FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g01 8/2 p. 15-18
  • Mitaiza Zanaka eny Amin’ny Natiora

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mitaiza Zanaka eny Amin’ny Natiora
  • Mifohaza!—2001
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Mpikarakara tsy araka ny anampoizana azy
  • Vorona mpitaiza
  • Fiarovan-janaka
  • Reny mampinono
  • “Ilay Mponina An’ala Kanto Indrindra”
    Mifohaza!—2000
  • Ny Biby sy ny Fitaizan-janaka
    Mifohaza!—2005
  • Inona no Ilain’ny Zaza sy Tiany?
    Mifohaza!—2004
  • Mahay Miara-miasa Izy Roa Kely
    Mifohaza!—2009
Hijery Hafa
Mifohaza!—2001
g01 8/2 p. 15-18

Mitaiza Zanaka eny Amin’ny Natiora

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ATSY KENYA

TEO amin’ny tany lemaka midadasika sy feno bozaka atỳ Afrika no teraka ny zana-biby iray. Nisy feo nidoboka kely rehefa nilatsaka teo amin’ny tany izy, raha vao nangiran-dratsy. Niondrika moramora ny reniny ka nampitsangana ilay zanany mbola mando sy mangirana hijoro amin’izato tongotra mbola mangozohozo. Maika erỳ ny reny sy anabavy hafa nanatona teo mba hijery tsara sy hikasika ary handre ny fofon’ilay zana-biby kely. Milanja 120 kilao monja ny zanaka elefanta, ary latsaka ny 90 santimetatra ny haavony, nefa mampientanentana ny hafa ao amin’ilay andiany.

An’arivony kilaometatra maro avy eo, any amin’ireo tanin’i Amerika, indro, mihantona eo amin’ny sampan-kazo iray ny akanim-borona mitovy habe amin’ny fanosehana. Mikarakara zana-borona kely roa eo ny mpivady kôlibria, karazana kôlibria mitovitovy habe amin’ny bibikely manidina. Manidina haingana amin’ny fomba mahazendana ireo vorona maro loko ireo, izay sady ray aman-dreny mahery fo, ka handroaka ny biby lehibe sy ny olona mihitsy aza, tsy hanatona ny zanany madinika kely.

Manintona antsika rehetra ny zanaka biby. Mahaliana fatratra ny ankizy ny fahaterahan’ny alika kely. Iza moa no tsy mihomehy mahita saka kely misangisangy, gidro kely mahafatifaty mihantona eo amin’ny volon-dreniny, na zana-borondolo mibanjina amin’ny masony baribary avy eo amin’ny lavany tsy ananany ahiahy?

Tsy toy ny zazakely tsy manam-piarovana foana akory ny zana-biby. Ny sasany dia afaka mihazakazaka raha vao teraka, raha vantany vao mandia tany ny tongokeliny. Ny hafa kosa avela hiady irery tanteraka mba hiaro tena sy ho velona. Ny fahaveloman’ny ankamaroan’ny zana-biby sy bibikely anefa dia miankina amin’ny fitaizan’ny ray aman-dreniny azy, ny fiarovany azy, ny fanomezany hanina azy, ny fampiofanany azy, sy ny fikarakarana vokatry ny fifandraisana am-po misy eo aminy sy ny taranany.

Mpikarakara tsy araka ny anampoizana azy

Tsy dia miraharaha loatra izay hahasoa ny taranany ny ankamaroan’ny bibikely, ny trondro, ny biby velona an-tanety sy anaty rano, sy ny biby mandady. Misy maningana ihany anefa mendri-komarihina. Biby iray tena tsy ampoizina ho mpikarakara zanaka ny voain’i Nil, voay mampatahotra. Miovaova ny maripanan’ny vatan’io biby mandady io. Miahy zanaka amin’ny fomba miavaka izy io. Rehefa latsaka ao anaty fasika mafana ny atodim-boay, dia mijanona eny akaiky eny ny ray aman-dreny mba hiaro ny taranany ho avy. Rehefa akaiky ho foy ny atody, dia manomboka mitrena ny voay kely mba hampahafantarana an-dreniny fa tokony hesoriny ny zavatra manototra ny atody. Aoriana kely, dia ampiasain-dreniny ny valanoranony matanjaka mba hanangonany amim-pitiavana ny zanany sy hitondrany azy ho eny amoron-drano mba hanasana azy ireo ka hialan’ny fasika aminy. Fantatra koa fa mitondra ny zanany ho eny amin’ny rano mba hanasana azy ireo ny raim-boay. Mandritra ny andro vitsivitsy, dia tsy manalavitra an-dreniny ao anaty rano ireo zana-boay, fa manaraka azy toy ny ganakely. Amin’izay izy ireo dia eo ambany fiarovan-dreniny, izay manana hery lehibe.

Mahagaga fa misy koa trondro tena ray aman-dreny mahafatra-po, araka ny iheverantsika azy. Ny ankamaroan’ny tilapia, izay trondron-dranomamy, dia manatody ary mitahiry ny atodiny ao anaty vavany avy eo, mba hiarovany azy. Rehefa foy ny atody, dia milomano tsy amin’ahiahy ny trondro kely, nefa tsy manalavitra ny ray aman-dreniny. Raha misy loza mananontanona, dia sokafan-drainy na reniny mitanatana ny vavany, mba hahafahan’ireo zanany hiafina haingana ao. Rehefa dify ilay loza, dia mivoaka indray ireo trondro kely ka manohy ny ataony.

Ny vitsika sy ny tantely ary ny vitsikazo koa dia manana fironana miavaka ho amin’ny fiarovan-janaka. Bibikely tia miara-monina no ahafantarana azy ireo, manao andiany sy manangana toeram-pialofana ho an’ny atodiny, ary manome sakafo ho an-janany. Ohatra malaza ny amin’izany ny tantely. An’arivony maro amin’ireo tantely miasa mafy ireo no miara-miasa mba hikarakarana ireo zana-tantely ao amin’ilay andiany. Ny fahendrena voajanahary no ahafahany manorina, manamboatra ny simba sy manadio ny akany, ary manitsy ny hafanana sy hamandoana ao anatiny mihitsy aza.

Vorona mpitaiza

Ray aman-dreny tena mahafatra-po ny ankamaroan’ny vorona, mandany fotoana sy hery be dia be hifidianana toerana hanaovana akany, hanorenana ilay akany ary hitaizana ny zanany. Ny calao afrikanina lahy iray, mazoto miasa, dia nisy nahamarika fa nitsidika in-1 600 mahery ny akaniny, nanatitra poti-boankazo 24 000 eo ho eo ho am-badiny, nandritra ireo 120 andro fikotrehana!

Vorona hafa iray mpamelona ankohonana azo ianteherana ny lohovava mpifindrafindra monina. Hanidina ara-bakiteny ho any amin’ny an’arivony kilaometatra maro ny iray amin’izy mivady mba hitady sakafo, ary ilay vady mahatoky kosa dia miandry amim-paharetana ny hiverenany ao amin’ny akany.

Any an’efitra, dia mampiasa fomba mahomby ny vorona sasany hanalana ny hetahetan-janany. Manidina mankeny amin’ny lavaka kely misy rano izy, alonany ao ny volon-tratrany, ary miverina any amin’ny akaniny izy avy eo, ka misotro rano avy eo amin’ny volony lena ireo voronkely.

Rehefa lasa enta-mavesatra ny famahanana vava maro, dia misy karazam-borona mangataka ny fanampian’ny vorona hafa mba hitaiza ny zanany. Matetika ireny mpanampy ireny no zanaka efa lehibe, ary vonon-kanampy eo amin’ny famahanana sy ny fiarovana an’ireo voronkely.

Fiarovan-janaka

Asa manontolo andro koa ny fiarovana ny voronkely. Matetika ny vorona mitaiza no mamelatra ny elany mba hanaronana ilay akany rehefa avy ny orana, ka amin’izay ireo zanany dia sady mafana no tsy lena mihitsy. Mpikarakara tokantrano tena mahafatra-po ny vorontainomby. Mba hiarovana ny akaniny tsy hisy hao sy parasy, dia manangona zavatra avy amin-javamaniry sasany misy poizina io vorona fetsy io, mba hapetrany ao anatiny sy manodidina ny akaniny. Io no lasa poizina mamono na mandroaka ny bibikely mpanimba.

Manana fahaiza-mahita hevitra miavaka ny renim-borona mitovy karazana amin’ny kitanotano rehefa miaro ny zanany. Rehefa misy mandrahona azy, dia hazoniny mafy eo anelanelan’ny feny sy ny vatany ny zanany, velariny ny elany, ary manidina lavitra tsotra izao izy, mitondra ny zanany ho any amin’ny toerana azo antoka kokoa. Misy ray aman-dreny mahery fo sy fetsy sasany manao mody maratra mba hampiviliana ny sain’ny mpiremby iray tsy hanatona ny zanany. Mitsipatsipaka eo amin’ny tany toy ny hoe maratra ilay reny, ka misarika ilay mpiremby ho lavitra ilay akany. Nony nahomby anefa ny tetiny dia manidina ho any amin’ny toerana azo antoka izy rehefa dify ilay loza. Mety hamitaka amin’ny alalan’ny feo ny vorona manao akany eny amin’ny tany, mba hampandosirana ny mpiremby. Ny vorondolo any Amerika Avaratra, mpitoetra an-davaka, dia misioka toy ny bibilava rehefa misy mitilitily ny lavany. Tena nihevitra mihitsy ireo olona mpifindra monina voalohany tany fa niara-nipetraka tamin’ny bibilava mikorintsan-drambo ny vorondolo kely, ka tsy sahy nanelingelina izy ireo.

Reny mampinono

Ao amin’ny tontolon’ny biby, dia eo amin’ny biby mampinono no misongadina indrindra ny fikarakaran-janaka. Mazoto miasa ho an’ny taranany ny reny elefanta, ka mahatonga fifandraisana am-po mety haharitra 50 taona. Miankina be dia be amin-dreniny ilay elefanta kely. Miaro azy amin’ny masoandro migaingaina, amin’ny alalan’ny vatabeny ny reniny, mampinono azy amin-katsaram-panahy, ary mamela azy hanakatra amin’ny orony kely sy hisintona ahitra kely avy eo am-bavan-dreniny, mba hohaniny. Mampandro tsy tapaka ny zanany izy, amin’ny alalan’ny fitifirana rano ny lamosiny sy fikosehana azy amin’ny orony. Raharaham-pianakaviana ny fitaizana elefanta kely, satria mandray anjara lehibe ny elefanta vavy hafa ao amin’ilay andiany, amin’ny famahanana sy ny fampianarana ary ny fiarovana ny elefanta kely ao amin’ilay andiany.

Mety hiteraka ao anaty rano ny biby lehibe mampinono iray, dia ny lalomena. Afaka minono tsara ao anaty rano ny zanaka lalomena, miakatra kely mba hifoka rivotra, ary milentika ao anaty rano indray mba hanohy hinono. Masiaka be ny reny lalomena rehefa miaro ny zanany vao teraka.

Reny mahafatra-po koa ny gidro maitso. Rehefa teraka ny zanany, dia fihininy tsara amin’ny tanany iray, fara fahakeliny, eo amin’ny vozony na ny sorony, mandritra ireo ora voalohandohany. Mandritra ny herinandro voalohany, dia mety hirona ho azy hikiraviravy foana eo amin’ny volon-dreniny, ilay zana-gidro kely. Mety havelan-dreniny horaisin’ny gidrovavy hafa ilay zanany. Izy ireo dia mety handany fotoana hikasikasihana an’ilay gidro kely mahafatifaty vao teraka, sy hanadiovana sy hibangoana ny volony, hamihinana azy sy hilalaovana miaraka aminy.

Zavaboary maro tokoa no “hendry sady mahay [ho azy, NW ]” ary mampiseho fahaizana miavaka eo amin’ny fomba ikarakarany ny zanany. (Ohabolana 30:24-28). Tsy mety ho vokatry ny kisendrasendra mihitsy ny nananan’izy ireo fahaiza-mahatakatra izay ilainy na fahaiza-mitsara ny toe-javatra iray sy manao zavatra manoloana azy io amin’ny fomba feno fahiratan-tsaina. Izany kosa dia vokatry ny famolavolana ahitana taratry ny fahiratan-tsaina, izay nasehon’ny loharano iray mahira-tsaina, dia i Jehovah Andriamanitra, Mpamorona ny zava-drehetra. — Salamo 104:24.

[Sary, pejy 15]

Zana-borondolo

[Sary, pejy 16]

Mitahiry ny atodiny ao anaty vavany ny tilapia

[Sary nahazoan-dalana]

Courtesy LSU Agricultural Center

[Sary, pejy 16]

Mitondra ny zanany ny voay

[Sary nahazoan-dalana]

© Adam Britton, http://crocodilian.com

[Sary, pejy 17]

Lohovava miaraka amin-janany

[Sary, pejy 17]

“Calao”

[Sary, pejy 17]

Vorontainomby

[Sary, pejy 17]

Karazana kitanotano

[Sary, pejy 18]

Masiaka be ny reny lalomena rehefa miaro ny zanany

[Sary nahazoan-dalana]

© Joe McDonald

[Sary, pejy 18]

Mibango ny volon-janany ny reny babakoto

[Sary, pejy 18]

Gidro maitso

[Sary nahazoan-dalana]

© Joe McDonald

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara