FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g01 8/3 p. 8-11
  • Ny Baiboly — Tantara Marina Ve?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Baiboly — Tantara Marina Ve?
  • Mifohaza!—2001
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tantara velombelona misy lesona mafonja
  • Lesona tonga ara-potoana, avy tamin’ny fitantarana tranainy
  • Lesona omen’ny tantara ny amin’ny fahatafitana velona
  • Tantara tsy hiverina intsony
  • Avy amin’Andriamanitra marina tokoa ve ny Baiboly?
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Boky Iray Azonao Itokisana: Fizarana 6
    Mifohaza!—2011
  • Fianarana Faha-9 — Ny Arkeolojia sy ny Firaketana An-tsoratra Ara-tsindrimandry
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • Boky Iray Azonao Itokisana—Fizarana 3
    Mifohaza!—2011
Hijery Hafa
Mifohaza!—2001
g01 8/3 p. 8-11

Ny Baiboly — Tantara Marina Ve?

NANAMELOKA mpanapaka izy ireo, nanasazy mafy mpisorona, nananatra olon-tsotra noho ny faharatsiany izy ireo. Nosoratany ho fantatry ny rehetra mihitsy aza ny fahadisoany sy ny fahotany manokana. Nisy nanorisory sy nanenjika izy ireo, ary nisy taminy aza novonoina mihitsy noho ny nilazany sy ny nanoratany momba ny fahamarinana. Iza àry izany? Ireo mpaminany ao amin’ny Baiboly. Maro taminy no nandray anjara tamin’ny fanoratana ny Soratra Masina. — Matio 23:35-37.

Izao no nosoratan’i Page Smith ao amin’ilay bokiny hoe Ny Mpahay Tantara sy ny Tantara (anglisy): “Tsy nitsitsy teny [ny Hebreo] na tamin’ireo mahery fony na tamin’ireo nanao ratsy teo aminy, na tamin’ny tenany na tamin’ireo fahavalony, satria nanoratra teo ambany fanaraha-mason’Andriamanitra izy ireo, ary tsy nisy soa azony tamin’ny nanafenana ny marina, fa fatiantoka iray lavaka kosa aza raha nanao izany izy.” Nanoratra koa i Smith fa “raha ampitahaina amin’ny fandaharan-taona mankaleo mahakasika ireo mpanjaka mpiadin’i Syria na i Ejipta, ny fitantarana ny amin’ny fahoriana sy ny fandresen’ny vahoaka voafidin’Andriamanitra (...) dia tantara mambabo fo. Ireo Hebreo nanoratra tantara dia nahita iray tamin’ireo zavatra fototra indrindra eo amin’ny tantara — dia izay niainan’ny olona tena nisy, olona nanana ny fahadisoany sy ny tsy fahalavorariany”.

Nilaza ny marina tamin’ny an-tsipiriany koa ireo mpanoratra ny Baiboly. Rehefa avy namakafaka sy nampitaha ny Baiboly tamin’ny tantara sy ny arkeolojia i Werner Keller, dia nilaza toy izao tao amin’ny sasin-tenin’ilay bokiny hoe Ny Baiboly — Bokin-tantara (anglisy): “Rehefa jereko ny habetsahan’ny porofo araka ny marina sady voamarina tsara misy ankehitriny, (...) dia miverimberina ato an-tsaiko foana izao fehezanteny izao: ‘Rehefa dinihina tokoa, dia marina ny Baiboly!’ ”

Tantara velombelona misy lesona mafonja

Olona tsotra ny ankamaroan’ireo mpanoratra ny Baiboly: mpamboly sy mpiompy, mpiandry ondry, mpanjono. Izay nosoratany nandritra ny 1 600 taona eo ho eo anefa dia nanan-kery teo amin’ny olona maro kokoa noho ny asa soratra hafa, tranainy na maoderina. Nisy fanafihana avy tamin’ny vazan-tany efatra koa namely ireo asa sorany, nefa tsy nahomby izany. (Isaia 40:8; 1 Petera 1:25). Azo vakina manontolo na tapatapany amin’ny fiteny 2 200 eo ho eo — mihoatra lavitra noho ny boky hafa rehetra — ny Baiboly ankehitriny. Nahoana no miavaka toy izany ny Baiboly? Manampy hamaly izany ireto fanambarana ireto:

“Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” — 2 Timoty 3:16, 17.

“Izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin’ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ny Soratra Masina.” — Romana 15:4.

“Izany dia nanjo azy [ny Isiraelita] mba ho anatra, sady voasoratra izany ho fananarana antsika [Kristianina] izay niharan’ny faran’izao tontolo izao.” — 1 Korintiana 10:11.

Eny, boky ambony noho ny hafa rehetra ny Baiboly, satria ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ary mirakitra fitantarana voaro mahakasika olona tena nisy — olona nampifaly an’Andriamanitra ny sasany, ary tsy nanao toy izany kosa ny hafa. Tsy lisitra fe lisitra fotsiny, izay misy ny azo atao sy ny tsy azo atao izy io, ary tsy tantara kely maromaro mahaliana natao ho an’ankizy. Marina fa nampiasa olombelona Andriamanitra mba hanoratra azy io, nefa izany dia vao mainka nampitombo ny hatsaran’ny Baiboly, ka nahatonga azy io hanjary hanintona sy hanohina ny fon’ny mpamaky hatramin’ny taranaka fara mandimby. Hoy i William Albright, arkeology: “Marina amin’izao andro izao toy ny tamin’ny roa na telo arivo taona lasa izay ny fahatakaran-javatra lalina ara-pitondran-tena sy ara-panahy ao amin’ny Baiboly, izay fanambarana tsy manam-paharoa nomen’Andriamanitra ny olombelona, nampitaina tamin’ny alalan’ny olombelona.”

Ho ohatra ny amin’ny ifandraisan’ny Baiboly amin’ny zava-misy, dia andeha isika hanao jery todika any amin’ny fanombohan’ny tantaran’ny olombelona mihitsy — ny Baiboly ihany no afaka manome antsika izany — ary handinika lesona fototra avy ao amin’ny bokin’ny Genesisy.

Lesona tonga ara-potoana, avy tamin’ny fitantarana tranainy

Ankoatra ny zavatra hafa, ny bokin’ny Genesisy dia mampiharihary ny fanombohan’ny fianakavian’olombelona — ny anarany sy ny toy izany. Tsy misy asa soratra hafa momba ny tantara manome fanazavana voafaritra tsara mahakasika izany. ‘Inona anefa no ilana hahafantarana momba izay razambentsika tany am-boalohany tany, ankehitriny?’, hoy angamba ianao. Misy dia misy ilana izany tokoa: ny fampihariharian’ny Genesisy hoe avy tamin’ny ray aman-dreny iray ihany ny olona rehetra — na inona na inona volon-kodiny, fokony, na fireneny — dia manaisotra izay mety ho antony hanavakavaham-bolon-koditra. — Asan’ny Apostoly 17:26.

Manolotra tari-dalana ny amin’ny fari-pitondran-tena koa ny Genesisy. Mirakitra ny fitantarana momba an’i Sodoma sy i Gomora ary ireo tanàna nanodidina azy izy io. Naringan’Andriamanitra ireo mponina tao noho ny firaisana mamoafady nataon’izy ireo. (Genesisy 18:20–19:29). Hoy ny andininy faha-7 amin’ny bokin’i Joda ao amin’ny Baiboly: “Sodoma sy Gomora mbamin’ny tanàna nanodidina azy, izay nijangajanga (...) ka lasa nanaraka nofo hafa, dia aseho ho fananarana” antsika. (Izahay no manao sora-mandry.) Tsy nahazo lalàna ara-pitondran-tena avy tamin’Andriamanitra ny mponin’i Sodoma sy i Gomora; toy ny olon-drehetra anefa dia nanana feon’ny fieritreretana nomen’Andriamanitra azy izy ireo. Afaka nihazona an’ireo olona ireo ho tompon’andraikitra ara-drariny tamin’izay nataony àry Andriamanitra. (Romana 1:26, 27; 2:14, 15). Toy izany koa ankehitriny fa tompon’andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra ny amin’izay ataony ny olombelona rehetra na manaiky ny Teniny, ny Baiboly Masina, izy na tsia. — 2 Tesaloniana 1:8, 9.

Lesona omen’ny tantara ny amin’ny fahatafitana velona

Ny sary mivohitra eo amin’ny Andohalambon’i Titus any Roma dia mampiseho miaramila romanina nitondra fanaka masina avy tao amin’ny tempolin’i Jerosalema taorian’ny nandringanana an’ilay tanàna tamin’ny taona 70 am.f.i. Jiosy maherin’ny iray tapitrisa no maty. Nisy anefa Kristianina nankatò tafita velona, noho ny nanarahany ny fampitandreman’i Jesosy hoe: “Raha mahita an’i Jerosalema voahodidin’ny miaramila hianareo, dia aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky ny fandravana azy. Ary izay any Jodia amin’izany andro izany aoka handositra ho any an-tendrombohitra; ary izay ao Jerosalema aoka handositra ho any ivelany; ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony. Fa ireo dia andro famaliana”. — Lioka 21:20-22.

Tsy tantara fahiny fotsiny ny fahoriana nanjo an’i Jerosalema, fa tandindon’ny fahoriana lehibe kokoa ho avy tsy ho ela izay hahafaoka ny tany manontolo. Mbola hisy ho tafita velona koa anefa amin’izay. Lazalazaina ho “olona betsaka (...) avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny” izy ireo. “Avy tamin’ny fahoriana lehibe” izy ireo noho ny finoany ny ra nalatsak’i Jesosy — finoana miorina mafy amin’ny fitantarana sy ny faminaniana ara-baiboly. — Apokalypsy 7:9, 14.

Tantara tsy hiverina intsony

Miaina amin’ny fotoana anapahan’ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina isika izao, dia ilay firenena matanjaka farany ao amin’ny faminanian’ny Baiboly. Asehon’ny tantara efa nitranga, fa hifarana koa izy io, toy ny hafa talohany ihany koa. Amin’ny fomba ahoana anefa? Araka ny Baiboly, dia tena hiavaka ny fiafaran’io firenena matanjaka io. Manondro mialoha ny taona 1914 am.f.i. ny Daniela 2:44 ka nilaza toy izao momba ny firenena ara-politika manapaka, na “ireo fanjakana”: “Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.”

Eny, hanaisotra ny sisa tavela rehetra amin’ny fanapahana mampahory naorin’olombelona ny Fanjakan’Andriamanitra — ny fitondram-panjakany any an-danitra tarihin’i Kristy Jesosy — ao Haramagedona, ny fara tampon’ilay “fahoriana lehibe” voalaza mialoha. Aorian’izay io Fanjakana io dia “tsy havela ho an’olon-kafa”, izany hoe tsy ho voaongana na oviana na oviana na hanjary tsy ho voafidy intsony. “Hatramin’ny faran’ny tany” ny fanapahany. — Salamo 72:8.

Ela ny ela ka hifarana ny fanapahana lozaben’ny fivavahan-diso, ny politikam-pamoretana ary ny varotra feno fitsiriritana tafahoatra. Mampanantena ny Salamo 72:7 hoe: “Ny marina hitrebona (...) ary ho be ny fiadanana mandra-paha-tsy hisy volana intsony.” Tsy ny fitiavan-tena sy ny avonavona no hanenika ny tany, fa ny fitiavana, toetra lehibe indrindran’Andriamanitra. (1 Jaona 4:8). Hoy i Jesosy: ‘Mifankatiava ianareo’. Momba izany, dia hoy i Will Durant, mpahay tantara: “Ny lesona tsoahiko avy amin’ny tantara dia mitovy amin’ny an’i Jesosy. (...) Ny fitiavana no zavatra lehibe indrindra eran-tany.”

Ny fitiavan’Andriamanitra ny olombelona no nanosika azy hanome tsindrimandry sy hampanoratra ny Baiboly. Izy io ihany no manazava marina ny lasa, ny ankehitriny ary ny hoavy. Iangaviana ianao handray ny hafatra manome fiainana ao anatin’ny Baiboly amin’ny fanokanana fotoana hianarana azy io. Mba hanaovana izany, sady ho fankatoavana ny baikon’i Jesosy, dia milaza ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana” amin’ny mpiara-belona aminy ny Vavolombelon’i Jehovah. Kely sisa dia tsy ho faminaniana fotsiny intsony io vaovao tsara io. Ho tonga tantara tena hisy sy hiainana izy io. — Matio 24:14.

[Teny notsongaina, pejy 9]

“Rehefa dinihina tokoa, dia marina ny Baiboly!” — WERNER KELLER

[Teny notsongaina, pejy 11]

“Marina amin’izao andro izao toy ny tamin’ny roa na telo arivo taona lasa izay ny fahatakaran-javatra lalina ara-pitondran-tena sy ara-panahy ao amin’ny Baiboly.” — WILLIAM ALBRIGHT, ARKEOLOGY

[Sary, pejy 9]

Vato Moabita: Misy ny fitantaran’i Mesa mpanjaka ny adin’i Moaba sy i Isiraely. (2 Mpanjaka 3:4-27), voasoratra amin’ny litera hebreo fahiny ny anaran’ny toerana maro samihafa ao amin’ny Baiboly, sy ny anaran’Andriamanitra.

[Sary nahazoan-dalana]

Musée du Louvre, Paris.

Vola madinika denaria: Misy ny sary sy ny anaran’i Tiberio Kaisara (Marka 12:15-17).

Tantaran’i Nabonida: Vato fisaka misy soratra miendri-pantsika izay manamafy ny fianjerana tampoka nahazo an’i Babylona, nataon i Kyrosy. (Daniela, toko faha-5).

[Sary nahazoan-dalana]

Photograph taken by courtesy of the British Museum.

Sila-bato: Mitondra ny anaran’i Pontio Pilato amin’ny teny latinina.

[Sary nahazoan-dalana]

Photograph © Israel Museum, Jerusalem; courtesy of Israel Antiquities Authority.

Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty (ao andamosina): Noporofoin’ny fandinihana ny soratra ao amin’ny Isaia fa tsy nisy fiovana firy io boky io nandritra ny 1 000 taona nanaovana kopia an-tanana.

[Sary nahazoan-dalana]

Shrine of the Book, Israel Museum, Jerusalem.

[Sary, pejy 10]

Manamafy ny fahamarinan’ny hoe noravana i Jerosalema tamin’ny 70 am.f.i. ny sary mivohitra eo amin’ny Andohalambon’i Titus

[Sary nahazoan-dalana]

Soprintendenza Archeologica di Roma

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara