Avy Amin’ny Mpamaky
Fisian’Andriamanitra Hitako ho tena nanampy tokoa ilay fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Tena Misy Tokoa ve Andriamanitra?” (8 Febroary 1999). Nasehon’izy io ahy ilay Andriamanitra reko noresahina matetika tokoa, nefa tsy nety hitako mihitsy. Misaotra anareo amin’ny foko manontolo aho noho ny nanazavanareo ny lalan’ny fahamarinana ho an’ny olona toa ahy.
C. P., Brezila
Ilaina na dia Jamba Aza Misaotra noho ilay tantaram-piainan’i Polytimi Venetsianos hoe: “Ilaina sy Sambatra Aho na dia Jamba Aza”, tao amin’ny nomerao tamin’ny 8 Febroary 1999. Nanohina lalina ny foko ny herim-pony sy ny finoany an’Andriamanitra, tsy mihozongozona. Namoy zavatra maro be ity vehivavy tsy manam-paharoa ity teo amin’ny fiainany, ary nandia zava-tsarotra maro, tetsy an-daniny. Tetsy an-kilany anefa, dia nahazo tombontsoa be dia be tsy hay tombanana izy. Mino aho fa hanampy be sady ho fampaherezana an’izay rehetra nanjary sasatra mandritra izao hazakazaka sarotra ho amin’ny fiainana izao, ny tantarany.
K. R., Rosia
Fanafody Fiarovam-boly Tena nahafaly anay mivady mihitsy ilay lahatsoratra hoe “Tsy Bibikely Mpanimba Voly Ihany no Matin’ny Fanafody Simika Fiarovam-boly”. (8 Martsa 1999). Mpiaro ny tontolo iainana izahay, ary niezaka niady mba tsy hanapoizinana ity tany ity. Manome toky ny fahafantarana fa misy olona any Brezila sy Chine, ary any an-tany hafa mba miahy ny amin’izany koa, ka manao zavatra mampandroso.
W. G., Kanada
Firesahana Olona Misaotra betsaka noho ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Inona no dia Maha Ratsy ny Miresaka Olona?” (8 Martsa 1999). Tsy ela izay, dia hitako manokana fa tena mampijaly ny fifosana, rehefa nisy olona nanely tsaho hoe izaho, hono, no olona ho voaroaka manaraka, avy ao amin’ny kôngregasiôna. Tena nalahelo be aho noho io lainga io! Niala tsiny ilay olona nanao izany, nefa tsy matoky azy intsony aho.
R. M., Soisa
Tena miely patrana ny fifosana any am-pianaranay, koa tena nampahery sy nanatanjaka ahy àry ilay lahatsoratra. Menatra aho milaza fa efa nifosa olona aho mba hahatonga azy ireo hoheverina ho toa tena ratsy erỳ. Ary rehefa nisy namako nifosa ny hafa, dia nihaino aho ary nandray anjara tamin’ilay resaka mihitsy aza. Rehefa novakiko manontolo àry ilay lahatsoratra, dia gaga aho, ary tsapako fa nananatra ahy momba ny zavatra nataoko ny fehezanteny tsirairay. Menatra be aho noho ny fifosana rehetra nataoko. Fantatro fa mbola hitohy foana ny fifosana any am-pianaranay, nefa tapa-kevitra aho ny haneho tanjaka ampy mba tsy handraisana anjara amin’izany.
M. W., Japon