FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g00 8/2 p. 16-18
  • Miharatra Madiodio

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Miharatra Madiodio
  • Mifohaza!—2000
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Akorandriaka taloha razoara fanary ankehitriny
  • Mbetika lamaody, mbetika tsy lamaody ny volombava
  • Miharatra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Hareza
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Volo
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Volombava
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Mifohaza!—2000
g00 8/2 p. 16-18

Miharatra Madiodio

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY AOSTRALIA

RAHA mandany dimy minitra, isan’andro, iharatana ny lehilahy iray, ary manao izany isan’andro mandritra ny 50 taona, dia handany maherin’ny 63 andro be izao amin’ny androm-piainany izy analana volo eo amin’ny tarehiny! Ahoana no fiheveran’ny lehilahy io fanao isan’andro io?

Nahazoana ireto filazana momba ny fiharatana ireto ny fanadihadiana tsotsotra natao vao haingana: “Tsy tiako ny miharatra.” “Halako!” “Anisan’ny zavatra mandoza eo amin’ny fiainana.” “Halavirina isaky ny azo atao.” Raha tsy tian’ny lehilahy aoka izany ny manala ny volo eo amin’ny tarehiny, nahoana àry izy no manao izany? Andeha isika hiana-javatra bebe kokoa momba ny fiharatana. Angamba isika hahita ny valiny.

Akorandriaka taloha razoara fanary ankehitriny

Afaka maka sary an-tsaina ny tenanao miharatra amin’ny akorandriaka ve ianao? Na amin’ny nifin’antsantsa? Na amin’ny silaka vatoafo maranitra angamba? Nampiseho fahaiza-mamoron-kevitra niavaka ny olombelona teo amin’ny fifidianana fitaovana fiharatana! Niharatra tamin’ny razoara varahina, niendrika loham-pamaky kely ny lehilahy tany Ejipta, fahiny. Vao haingana kokoa, tamin’ny taonjato faha-18 sy 19, dia namboarina tany Sheffield, Angletera, ilay nanjary fantatra hoe razoara lava. Matetika ireny razoara ireny no nisy haingony be dia be, ary nanana hareza tsỳ (acier) somary nilempona, izay niforitra tao anatin’ny tahony rehefa tsy nampiasaina, mba tsy hampidi-doza. Tsy maintsy nitandrina be izay rehetra nampiasa ireny fitaovana ireny, ary tsy isalasalana fa miteraka ratra sy ra be ny tsy fianarana mampiasa azy io tsara. Ho an’izay nikaviavia, ny fampiasana azy io voalohany dia tsy maintsy nampanaintaina be. Nitondra fanamaivanana anefa ny taonjato faha-20.

Tamin’ny 1901, ny lehilahy iray nantsoina hoe King Camp Gillette, tany Etazonia, dia nahazo lalana hivarotra ny zavatra noforoniny: razoara tsy ahitan-doza nisy hareza fanary. Nambabo an’izao tontolo izao ilay heviny, ary tatỳ aoriana, dia nitarika ho amin’ny fanaovana razoara tamin’ny endriny maro samihafa, anisan’izany ny razoara nisy tahony nifono volafotsy na volamena. Anisan’ny fandrosoana faramparany ny fanaovana razoara fanary tanteraka, razoara misy hareza roa mitovy na telo mihitsy aza, ary razoara misy lohany mora aforitra sy afaka mihodina.

Tsy hadinoina koa, mazava ho azy, ny razoara elektrika, izay niseho tsena voalohany tamin’ny 1931. Nitombo tsy an-kijanona ny fahombiazany sy ny fitiavan’ny besinimaro azy, nefa ny olona maro, izay tena te hiharatra madiodio, dia mbola tia kokoa ny hareza misy lelany maranitra.

Mbetika lamaody, mbetika tsy lamaody ny volombava

Efa hatrany am-boalohany indrindra ny olombelona no mbetika nanisy volombava, mbetika tsy nanisy. Lazain’ny boky Everyday Life in Ancient Egypt, fa ireo Ejipsianina fahiny dia “nalaza ho tsy nanana volo teo amin’ny vatany, ary nirehareha ho niharatra nadiodio, tamin’ny fampiasana razoara vita tsara, izay notahiriziny tao anaty tranony hoditra nadio”. Mety ho noho io fomba amam-panao io no nahatonga an’i Josefa, gadra hebreo, hiharatra, talohan’ny nisehoany teo anatrehan’i Farao. — Genesisy 41:14.

Karazan’olona nisy volombava narevaka ny lehilahy asyrianina. Noho ny fieboeboana, dia nikarakara sy nihevitra tafahoatra ny volombavany izy ireo, ka nanolanolana sy nandrandrana ary nanogo azy io tamim-pitandremana be.

Nataon’ny lehilahy isiraelita fahiny araka ny antonony ny halavan’ny volombavany, ary nampiasa razoara izy mba hanapahana tsara ny sisim-bolombavany. Koa inona no tian’ny Lalàn’Andriamanitra holazaina rehefa nandidy ny lehilahy isiraelita izy mba tsy ‘hanety ny sisim-bolon-dohany’ na ‘hanaratra’ ny volombavany? Tsy didy nandrara ny fanetezana ny sisim-bolon-doha na ny sisim-bolombava izy io. Nisakana ny lehilahy isiraelita tsy hanahaka ny fanao ara-pivavahana tafahoatra narahin’ireo firenena mpanompo sampy nanodidina, kosa izy io.a — Levitikosy 19:27; Jeremia 9:24, 25; 25:23; 49:32.

Tao amin’ny fiaraha-monina grika fahiny, tamin’ny ankapobeny dia nisy volombava avokoa ny lehilahy rehetra afa-tsy ny andriana, izay matetika no noharatana nadiodio. Toa nanomboka tamin’ny taonjato faharoa alohan’ny fanisan-taona iraisana ny fahazarana niharatra tany Roma, ary nitoetra ho fomba amam-panao ny niharatra isan’andro, nandritra ny taonjato maromaro taorian’izany.

Rehefa nianjera anefa ny Empira Romanina, dia nahazo vahana indray ny volombava, ary toy izany hatrany nandritra ny 1 000 taona mandra-pahatongan’ny tapany faharoa tamin’ny taonjato faha-17, rehefa nanjary lamaody ny niharatra. Nitohy nandritra ny taonjato faha-18 ny fiharatana nadiodio. Avy eo anefa, dia nanomboka nivadika indray ny lamaody teo amin’ny tapany faharoa amin’ny taonjato faha-19. Noho izany, ny sarin’i C. T. Russell, prezidà voalohan’ny Fikambanana Watch Tower, sy ny an’i W. E. Van Amburgh, Kristianina iray hafa, dia mampiseho azy mirahalahy misy volombava ara-damaody sy voatapaka tsara ny sisiny, volombava nihaja sy nifanentana tamin’ny androny. Teo am-piandohan’ny taonjato faha-20 anefa, dia niharatra indray ny besinimaro ary mbola mitohy hatramin’izao izany, any amin’ny ankamaroan’ny firenena.

Anisan’ireo lehilahy an-tapitrisany maro mampiasa hareza mba hanatanterahana io fanao isan’andro eo anoloan’ny fitaratra io ve ianao? Raha izany no izy, dia tsy isalasalana fa irinao ny tsy handre maharary, ny tsy haratra, ary ny hahazo izay vokatra tadiavina, araka izay azo atao, rehefa miharatra. Ho amin’izany, dia mety ho tianao ny handinika ny fanoloran-kevitra ao amin’ilay faritra voafefy hoe “Torohevitra ho An’izay Miharatra Amin’ny Hareza”. Azo inoana fa efa mampiasa ny sasany amin’ireo fanoloran-kevitra ireo ianao. Na ahoana na ahoana, dia ankafizo ny fiharatana madiodio!

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo ny Étude perspicace des Écritures, Boky Voalohany, pejy faha-270 sy 439, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.

[Efajoro/Sary, pejy 17]

Torohevitra ho An’izay Miharatra Amin’ny Hareza

Ilay boky hoe Men’s Hair (Volon-dehilahy) dia manao ireto fanoloran-kevitra manaraka ireto mba hahazoana ny vokatra tadiavina rehefa miharatra amin’ny hareza.b

1. Fanalefahana ny volombavanao: Ny hany fomba hanalefahana tanteraka ny volo eo amin’ny tarehy dia ny fampiasana rano mafana betsaka. Raha azo atao, dia miharata rehefa avy nandro, satria manome fotoana fanampiny hanalefahan’ny rano ny volombava ny fandroana.

2. Fanosoran-javatra alohan’ny fiharatana: Zavatra telo no ataon’ny savony, ny roatran-tsavony, ny menaka ary ny ranoka maditidity isan-karazany. 1) Mitana ny hamandoana ao amin’ny volombava, 2) mihazona azy ireo hihenjana, ary 3) mampahalama ny hoditra mba hanamorana ny fandalovan’ny hareza eo aminy. Izay zavatra fanosotra mety indrindra aminao no fidio. E! Efa nanandrana ranon-javatra mampahalefaka volo ve ianao?

3. Fampiasana hareza mety tsara amin’ny fomba mety tsara: Hareza maranitra no atao hoe hareza mety tsara. Manimba ny hoditrao ny hareza dombo. Ataovy manaraka ny zotran’ny fanirin’ny volo ny fanapahana azy. Mety hanaratra madiodio ny fiharatana mifanohitra amin’ny zotran’ny fanirin’ny volo, saingy manapaka ny volo hatrany anaty hoditra izy io, ka mahatonga azy ireo haniry ao amin’ny tambatsela manodidina fa tsy hivoaka avy eo amin’ny masonkoditra. Araka ny voalazan’ny boky sasany, dia miteraka aretin-koditra avy amin’ny virosy, mitarika ho amin’ny fisian’ny votsy, ny fahazaran’ny lehilahy sy ny vehivavy miharatra tsy misy fitandremana.

4. Fiarovana ny hoditra rehefa avy niharatra: Isaky ny miharatra ianao, dia manaisotra soson-koditra manify dia manify, ka mahatonga ny hoditrao ho mora simba. Zava-dehibe àry ny hanakobanana amin’ny rano madio ny tarehinao mba hialan’ny loto. Rano mafana aloha ampiasaina, ary avy eo rano mangatsiaka, mba hanakombonana ny masonkoditrao sy hihazonana ao ny hamandoan’ny hoditra. Raha tianao, dia afaka manosotra ranon-javatra manokana ianao rehefa avy niharatra mba hiarovana sy hahamandina ny hoditrao.

[Fanamarihana ambany pejy]

b Miresaka momba ny fiharatan’ny lehilahy ity lahatsoratra ity. Any amin’ny tany maro, dia manaratra ny faritra sasany amin’ny vatany koa ny vehivavy, ary mety ho hitan’izy ireo ho mahasoa koa ny sasany amin’ireo hevitra voalaza eto.

[Efajoro/Sary, pejy 18]

Inona no Atao hoe Volombava?

Volo maniry eo amin’ny tarehy no atao hoe volombava. Keratinina sy prôteinina mifandray amin’ny keratinina no mahaforona ny volombava. Ny keratinina dia prôteinina mitsiratsiraka sy misy solifara, amboarin’ny vatan’ny olombelona sy ny biby, ary zavatra fototra mahaforona ny volo, ny hoho, ny volom-borona, ny kitrom-biby ary ny tandroka. Amin’ireo volo rehetra eo amin’ny vatan’olombelona, dia ny volombava no anisan’ny mahery sy mafy indrindra, ka sarotra tapahina mitovy amin’ny tariby varahina mitovy hatevenana aminy. Misy hatramin’ny 25 000 ny volo eo amin’ny tarehin’ny lehilahy iray, amin’ny antsalany, ary antsasa-milimetatra eo ho eo isaky ny 24 ora ny tahan’ny faniriny.

[Sary nahazoan-dalana]

Lehilahy: A Pictorial Archive from Nineteenth-Century Sources/Dover Publications, Inc.

[Sary, pejy 18]

Mbetika lamaody, mbetika tsy lamaody ny miharatra

Ejipsianina

Asyrianina

Romanina

[Sary nahazoan-dalana]

Museo Egizio di Torino

Photographs taken by courtesy of the British Museum

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara