Finoanoam-poana — Tena Miely Patrana ve Ankehitriny?
MITRANGA hatraiza hatraiza izy ity: any am-piasana, any an-tsekoly, eny amin’ny fitateram-bahoaka, ary eny amin’ny arabe. Mievina ianao, dia milaza aminao ny olona tsy fantatrao akory fa mpandalo tsotra fotsiny, hoe: “Velona e!” Misy fitenenana mitovy amin’izany ao amin’ny fiteny maro. Amin’ny fiteny alemà, ny teny lazaina dia hoe “Gesundheit”. Ny Arabo milaza hoe “Yarhamak Allah”, ary ny Polinezianina sasany any Pasifika Atsimo manao hoe “Tihei mauri ora”.
Mety ho efa nahalasa eritreritra kely anao ihany ny antony ilazan’ny olona izany, satria mihevitra ianao fa fahalalam-pomba mahazatra mifototra amin’ny fiaraha-monina fotsiny izy io. Mifototra amin’ny finoanoam-poana anefa ilay fitenenana. Hoy i Moira Smith, mpitantana ny tranomboky ao amin’ny Ivon-toerana Momba ny Vakomanitra ao amin’ny Oniversiten’i Indiana ao Bloomington, any Indiana, Etazonia, momba ilay fitenenana: “Izy io dia avy amin’ilay hevitra hoe mamoaka ny fanahinao ianao rehefa mievina.” Fangatahana an’Andriamanitra mba hamerina azy io indray amin’ny laoniny, raha ny marina, ny filazana hoe “Velona e!”
Mazava ho azy, fa olona maro no hanaiky fa tsy mitombina ny finoana fa mivoaka avy ao amin’ny vatanao ny fanahinao rehefa mievina ianao. Tsy mahagaga àry raha toa ny rakibolana iray ka mamaritra ny finoanoam-poana hoe “finoana na fanao iray vokatry ny tsy fahalalana, tahotra ny tsy fantatra, fitokisana amin’ny majika na ny kisendrasendra, na fiheveran-diso ny amin’ny antony mahatonga zavatra iray”.
Tsy mahagaga firy raha toa ny fizisianina iray tamin’ny taonjato faha-17 ka niantso ireo finoanoam-poana tamin’ny androny hoe ny “fahadisoan-kevitr’olon-tsotra” tsy nahita fianarana. Noho izany, rehefa niditra tao amin’ny taonjato faha-20 sy ny zava-bitany ara-tsiansa ny taranak’olombelona, dia be fanantenana ny The Encyclopædia Britannica tamin’ny 1910, ka nahita mialoha fa ho avy ny fotoana “hanafahana ny sivilizasiona amin’ny farasisan’ny finoanoam-poana”.
Miely patrana mbola tsy nisy toy izany
Tsy misy fototra iorenany io fanantenana be tamin’ny 80 taona lasa eo ho eo io, satria toa tafaorina mafy mbola tsy nisy toy izany ny finoanoam-poana. Mampiavaka ny finoanoam-poana izany faharetana izany. Ilay teny frantsay hoe “superstition”, izay ilazana ny finoanoam-poana, dia avy amin’ilay teny latinina hoe super, izay midika hoe “ambony”, sy hoe stare, midika hoe “mahatohitra”. Nantsoina tokoa hoe superstites ireo mpiady tsy maty tany an’ady, satria velona ela kokoa noho ireo mpiady namany izy ireo tany an’ady, ka “nahatohitra” azy ara-bakiteny. Rehefa manisy firesahana tsy mivantana izany fiavian-teny izany ilay boky hoe Superstitions, dia milaza hoe: “Mahatohitra ireo vanim-potoana izay nanandrana nanafoana azy ireo ny finoanoam-poana izay mbola misy hatramin’izao andro izao.” Andeha isika handinika ohatra vitsivitsy monja izay mampiseho fa mbola misy foana ny finoanoam-poana.
◻ Taorian’ny fahafatesana tampoka nahazo ny governoran’ny tanàna lehibe iray any Azia, ireo mpiasa tao amin’ilay tranom-panjakana nitoerany dia kivy, ka nanoro hevitra ilay governora nandimby azy mba hila hevitra tany amin’ny olona iray mpanelanelana manokana amin’ny tontolo ara-panahy, izay nanolo-kevitra ny hanaovana fanovana maromaro tao anatiny sy ivelan’ilay fitambaran-trano. Nihevitra ireo mpiasa fa hampandamòka ilay fambara ratsy ireo fiovana.
◻ Namana tsy misaraka mihitsy amin’ny prezidàn’ny kompania iray mikirakira vola an-tapitrisany dolara maro, any Etazonia, ny vato manokana iray. Nanomboka tamin’ny fotoana nanaovan’io vehivavy io fampisehoana ara-barotra nahomby, dia tsy mety mivoaka ny trano mihitsy izy raha tsy mitondra azy io.
◻ Alohan’ny hamaranana fifanarahana lehibe momba ny fandraharahana, dia matetika ireo tale aziatika momba ny fandraharahana no mitady ny torohevitry ny mpanambara mialoha ny hoavy.
◻ Inoan’ny atleta iray fa fitafiana nanaovany no nahazoany fandresena, na dia teo aza ny fanazaran-tena be dia be nataony. Koa manohy manao ilay fitafiana, tsy nosasana, izy rehefa manao fifanintsanana amin’ny hoavy.
◻ Mampiasa stylo iray izay ny mpianatra iray rehefa manala fanadinana, ary mahazo naoty ambony. Mihevitra ilay stylo ho “mahatsara vintana” izy, taorian’izany.
◻ Amin’ny andro ampakarana azy, dia miezaka mafy ilay ampakarina mba hisy “zavatra tranainy, zavatra vaovao, zavatra nindramina, ary zavatra miloko manga” eny aminy.
◻ Manokatra ny Baiboly amin’ny kisendrasendra ny olona iray, ary mamaky izay andininy voalohany sendra ny masony, ka mino fa hanome ilay fitarihan-dalana manokana ilainy amin’izay fotoana izay ireo teny ireo.
◻ Rehefa mitrena sy mandeha mafy manaraka ny araben’ny seranana ny fiaramanidina goavana iray mba hiainga, dia misy mpandeha maromaro manao ny mariky ny lakroa. Misy hafa manafosafo meday mampiseho an’i “Masindahy” Christophe, mandritra ny dia.
Mazava àry fa tena miely patrana ny finoanoam-poana, na dia amin’izao andro izao aza. Raha ny marina, dia milaza i Stuart A. Vyse, profesora mpanampy momba ny psikôlôjia (siansa momba ny saina), ao amin’ny Connecticut College, ao amin’ilay bokiny hoe Believing in Magic—The Psychology of Superstition hoe: “Na dia miaina ao amin’ny fitambaran’olona mandroso ara-teknika aza isika, dia miely patrana mbola tsy nisy toy izany mihitsy ny finoanoam-poana.”
Tafaorina mafy tokoa ny finoanoam-poana amin’izao andro izao, hany ka tsy nahomby ny ezaka natao mba hanafoanana azy io. Fa nahoana?