“Ireo Fiovana Lalina Indrindra”
“Ny taonjato faha-20 no nahitana ireo fiovana lalina indrindra sy niely patrana indrindra tamin’ny taonjato rehetra teo amin’ny tantaran’ny olombelona.” — The Times Atlas of the 20th Century.
REHEFA manao jery todika ny taonjato faha-20 ny maro, dia tsy isalasalana fa hitovy hevitra amin’i Walter Isaacson, mpampanonta sy mpitantana ny gazety Time, izay nilaza hoe: “Raha ireo taonjato no asian-teny, dia ity iray ity no anisan’ny nahazendana indrindra: nampientanentana, indraindray nampihorohoro, kanefa nambabo foana.”
Toy izany koa fa milaza i Gro Harlem Brundtland, praiminisitra taloha tany Norvezy, hoe ity taonjato ity dia nantsoina hoe “ny taonjaton’ny fanaovan-javatra mihoa-pampana, (...) izay nahitana ny faharatsiam-pitondran-tenan’ny olombelona nahatratra halalina tsy hita noanoa”. Marihin’io vehivavy io fa “taonjaton’ny fandrosoana goavana [sy ny] fitomboan’ny toe-karena mbola tsy nisy toy izany” izy io, any amin’ny toerana sasany. Etsy an-danin’izany anefa, dia misy faritra mahantra an-tanàn-dehibe miatrika hoavy tsy mahabe fanantenana, izay hitondra “fihoaran’ny isan’ny mponina, sy miatrika aretina misy fifandraisana amin’ny fahantrana ary tontolo iainana tsy mahasalama”.
Fitsimbadihana ara-politika
Fony nanomboka ny taonjato faha-20, dia nifehy faritra maro teto amin’izao tontolo izao ny tarana-mpanjaka mandchou tany Chine, sy ny Empira Ôtômanina, ary empira eoropeanina maromaro. Ny Empira Britanika fotsiny dia nandrakotra ny ampahefatry ny gilaoby, ary nanapaka hatramin’ny ampahefatry ny olona teto an-tany. Ela be talohan’ny nifaranan’ilay taonjato, dia efa nivalona ho tantara sisa ireny empira rehetra ireny. “Tamin’ny 1945”, hoy ny The Times Atlas of the 20th Century, “dia tapitra ny vanim-potoanan’ny imperialisma.”
Ny nifaranan’ny fanjanahan-tany dia namela ny firongatry ny fanindrahindram-pirenena, izay nanenika an’i Eoropa teo anelanelan’ny taonjato faha-17 sy faha-19, hifindra hankany amin’ny faritra hafa amin’izao tontolo izao. Hoy ny The New Encyclopædia Britannica: “Taorian’ny Ady Lehibe Faharoa, dia tsy nirehitra intsony ny fanindrahindram-pirenena, tany amin’ny firenena eoropeanina maro (...) Tany Azia sy Afrika kosa, dia nitombo haingana ny fanindrahindram-pirenena, indrindra indrindra ho fanoherana ny fanjanahan-tany.” Tamin’ny farany, araka ny voalazan’ny The Collins Atlas of World History, “dia nipoitra teo amin’ny sehatry ny tantara ny Tany Madinika, ary nifarana teo ny vanim-potoana iray, izay nanomboka taonjato dimy talohan’izay, fony nanomboka nanitatra ireo faritaniny i Eoropa”.
Rehefa rava ireo empira, dia firenena nahaleo tena no nandimby azy — ka governemanta manana endriny demokratika ny ankamaroany. Matetika ny fanapahana demokratika no tojo fanoherana henjana, toy ny fanoheran’ny governemanta natanjaka tsy refesi-mandidy tany Eoropa sy tany Azia nandritra ny Ady Lehibe Faharoa. Namepetra ny fahafahan’ny isam-batan’olona ireny fitondrana ireny, ary nifehy mafy hatrany ny toe-karena, ny fampitam-baovao ary ny tafika. Voasakana ihany tamin’ny farany ny ezaka nataony mba hanapahana izao tontolo izao, nefa taorian’ny nandaniam-bola be sy namoizana ain’olona maro.
Taonjaton’ady
Ny ady tokoa no tena mampiavaka ny taonjato faha-20 amin’ireo taonjato rehetra tany aloha. Mahakasika ny Ady Lehibe Voalohany, dia izao no nosoratan’i Guido Knopp, mpahay tantara alemà: “1 Aogositra 1914: Tsy nisy nanampo fa hifarana tamin’io andro io ny taonjato faha-19, izay nanolotra fe-potoana lava nisian’ny fandriampahalemana ho an’ny Eoropeanina; ary tsy nisy nahamarika fa tsy tena nanomboka ny taonjato faha-20 raha tsy tamin’io fotoana io — fotoanan’ny ady naharitra telopolo taona sy nampiseho izay mety ho vitan’ny olona amin’ny olombelona hafa.”
Nampahatsiahy antsika i Hugh Brogan, mpampianatra tantara, fa “goavana sy nampihoron-koditra ary mbola tsapa foana hatramin’izao andro izao [taona 1998] ny vokatr’io ady io teo amin’i Etazonia”. Nanoratra toy izao i Akira Iriye, mpampianatra tantara ao amin’ny Oniversiten’i Harvard: “Nitondra fiovana lehibe tamin’ny fomba maro teo amin’ny tantaran’i Azia Atsinanana sy i Etazonia ny Ady Lehibe Voalohany.”
Tsy mahagaga raha miantso ny ady lehibe voalohany sy faharoa hoe “ireo fiolahana lehibe teo amin’ny tantara jeografika sy politika tamin’ny taonjato faha-20”, ny The New Encyclopædia Britannica. Marihin’izy io fa “nitarika ho amin’ny fianjeran’ny tarana-mpanjaka efatra lehibe nanana empira ny Ady Lehibe Voalohany (...), sy niteraka ny Revôlisiôna Bôlsevika tany Rosia, ary (...) nametraka ny fototra ho amin’ny Ady Lehibe Faharoa”. Milaza amintsika koa izy io fa saika “tsy nisy toa azy [ireo ady lehibe], raha ny amin’ny fandripahana, ny ra nandriaka, ary ny fandravana”. Toy izany koa fa hoy i Guido Knopp: “Nihoatra noho ny zavatra ratsy indrindra nampoizina ny halozana sy ny habibian’ny olombelona. Tany amin’ireo hady niafenan’ireo miaramila (...) no namafazana voa izay niteraka vanim-potoana iray niheverana ny olombelona ho toy ny zavatra, fa tsy olona.”
Natsangana ny Fikambanam-pirenena, tamin’ny 1919, mba tsy hitrangan’ny ady mandoza toy ireny intsony. Tsy nahatontosa ny tanjony, dia ny hitandro ny fandriampahalemana maneran-tany, izy io, ka nosoloana ny Firenena Mikambana. Na dia nahomby aza ny ONU tamin’ny fisorohana ny hisian’ny ady lehibe fahatelo, dia tsy afa-nisoroka ny Ady Mangatsiaka, izay natahorana hivadika ho fandripahana tambabe niokleary, nandritra ny am-polony taona maro, izy io. Tsy nisoroka ny fifandonana madinika kokoa nanerana an’izao tontolo izao koa izy io, toy ny tany amin’ireo tany Balkans.
Rehefa nihanitombo ny isan’ny firenena teto amin’izao tontolo izao, dia nihasarotra koa ny fitandroana ny fandriampahalemana teo amin’izy samy izy. Ny fampitahana sarintany iray talohan’ny Ady Lehibe Voalohany amin’ny sarintany iray maoderina dia mampiharihary fa teo am-piandohan’ity taonjato ity, dia firenena afrikanina 51 sy aziatika 44, fara fahakeliny, misy amin’izao andro izao, no tsy firenena akory tamin’izany fotoana izany. Amin’ireo mpikambana 185 ao amin’ny Firenena Mikambana amin’izao fotoana izao, dia 116 no tsy fanjakana nahaleo tena akory tamin’ny fotoana nanorenana azy io, tamin’ny 1945!
“Anisan’ny zava-niseho nanaitra mafy indrindra”
Teo am-pifaranan’ny taonjato faha-19, dia ny Empira Rosianina no fanjakana nanana tany nidadasika indrindra eran-tany. Vetivety foana anefa dia nafoiny ny mpanohana azy. Olona maro, araka ny voalazan’ilay mpanoratra atao hoe Geoffrey Ponton, no nihevitra fa “revôlisiôna, fa tsy fanavaozana, no tena nilaina”. Hoy koa izy: “Ady lehibe iray, ny Ady Lehibe Voalohany, sy ny fikorontanana tanteraka vokatr’izany, anefa no nilaina mba hampitranga haingana ilay tena revôlisiôna.”
Nametraka ny fototra ho amin’ny empira vaovao iray — ny Kominisma niraisam-pirenena, izay notohanan’ny Firaisana Sovietika — ny nakan’ny Bôlsevika ny fahefana tany Rosia tamin’izany fotoana izany. Na dia teraka tao anatin’ny ady naneran-tany aza ny Empira Sovietika, dia tsy matin’ny bala niraraka. Milaza ilay boky hoe Down With Big Brother, nataon’i Michael Dobbs, fa tamin’ny faramparan’ireo taona 1970, dia “empira nidadasika niraisam-pirenena izay efa nilentika tsikelikely tao amin’ny fahafonganana tsy azo narenina intsony” ny Firaisana Sovietika.
Na izany aza, dia tampoka ny fianjerany. Hoy ny fanazavan’ilay boky hoe Europe—A History, nataon’i Norman Davies: “Haingana noho ny fianjerana lehibe hafa rehetra teo amin’ny tantaran’i Eoropa ny fianjerany”, ary “nitranga noho ny antony fahita”. Marina tokoa fa “anisan’ny zava-niseho nanaitra mafy indrindra nandritra ny taonjato faharoapolo ny fisondrotan’ny Firaisana Sovietika sy ny firoboroboany ary ny fianjerany”, hoy i Ponton.
Raha ny marina, ny fianjeran’ny Firaisana Sovietika dia iray monja tamin’ireo fitohitohizam-piovana lalina nandritra ny taonjato faha-20 izay nisy vokany lasa lavitra. Tsy zava-baovao velively akory ny fiovana politika, mazava ho azy. Efa hatramin’ny an’arivony taona maro no nitrangan’izy ireny.
Tena zava-dehibe amin’ny heviny manokana anefa ny fiovana iray eo amin’ny sehatry ny governemanta, nandritra ny taonjato faha-20. Hodinihina any aoriana kely hoe inona izany fiovana izany sy ny vokany eo aminao manokana.
Voalohany anefa, dia andeha isika handinika ny sasany amin’ireo zava-bitan’ny siansa tamin’ny taonjato faha-20. Momba izany, dia manatsoaka hevitra toy izao ny Profesora Michael Howard: “Toa nanana ny antony rehetra hiarahabana ny taonjato faharoapolo hoe ny fiandohan’ny vanim-potoana vaovao sy sambatra kokoa eo amin’ny tantaran’ny olombelona, ny olona tany Eoropa Andrefana sy Amerika Avaratra.” Nitarika ho amin’ilay antsoina hoe fari-piainana ambony ve ireny fandrosoana ireny?
[Tabilao/Sary, pejy 2-7]
(Jereo ny gazety)
1901
Maty ny Mpanjakavavy Victoria rehefa avy nanjaka 64 taona
Nahatratra 1 600 tapitrisa ny isan’ny mponina naneran-tany
1914
Nisy namono ny Printsy Ferdinand. Nipoaka ny Ady Lehibe Voalohany
Nicolas II, ilay “tsar” farany, sy ny fianakaviany
1917
Nitarika an’i Rosia ho amin’ny revôlisiôna i Lénine
1919
Natsangana ny Fikambanam-pirenena
1929
Nitarika ho amin’ilay Fitambotsorana Ara-toe-karena Lehibe ny fikororosian’ny tsenam-bola amerikanina
Nanohy ny tolony ho amin’ny fahaleovan-tenan’i Inde i Gandhi
1939
Niditra an-keriny tao Polonina i Adolf Hitler ka nahatonga ny fanombohan’ny Ady Lehibe Faharoa
Nanjary praiminisitr’i Grande-Bretagne i Winston Churchill tamin’ny 1940
Ny Fandripahana Tambabe
1941
Nandaroka baomba an’i Pearl Harbor ny Japoney
1945
Nandatsaka baomba ataomika tao Hiroshima sy Nagasaki i Etazonia. Nifarana ny Ady Lehibe Faharoa
1946
Nivory voalohany ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana
1949
Nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny fitsanganan’ny Repoblika Entim-bahoakan’i Chine i Mao Tsé-toung
1960
Nisy firenena afrikanina vaovao 17 niforona
1975
Nifarana ny ady tany Vietnam
1989
Noravana ny Rindrin’i Berlin rehefa nihena ny herin’ny Kominisma
1991
Nisaratsaraka ny Firaisana Sovietika