FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g99 8/10 p. 18-19
  • Fomba Fifidianana Vady

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fomba Fifidianana Vady
  • Mifohaza!—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Aza mianina amin’ny fijerena ny bika aman’endrika
  • ‘Manambadia ao amin’ny Tompo ihany’
  • Fanambadiana amboarina
  • Fototra iray tsara dia tsara ho an’ny fanambadianao
    Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra
  • Fifidianana Vady Araka ny Tari-dalan’AndriamanitraFifidianana Vady Araka ny Tari-dalan’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Fanomezan’Andriamanitra ny Fanambadiana
    “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”
  • Afaka ny ho Sambatra ny Tokantranonao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Hijery Hafa
Mifohaza!—1999
g99 8/10 p. 18-19

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Fomba Fifidianana Vady

NANONTANIANA TOY IZAO NY VEHIVAVY IRAY TSY MANAMBADY: “EFA MBA NIERITRERITRA NY HANAMBADY VE IANAO?” “NIERITRERITRA HOE E?”, HOY NY NAVALINY HAINGANA. “MIADY SAINA MIHITSY AZA AHO!”

MAMPISEHO ny hamafin’ny fanirian’ny olona sasany hotiavina sy hana-namana ny valin-teny fohy nomen’io vehivavy io. Maro no mihevitra ny fitadiavam-bady ho anisan’ny zavatra lehibe indrindra eo amin’ny fiainana. Noho izany, maneran-tany, dia niroborobo fatratra ny sampan-draharaha natao hanampiana olona hahita vady. Na izany aza, any amin’ny faritra maro eo amin’izao tontolo izao, dia mihoatra ny isan’ny fanambadiana vanona ny isan’ny fanambadiana tsy nahomby.

Mahazatra ny olona any amin’ireo tany tandrefana ny mifidy izay ho vadiny. Any amin’ny faritra sasany any Azia sy atỳ Afrika, etsy an-danin’izany, dia mbola fomba amam-panao ny fanambadiana amboarina. Na ahoana na ahoana, dia zavatra iray tsy tokony hohamaivanina ny fomba fitadiavam-bady. Vitsy ny fanapahan-kevitra hafa raisin’ny olona iray eo amin’ny fiainany izay mety hitondra fahasambarana na alahelo toy izany. Afaka ny ho faran’izay mahasoa sy mahafa-po ny fanambadiana anjakan’ny fitiavana. Mifanohitra amin’izany fa ho loharanom-pijaliana sy fihenjanana tsy misy farany ny fanambadiana ahitana fifandirana lava. — Ohabolana 21:19; 26:21.

Toy ny olon-kafa ihany, ny Kristianina marina dia maniry ny hoe hitondra fifaliana sy fahafaham-po ny fanambadiany. Maniry ny hampifaly an’Andriamanitra sy hanome voninahitra azy koa anefa izy ireo. (Kolosiana 3:23). Mahalala tsara tokoa izay tena ilaintsika sy izay mahasoa antsika indrindra Andriamanitra, noho izy Mpamorona sy Loharanon’ny fanambadiana. (Genesisy 2:22-24; Isaia 48:17-19). Ambonin’izany, dia efa vavolombelona nahita maso fanambadiana nahomby sy tsy nahomby an-tapitrisa tapitrisany maro izy, nandritra ny an’arivony taona maro nisian’ny olombelona. Fantany ny hoe inona no hahomby ary inona no tsy hahomby. (Salamo 32:8). Amin’ny alalan’ny Baiboly, Teniny, dia milaza foto-pitsipika mazava sy voafaritra tsara izay afaka manampy Kristianina na iza na iza hanao safidy miorina amin’ny fahalalana tsara, izy. Inona avy no sasany amin’ireo foto-pitsipika ireo?

Aza mianina amin’ny fijerena ny bika aman’endrika

Any amin’ny tany ahafahan’ny olona mifidy izay ho vadiny, dia mety ho sendrasendra no ahitany azy io, na mety hampifankahalalain’ny namana na fianakaviana. Ny fanintonan’ny bika aman’endrika matetika no nanaitra voalohany ny fitiavana. Na dia hery manosika voajanahary sy matanjaka tokoa aza izany, dia mampirisika antsika ny Baiboly hijery lalina kokoa noho ny fisehoana ivelany fotsiny, rehefa mieritreritra ny hanambady.

“Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy; fa ny vehivavy matahotra an’i Jehovah ihany no hoderaina”, hoy ny Ohabolana 31:30. Niresaka ny amin’ny toetra “tsy mety ho lo, dia ny fanahy malemy sady miadana, izay soa indrindra eo imason’Andriamanitra”, ny apostoly Petera. (1 Petera 3:4). Eny, zava-dehibe lavitra noho ny hatsaran-tarehy ara-batana ananan’ny olona iray kasaina hovadina ny toetrany ara-panahy, dia ny fifikirany amin’Andriamanitra sy ny fitiavany an’Andriamanitra ary koa ny toetra kristianina ananany. Tena zava-dehibe ny hakana fotoana hanaovana safidy tsy miorina amin’ny fihetseham-po fotsiny, ka hifidy olona izay mitovy zava-kendrena ara-panahy amin’ny tena, sy izay miezaka mafy koa mba hampiseho ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra. Tena hiteraka fanambadiana sambatra izany. — Ohabolana 19:2; Galatiana 5:22, 23.

‘Manambadia ao amin’ny Tompo ihany’

Tena zava-dehibe ny hananana tanjona sy zavatra inoana mitovy amin’ny an’ilay olona irinao hovadina. Tena zava-tsarotra ny fanambadiana, ary mitaky ny hanaovana fanitsiana maro avy amin’ny andaniny sy ny ankilany, eo amin’ny fitondran-tena sy ny fihetsika. Araka ny fandrindran-kevitra àry ny hoe arakaraka ny maha betsaka ny toetra iombonanao amin’ilay kasainao hovadina no maha mora ireo fanitsiana hatao.

Izany dia manampy antsika hahita ny antony nananaran’ny apostoly Paoly ny Kristianina mba tsy hanjary ‘hasiana zioga tsy antonona hikambanana amin’ny tsy mino’. (2 Korintiana 6:14). Fantatr’i Paoly fa afaka miteraka fifandonana sy tsy fifanarahana ny fanambadiana olona tsy mitovy finoana sy fahazoana ny hevitry ny foto-pitsipiky ny Baiboly amin’ny tena. Tsy tafahoatra ilay fananarana mba ‘hanambadiana ao amin’ny Tompo ihany’. (1 Korintiana 7:39). Ahitana taratry ny fiheveran’Andriamanitra izy io. Misoroka zava-tsarotra sy olana lehibe maro ireo izay maneho fahendrena ka manaraka izany. — Ohabolana 2:1, 9.

Fanambadiana amboarina

Ahoana ny amin’ireo faritra mbola anarahana ny fomba amam-panao ny amin’ny fanambadiana amboarina? Any amin’ny faritra atsimo any Inde, ohatra, dia nisy nanombana fa ny 80 isan-jaton’ny fanambadiana rehetra no namboarin’ny ray aman-dreny. Na hanaraka izany fanao nentim-paharazana izany ny ray aman-dreny kristianina, na tsia, izany dia fanapahan-keviny manokana. Na ahoana na ahoana, dia hahomby indrindra izany fanambadiana amboarina izany, rehefa ny fari-pitsipika ara-panahy no manapaka.

Mihevitra ireo izay mankasitraka ny fanambadiana amboarina fa izany dia mametraka ny fandraisana fanapahan-kevitra ho eo am-pelatanan’ny olona manana traikefa sy matotra. “Misy ray aman-dreny mihevitra fa, noho ny taonan’ny zanany sy noho izy ireo mbola tsy nahita fiainana, dia tsy azo ianteherana hahay hanombana tsara ny fahamatorana ara-panahin’ny olona iray kasainy hovadina, izy ireo”, hoy ny fanamarihan’ny loholona kristianina iray atsy Afrika. “Mbola tsy nahita fiainana ny tanora ary mety handray fanapahan-kevitra miorina amin’ny fihetseham-po”, hoy ny teny nanampin’ny mpitory mpitety faritany iray avy any Inde. Koa satria ny ray aman-dreny no mahalala ny toetran-janany mihoatra noho ny olon-kafa na iza na iza, dia heveriny fa izy ireo irery ihany no tsara toerana indrindra mba hanao safidy feno fahendrena ho an-janany. Haneho fahendrena koa izy ireo raha mihevitra ny fomba fijerin’ilay tovolahy sy ilay tovovavy.

Rehefa tsy miraharaha ny foto-pitsipiky ny Baiboly anefa ny ray aman-dreny, dia mety hifoteran’ny vokatr’izany izy ireo, raha toa ka misy olana ao amin’ilay fanambadiana any aoriana. Koa satria matetika no tsy afaka mifankahalala tsara mialoha ireo hivady, dia mety hitranga ny olana. Ary rehefa mitranga ny olana, hoy ny fanazavan’ny raim-pianakaviana kristianina iray any Inde, “dia any amin’ny ray aman-dreny matetika no hailika ny tsiny”.

Tsy maintsy dinihina koa ny raharaha ny amin’ny antony manosika ireo ray aman-dreny kristianina izay manamboatra ny fanambadian-janany. Mitranga ny olana rehefa tanjona feno fiahiana fatratra zavatra ara-nofo na fanirian-daza no manapaka eo amin’ny fifidianana vady. (1 Timoty 6:9). Noho izany, ireo izay manamboatra fanambadiana dia tokony hanontany tena hoe: ‘Natao mba hahazoana antoka ny amin’ny fahasambarana sy ny fahasalamana ara-panahin’ny andaniny sy ny ankilany ve io fifidianana io? Sa kosa natao mba hampisondrotra ny haja amam-boninahitry ny fianakaviana, na hampitombo ny hareny, na mba hahazoana tombony ara-bola?’ — Ohabolana 20:21.

Mazava sy andraisan-tsoa ny torohevitry ny Baiboly. Rehefa mandinika olona iray kasaina hovadina, dia ny hatsaran-toetrany sy ny fifikirany amin’Andriamanitra foana no tokony hahina voalohany, na ahoana na ahoana anaovana ilay safidy. Rehefa izany no atao, dia omena voninahitra i Jehovah Andriamanitra, ilay Loharanon’ny fandaharana ny amin’ny fanambadiana, ary afaka miainga avy eo amin’ny fototra ara-panahy mafy ireo izay hivady. (Matio 7:24, 25). Tena hiteraka fanambadiana sambatra sy ampoky ny soa izany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara