Ny Kininina — Inona Avy no Soa Entiny?
AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY AOSTRALIA
GOAVANA be ny sasany, maherin’ny 90 metatra ny haavony, ary anisan’ireo avo indrindra eran-tany. Fohy sy miolakolaka ny sasany ary mitady hikasika ny tany maina ny tahony. Zava-kanton’ny famoronana ny raviny, ary mahafinaritra ny maso ny felany. Mety ho efa nisy nampiasanao an’io hazo io.
Misy vitsivitsy aminy manana anarana miavaka, toy ny karazan-kininina an-tendrombohitra sy ny kininina tasmanianina, fa ny ankamaroany kosa dia fantatra fotsiny hoe ilay hazo ditin-kazo. Raha ny marina anefa, ny tena ditin-kazo dia gliosida mety levona ao anaty rano, nefa tsy mamoaka io ditin-kazo io ny kininina. Anarana diso tokoa, araka izany, ilay hoe hazo ditin-kazo. Marina kokoa ny iantsoana an’ireo hazo ireo ho fianakavian’ny Eucalyptus, ary misy karazany 600 mahery io fianakavian’ny kininina aostralianina io.
Maniry tsara any amin’ny hafanana tropikalin’ny Faritany Avaratra sy any amin’ireo tany lemaka karakaina any ambanivohitra be eto Aostralia ny kininina. Miroborobo koa anefa izy any amin’ny rivotry ny Tendrontany Atsimo any amin’ny faritra atsimon’i Tasmania sy ny zavona any amin’ireo tandavan-tendrombohitra amorontsiraka. Hita any amin’ny faritra maro izy ireo, hany ka nitaraina toy izao ny lehilahy iray, mpamantatra tany vaovao sady manam-pahaizana momba ny biby, tamin’ny taonjato faha-19: “Kininina foana no hitanay; toa tsy misy farany mihitsy ilay izy: tsy misy fahasamihafany kely akory eo amin’ny zavamaniry tao anatin’ny kilaometatra maro.”
Kininina maro be no fongana hatramin’ny nahatongavan’ireo Eoropeanina mpifindra monina maro be teto Aostralia tamin’ny taonjato faha-19. Kininina tombanana ho 300 000 kilaometatra toradroa no nongotana hatramin’ny fakany, satria noheverina fa manakantsakana ny fandrosoana. Tsy ny rehetra anefa no tsy miraharaha firy an’io loharanon-karena sarobidy io toy izany. Nanomboka nandresy an’izao tontolo izao ny kininina, nandritra ny taonjato faha-19.
Emperora iray sy dokotera iray
Tamin’ireo taona 1880, ny Emperora Ménélik II tany Abyssinie, Etiopia amin’izao fotoana izao, dia nila hazo manalokaloka sy hazo fakana kitay ho an’i Addis-Abeba renivohiny vaovao, izay tany hay. Tsy nisy hazo afrikanina nety ho an’io faritra tsy nisy ala intsony io. Nandeha tany an-toeran-kafa àry ireo manam-pahaizan’ilay emperora mba hitady hazo afaka maniry tsara eo ambanin’ny masoandro migaingaina toy ny any aminy, fara faharatsiny. Ny dikan’ny hoe “Addis-Abeba” dia “Voninkazo Vaovao”, ary nety ho nanomezam-boninahitra ny kininina no nanomezana azy ilay anarana. Zavamaniry avy tany an-tany hafa nahasoa sy nanjary nanana anjara lehibe teo amin’ny toe-karen’i Etiopia mantsy izy io.
Lehilahy hafa iray nandray anjara tamin’ny fifindra-monina maoderin’ny kininina ny Dr. Edmundo Navarro de Andrade. Tapa-kevitra ny hanarina ny ala mihafongana haingana tany Brezila izy, ka nanomboka nanafatra kininina avy teto Aostralia, tamin’ny 1910. Izy no niandraikitra ny fambolena kininina 38 tapitrisa. Eo am-pambolena kininina roa arivo tapitrisa mahery izao ny any Brezila.
Araka izany, dia mirehareha ho manana karazan-kininina be indrindra ankoatra an’i Aostralia i Brezila, ho fanampin’ny ala tropikaly any aminy. Nisy soa betsaka aoka izany noraisin’ny toe-karen’i Brezila, hany ka nomena meday manokana ny Dr. Navarro, noho ny asa miavaka nataony, dia ny nampidirana an’io zava-tsarobidy io tao amin’ny fireneny.
Hazon’aina
Misy kininina sasany mifoka araka izay azony atao ny rano ao amin’ny tany hay, ka mitahiry rano be dia be ao amin’ny fakany. Tafavoaka velona teo amin’ny tany hay any ambanivohitra lavitra ny Aostralianina tompon-tany sy ny vahiny tonga voalohandohany, noho izy ireo nitrandraka ireny rano tao amin’ny fakan-kininina ireny. Loarana avy ao anaty tany ny tapany amin’ny fakany ary tapatapahina fohy. Misy ranon-kazo volontsôkôlà tanora azo terena hivoaka, rehefa tsofina ny lohan’ny tapany iray. Marina aloha fa tsy zava-pisotro tsara tsiro izy io, nefa dia tombanana ho 1,5 litatra amin’io rano mamonjy aina io no azo alaina avy amin’ny fakan-kininina sivy metatra.
Maniry tsara eny amin’ny tany be honahona ny karazan-kininina hafa, ary mifoka araka izay azo atao ny rano avy amin’ireo tany mando. Nampiasain’ny Italianina io fahaizan’ny kininina io: Nampiasa ny kininina tia heniheny izy ireo mba hanamainana ny faritra be honahonan’i Pontin, izay feno moka taloha. Lasa toeram-pambolena sy fiompiana sarobidy io faritra io izao.
Tany 50 mahery manerana an’i Afrika, ireo tanin’i Amerika, Azia sy Eoropa no nandray ny kininina, noho ny hasarobidin’izy io eo amin’ny lafiny ara-barotra sy hatsarana. Tian’ny mpanao fanaka ny hazo kininina miloko mena be sy volontany manopy mavo. Hoy ny manam-pahaizana iray: “Ny kininina no ahazoana ny sasany amin’ireo hazo mavesatra indrindra sy mafy indrindra ary mateza indrindra fantatra. Ny hatsaran’ny hazo azo avy aminy sy ny fitombony haingana (...) dia mahatonga an’io karazan-kazo io ho ny sarobidy indrindra amin’ny loharanon-kazo mafy eran-tany.”
Ny kininina mahatanty rano dia ampiasaina anaovana sambo, fiantsonan-tsambo, andrin-telefaonina, fefy, ary gorodona. Ankoatra izany, dia misy karazan-kininina hafa misy felana kanto manome mamimbony mamy, izay ovan’ny tantely ho tantely manana tsiro hafakely. Taona vitsivitsy lasa izay, dia nisy poti-kazo kininina 4,5 tapitrisa taonina naondrana avy teto Aostralia, ka nahazoana vola 250 tapitrisa dolara (1 700 000 000 000 FMG) isan-taona.
Dity sy menaka ary lotso-kodi-kazo
Misy tsiranoka miloko mena toy ny ra, mitovy amin’ny dity, mivoaka avy amin’ny hoditry ny kininina sy ny vatany. Ampiasaina mba hiarovana ny hazon-tsambo amin’ny kankana mihinana azy ny karazany sasany amin’izy io. Anaovana fanafody mampijanona ny fandehanan-dra koa izy io. Ny hoditry ny karazan-kininina hafa dia mamoaka tsiranoka, izay ampiasaina mba handomana hodi-biby sy handokoana lamba.
Zava-kanton’ny famoronana ny raviny ary manana tahiry menaka sarobidy. Mitsongoloka toy ny rantsantanana malemy izy ireo, ka manondro ny foto-kazo ny tendrony. Miasa toy ny lantonoara lehibe ny ravina, noho io endriny io. Raisin’ny ravina ny hamandoana sarobidy, ka avy eo dia mitete avy eo amin’ny tendrony mankeo amin’ny fakan’ilay hazo izay efa miandry fotsiny.
Ny menaka kininina dia azo avy amin’ny fanasitiliana ravin-kininina. Manana hanitra mahery sy manome tanjaka izy io. Ampiasaina be izy io, ohatra, amin’ny ranomanitra, savony, fanafody, sakafo mamy, ary ny zavatra fanadiovana. Amin’ny endriny voajanahary, ilay menaka dia mivoaka toy ny hatsembohana avy eo amin’ny ravin-kininina ka mameno ny rivotra amin’ny teten-drano madinika dia madinika izay mahatonga ny ala kininina hanopy manga, rehefa tarafin’ny masoandro. Nomena anarana hafakely hoe Tendrombohitra Manga ny tendrombohitra mamaritra ny farany andrefan’ny tanànan’i Sydney, noho io fisehoan-javatra io.
Fonenan’ny mpihinan-dravin-kininina
Ny mponina malaza indrindra any amin’ny ala kininina dia ilay biby botabota sy matevim-bolo mahafatifaty, antsoina hoe koalà. Tian’io mpihinan-javamaniry io ny tendron’ireo karazan-dravin-kininina 12 eo ho eo. Mety hahafaty ny ankamaroan’ny biby hafa ny tsy fihinanana afa-tsy sakafo tokana toy izany, nefa tsy mahafaty ny koalà. Nahoana?
Satria hafakely ny namoronana ny taovam-pandevonan-kanin’ny koalà. Manana kambontsinay mirefy iray ka hatramin’ny roa metatra ny koalà, nefa ny an’ny olombelona 8 ka hatramin’ny 15 santimetatra monja. Ny kambontsinay hafakelin’ny koalà dia mamela an’io biby toy ny orsa kely io haka avy amin’io zavatra haniny io ny proteinina sy ny gliosida ary ny menaka rehetra ilainy.
Ny biby aostralianina iray tsy mihinana afa-tsy ravin-kininina toy ny koalà dia ny karazana kangoroa miaina eny ambony hazo. Mitovitovy habe amin’ny saka io biby matevim-bolo io. Volovoloina ny rambony mirefy 40 santimetatra eo ho eo, ary misy hoditra matevina mampifandray ny tongony aloha sy aoriana. Mampiasa ireny elatra nofosana ireny izy, ka mitsambikina avy amin’ny sampan-kazo iray, manidina mahatratra 100 metatra, mihodina 90 degre eny am-panidinana, ary misambotra ny sampan-kazo manaraka nefa tsy maninon-tsy maninona.
May ny ala nefa mitsimoka indray
Mandrahona ny fisian’ny ala kininina eto Aostralia ny doro ala. Natao ho tafavoaka velona amin’ireny anefa ny kininina. Ahoana moa izany?
Misy tsirin-dravina miandry hitsimoka ao ambany kelin’ny hoditr’ilay hazo, manerana ny vatany sy ny sampany. Mitsimoka ireny tsiry ireny rehefa may ny hoditra sy ny ravinkazo. Tafiny amin’ny ravina maitso tanora ilay vatan-kazo nanjary mainty teo. Noho izany, dia tafavoaka velona ilay hazo may. Ankoatra izany, dia matetika ny voan’ilay hazo eo amin’ny tany no manararaotra izany mba hitsiriana, ka misy hazo vaovao mitombo.
Hazo tokony hoheverina ho sarobidy
Efa nitsabo ny tendanao tamin’ny fanafody nalaina avy tamin’ny kininina ve ianao, na nankafy vatomamy natao tamin’ny tantelin-kininina? Efa nandeha sambo vita tamin’ny kininina ve ianao, na tao anaty trano natao tamin’ny kininina, na nampiasa kitay kininina? Azo inoana fa efa nandray soa avy tamin’io hazo miavaka io ianao. Amin’ny manaraka àry, rehefa mahita koalà matevim-bolo ianao, na mijery sariny, dia enga anie izany hampahatsiahy anao ny fomba mahagaga namoronana ny kininina fonenan’ny koalà.
Hazo azo ampiasaina amin’ny fomba maro samy hafa sady mafy tokoa ny kininina.
[Sary, pejy 16, 17]
Anisan’ny hazo avo indrindra eran-tany ny kininina
[Sary, pejy 17]
Ampiasain’ny tantely ny mamimbonin-kininina mba hanaovana tantely matsiro
[Sary, pejy 18]
Ny kininina no “ahazoana ny sasany amin’ireo hazo mavesatra indrindra sy mafy indrindra ary mateza indrindra fantatra”
[Sary, pejy 18]
Mihinana ravin-kininina ny koalà (eo ankavia) sy ny karazana kangoroa miaina eny ambony hazo izay hita manidina eto (eo ambony)
[Sary nahazoan-dalana]
© Alan Root/Okapia/PR
[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]
Geoff Law/The Wilderness Society
[Sary nahazoan-dalana, pejy 17]
Courtesy of the Mount Annan Botanic Gardens