Manontany ny Tanora Hoe . . .
Fa Inona no Maha Ratsy ny Mangala-dia Amin’ny Alina?
“Mangala-dia izahay amin’ny misasakalina mba ho any amin’ny hotely kely fisakafoana miaraka amin’ny ankizy hafa. Avy eo izahay dia manomboka manoko resaka eny an-tampon-kavoana. Nifoka sigara daholo ny ankizy rehetra, f’izaho tsy nifoka mihitsy. Mipetrapetraka fotsiny izahay dia miresadresaka, mihaino mozika heavy metal. Mody izahay amin’ny dimy maraina, alohan’ny hifohazan’ny ray aman-dreniko.” — Tara.a
“Mangalatra mivoaka avy amin’ny varavarana anoloana aho rehefa lasa miasa i Dada, ka efa matory i Neny. Tsy hidiako ny varavarana mba tsy ho ren’i Neny; varavarana vy mantsy ilay izy. Manoko resaka miaraka amin’ny namako aho, mandritra ny alina. Avy eo, rehefa maraina ny andro, ka miposaka ny masoandro, dia mitsofoka mangingina ao an-trano aho. Hitan’i Neny indraindray fa tsy tao aho, ka hidiany any ivelany aho.” — Joseph.
MANGALA-DIA amin’ny alina — toa mampientam-po sy mahafinaritra izany. Fahafahana hanana ny fiainanao manokana mandritra ny ora vitsivitsy izany, ary fahafahana hanao izay tianao sy hiaraka amin’izay tianao nefa tsy ho bedin’iza na iza. Ankoatra izany, dia mety ho efa nandre ny namanao nirehaka momba ny zavatra nataony sy ny fahafinaretana hitany ianao, rehefa mangala-dia amin’ny alina izy ireo. Noho izany, dia mety halaim-panahy mafy hanandrana hiaraka aminy ianao.
Tamin’ny fanadihadiana iray natao tamin’ny mpianatra 110 any amin’ny ambaratonga faharoa fototra sy lise tany Amerika Avaratra, dia 55 no niaiky fa nangala-dia tamin’ny alina izy, fara fahakeliny, indray mandeha. Nanomboka nanao izany ny ankamaroan’izy ireo, teo amin’ny faha-14 taonany. Lehibe aoka izany ilay zava-manahirana, hany ka misy manam-pahaizana manoro hevitra ny ray aman-dreny mba hametraka fanairana elektronika ao an-tranony mba hanakanana ny zanany tsy handeha tsy miera. Nahoana no misy tanora maro aoka izany tsy matahotra ny fahatezeran’ny ray aman-dreniny, fa mangala-dia amin’ny alina?
Nahoana ny sasany no mangala-dia amin’ny alina?
Mangala-dia amin’ny alina ny tanora sasany indraindray, satria fotsiny leo izy ka te hiara-mifalifaly amin’ny namany. Manazava ilay boky hoe Zatovo sy Tanora (anglisy) fa mety hangala-dia ny tanora “noho ny fameperana sasany, toy ny tsy maintsy hodiana aloha be, na ny tsy famelana hamonjy fikoranana. Mandeha ihany ireo tanora na ahoana na ahoana, ary indraindray dia tsy tratra mihitsy”. Manazava ny antony angalarany dia amin’ny alina ny tanora iray 16 taona. “Sahala amin’ireny zazakely ireny erỳ aho, sady tsy manana ny fiainako manokana aho”, hoy izy. “Aloha be noho ny an’ny olona ny ora tsy maintsy hodiako. Ary tsy avelan’ny ray aman-dreniko handeha any amin’ny toerana falehan’ny namako aho. (...) Noho izany, dia mazava ho azy fa mandeha ihany aho, ka mandainga.” Nanomboka nangala-dia tamin’ny alina i Joseph, notononina teo am-piandohana, fony izy 14 taona. Nandeha tany amin’ny rindran-kira rap tsy navelan’ny ray aman-dreniny hojereny izy tamin’izay.
Marina fa tsy ny hanao ratsy no antony mahatonga ny ankamaroan’ny tanora hangala-dia amin’ny alina. Nilaza toy izao i Tara, voatonona teo am-piandohana: “Izahay akory tsy mieritreritra hoe: ‘Ndao isika hanao ratsy e!’ Te hiaraka amin’ny rahavaviko fotsiny aho, ary te hivoaka hiara-mifalifaly amin’ny namany izy.” Hoy i Joseph: “Manoko resaka fotsiny izahay. Te hiresaka sy hiaraka amin’ny namako aho.” Na dia tsy voatery hitarika ho amin’ny fanaovana heloka bevava lehibe aza anefa ny hoe manoko resaka miaraka amin’ny namana, dia tanora maro no tafiditra tao amin’ny zava-manahirana lehibe.
Loza mety hiseho
Milaza ny heviny toy izao ny Dr. Lynn E. Ponton, matihanina momba ny fahasalamana ara-tsaina: “Sahisahy ny zatovo ary ara-dalàna izany.” Manohy manazava ny Dr. Ponton fa ara-dalàna sy mahasoa ny tanora mihitsy aza angamba ny faniriana hahaleo tena, hanandrana zava-baovao sy hahita tarehin-javatra vaovao sy mahaliana. Anisan’ny fitomboana izany. Sahisahy loatra anefa ny tanora maro, indrindra fa rehefa tsy eo imason-dray sy reniny. Hoy ny gazetiboky Zatovo (anglisy): “Ny faneren’ireo mitovy taona, sy ny fahasorisorenana sy ny tsy fifehezana ny angovo ananany ary angamba zavatra hafa mandrisika toy ny labiera (...) dia afaka mitarika zatovo ho sahisahy loatra, ka ny ainy no manefa.” Nanonona ny sasany tamin’ireny fahasahisahiana asehon’ny tanora ireny ny fanadihadiana iray: ny fitondrana fiara mafy loatra, ny fanimbanimbana zavatr’olona, ny fitondrana aotomobilina nefa mamo, ary ny fangalarana.
Raha vao manandranandrana tsy mankatò ianao, dia mora ny manao zavatra ratsy kokoa, araka ny nolazain’i Jesosy ao amin’ny Lioka 16:10 hoe: “Izay tsy marina amin’ny kely indrindra dia tsy marina koa amin’ny be.” Tsy mahagaga àry raha mety hitarika ho amin’ny fahotana lehibe ny fangalarana dia amin’ny alina, miaraka amin’ny namana. Nijangajanga i Tara. Nanomboka nivarotra zava-mahadomelina i Joseph, voasambotra ary nigadra. Nanomboka nidoroka zava-mahadomelina sy nangalatra aotomobilina i John, tanora kristianina iray. Mampalahelo fa mijinja ny vokatry ny nataony ny tanora maro: Fananana anaka tsy nirina, aretina azo avy amin’ny firaisana na fahandevozana amin’ny alkaola na ny zava-mahadomelina. — Galatiana 6:7, 8.
Fahasimbana
Mety hanimba lavitra noho ny voka-dratsy ara-batana ny voka-dratsy ara-pihetseham-po. Mety hampahory be ny fanenjehan’ny feon’ny fieritreretana. (Salamo 38:3, 4). Hoy i Joseph: “Misy fitenenana milaza hoe ‘teo tsy manitra ka efa lasa vao mamerovero’. Manao jery todika aho indraindray ka tsy mino hoe jamba loatra aho taloha.”
Tsy tokony hodian-tsy hita koa ny mety hahasimba ny lazanao. Hoy ny Mpitoriteny 10:1: “Ny fatin-dalitra mahamaimbo sy mampamorivory ny menaky ny mpangaroharo zava-manitra; ary toy izany [no ataon’ny fahadalana kely amin’ny olona iray izay sarobidy noho ny fananany fahendrena sy voninahitra, NW ].” Taloha ny menaka manitra na ny ranomanitra lafo vidy iray dia mety ho simban’ny zava-madinika toy ny fatin-dalitra. Toy izany koa, ny laza tsara azonao noho ny ezaka mafy dia mety ho simban’ny “fahadalana kely” fotsiny. Ary raha Kristianina ianao, dia tsy isalasalana fa hanakana anao tsy hahazo tombontsoa ao amin’ny kongregasiona ny fitondran-tena tsy mety toy izany. Ahoana tokoa moa no ahafahanao mampirisika ny hafa hanaraka ny foto-pitsipika ara-baiboly, nefa ny hafa aza mahafantatra fa tsy manao izany akory ianao? — Romana 2:1-3.
Farany, dia hevero ny fahoriana mety hianjady amin’ny ray aman-dreninao rehefa hita fa tsy ao ianao. Niresaka ny amin’ny horohoro tsapany ny reny iray, rehefa hitany fa tsy tao an-trano ny zanany vavy 15 taona. Nolazalazainy ho ‘nitebiteby be’ izy mivady, satria tsy fantany hoe taiza no nalehan’ny zanany vavy. Tianao ve ny hampalahelo sy hampahory ny ray aman-dreninao toy izany? — Ohabolana 10:1.
Mahazo fahalalahana bebe kokoa
Mahasosotra tokoa raha toa hentitra loatra ny ray aman-dreninao. Ny fangalaran-dia amin’ny alina ve anefa no vahaolana? Azo inoana fa ho tratra foana ianao, amin’ny farany. Na dia fetsy aza anefa ianao ka hoe ho voafitakao ny ray aman-dreninao, dia mahita ny zavatra ataonao i Jehovah Andriamanitra, na dia izay ataonao ao anatin’ny haizin’ny alina aza. (Joba 34:21). Na ho ela àry na ho haingana, dia hiharihary ny nafeninao, ka azo inoana fa ho rava ny fitokisan’ny ray aman-dreninao anao talohan’izay. Inona no vokany? Ilay zavatra nirinao iny indrindra no ho very, dia ny fahalalahana izany!
Tadidio izao: Mba hahazoanao fahalalahana, dia mila ny ho mendrika ny fitokisan’ny ray aman-dreninao ianao. Ary ny fomba tsara indrindra hahazoana izany dia ny fankatoavana azy ireo fotsiny. (Efesiana 6:1-3). Raha heverinao fa toa tafahoatra ny ataon’ny ray aman-dreninao, dia miresaha amim-pahatsorana, sy amim-panajana, amin’izy ireo. Mety hodinihin’izy ireo tsara izay lazainao. Etsy an-danin’izany, dia mety ho hitanao fa manana antony tsara hameperana anao izy ireo. Na dia tsy miray hevitra amin’izy ireo aza ianao, dia aza hadinoina mihitsy fa tia anao izy ireo ary izay hahasoa anao indrindra no tadiaviny. Ampitomboy hatrany ny fitokisan’izy ireo anao, dia ho azonao ny fahalalahana irinao, amin’ny farany.b
“Aza miara-dalana aminy”
Matetika ny tanora natahotra an’Andriamanitra taloha no nalaim-panahy hiaraka tamin’ny namany mba hampiseho fihetsika tsy voafehy. Noho izany, dia nampirisika ny tanora toy izao i Solomona: “Anaka, raha taomin’ny mpanota hianao, aza manaiky. (...) Aza miara-dàlana aminy hianao”. (Ohabolana 1:10, 15). Araho io torohevitra io rehefa misy namana sandoka manandrana mitaona anao hangala-dia amin’ny alina. Mbola nananatra koa i Solomona hoe: “Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery; fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.” — Ohabolana 22:3.
Raha efa nanomboka nangala-dia amin’ny alina ianao, dia ajanòny izany! Manimba tena fotsiny ianao, rehefa ela ny ela. Lazao amin’ny ray aman-dreninao izay nataonao, ary mivonòna hiatrika izay mety ho sazy na fameperana hampiharin’izy ireo. Raha ilaina izany, dia mifidiana namana vaovao, namana hitaona anao ho amin’ny tsara. (Ohabolana 13:20). Mitadiava fomba ifalifaliana mahasoa kokoa sy tsy mampidi-doza kokoa.
Zava-dehibe indrindra: Hatsarao ny fahasalamanao ara-panahy, amin’ny famakiana ny Baiboly sy ny fanatrehana ireo fivoriana kristianina. “Inona no hiarovan’ny zatovo ny làlan-kalehany tsy ho voaloto?”, hoy ny fanontanian’ny mpanao salamo. Mamaly izy hoe: “Ny fitandremana araka ny tenin’[Andriamanitra].” (Salamo 119:9). Arakaraka ny anovanao ny sainao hanao izay mahitsy, no hahatakaranao fa na dia mety hahafinaritra sy hampientam-po aza ny mangala-dia amin’ny alina, dia be loatra ny loza mety hoentiny.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Novana ny anarana.
b Raha mila fanazavana momba izay tokony hatao mba hahazoana fahalalahana bebe kokoa, dia jereo ny toko faha-3 amin’ilay boky hoe Manontany ny Tanora — Valiny Mandaitra, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
[Teny notsongaina, pejy 27]
“Tsy avelan’ny ray aman-dreniko handeha any amin’ny toerana falehan’ny namako aho. (...) Mandeha ihany aho, ka mandainga”
[Sary, pejy 26]
Miteraka zava-manahirana lehibe matetika ny fangalaran-dia amin’ny alina