra loatra ve ny fiheveran’ilay mpitsara? Tsy izany velively! Tonga tamin’ny fanatsoahan-kevitra ny gazety Adolescence fa “samy manao tatitra na ny zatovo na ny ray aman-dreniny fa misy fisafotofotoana izaitsizy eo amin’ny fiainan’ny zatovo izay mihaino heavy metal sy rap”. Mifamatotra amin’ny “fihetsika mila ady sy tia manimba zavatra” ary ny tsy fahavitana fianarana firy izany fikorontanana izany.

Eny tokoa, betsaka ny porofo fa misy fifamatorana eo amin’ny karaza-mozika sy ny maha lahy sy ny maha vavy, ny famonoan-tena ary ny fitondran-tena manohitra ny fiaraha-monina. Midika ve anefa izany fa misy voka-dratsiny toy izany avokoa ny mozika rehetra? Vakio izay lazain’ny lahatsoratra manaraka momba izany.

[Teny notsongaina, pejy 4]

Afaka manan-kery, na ho amin’ny tsara na ho amin’ny ratsy, eo amin’ny fo sy ny sainao ny mozika

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara