Hazo Iray Hampijanona Anao Tampoka
AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY EKOATERA
EFA nisasaka ny volana Desambra, nefa mbola tsy latsaka ihany ny orana teny amin’ny tany lemaka amorontsiraka eto Ekoatera. Nanjary matroky ny vovoka nandrakotra ny havoana ivaiva ireo zavamaniry. Nisy rahona mainty natevina nitatao teo ambony loha, ka nahatonga ny andro ho somary nanjombona raha iny niankandrefana ho any amin’ny Oseana Pasifika iny ny fiara nitondra olona maromaro nanaraka ny lalam-be iray. Tampoka teo dia nifantoka tany amin’ny hazo iray teo an-tsisin-dalana ny maso rehetra. Nijanona tampoka ilay fiara. Fa hazo inona no hitan’izy ireo?
Hazo maniry eto Ekoatera antsoina hoe guayacan, izay vaky felana tanteraka! Nangina avokoa ny rehetra, avy eo dia nisy nihiaka hoe: “Andray izany hatsaran-tarehiny! Efa nahita loko mamirapiratra toy izao ve ianareo? Efa nahita hazo maro namelana aho, na mavokely izany, na volomparasy, na mena na volondaoranjy, fa ity mamirapiratra mihoatra noho izy rehetra!”
Nanohy ny diany izy ireo rehefa avy nandinika elaela ilay hazo kanto nivolombolamena. Tsy azony an-tsaina mihitsy fa vao fanombohany fotsiny iny. Vao nidina kely ilay fiara nitondra azy ireo dia indro fa nahita hazo vaky felana tanteraka, nitovy tamin’ilay voalohany, izy ireo, ary avy eo dia nisy hafa indray. Toy ny hoe rakotry ny tara-masoandro mivolombolamena tampoka teo ireo havoana. Fotoana nahavaky felana an’io hazo io tamin’izay — fotoana mahatonga ny ala maizina ho mareva-doko mahavariana.
Tsy voafetra ho ao amin’ny firenena iray anefa ny hatsaran-tarehin’io hazo mamelana io. Raha ny marina, dia avy any amin’ny faritra maro atỳ Amerika Atsimo sy Afovoany io hazo io. Fantatra koa amin’ny anarana toy ny hoe trompetra volamena sy hazo trompetra izy io, ka ny felany miendrika trompetra volombolamena no tiana hambara amin’izany. Tabebuia chrysantha no anarana siantifikan’izy io.
Izy io koa dia ahazoana hazo tsara fanaovana fanaka ambony karazana efa hatramin’ny taona maro. Nihavitsy io hazo io, araka izany, ka nanjary tena nilaina ny namoahana lalàna hiarovana azy io any amin’ny firenena sasany. Natao izany mba hahazoana antoka fa ho afaka hankafy hatrany ny hakantony miavaka ny tompon-tany sy ny vahiny, na dia mandritra ny andro vitsivitsy ihany isan-taona aza izy io no vaky felana.
Tsy isalasalana fa io hazo maniry eto Ekoatera io, ny guayacan, dia fiderana velona an’ilay artista lehibe indrindra — ny Mpamorona Lehibe antsika, ilay mpamolavola ity tany mahatalanjona onenantsika ity.