FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g99 8/10 p. 5-8
  • Nahoana ny Mozika no Manan-kery eo Amintsika?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana ny Mozika no Manan-kery eo Amintsika?
  • Mifohaza!—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny zavatra fototra ao amin’ny mozika
  • Firindram-peo sy fikorontanam-peo ary feon-kira
  • Ny mozika sy ny atidoha
  • Ny mozika sy ny tonon-kira ary ianao
  • Ahoana no Ahafahako Mihazona ny Mozika ho eo Amin’ny Toerany?
    Mifohaza!—1993
  • Mitandrema Tena Amin’ny Mozika Tsy Mahasoa!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Be Loatra ve ny Fotoana Ihainoako Mozika?
    Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2
  • Hahay Hifidy ve Ianao?
    Mifohaza!—2011
Hijery Hafa
Mifohaza!—1999
g99 8/10 p. 5-8

Nahoana ny Mozika no Manan-kery eo Amintsika?

MAMPIAVAKA ny olombelona irery ihany ny mozika sy ny fiteny. Sarotra ny haka sary an-tsaina tontolo iray tsy misy na mozika na fiteny. “Ny fiteny sy ny mozika no zavatra mampiavaka ny olombelona, izay toa iombonan’ny olombelona rehetra”, hoy ilay boky hoe The Musical Mind. Ireo no lafiny ahitana fa mila miresaka amin’ny hafa isika. Koa azo atao àry ny milaza fa rehefa “miresaka” ny mozika, toy izany koa ny fiteny, dia “mihaino” ny fihetseham-pontsika.

Ahoana no iresahan’ny mozika amin’ny fihetseham-pontsika, ary nahoana? Mba hamaliana izany, dia ilaintsika ny mandinika: 1) ny zavatra fototra ao amin’ilay mozika mihitsy sy ny fomba handraisan’ny atidohantsika izany; 2) ny mahaforona ny fihetseham-pontsika sy ny fiaviana ara-kolontsaina ananantsika, izay manan-kery eo amin’ny fihetsitsika eo anoloan’ny mozika; ary 3) ny fiteny, izay afaka manan-kery eo amin’ny fihetsitsika koa.

Ny zavatra fototra ao amin’ny mozika

Matetika no resahina ho toy ny “zavatra fototra ao amin’ny mozika” ny zavatra mampiavaka ny mozika. Anisan’ireo zavatra fototra ireo ny toe-peo, na ny fikarantsan’ny zavamaneno iray. Ohatra, nolazalazaina ho “tia sehoseho”, na mavesatra, ny feon’ny zavamaneno cor d’harmonie, ary tena hafa be amin’ny feo ‘manambony tenan’ny’ trompetra. Na dia samy zavamaneno tsofina aza izy roa ireo, dia samy hafa ny hamafin’ny feo avo, na mikarantsana, avoakan’ny tsirairay. Izany no mahatonga ny tsirairay aminy hanana ny ‘feony’ mampiavaka azy. Ireny toetoetra ireny no ampiasain’ny mpamorona mozika mba hamoronana feo izay manaitra ny fihetseham-pon’ny mpihaino.

Azo inoana fa ny gadon-kira no anisan’ny zavatra fototra voalohany manjary mahazatra antsika: angamba fony isika mbola tao an-kibon-drenintsika dia nihaino ny fitepon’ny fony isika. Nisy nilaza fa mety ho ny fitepon’ny fontsika na ny fisefontsika mihitsy aza no manosika antsika tsy nahy hanao zavatra ho setrin’ny gadon-kira. Noho izany, dia mety ho tsy kisendrasendra fotsiny no mahatonga ny ankamaroan’ny olona ho toa tia kokoa hafainganan-gadona eo anelanelan’ny 70 sy 100 isa-minitra: mitovy amin’ny antsalan’ny hafainganan’ny fitepon’ny fon’ny olon-dehibe salama tsara. Izany aloha no toa tiana hambara ao amin’ilay gazety hoe Perceptual and Motor Skills e!

Mety ho voamarika ny mozika maro samihafa avoakan’ireo zavatra fototra ireo rehefa mandinika zavamaneno maromaro sy ny feo ary ny feon-kira avoakany isika. Mety hanaitra fihetseham-po lalina ny feon’ny zavamaneno bezòma eo amin’ilay fizarana faharoa amin’ny kaonsertaon’i Mozart ho an’ny bezòma. Mety hanohina moramora ny fo ny feo mitaraindrainan’ny sodina shakuhachi japoney. Ny feo farimparin’ny saksaofaonina dia mahatonga ny feon-kira blozy hitoetra maharitra ao an-tsain’ny maro. Mazàna no miteraka hafaliana tsy omby tratra ny feo midoboka sy miverimberin’ny trompetra tuba ao amin’ny tarika alemà iray. Manainga mpihaino maro ho eo amin’ny sehatra fandihizana ny feon-kira avoakan’ny lokanga milalao valsan’i Strauss. Izany no vokany, satria “miresaka amin’ny tenan’olombelona iray manontolo ny mozika”, araka ny voalazan’i Clive E. Robbins, ao amin’ny Foibe Nordoff-Robbins Fitsaboana Amin’ny Alalan’ny Mozika, any New York.

Firindram-peo sy fikorontanam-peo ary feon-kira

Miteraka feo mahafinaritra ny firindram-peo, fa mankadilo sofina kosa ny fikorontanam-peo. Fantatrao ve anefa fa mifameno ireo zavatra fototra ireo ao amin’ny mozika sasany? Ny mozika izay toa misy feo mirindra dia mety hisy feo betsaka kokoa mikorontana, tsy araka ny ieritreretanao azy. Miteraka fitomboana miovaova eo amin’ny fihenjanana, izay mitosaka eo amin’ny fihetseham-pontsika ny firindram-peo sy ny fikorontanam-peo mifampidipiditra tsy an-kijanona, na dia tsy tsapa aza amin’ny ankapobeny. Mampitony izany fitopatopam-pihetseham-po moramora izany, kanefa kosa ny mozika misy fikorontanam-peo dia manirikiry sy manaitra fihetseham-po manorisory, tsy misy hafa amin’ny ataon’ny fikikisana ny solaitrabe amin’ny hoho. Etsy an-danin’izany, raha miorina amin’ny firindram-peo fotsiny ny mozika, dia mety hahasorisorena.

Ny feon-kira dia ilay filaharan’ny feon’ny naoty tsirairay mifandimby. Araka ny voalazan’ny fahefana sasany, dia avy amin’ilay teny grika hoe meʹlos, midika hoe “hira”, ilay teny hoe feon-kira. Ny hoe feon-kira, araka ny voalazan’ny rakibolana, dia mozika mahafinaritra, izay mety ho feo mahafinaritra rehetra.

Tsy izay fifandimbiasam-peo rehetra anefa no mahatonga ny feon-kira hahafinaritra. Ohatra, mety hahatonga feon-kira iray hampihetsi-po lalina, fa tsy hahafinaritra, ny elanelana be mitranga matetika eo amin’ny naoty mifanarakaraka. Etsy an-danin’izany, dia mety hahatonga ny feon-kira hahafinaritra ny elanelana be, fa vitsy, eo amin’ny naoty mifanarakaraka. Ny filaharana samy hafa eo amin’ny naoty sy eo amin’ny elanelana dia mahatonga ny feon-kira hampalahelo na hahafaly. Toy ny amin’ny firindram-peo, dia ny feon-kira no mamorona fihenjanana sy fahamaivamaivanana ho azy manokana, ka misy vokany eo amin’ny fihetseham-pontsika izany, noho ny fiakarana sy ny fidinan’ny feo, izany hoe ny haavo na ny haivan’ny feon’ny naoty iray.

Rehefa atambatra izany zavatra fototra rehetra izany, dia miteraka hery matanjaka afaka manaitra na mampitony ny fihetseham-pontsika. Izany dia noho ny fomba maro samihafa hahatsapan’ny atidohantsika sy handraisany ny mozika.

Ny mozika sy ny atidoha

Misy milaza fa, amin’ny ankapobeny, dia asan’ny ilany havia amin’ny atidoha ny fiteny sy ny lôjika, fa ao amin’ny ilany havanana kosa, izay mikarakara betsaka momba ny fihetseham-po sy ny toe-po, ny an’ny mozika. Na marina izany na tsia, ny miharihary dia hoe mahatonga ny mpihaino hanao zavatra avy hatrany ny mozika. Toy izao no ilazan’ilay gazety hoe Perceptual and Motor Skills azy: “Manan-kery hamorona fihetseham-po sy toe-po amin’ny fomba haingana sy mandaitra ny mozika. Izay ilana fehezanteny maro ilazalazana azy, ao amin’ny boky iray, (...) dia matetika no azo ampitaina amin’ny ba iray na rindram-peo iray monja, ao amin’ny mozika.”

Manao izao fanamarihana mahaliana izao ilay boky hoe Music and the Mind (Ny Mozika sy ny Atidoha), momba ny vokatra entin’ny fahitana eo amin’ny fandrenesana, sy momba ny fihetsika eo anoloan’ny tsirairay amin’ireo: “Akaiky kokoa ny fifandraisana misy eo amin’ny fandrenesana sy ny fanairana fihetseham-po noho ny eo amin’ny fahitana sy ny fanairana fihetseham-po. (...) Mety tsy hiteraka vokany ara-pihetseham-po firy ao amin’ny mpandinika iray ny fahitana biby iray maratra na olona iray mijaly mangina. Raha vantany vao manomboka mikiakiaka anefa izy ireo, dia mazàna no voatohina mafy ny fon’ny olona iray mijery.”

Ny mozika sy ny tonon-kira ary ianao

Misy olona mitovy fiheverana manizingizina fa misy vokany mitovy ny mozika iray eo amin’ny mpihaino rehetra. Misy hafa indray anefa milaza fa ahitana taratry ny toe-tsain’ny olona iray amin’izay fotoana izay na ny zavatra niainany teo aloha ny fihetsiny eo anoloan’ny feon-kira na hira iray. Mety ho ohatra azo lazaina momba izany izao: rehefa misy olona namoy havan-tiana mandre hira iray, angamba any amin’ny toeram-pivavahana. Mety hampitamberina fahatsiarovana ilay hira, ka hiteraka alahelo na hampipotrapotra-dranomaso an’ilay nidonam-pahoriana mihitsy aza. Mety hihira an’io hira io ihany amin’ny fo falifaly ny olona hafa tsy ao amin’izany toe-javatra izany.

Diniho koa ilay filazalazana momba ilay cor d’harmonie sy ilay trompetra, nomena tetsy aloha kokoa. Mety tsy hanaiky ianao fa hoe tia sehoseho ny cor d’harmonie. Aminao dia mety ho feo mavitribitrika na manasa hihetsiketsika izy io, kanefa kosa mety ho toa manaitra fihetseham-po lalina kokoa ny trompetra. Misy loharanom-pihetseham-po tsy manam-paharoa ao anatintsika tsirairay ao, ary afaka mampipongatra fihetseham-po avy ao ny mozika — noho izany, dia manana ny fihetsitsika manokana isika eo anoloan’izany.

Manampy mba hampifandray teny, na hevitra, amin’ny fihetseham-po ny mozika. Noho izany, dia vitsy amin’ireo dokam-barotra ao amin’ny televiziona na ny radio no tsy arahi-mozika. Matetika ny teny no tsy manaitra fihetseham-po firy. Raha ny mozika mety tsara anefa no alefa ao ambadika, dia hilalao amin’ny fihetseham-pon’ny mpihaino ilay dokam-barotra. Tena marina tokoa ny hoe ny zava-kendren’ny ankamaroan’ny dokam-barotra dia ny hanao izay hividianan’ny olona iray manana fo tohina fa tsy ny olona iray misaina!

Na dia mety hisy vokany ratsy eo amin’ny ao am-paosin’ny besinimaro aza ny dokam-barotra, dia misy vokany mbola ratsy lavitra ny herin’ny tonon-kira sy ny mozika. Milaza ny Journal of Youth and Adolescence fa amin’ny alalan’ny tonon-kira averimberina foana no ampianaran’ny mpanoratra tonon-kira ny zatovo mba tsy hiraharaha ny hevitry ny hafa sy mba “hiziriziry amin’ny heviny”. Araka ny voalazan’ny loharanon-kevitra iray hafa, ny hafatra ampitain’ny “tonon-kira miteraka adihevitra ao amin’ny rap (...), izay azo alaina sary an-tsaina kokoa noho ny heavy metal, namany”, dia afaka mamonto ny fihetseham-pon’ny mpihaino ary miteraka fihetsika manohitra ny fiaraha-monina.

Mety ho azo sakanana ve ny hananana fihetsika ratsy, raha ny mozika ihany no henoina ary tsy raharahaina ny tonon-kira? Tsy maintsy ekena aloha fa saro-pantarina ny tonon’ny heavy metal sy ny rap, amin’ny ankapobeny. Raha ny marina aza, dia matetika izy ireo no manjary mila tsy ho hay fantarina intsony, satria mafy loatra ny mozika. Na izany aza, na fantatra na tsia ny tonony, dia ao ihany ilay hafatra entin’ilay gadon-kira mitsitapitapy sy ilay feon-kira miverimberina!

Ahoana izany? Ny sasany fotsiny amin’ireo lohateny dia efa miteraka sary ao an-tsaina. Ambonin’izany, dia ilay karaza-mozika mihitsy matetika no ilay hafatra. Hafatra inona no ampitaina? Hoy ny gazety iray ho an’ny tanora: “Toa miteraka sary ao an-tsaina ilay izy, sary mampiseho ny fahefana, ny fahaizana manatanteraka izay kasaina ary ny fandresena eo amin’ny momba ny lahy sy ny vavy.” Hoy ny iray hafa: “Ny loha hevitra fototra (...) dia fikomiana tafahoatra, herisetra, zava-mahadomelina sy alkaola, fanaovana firaisana amin’olona samy hafa sy firaisana mamoafady, ary fivavahana amin’i Satana.”

Misy tanora milaza fa mety ho marina tokoa izany, nefa tsy misy voka-dratsy eo amin’ny tenany izy io. Mety hanjohy hevitra izy ireo hoe mahasoa ireny mozika ireny, satria manampy azy ireo ‘hahita fa olona manana ny maha izy azy’ tokoa izy ireo. Izany tokoa ve no izy? Izao no nomarihin’ny Journal of Youth and Adolescence: “Ireo zazalahy tsy nianatra tsara, izay niaritra iray andro manontolo tany an-tsekoly nilazana taminy fa tsy maharaka ny fahaizany, dia mety ho faly handre, amin’ny faran’ny andro, mozika heavy metal misy tonony maneho fahatezerana, sy misy loha hevitra feno fankahalana, ary maneho fahefana, izay samy tsapan’ny zazalahy sasany ao anatiny ao.” Hoy koa izy avy eo: “Ny zavatra mahatsikaiky na mahavery hevitra dia izao: fomba fampitan-kevitra an’ny besinimaro sy iombonana no ampiasain’ny zatovo hikatsahana fiainana azo antoka sy marina. Tsy mitady zavatra tena miavaka hataon’ny tenany manokana ireo zatovo rehefa irery, fa mitady hevitra efa voaomana, atolotry ny indostria ara-barotra.” Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia olon-kafa no miteny amin’ireo tanora ireo ny amin’izay tokony hoeritreretiny sy ho tsapany.

Andeha hodinihintsika ny rindran-kira rock. Inona no vokatra entin’izy ireny eo amin’ny vahoaka mijery azy? Mamaly toy izao ilay boky hoe Music and the Mind: “Tsy misy isalasalana mihitsy fa ny mozika dia afaka mandray anjara amin-kery eo amin’ny famoizana ny fahaiza-mitsikera sy eo amin’ny fanekena an-jambany ho resin’ny fihetseham-po amin’izay fotoana izay, amin’ny fampitomboana ny fihetseham-pon’ny vahoaka sy amin’ny fanaovana izay hahazoana antoka fa miara-mahatratra ny fara tampony ireo fihetseham-po ireo, fa tsy mandeha tsirairay. Mampidi-doza tokoa sy mampiavaka ny fitondran-tenan’ny vahoaka izany.” Mampiseho ny fahamarinan’izany filazana izany ny sasany amin’ireo famoahana fihetseham-po tsy misy fitanan-tena any amin’ny rindran-kira rock.

Koa mba hanalavirana ny fandotoana ny saina sy ny fo àry, dia tsy maintsy mahay mifantina tsara ny mozika hohenointsika isika. Ahoana no azontsika anaovana izany? Hamaly io fanontaniana io ny lahatsoratra famaranana.

[Sary, pejy 7]

Matetika ny mozika no mahatonga ny mpihaino haniry handihy

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara