FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g01 8/5 p. 11-15
  • Sady Marenina no Jamba Nefa Milamin-tsaina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Sady Marenina no Jamba Nefa Milamin-tsaina
  • Mifohaza!—2001
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nalefa tany amin’ny sekoly manokana
  • Nody kanefa nipoitra ny olana
  • Fiezahana mba hanatsara ny fiainako
  • Fifindrana nankany Washington, D.C.
  • Fitadiavana ny fivavahana marina
  • Noraisina tsara aho
  • Hitako ny filaminan-tsaina notadiaviko
  • Fotoam-pitsapana
  • Notahin’ilay Raintsika be fitiavana
  • Asehoy fa Tianao Ireo Rahalahy sy Anabavy Marenina!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • ‘Mampamirapiratra ny Tavany Amin’izy Ireo i Jehovah’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Karakarao Izay Ilain’ny Marenina mba Hanatonany An’Andriamanitra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
  • Miahy ny Marenina Andriamanitra
    Foto-kevitra Hafa
Hijery Hafa
Mifohaza!—2001
g01 8/5 p. 11-15

Sady Marenina no Jamba Nefa Milamin-tsaina

NOTANTARAIN’I JANICE ADAMS

Azo nolazaina hoe marenina hatrizay niainako aho, kanefa nianatra ny niaina teo anivon’ny olona mandre. Tatỳ aoriana, raha mbola teny amin’ny oniversite aho, dia nivadi-po rehefa nilazana fa ho jamba. Nanome ahy lahatsoratra iray momba ny fiainan’ny olona sady tsy mahita no tsy mandre, ny mpanolo-tsaina tsara fikasa tao amin’ny oniversite. Nisarika ny masoko avy hatrany ilay teny hoe: Ireo olona sady marenina no jamba no manirery indrindra eto an-tany. Nigogogogo nitomany aho.

TERAKA tamin’ny 11 Jolay 1954 tany Des Moines, any Iowa, any Etazonia aho, izay hany zanak’i Dale sy i Phyllis Den Hartog. Tsy nahalala ireo ray aman-dreniko fa samy nitondra ilay tarazo fantatra tamin’ny anarana hoe aretin’i Usher izy mivady. Mahatonga ho marenina hatrany am-bohoka sy mitarika ho amin’ny fahajambana tsikelikely io aretina io.

Tsy nahatsikaritra zavatra nampiahiahy tamiko mihitsy ny ray aman-dreniko teo am-boalohany. Angamba noho izaho mbola nahare kely ihany indraindray raha migoboka ilay feo. Tsy niana-niteny mihitsy anefa aho, ka fantatr’izy ireo fa tena nisy zavatra tsy nety tamiko. Hitan’ny dokotera tamin’ny farany, teo amin’ny fahatelo taonako, fa marenina aho.

Nahakivy tanteraka ny ray aman-dreniko ilay vaovao. Tapa-kevitra anefa izy ireo fa hanao izay hahazoako ny fanabeazana tsara indrindra. Nalefa tany amin’ny akanin-jaza tena tsara natao ho an’ireo marenindrenina aho. Tsy nahay mihitsy anefa aho satria zara raha nandre. Kivy aho ka nakapokapoko tamin’ny rindrina ny lohako indraindray.

Nalefa tany amin’ny sekoly manokana

Nifidy ny hampiditra ahy tany amin’ny kilasimandry ho an’ny marenina (CID) any Saint Louis, any Missouri, ny ray aman-dreniko. Lany vola be izy ireo ary nahavaky fo azy ny nandefa ahy tany lavitra tany, teo amin’ny fahadimy taonako. Izany anefa no noheveriny fa fanantenana tsara indrindra hahazoako fiainana sambatra. Tsy afaka nifampiresaka mihitsy izaho sy ny ray aman-dreniko tamin’izany fotoana izany.

Nijery an’i Neny nampirina ny akanjoko tao anaty valizy aho. Toa tsy nisy farany ilay dia lavitra nandeha fiara. Tsaroako fa nisy ankizivavy kely hafa tsy nanan-dreny hitako tao amin’ny kilasimandry, ka nahatonga ahy hieritreritra hoe: ‘Tsy ho voatery hijanona atỳ aho satria manana Dada sy Neny.’ Rehefa handeha ireo ray aman-dreniko dia niezaka nanazava tamiko fa hiverina izy ireo rehefa afaka volana vitsivitsy. Nikiakiaka nitomany aho sady nifikitra mafy tamin’izy ireo, kanefa nisintona ahy ilay ramatoa tompon’andraikitra, mba hahafahan’izy ireo handeha.

Nahatsiaro tena ho nafoy aho. Tamin’ny alina voalohany tao amin’ilay sekoly, irery niaraka tamin’ireo ankizy vavy hafa, dia nanandrana nampangina ankizivavy iray nitomany aho. Mody niseho ho niresaka taminy aho na dia tsy nahay niteny akory aza tamin’izay. Bedin’ilay ramatoa tompon’andraikitra aho ka nasiany zavatra nanasaraka anay mba tsy hahafahanay hifampiresaka. Tsy nesorina mihitsy nanomboka teo ilay rindrina nanasaraka anay. Nitambesatra mafy ny fahatsiarovan-tena ho irery.

Fantatro niandalana fa noho izahay rehetra marenina no nahatonga anay tany. Angamba tia ahy ny ray aman-dreniko rehefa dinihina, fa ny nataoko ihany no tsy nampahay ahy tany amin’ny akanin-jaza, hoy ny eritreritro. Tapa-kevitra ny hanao izay hahaizako aho amin’ity indray mandeha ity, ka hody any amin’ny fianakaviako indray andro any.

Tena tsara ny fanabeazana tao amin’ny kilasimandry. Tsy navela hampiasa baikon’ny moana izahay fa nampianarina tsirairay niteny sy nanaraka ny fihetsiky ny molotra. Nomen-danja koa ny taranja rehetra ampianarina any amin’ny sekoly tsotra. Mihevitra aho fa tsy mandaitra firy amin’ny ankizy marenina maro ilay fomba fampianarana tsy mampiasa baikon’ny moana fa fihetsiky ny molotra fotsiny. Tena nandaitra tamiko anefa izy io, ary nahatsiaro ho tena nahay aho. Noho ny fitaovam-pandrenesana nananako dia nianarako ny namantatra ny fihetsiky ny molotra sy ny feo zara raha re tamin’izay nolazain’ny olona. Nihatsara ny fiteniko na dia mbola tsy azo lazaina hoe tena tsara aza, ka nanomboka nahazo izay nolazaiko ny ankamaroan’ny olona mandre. Afa-po tanteraka tamin’ny fahaizako ny ray aman-dreniko sy ny sekoly. Mbola naniry mafy hody anefa aho.

Nitalaho tamin’ny ray aman-dreniko foana aho isaky ny vakansy amin’ny fahavaratra, mba hamela ahy hijanona tany an-trano ary hianatra tao Iowa. Mbola tsy nisy an’io karazan-tsekoly io anefa tao. Niverina tany amin’ny kilasimandry indray aho avy eo. Nandefa taratasy ho ahy isan’andro i Neny ka nasiany siligaoma niaraka taminy. Sarobidy tamiko erỳ ireny siligaoma ireny satria mariky ny fitiavana! Tsy mba notsakotsakoiko izy ireny fa notehiriziko ary nankamamiko indrindra, rehefa iny aho nahatsiaro ho ketraka iny.

Nody kanefa nipoitra ny olana

Nentin’ny ray aman-dreniko nody aho tamin’ny farany, fony aho folo taona. Faly erỳ aho ary nahatsiaro ho tsy nanana ahiahy, niaraka tamin’ny fianakaviako! Nisoratra anarana tao amin’ny sekoly iray teo an-toerana aho, sekoly manokana tao Des Moines izay natao ho an’ny ankizy marenina. Nafindra tany amin’ny kilasy tsotra anefa aho rehefa nandeha ny fotoana, noho izaho nahay tsara nanaraka ny fihetsiky ny molotra sady nihamora azo ny teniko. Betsaka anefa ny olana noho ny toe-javatra vaovao nisy ahy.

Tsapako fony aho tany amin’ny kilasimandry fa nandray tsara ahy ireo namako marenina. Izao anefa, isaky ny tsy maintsy niresaka tamin’ny olona maromaro indray niaraka aho, ka niteny haingana izy ireo, dia tsy vitako intsony ny nanaraka ny fihetsiky ny molotra. Nanjary voailikilika àry aho. Niriko mafy mihitsy anefa izany horaisina tsara izany!

Koa nataoko àry izay hitiavan’ireo zatovolahy ahy, hany ka nanjary tafiditra tamin’ny toe-javatra mety hanimba fitondran-tena aho. Tsy haiko koa ny nanda izany. Fony aho 14 taona dia nisy nametaveta, saingy tsy nolazaiko tamin’olona izany. Mbola nahatsiaro ho irery sy tsy nisy mpiaro ihany aho, na dia feno fiahiana sy fitiavana foana aza ny ray aman-dreniko.

Afaka nankafy mozika kely ihany aho noho ireo fitaovam-pandrenesana nananako, kanefa mozika tsy tsara no tiako. Mozika rock nankarenin-tsofina, izay nanana tonony sy feo nifandray tamin’ny fidorohana zava-mahadomelina no nohenoiko. Nanjary mpifoka rongony aho ary nihanitoka-monina hatrany. Mbola manenina mafy ihany aho rehefa mieritreritra izay nataoko nandritra ireny taona nisafotofoto ireny, sy ny fahorian-tsaina naterak’izany ho ahy sy ny fianakaviako.

Fiezahana mba hanatsara ny fiainako

Tao amiko foana ny faniriana mafy hianatra sy hahay hamoron-javatra nandritra izany fotoana izany. Namaky teny foana aho, nanao sary hoso-doko, nanjaitra ary nanao peta-kofehy. Betsaka kokoa ny zavatra tiako hatao teo amin’ny fiainako raha oharina amin’izay tehirizin’ny hoavy ho an’ireo namako, izay tsy nanao afa-tsy ny nifoka zava-mahadomelina. Koa nisoratra anarana tany amin’ny oniversite iray teo akaikinay aho mba hanohy hianatra momba ny zavakanto. Tokotokony ho tamin’izay fotoana izay no nanapahako hevitra hianatra baikon’ny moana, satria natahotra aho sao hailikiliky ny fiaraha-monina.

Tatỳ aoriana aho dia nifindra tany amin’ny Sekoly Teknika ho An’ny Marenina, any Rochester, any New York, mba hianatra manokana momba ny zavakanto vita amin’ny seramika. Na dia niharatsy aza ny fahitako, izay tsy neken’ny saiko mihitsy, dia tsapako ho nandroso nihatsara hatrany ny fiainako. Nanampy ahy hiatrika ny zava-misy anefa ny mpanolo-tsaina tao amin’ny sekoly, tamin’ny filazana tamiko fa tsy ho ela aho dia ho jamba.

Tsy ampy fitaovana mba hanomezana izay nilaiko io sekoly io, ka tsy maintsy niala aho. Inona no hataoko izao? Nalahelo aho noho ny fahafantarana fa tsy ho ela dia ho jamba. Tapa-kevitra anefa aho ny hitady fomba hahatonga ahy hahaleo tena, ka tsy hanjary ho ‘anisan’ireo olona manirery indrindra eto an-tany’, araka ny voalazan’ilay lahatsoratra nomen’ilay mpanolo-tsaina. Nody tany Iowa aho mba hianatra hamaky teny amin’ny soratra Braille sy hampiasa tehina mba hahamora ny fivezivezeko.

Fifindrana nankany Washington, D.C.

Ny Oniversiten’i Gallaudet any Washington, D.C., no hany nampianatra taranja mifandray amin’ny asa saina ho an’ny marenina. Nanana sampan’asa manokana ho an’ireo mpianatra sady marenina no jamba izy io. Nifindra tany aho ka nahazo diplaoma niaraka tamin’ny mari-pankasitrahana tamin’ny 1979. Mbola tsapako indray tamin’izay fa afaka ny hahomby bebe kokoa amin’ny fianarana aho.

Na izany aza dia mbola nahatsiaro ho lavitra an’ireo namako foana aho. Nanjary jamba aho. Efa nianatra baikon’ny moana anefa aho ka mba nahatsapa ho anisan’ny antokon’olona iray, dia ny fikambanan’ny marenina. Mitovy amin’izay ampiasain’ny marenina hafa ihany ny baikon’ny moana ampiasaiko. Sadaikatra anefa ny marenina sasany satria tsy maintsy nokasihiko ny tanany mba hahazoako izay lazainy, hany ka nandosidosirany aho. Nanomboka nanontany tena aho raha mbola hisy ihany antokon’olona handray ahy tsara.

Fitadiavana ny fivavahana marina

Tsy nanome ahy fampiononana ny fivavahana fony aho mbola zaza nitombo. Nanaraka fianarana ara-pivavahana teny amin’ny oniversite aho, nefa tsy nahazo valiny mihitsy ireo fanontaniako maro be. Mbola nitady ny valin’izy ireny foana aho taorian’ny nahazoako diplaoma tany amin’ny oniversite. Nanorisory ahy ny nifandray tamin’ny olona nandritra izany fotoana izany, hany ka nanomboka nivavaka tamin’Andriamanitra aho mba hanomezany ahy tari-dalana.

Niverina tany amin’ny Oniversiten’i Gallaudet aho tamin’ny 1981, mba hahazoako ny diplaoma maîtrise amin’ny maha mpanolo-tsaina momba ny fanarenana fiainana. Nanohy nivavaka aho mba hahazo fanampiana ka hahita ny fivavahana marina. Maro ny olona nitaona ahy ho any amin’ny fiangonany kanefa noho ny antony maro samihafa dia tsy nitohy ilay izy. Nifankahita tamin’i Bill aho tatỳ aoriana. Tsy marenina izy ary nianatra teny amin’ny oniversite koa. Kisendrasendra ihany no nahafantarany fa liana tamin’ny Baiboly toa azy koa aho, ary nilaza tamiko izy fa nampianatra azy zavatra mahavariana isan-karazany ny Vavolombelon’i Jehovah.

Ny tao an-tsaiko voalohany dia hoe antokom-pinoana jiosy ny Vavolombelon’i Jehovah, fomba fihevitra izay hitako fa nananan’ny marenina maro. Nanome toky ahy i Bill fa tsy antokom-pinoana toy izany izy ireo, ary nilaza tamiko izy fa ny fanatrehana ny iray amin’ireo fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah no fomba tsara indrindra hahafantarana azy. Tena tsy naniry handeha tamin’izany aho, saingy tsaroako ilay vavaka nataoko, ka nanaiky tsy sazoka aho. Nekeko ny handeha raha toa ka hipetraka any amin’ny farany aoriana izahay, mba hahafahanay hitsoaka raha mitady hitaona anay izy ireo.

Noraisina tsara aho

Hendratrendratra be aho raha mbola teny an-dalana ho any am-pivoriana izahay. Samy nanao pataloa jinina sy lobaka filanelina izahay. Faly aho fa tara kely izahay vao tonga, ka tsy voatery niresaka tamin’olona talohan’ny fivoriana. Nohazavain’i Bill tamiko tamin’ny an-tsipiriany ny zava-nitranga rehetra izay sady tsy hitako no tsy reko. Tsy azoko tsara daholo izay zava-niseho rehetra tao, fa zavatra roa no nampiaiky volana ahy dia ireto: Nampiasa matetika ny Baiboly ilay mpandahateny ary nandray anjara tamim-pahazotoana tamin’ny fivoriana ireo ankizy, izay nipetraka teo akaikin’ny ray aman-dreniny. Rehefa vita ny fivoriana dia tsy nitady hitaona anay izany ry zareo fa noraisina tamim-pitiavana izahay na dia hafa aza ny fitafianay sy ny firazananay.

Izahay ihany no vazaha tao amin’ny Efitrano Fanjakana. Tsy nanana eritreritra ny hanavakavaka ny mainty hoditra aho, nefa sadaikatra ihany aho teo am-boalohany. Tena nampiaiky anefa ny fahamarinana ara-baiboly ka tsy navelako hampijanona ahy ny fahatsapako ho sadaikatra. Nanomboka nanatrika fivoriana tsy tapaka izahay. Tena mbola zava-tsarotra ho ahy koa ny hoe tsy nisy marenina afa-tsy izaho tao amin’ilay kongregasiona. Koa raha vao renay hoe nisy kongregasiona hafa nanana mpanatrika marenina, dia lasa izahay nankany. Tao indray koa dia mbola izahay ihany no vazaha nanatrika. Tena noraisina tsara anefa izahay.

Nanaiky hianatra Baiboly izahay. Azoko ihany ny valin’ireo fanontaniako, rehefa ela ny ela. Tsy azoko tsara avy hatrany foana ny hevitr’ireo valiny, kanefa niorina tamin’ny Soratra Masina izy ireo. Azoko tsara tamin’ny farany ny hevitr’ireo fahamarinana ara-baiboly rehefa nanao fikarohana sy nisaintsaina bebe kokoa aho. Sambany teo amin’ny fiainako no nahatsapako ho akaiky an’i Jehovah amin’ny maha Andriamanitra marina azy. Tetsy an-danin’izany koa, dia nanjary mpinamana akaiky izahay sy i Bill. Fantatro fa tia ahy izy, nefa gaga aho rehefa nangataka ahy ho vady izy. Faly erỳ aho nanaiky azy! Natao batisa fotoana fohy taorian’ny mariazinay i Bill ary izaho kosa volana vitsivitsy tatỳ aoriana, tamin’ny 26 Febroary 1983.

Hitako ny filaminan-tsaina notadiaviko

Natahotra ny ho manirery aho teo am-boalohany. Tsy nisy afa-tsy marenina roa hafa mantsy tao amin’ny kongregasionanay, ary tsy zatra nifandray tamin’ny olona izay sady marenina no jamba izy ireo. Azoko lazaina fa be fitiavana sady nahay nandray olona ny kongregasionanay, na dia tsy afaka nifandray mivantana tamin’izy ireo aza aho teo am-boalohany. Nampalahelo ahy izany. Imbetsaka aho no nahatsiaro ho kivy sy manirery. Nanohina ny foko sy nanatanjaka ny saiko anefa ny hatsaram-panahin’ireo anadahy sy rahavavy ara-panahy. Nampirisika ahy koa i Bill tsy ho kivy, fa hanompo hatrany sy hivavaka mba hitarihan’i Jehovah olona marenina hafa ho ao amin’ny kongregasiona.

Nanapa-kevitra ny haka alika mpitari-dalana aho mba hahatonga ahy hahaleo tena kokoa. Nanampy koa mba hanaisotra ilay fahatsapako ho manirery ny fisian’ny alika mpitari-dalana. Rehefa tany am-piasana i Bill, dia afaka nankany amin’ny Efitrano Fanjakana aho, ka nihaona tamin’ny fitambara-mpitory mba handray anjara tamin’ny fanompoana kristianina. Efa efatra ny alika mpitari-dalana nananako tao anatin’ireo taona maro lasa, ary toy ny hoe anisan’ny fianakaviana mihitsy ny tsirairay avy taminy.

Tena nanampy ahy izy ireny, nefa naniry mafy ny hifandray bebe kokoa tamin’ny olona aho. Niezaka hampitombo ny fahalianana hianatra Baiboly teo amin’ireo marenina izahay mivady, ary nitahy izany ezaka izany i Jehovah rehefa nandeha ny fotoana. Nitombo ny fahalianana ka tonga hatramin’ny fiforonan’ny kongregasiona mampiasa baikon’ny moana tao Washington, D.C. Afaka nifandray tamin’ny mpikambana tsirairay tao amin’ilay kongregasiona ihany aho tamin’ny farany!

Nahafeno fepetra ho anti-panahy i Bill ary voatendry ho mpiandraikitra mpitantan-draharaha tao amin’ny kongregasiona mampiasa baikon’ny moana. Nahafinaritra ahy ny nitarika fampianarana Baiboly tamin’ny olona marenina ary koa tamin’ireo sady marenina no jamba. Maro amin’izy ireo ankehitriny no manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana. Nampianatra baikon’ny moana an’ireo rahavavy tsy marenina koa aho, mba hahafahan’izy ireo hahita vokatra kokoa amin’ny fitoriana amin’ny marenina.

Fotoam-pitsapana

Resin’ny fahaketrahana lehibe aho tamin’ny 1992, noho ny fitondrana ratsy niaretako tamin’ny fahatanorako. Zara raha afaka nanohy ny fiainako fotsiny aho tao anatin’ny taona vitsivitsy. Nahatsiaro ho trotraka aho, tsy noho izaho marenina na jamba anefa, fa noho ny fikorontanana ara-pihetseham-po faran’izay mafy. Matetika aho no nihevitra fa tsy hahavita handeha hivory na hanao fanompoana, ka nitalaho tamin’i Jehovah mba hanomezany ahy tanjaka hahafahako hihazona tsy fivadihana. Vokatr’izany dia mahalana vao tsy nandeha nivory aho, ary tsy mba nanapatapaka ny fanompoako aho nandritra ireny taona nanjombona ireny.—Matio 6:33.

Nifindra nankany Vancouver, any Kolombia Britanika, any Kanada, izahay tamin’ny 1994, mba hanampy tamin’ny fiforonan’ny kongregasiona hafa iray mampiasa baikon’ny moana. Tsy mora ilay fifindrana. Nandao tanàna nahazatra sy namana tsy foy maro aho. Marina aloha fa mbola tao anatin’ny fahaketrahana sy ny tebiteby aho, kanefa raha eritreretina ny fifaliana nahita kongregasiona vaovao niforona tany Vancouver, dia mendrika ny hanaovana sorona izany. Nahazo namana sarobidy maro aho tao amin’ilay kongregasiona vaovao, hany ka nahatsiaro ho noraisina tsara aho.

Notahin’ilay Raintsika be fitiavana

Tamin’ny 1999, dia nitsidika an’i Haïti nandritra ny iray volana sy tapany izahay mivady sy ny Vavolombelona roa hafa, mba hanampy tamin’ny fitoriana tamin’ny marenina. Nampianarinay baikon’ny moana ireo mpikambana tao amin’ny kongregasiona, ho fiaraha-miasa tamin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any. Nitory niaraka tamin’izy ireo izahay, tany amin’ny faritany mbola tsy niasana firy izay nisy marenina maro. Fampianarana Baiboly mihoatra ny 30 no natombokay tamin’olona marenina, tao anatin’ny herinandro vitsivitsy monja! Nahazo hery ara-panahy vaovao aho rehefa nody, ary nanomboka ny fanompoana manontolo andro amin’ny maha mpisava lalana tamin’ny Septambra 1999. Tsy manaisotra ny fifaliako ny fahaketrahana satria eo ny fanampian’i Jehovah sy ny vady malalako ary ny fanohanan’ny kongregasiona.

Tsapako, tao anatin’ireo taona maro lasa, fa miantra indrindra i Jehovah. (Jakoba 5:11) Miahy ny vahoakany rehetra izy, indrindra fa ireo izay mila fanampiana manokana. Tamin’ny alalan’ny fandaminany no nahazoako Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao sy fitaovana fianarana Baiboly maro hafa koa amin’ny teny Braille. Mankafy ireo fivoriambe amin’ny baikon’ny moana aho. Manampy ahy amim-pitiavana ny kongregasiona amin’ny fanaovana baikon’ny moana eo amin’ny felatanako, hany ka afaka mandray anjara tanteraka amin’ny fivoriana rehetra aho. Milamin-tsaina aho eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah na dia manana kilema roa sosona aza. Tsy hoe mandray fotsiny aho fa afaka manome koa, ary mitondra fifaliana lehibe ho ahy izany.—Asan’ny Apostoly 20:35.

Tsy andriko ny hahafahako handre sy hahita indray ao amin’ny tontolo vaovaon’i Jehovah. Mandra-pahatongan’izany anefa, dia tsy anisan’ireo olona manirery indrindra eto an-tany aho, fa manana ny fianakavian’ny mpirahalahy sy mpirahavavy ara-panahy an-tapitrisany maro maneran-tany. Izany rehetra izany dia noho i Jehovah izay nampanantena fa tsy handao ahy mihitsy na hahafoy ahy akory. Eny, afaka milaza toy izao aho na eo aza ny zava-tsarotra rehetra: “Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho”.—Hebreo 13:5, 6.

[Sary, pejy 15]

Manao baikon’ny moana eo amin’ny felatanako

[Sary, pejy 15]

Miaraka amin’i Bill vadiko, amin’izao fotoana izao

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara