FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g01 8/4 p. 28-29
  • Fijerena An’izao Tontolo Izao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fijerena An’izao Tontolo Izao
  • Mifohaza!—2001
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tsy Ampy Boky ny Tranomboky Vaovao any Aleksandria
  • Fanaintainana Tsy Tena Misy Akory
  • Namoy Asa Satria Maimbo Vava
  • Fitombon’ny Famoizam-po
  • Ireo Iharan’ny Fisavihana Atsy Afrika Atsimo
  • Fandidiana Tsy Ampiasana Ra Atsy Afrika Atsimo
  • Vitaminina C Voajanahary
  • Fanoroana Vohony
  • Lavaka Ôzônina Lehibe Indrindra Hatramin’izao
  • Mihabe Mpangataka ny Fitsaboana sy ny Fandidiana Tsy Ampiasana Ra
    Mifohaza!—2000
  • Ny Fomba Handaminana Fitahirizam-boky Teokratika Iray
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Manova ny Fomba Fijeriny ny Dokotera Raha ny Amin’ny Fandidiana Tsy Ampiasana Ra
    Mifohaza!—1998
  • Nahoana no Asiana Fitehirizam-boky ao Amin’ny Efitrano Fanjakana?
    Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah?
Hijery Hafa
Mifohaza!—2001
g01 8/4 p. 28-29

Fijerena An’izao Tontolo Izao

Tsy Ampy Boky ny Tranomboky Vaovao any Aleksandria

Ilay tranomboky niavaka tany Aleksandria, izay “nalaza ho nitahiry ny fahalalana rehetra nananan’ny olona tamin’ny andron’i Kristy (...) dia may tamin’ny 47 al.J.K., ary farany dia nanjavona tamin’ny taonjato faha-7 ar.J.K.”, hoy ny fanamarihan’Ny Gazetin’i Wall Street (anglisy). Noho ny fanampiana avy tamin’ireo firenena arabo hafa sy ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Misahana ny Fanabeazana sy ny Siansa ary ny Kolontsaina, dia nanorina tranomboky vaovao tany Aleksandria, izay antenaina fa halaza kokoa noho ilay taloha, i Ejipta. “Any ambanin’ny tany ny rihana efatra voalohany. Voahodidin’ny rano ilay tranomboky, ka hita ao anatin’io rano io ny tandindon’ny zavatra manodidina azy, ary misy solotohatra 17, sy varavarankely tsy mila mpanadio ary fitaovana fiarovana maoderina be afaka mamono afo, nefa tsy mandena boky na dia kely akory aza.” Kanefa, “misy zavatra iray lehibe tsy ampy ao amin’ilay tranomboky; dia ny boky izany”, hoy ihany ilay gazety. Milaza koa izy io fa vola an-tapitrisany maro no lany nandritra ireo taona maro nanaovana ny fanorenana, hany ka “manify dia manify ny teti-bola natao hividianana boky ho an’ilay tranomboky vaovao, ary voatery mangataka boky i Mohsen Zahran, talen’ilay tranomboky”. Tsy mitady mpiandraikitra tranomboky izahay, satria “tsy afaka mandoa ny karamany”, hoy Atoa Zahran. Omby boky valo tapitrisa ilay tranomboky vaovao.

Fanaintainana Tsy Tena Misy Akory

“Mazàna ny olona notapahina ratsambatana no mandre fanaintainana lava izay toa avy amin’ilay ratsambatana tsy eo intsony, na mahatsapa ny fisian’izy io indray, raha misy olona mikasika ny tarehiny”, hoy ny gazety Mpahay Siansa Vaovao (anglisy). “Rehefa tsy mandray filazana momba ny fahatsapana intsony ny sosony ivelan’ny atidoha, noho ny fanapahana rantsambatana na ny fahavoazan’ny tsokan-damosina, dia mankeo amin’ilay faritra maty ny fitatitra eo akaikiny, ka misolo ny toerany”, hoy ny fanazavan’ilay gazety. Hoy ihany izy io: “Matetika izany no mahatonga ny olona hahatsapa toa fisian’ny ratsambatany indray, na handre fanaintainana lava.”

Namoy Asa Satria Maimbo Vava

Izao no nolazain’ny mpitsabo nify iray atao hoe Ana Cristina Kolbe, tao amin’ny Exame, gazety momba ny fandraharahana brezilianina: “Tsy manitatra aho raha milaza fa maro no voaroaka amin’ny asany satria [maimbo vava].” “Rehefa tena ratsy ilay toe-javatra”, hoy koa i Leandro Cerdeira, mpampiditra mpiasa, “dia voaroaka amin’ny asany isaky ny mihetsika ny olona iray, nefa tsy mahafantatra mihitsy ny anton’izany.” Tamin’ny fanadihadiana iray natao tao amin’ny tanàna lehibe roa tany Brezila, dia 40 isan-jaton’ny olona nadinadinina no maimbo vava. Anisan’ny mahatonga izany indrindra ny fihenjanana sy ny sakafo tsy ampy tsiratsiraka. Mba hitsaboana izany, dia nanoro hevitra ny Dr. Kolbe fa tokony hiala sasatra mandritra ny andro vitsivitsy ireo olona maimbo vava ary hihinana legioma bebe kokoa. Ho fanampiana vonjy maika, dia azon’ireo mpiasa maimbo vava atao ny manao gararàka amin’ny eau oxygénée sy rano.

Fitombon’ny Famoizam-po

Nanao tatitra momba ny firenena 105 ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS), ka nilaza fa nitombo 60 isan-jato ny salanisan’ny famonoan-tena tany amin’ireo firenena ireo teo anelanelan’ny 1950 sy 1995, hoy ny gazety Le Monde. Ny Dr. José-Maria Bertolote, mpandrindra ny sampan-draharahan’ny aretin-tsaina ao amin’ny OMS, dia nanombana fa olona iray tapitrisa no hamono tena amin’ny taona 2000, ary hisy 10 ka hatramin’ny 20 tapitrisa hafa hanandrana hanao izany. Mety mbola ho be kokoa noho izany anefa ny tena tarehimarika marina. Araka ilay tatitra, dia maro kokoa noho ny maty tamin’ny fifandonana nitanam-piadiana rehetra teo amin’izao tontolo izao no maty namono tena isan-taona. Nanjary “iray amin’ireo antony telo lehibe mahafaty ny” olona eo anelanelan’ny 15 ka hatramin’ny 35 taona ny famonoan-tena, hoy ny Dr. Bertolote.

Ireo Iharan’ny Fisavihana Atsy Afrika Atsimo

“Misy iray tapitrisa isan-taona ny olona savihina eto Afrika Atsimo”, hoy ny World Press Review. Olona iray isaky ny 30 segondra eo ho eo, araka izany, no savihina. Manamarika ilay lahatsoratra fa “i Afrika Atsimo no ahitana fisavihana miafara amin’ny famonoana betsaka indrindra eran-tany”. I Etazonia no manarakaraka. Avo 12 heny noho ny any Etazonia anefa io isa io, na dia 40 tapitrisa monja aza ny mponina atsy Afrika Atsimo. Hoy ihany ilay lahatsoratra: “Any amin’ny tany hafa, dia mety hisavika na handroba na hamono anao ny olona. Atsy Afrika Atsimo kosa dia hisavika anao ny olona alohan’ny hamonoany anao; saika noho ianao sendra nifanena taminy fotsiny. Saika miaraka amin’ny heloka bevava hafa foana ny fisavihana.” Ankoatra izany, “ny fisavihana dia nanjary anisan’ny fepetra takina amin’ny mpikambana vaovao ao amin’ny andian-jiolahy”, izay mamono ireo nosavihiny avy eo. Nolazain’ilay lahatsoratra fa anisan’ny mahatonga izany ny fihanahan’ny fametavetana ankizy sy ilay hevitra miely patrana hoe tsy misy vidiny firy ny aina. Fanampin’izany, ny fanadihadiana natao tany Johannesburg, tamin’ny 1998, “dia nampiharihary fa mino ireo tovolahy hoe tian’ny vehivavy, raha ny marina, ny savihina, na dia manafina izany aza izy ireo. Mino koa ireo tovolahy fa manan-jo hitaky hanao firaisana amin’ny zazavavy izy, rehefa miaraka amin’izy ireo”, hoy ilay lahatsoratra.

Fandidiana Tsy Ampiasana Ra Atsy Afrika Atsimo

“Nahatonga ny iray tamin’ireo fikambanan’ny hopitaly lehibe tsy miankina amin’ny fanjakana atsy Afrika Atsimo hifidy ny hampiasa ‘fandidiana sy fitsaboana tsy ampiasana ra’, ny antontan’isa mampahatahotra momba ny olona voan’ny Sida”, hoy ny The Mercury, gazety atsy Afrika Atsimo. “Ny zava-kendrenay”, hoy ny Dokotera Efraim Kramer, talen’ilay fandaharana, “dia ny hampirisika ny fianakaviamben’ny mpitsabo mba tsy hampiasa ra rehefa mitsabo sy mandidy an’ireo marary.” Na dia dokotera 800 atsy Afrika Atsimo aza, fara fahakeliny, no manao fitsaboana sy fandidiana tsy ampiasana ra, dia sambany izao vao nisy fikambanan’ny hopitaly nanapa-kevitra ny hampihatra fandaharana arindra eo amin’ny sehatra nasionaly toy izany. Nilaza ny Dokotera Kramer fa “tsara be” ny fihetsik’ireo dokotera. Manamarika toy izao ny gazety The Mercury: “Misy fomba fitsaboana mahomby tsy ampiasana ra ampiasaina izao. Izany dia noho ny fangatahan’ny fivavahana, toy ny Vavolombelon’i Jehovah, izay mandà ny fitsaboana ampiasana ra.”

Vitaminina C Voajanahary

Tokony ho roa santimetatra monja ny savaivon’ny serizy dia. Avo 50 heny noho ny an’ny voasary anefa ny vitaminina C ao amin’io voankazo mamy mangidy io, ary avo 100 heny noho ny an’ny voasarimakirana. Ny fanadihadiana natao tao amin’ny Oniversiten’ny Fanjakan’i San Martin any Tarapoto, Peroa, dia mampiseho fa nahitana Vitaminina C milanja 44 miligrama tao amin’ny nofom-boasarimakirana faran’izay marikivy milanja 100 grama, fa nahazoana Vitaminina C milanja 4 600 miligrama kosa ny serizy dia mitovy lanja amin’io. Efatra monja amin’io voankazo voajanahary io dia manome Vitamina C ilain’ny olon-dehibe isan’andro. Araka ny gazety El Comercio, dia misy ezaka atao mba hahitana raha azo ambolena mba hahazoam-bola ho solon’ny voly kôkà ny serizy dia, “voankazo mora simba”.

Fanoroana Vohony

“Ny fampitam-baovao sy ny psikology malaza dia mampandroso ilay hevitra hoe mahasoa ny ‘fanamparana’ ny [fahatezerana]”, hoy ny nomarihin’ny gazety Psikolojia Ankehitriny (anglisy). “Fanoroana vohony anefa izany, fa tsy mahasoa.” Araka an’i Brad Bushman, psikology ao amin’ny Oniversiten’ny Fanjakan’i Iowa, “dia tena mahery setra kokoa ny olona tia mampiseho fahatezerana”. Ny olona nanaovana fandinihana, izay “nanampatra ny fahatezerany” tamin’ny famelezana totohondry kitapo asiana fasika dia nampiseho herisetra sy habibiana avo roa heny noho ireo tsy nanao izany. Na dia ireo “olona namaky lahatsoratra iray momba ny soa entin’ny fanafoanana ny fahatezerana, alohan’ny hamelezana kitapo asiana fasika aza, dia azo inoana kokoa ho ta hanisy totohondry noho ny hafa”, hoy ilay lahatsoratra. “Aza miezaka ny ho tony, hoy i Bushman, fa atsaharo tanteraka mihitsy ny fahatezerana. Manisà hatramin’ny 10, na 100, raha ilaina izany, ary dia ho lasa ny fahatezerana.”

Lavaka Ôzônina Lehibe Indrindra Hatramin’izao

Nandritra ny Septambra 2000, ny satelitan’ny NASA manara-maso ny ôzônina dia nahamarika ny lavaka lehibe indrindra teo amin’ny sosona ôzônina hita teo ambonin’ny Tendrontany Atsimo hatramin’izao. Izany no nolazain’ny gazety Clarín, any Buenos Aires, Arzantina. Hita eo ambonin’ny faritra iray mirefy tokony ho 28,3 tapitrisa kilaometatra toradroa ilay lavaka, ary mihoatra 1 000 000 kilaometatra toradroa izany, raha oharina amin’ny teo aloha. Nanaitra ny mpahay siansa ny halehiben’ilay lavaka. Nilaza ny Dr. Michael Kurylo ao amin’ny NASA fa ny fahitana izany rehetra izany dia “mampitombo ilay fanahiana momba ny fahalemen’ny sosona ôzônin’ny tany”. Nanazava i Rubén Piacentini, mpahay fizika, ao amin’ny Komity Nasionaly Momba ny any Ambony Tsy Taka-maso, any Arzantina, fa na dia any ambonin’ny Tendrontany Atsimo tsy misy olona aza izao no misy ilay lavaka, “dia mety handalo any amin’ny faritra atsimon’i [Arzantina] izy io amin’ny farany”. Manamarika ny gazety Clarín fa ny ôzônina dia fiarovana, noho izy mampihena ny vokatra mety hanimba avy amin’ny taratra ultraviolet avy amin’ny masoandro.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara