“Mba Atolory Ahy, Aza Fady, ny ‘Tortillas’”
AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY MEKSIKA
ERITRERETO ny amin’ny zava-baovao iray noforonina izay ampiasaina ho “sady fonon-javatra no sotro, no lovia, sy sakafo, indray miaraka, ary mety tsara raha ampiarahina saika amin’ny sakafo hafa rehetra”. Izany no fomba nilazalazan’i Héctor Bourges, manam-pahaizana momba ny sakafo mahavelona, ny zava-baovao iray noforonina izay nolovan’ny taranaka fara mandimby, efa an’arivony taona maro izao. Mbola misy olona maro mihinana azy io isan’andro. Izany dia ny tortilla, ilay mofo boribory fisaka vita amin’ny katsaka ary foto-tsakafon’ny Meksikanina.a
Misy asa soratra tranainy mampiseho fa tena zava-dehibe tamin’ireo olona fahiny tany Amerika Afovoany sy ny faritra atsimon’i Amerika Avaratra, ny katsaka. Nanampy teo amin’ny fampiroboroboana kolontsaina lehibe, toy ny Olmèque, ny Maya, ny Teotihuacán, ary ny Mexica, io voamadinika io, izay nanjary fampiasan’ny olona, efa an’arivony taona maro lasa izay, atỳ amin’ilay fantatra ankehitriny hoe Meksika.
Katsaka aloha, vao tonga tortilla
Ny fomba fototra fanaovana tortillas dia ny fampifangaroana voan-katsaka efa matoy amin’ny rano avo roa heny, izay efa nandevonana sokay sahabo ho 1 isan-jato. Hafanaina izany rehetra izany mandra-pahatongan’ny hoditra manifin’ireo voan-katsaka hanjary hiala, rehefa potsirina amin’ny rantsantanana. Tampohana rano mangatsiaka ilay izy mba tsy hihamafana intsony, ary avela hitsika any ambany ny rano mandritra ny alina.
Ny ampitso, dia malemy ireo voa, izay antsoina hoe nixtamal izao, ary loarana amin’ny tanana avy ao amin’ilay nisy azy, ka atao ao anaty fitoerany hafa, izay hanesorana ny rano sisa tavela. Totoina ilay nixtamal, ary asiana sira sy rano mandra-pahatongany ho koba malemy antsoina hoe masa. Mahazatra ny mizara ilay masa ho bolongany kely maro izay volavolaina ho zavatra boribory fisaka ary avy eo, dia apetraka eo ambony takela-tanimanga fisaka mafana. Avadika indray mandeha, ary avy eo, fanindroany. Rehefa misy sosona manify mibontsina eo an-tampon’ilay tortilla, dia masaka izy izay!
Hita fa manampy mba hisorohana olana ara-pahasalamana sasany ilay dingana voalohany amin’ilay fanaovana tortilla, dia ilay fanisiana sokay. Amin’ny ahoana izany? Ny tsy fahampian’ny vitaminina B dia miteraka pellagre, aretina miavaka noho ny firehetan’ny hoditra, ny aretim-pivalanana, ny fahavoazan’ny saina, ary mety hahafaty. Fahita eo amin’ny olona izay mivelona amin’ny katsaka sy ny sakafo tsy misy afa-tsy prôteinina kely fotsiny, na tsy misy mihitsy, io aretina io.
Ny olana dia tsy raisin’ny vatana ny vitaminina B ao amin’ny katsaka. Ny sokay, etsy an-danin’izany, dia mahatonga ny vitaminina B ho mora raisin’ny vatana kokoa. Ny tortilla àry dia mety ho antony iray mahatonga ny pellagre ho aretina tsy fahita firy any amin’ny faritra mahantra eto Meksika, afa-tsy any amin’ny faritra sasany, izay mahazatra ny olona ny manakobana ny nixtamal mba hamotsiana ny masa, ka very ny vitaminina B.
Vokany lehibe hafa iray entin’ny fanisiana sokay ny fitomboan’ny kalsiôma, otrikaina tena ilain’ny taolana sy ny fitatitra, ankoatra ny zavatra hafa. Ankoatra izany, koa satria katsaka tsy nanesorana ireo foto-javatra mahasoa no ampiasaina, dia loharano tena tsara ahazoana tsiratsiraka ny tortilla.
Tsy hiantso ny tortillas hoe zava-baovao lehibe noforonina koa àry ve ianao, rehefa dinihina izany rehetra izany? Izao àry, toy ny atao amin’ny zava-baovao hafa rehetra noforonina, dia tsy maintsy dinihintsika ny fomba ampiasan’ireo mahay tsara azy io mba hankafizana azy tsara indrindra.
Ny fomba fanao
Tamin’ny taonjato faha-16, dia nitantara ny fomba nandrosoana ny tortillas i Friar Berdinardino de Sahagún: ‘Fotsy sy nafana ary nivalona ny tortillas. Nalahatra tao anaty harona izy ireo, ary nosaronana lamba fotsy.’
Taonjato maro tatỳ aoriana, dia tsy niova firy ny zavatra. Mbola aroso mafana foana ny tortillas, mazàna ao anaty harona, ary misarona lamba madio. Afa-tsy izany koa, toy ny tamin’ny andro fahiny, dia misy karazana tortillas maro: fotsy, mavo, manga ary manopy mena. Samy hafa koa ny habe anaovana azy. Ary, mazava ho azy, fa isan’andro ny ankamaroan’ny Meksikanina dia mihinana tortillas amin’ny sakafo antoandro, ary mety ho amin’ny sakafo maraina sy hariva koa.
Misy tortillas eran’ny harona apetraka eo ambony latabatra ho an’ny fianakaviana iray manontolo. Mahaliana ny mpisakafo rehetra ny fihazonana ny tortillas ho mafana mandra-pahatapitry ny sakafo. Noho izany, izay manala ny saron’ny tortillas dia maka iray monja, ary mamerina ilay lamba indray avy eo, mba hanaronana ny ambiny. Eo am-pisakafoana, raha misy mbola te hihinana tortillas, dia ho re matetika tokoa ilay fitenenana hoe “mba omeo tortillas aho, aza fady”, na inona na inona foto-dresaka.
Hatreto, dia mety hanontany tena ianao hoe: ‘Tanana ve no anaovan’ny vehivavy meksikanina mpikarakara tokantrano, ny tortillas isan’andro?’ Tsia, amin’ny ankapobeny. Nanomboka tamin’ny 1884, dia nisy milina noforonina mba hanamboarana azy io. Mbola ampiasain’ny vehivavy maro mpikarakara tokantrano ihany ny milina ahodin-tanana fanaovana tortillas, indrindra fa any amin’ny faritra ambanivohitra. Ny ankamaroan’ny Meksikanina anefa dia mividy tortillas any amin’ny mpivarotra tortillas, izay misy milina afaka manao 3 000 ka hatramin’ny 10 000 isan’ora.
Andraikitr’ireo ankizy matetika ny mividy tortillas, aloha kelin’ny hisakafoanana. Miraikitra ao amin’ny fahatsiarovana fahazazan’ny ankamaroan’ny Meksikanina àry ny fofona, ny feo, ary ny hafanan’ny milina fanaovana tortillas. Marina izany, na dia ho an’ny fianakaviana mahantra aza, satria mora dia mora ny tortillas. Araka ny lazain’ny Dr. Bourges, voatonona etsy ambony, izy io tokoa dia “zavatra tena mora vidy, izay nolovantsika avy tamin’ireo razambentsika”.
Koa raha manandrana mihinana tortilla àry ianao, dia hanandrana kely ny tantaran’ny firenena iray. Tadidio fa azonao atao ny miteny hoe “Mba omeo tortillas aho, aza fady”, araka izay irinao, na impiry na impiry!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Na dia misy tortillas natao tamin’ny varimbazaha koa aza hanin’ny olona any amin’ny faritra sasany eto Meksika, dia voafetra ihany ny fiantraikan’izy ireny eo amin’ny kolontsaina meksikanina.
[Sary, pejy 22]
“Tortilla” atao tanana