FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g00 8/3 p. 31
  • Fasana Hafakely

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fasana Hafakely
  • Mifohaza!—2000
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Fomba Anaovan’ny Sasany Fanomezana ho An’ny Asa Fitoriana Ilay Fanjakana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Ny Antony Maha-sarobidy Aoka Izany Ireo Taratasy Mivalona eo Amin’ny Fanompoants
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
  • Natao Pirinty sy Nozaraina ny Teny Masin’Andriamanitra
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Faly ve Ianao Manome ho An’i Jehovah?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
Hijery Hafa
Mifohaza!—2000
g00 8/3 p. 31

Fasana Hafakely

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY EKOATERA

AO AMIN’NY tanànan’i Ibarra, any avaratr’i Quito, renivohitr’i Ekoatera, dia misy fasana hafakely — el cementerio de los pobres (ny Fasan’ny Mahantra). Inona no mahatonga azy io ho toy izany? Ireo sary hoso-doko eo amin’ny rindrina ivelany dia sary nalaina nivantana avy tao amin’ny bokin’ny Fikambanana Watch Tower, saingy nohalehibeazina fotsiny!a Ny sary eo afovoany dia sarin’ny apostoly Jaona, izay nalaina avy tao amin’ny pejy faha-7 amin’ny boky Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza! Eo ambonin’i Jaona, dia misy izao soratra izao, amin’ny teny espaniola: “Ny Fanjakan’Andriamanitra dia midika ho fahitsiana sy fiadanana ary fifaliana. Romana 14:17.” Eo ankavia, dia misy ny tenin’ny Matio 11:28 manao hoe: “Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa hamelombelona anareo aho”, avy ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Tsy isalasalana fa mitarika ny sain’ny olona ho amin’ny Tenin’Andriamanitra io rindrim-pasana io.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Mba hanarahana ny fepetra takin’ny lalàna, dia tsy maintsy mahazo lalana aloha vao maka tahaka lahatsoratra na asa ara-javakanto avy tao amin’ny zavatra vita an-tsoratry ny Watch Tower, ary tokony holazaina hoe avy tamin’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania izy ireny.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara