FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g99 8/11 p. 28-29
  • Fijerena An’izao Tontolo Izao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fijerena An’izao Tontolo Izao
  • Mifohaza!—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Indolzansin’ny Papa
  • Aretina Misoko Mangina
  • Mpandeha Fiaramanidina Manakorontana
  • Mihalafo ny Fandevenana
  • Fôsily Mety ho Fongana
  • Mpitsabo Nify Tsy Andrenesana Maharary?
  • Fandanilaniam-poana Hery Niokleary
  • Fihetsehana Hilazana Ilay Teny Marina
  • Fahafatesana Noho ny Asa
  • Valanaretina Kanseran’ny Aty Vava
  • Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Fandoroana Faty?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Ilay Aretina Misoko Mangina
    Mifohaza!—2010
  • Nahoana no Ilaina ny Manatona Mpitsabo Nify?
    Mifohaza!—2007
  • Faikan-javatra noklehera — Ilay fako mahafaty
    Mifohaza!—1991
Hijery Hafa
Mifohaza!—1999
g99 8/11 p. 28-29

Fijerena An’izao Tontolo Izao

Indolzansin’ny Papa

Rehefa nanao ny fankalazana ny fiandohan’ny arivo taona vaovao ny Papa Jean-Paul II, dia nanambara ny taona 2000 ho Taona Masina, ary nanolotra indolzansy ho an’ireo izay nanao fivahiniana masina tany Roma, araka ny voalazan’ny tatitra nataon’ny L’Osservatore Romano. Ny indolzansy dia fomba hanafahana ny Katolika amin’ny sazy noho ny ota. Hoy ny gazetin’i Vatikana: “Mendrika valisoa ny asa tsara rehetra natao ka nahazoana ny fahasoavan’Andriamanitra.” Manamarika anefa io gazety io ihany fa ilay fomba fanao dia mampitranga koa fanontaniana mahaliana sasany, toy ny hoe: “Raha atolotra ny rehetra ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny famelany, inona no ilan’ny Eglizy hanome indolzansy?” ary “Raha afaka manome indolzansy feno ny Eglizy, nahoana izy no misahirana indray manome indolzansy tsy feno?”

Aretina Misoko Mangina

Aretina misoko mangina izay “mandrahona Amerikanina 28 tapitrisa mahery sy Kanadianina 1,4 tapitrisa eo ho eo” ny fahosan’ny taolana, araka ny tatitra nataon’ilay gazety hoe Toronto Star. Mahavoa lehilahy sy vehivavy, tanora sy antitra, izy io, ary “mitranga rehefa simba haingana kokoa ny selan’ny taolana antitra, hany ka tsy voasolo taolana vaovao”. Mety tsy hahita porofon’ny fisian’ilay aretina ao aminy ireo izay voan’izy io, raha tsy rehefa misy tapaka ny taolany. Mino ireo manam-pahaizana manokana fa “manimba tsikelikely an’ilay taolana izay hilaina rehefa olon-dehibe [ny fitandreman-tsakafo be loatra ataon’ny zatovo mihamitombo isa sy ny atleta any amin’ny oniversite]. Matetika ireo tanora manaraka fitandreman-tsakafo no tsy mihinan-kanina izay ilaina hanatanjahana ny karany [squelette]”. Araka ny voalazan’ilay tatitra, dia “tokotokony ho 90 isan-jaton’ny lanja ambony indrindran’ny taolana no azo hatreo amin’ny faha-18 taona; mahatratra ny tampony ny lanjan’ny taolan’olon-dehibe hatreo amin’ny faha-30 taonany”. Manoro hevitra ilay tatitra fa mba hampitomboana ny hakitroky ny taolana, dia tokony ‘hihinana kalsiôma sy vitaminina D ampy [ny rehetra], hanao fampiasan-tena tsy tapaka, sy tsy hifoka sigara ary tsy hisotro zava-pisotro misy alkaola be loatra’.

Mpandeha Fiaramanidina Manakorontana

“Nitsambikina ho 400 isan-jato ny fitrangan’ny hasosorana mafy any anaty fiaramanidina, tato anatin’ny dimy taona farany”, hoy ilay gazetiboky hoe Business Traveler International. Izany dia ny fitondran-tena tsy voafehy avy amin’ny mpandeha fiaramanidina. Inona no mahatonga ilay fitomboana be? Ny fihenjanana no anton-javatra lehibe indrindra. Samy miteraka fitebitebena avokoa na ny zotra nahemotra na nofoanana, na ny fahateren’ny toerana, ary ny tahotra ny hitaingina fiaramanidina. Afaka mitarika ho amin’ny fitrangan’ny hasosorana mafy indray kosa ny fitebitebena. “Mampandroso ny fanaovana dia ana habakabaka ny fitaterana ana habakabaka amin’ny filazana fa haingana sy milamina izy io, nefa tsy izany akory”, hoy i Stuart Howard, ao amin’ny Federasiôna Iraisam-pirenena An’ny Mpiasan’ny Fitaterana. Inoan’ny lehilahy iray, solontenan’ny fitaterana ana habakabaka lehibe, fa anton-javatra iray hafa mahatonga hasosorana mafy any anaty fiaramanidina ny fisian’ny zotra ho an’ny tsy mpifoka sigara. Araka ny voalazan’ilay tatitra, dia “nahatonga ny antsasany mahery tamin[’ireo] fanakorontanana ataon’ny mpandeha, ny mpifoka sigara diso fanantenana” izay nandeha tamin’ny fitaterana ana habakabaka iray tamin’ny 1997. Anton-javatra iray hafa ny fisotroana zava-pisotro misy alkaola, izay mety hitombo be ny vokany rehefa eny ambony eny. Inona no torohevitra ao amin’ilay tatitra, raha misy mpandeha iray hafa mitabataba? “Aza miantso ny mpiasan’ny fiaramanidina. Mialà kosa eo amin’ny toeranao, ary ampahafantaro moramora azy ireo ilay olana.” Manolo-kevitra toy izao koa izy: “Sorohy ny mety hisian’ny fahasarotan-javatra, amin’ny fitondrana zavatra tsy mandreraka azo vakina na amin’ny fihainoana mozika mampitony” ao amin’ny fandefasam-peo stéréo azo entina mandeha.

Mihalafo ny Fandevenana

Mihamitombo isa ny olona mitodika any amin’ny fandoroana faty mba hampihenana ny vola lany amin’ny fandevenana. Araka ny voalazan’ny Fikambanam-pirenena An’ireo Mpikarakara Fandevenana, dia 4 600 dolara ny antsalan’ny vola lany tamin’ny fandevenana nentim-paharazana, tany Etazonia, tamin’ny 1996. Mifanohitra amin’izany fa “eo anelanelan’ny 500 dolara sy 2 000 dolara ny vola lany amin’ny fandoroana faty”, hoy ny Chicago Sun-Times, “arakaraka ny karazana conteneur nofidina hanaovana ilay fandoroana mihitsy sy ny boaty asiana ny lavenona”. Afa-tsy izany koa, ny fandoroana faty dia tsy mitaky ny hananana tany hatao fasana sy vato ho marika; izany no manampy 40 isan-jato amin’ny lany amin’ny fandevenana nentim-paharazana. Nilaza ilay gazety fa tany Etazonia, tamin’ny 1997, dia 23,6 isan-jaton’ny maty rehetra no nodorana, ary ampoizina hahatratra 42 isan-jato ilay tarehimarika, mandritra ireo folo taona manaraka.

Fôsily Mety ho Fongana

Araka ny tatitra nataon’ny New Scientist, ny mandrahona ireo toerana misy fôsily, izay tsy simban’ireo an’arivony taona maro izao, dia ny mpangalatra, ny fanimbanimbana zavatra ary ireo mpitsangantsangana mafana fo loatra. “Irin’ny sasany amin’ireo manam-pahaizana momba ny haibolantany ny hamindra toerana ny fôsily sarobidy indrindra ho any amin’ny tranombakoka na ny handrara ny mpitsidika tsy ho ao amin’ireo toerana misy azy ireo”, hoy ilay gazety. Misy hafa kosa manazava fa zon’ny besinimaro ny hahita ireo fôsily ireo ao amin’ny toerana voajanahary misy azy. Mba handaminana ilay olana, dia nanomboka nanomana lisitry ny toerana mety ho fongana maneran-tany ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fandinihana ireo Fôsily. Hatramin’izao anefa, dia toerana 50 eo ho eo monja no natao tao amin’ny lisitra.

Mpitsabo Nify Tsy Andrenesana Maharary?

Olona maro tsaboina nify no maniry hahita ny tsy hampiasan’ny mpitsabo nify intsony ny fandoaha-nify mahazatra. Mety hitranga ihany izany tsy ho ela, araka ny voalazan’ny FDA Consumer. Vao haingana izay dia nankasitraka ny fampiasana ny erbium: taratra laser YAG, ho amin’ny fandidiana mahakasika ny nify, ny Fitantanan-draharaha Amerikanina Momba ny Sakafo sy ny Fanafody. Tsy hampiasa ilay fitaovana bitika fandoaha-nify ny mpitsabo mba hanesorana ny fahasimban’ny nify, fa afaka mampiasa laser kosa izao mba hanesorana azy io, indrindra fa amin’ny fandefasana etona eo amin’ny faritra simba amin’ny nify, araka ny voalazan’ilay gazetiboky. Maromaro ny tombontsoa azo avy amin’ny laser noho ny amin’ny fitaovana mahazatra fandoaha-nify. Voalohany aloha, dia mazàna ny fitsaboana amin’ny laser no tsy andrenesana maharary. Noho izany, dia marary maro no tsy hila intsony fanatoranana na tsindrona mampahadonto. Faharoa, dia azo atomboka avy hatrany ny fitsaboana, satria tsy voatery hiandry ny hahadonto ny vavanao ny mpitsabo nify. Fanampin’izany, dia foana ilay hovotrovotra mahasorena vokatr’ilay fandoaha-nify mihodina haingana. Misy lafy ratsiny iray lehibe anefa: tsy azo ampiasaina amin’ny nify efa notsentsenana ny laser.

Fandanilaniam-poana Hery Niokleary

Nanomboka tamin’ireo taona 1960, dia hery niokleary maherin’ny 200 000 taonina no lany sy foana noho ny indostrian’ny hery niokleary, araka ny tatitra nataon’ilay gazetiboky hoe New Scientist. Ary isan-taona dia miampy 10 000 taonina amboniny ilay isa efa ambony. Mankaiza io fako mahafaty io? “Ny ankamaroany dia voatahiry fotsiny ao amin’ny toerana misy ny fitaovana mpamokatra hery niokleary”, hoy ilay gazetiboky. Tsy natao hitahiry fako radiôaktifa afa-tsy mandritra ny am-polony taona vitsivitsy monja anefa ireny toerana ireny. Amin’ny fotoana iray àry dia hila ny hafindra any amin’ny toerana fanariam-pako maharitra ny fako niokleary. Ny olana anefa dia tsy misy firenena nahavita nanorina toerana azo antoka any ambanin’ny tany, hitahirizana ny fakony radiôaktifa. Ho vokany, dia “tratran’ny fandrika novelarin’ny tenany ihany ny indostrian’ny hery niokleary”, hoy ny New Scientist.

Fihetsehana Hilazana Ilay Teny Marina

“Misy fikarohana vaovao mampiseho fa matetika ny fihetsehana no manampy mpandahateny hahita teny avy ao amin’ny tahirim-pahatsiarovany”, hoy ny tatitra nataon’ny Newsweek. Ampiasaina matetika ny fihetsehana milazalaza zavatra mba hilazana ny haben’ny zavatra iray, na ny bikabikany, fa misy fihetsehana hafa kosa, toy ny hoe “mikapakapa amin’ny tanana mifanaraka amin’ny fehezanteny tononin’ny tena”, ampiasaina ho amin’ny zava-kendrena hafa. Milaza i Robert Krauss, profesora momba ny psikôlôjia (siansa momba ny saina) ao amin’ny Oniversiten’i Columbia, fa ireny karazam-pihetsehana ireny dia “manampy mba hampahatsiahivana ny olona teny sarotra tadidina izay tsy tao an-tsainy”, amin’ny fanokafana izay antsoiny hoe “fahatsiarovana voambolana”. Misy mpikaroka mampitaha izany fahatsiarovana izany amin’izay mitranga rehefa misy fofona iray, tsiron-javatra iray, na feo iray ampifandraisina amin’ny fisehoan-javatra iray. Ohatra, tsy misy hafa amin’ny mety hahazoanao an-tsaina ny fahatsiarovana ny renibenao rehefa mandre fofon-dranomanitra iray, dia toy izany koa fa mety hanokatra “varavarana” iray mitovy amin’izany ho amin’ny teny iray ny fihetsehana, araka ny voalazan’i Brian Butterworth, manam-pahaizana momba ny rafi-pitatitra.

Fahafatesana Noho ny Asa

Olona 3 000 isan’andro no maty noho ny loza mifandray amin’ny asa, maneran-tany, araka ny tatitra nataon’ilay gazety frantsay mpiseho isan’andro hoe Le Monde. Araka ny voalazan’ny Birao Iraisam-pirenena Momba ny Asa, dia mpiasa 250 tapitrisa eo ho eo no maratra isan-taona, ka miteraka fahafatesan’olona iray tapitrisa mahery. “Ambony kokoa noho ny antsalan’isan’ny fahafatesana isan-taona noho ny lozam-pifamoivoizana (990 000), sy ny fifandonana nitanam-piadiana (502 000), sy ny herisetra hafa (563 000), ary ny SIDA (312 000), ny isan’ny fahafatesana mifandray amin’ny asa”, hoy ny voalazan’ilay gazety.

Valanaretina Kanseran’ny Aty Vava

Any Delhi, Inde, dia avo efatra heny noho ny any Los Angeles, Kalifornia, ny fitrangan’ny kanseran’ny aty vava, araka ny tatitra nataon’ny The Indian Express. Amin’izao fotoana izao, dia kanseran’ny aty vava ny 18,1 isan-jaton’ny kansera vaovao rehetra mahavoa ny lehilahy monina any Delhi — 10 isan-jato tamin’ny 1995. Antony lehibe mahatonga ny kanseran’ny aty vava ny fitsakoana ravim-paraky, ny bidis (sigara karàna), sy ny pan masala (paraky sy voam-betela voatoto mifangaro amin’ny taharo hafa), izay fonosina ravina ary tsakoina. Nihevitra ilay gazety fa manaitra ny fitomboan’ny fampiasana pan masala eo amin’ny ankizy mpianatra tsy manampo na inona na inona. Nampitandrina ny manam-pahaizana manokana iray fa mety ho voan’ny “valanaretina kanseran’ny aty vava” i Inde manontolo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara