FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g01 8/5 p. 26-27
  • Andriamanitry ny Foko Jiosy ve i Jehovah?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Andriamanitry ny Foko Jiosy ve i Jehovah?
  • Mifohaza!—2001
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Jehovah—Ilay Andriamanitry ny firenena rehetra
  • Nolavina ny Isiraely
  • Miahy sy mitahy ny olona rehetra
  • Omeo Voninahitra ny Anaran’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Teraka teo Anivon’ny Firenena Voafidin’Andriamanitra Izy Ireo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Nahoana isika no tokony hahafantatra ny anaran’Andriamanitra
    Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay
  • Vavolombelona Manohitra Ireo Andriamanitra Sandoka
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
Hijery Hafa
Mifohaza!—2001
g01 8/5 p. 26-27

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Andriamanitry ny Foko Jiosy ve i Jehovah?

AMPIFANDRAISINA akaiky amin’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao ny anarana hoe Jehovah any amin’ny tany maro. Hita ao amin’ireo fandikan-tenin’ny Baiboly sasany ampiasain’ireo fivavahana hafa anefa io anarana io. Ilay anarana hoe Jehovah, araka ny isehoany ao amin’ny Tetragrama, dia efa nampiasaina hatramin’ny an’arivony taona maro tokoa.

Antsoina hoe “Andriamanitry ny Isiraely” i Jehovah indraindray. (1 Tantara 17:24) Izany dia nahatonga ny sasany hihevitra azy ho andriamanitry ny foko teo an-toerana nalain’ny Hebreo avy tamin’ny kolontsaina hafa na noforoniny. “Noheverina ho andriamanitry ny foko isiraelita sady andriamanitra tia ady [i Jehovah] tany am-boalohany”, hoy i Karen Armstrong, mpanoratra ilay boky hoe Tantaran’Andriamanitra (anglisy). “Nampiasa ny anaran’io Andriamanitry ny foko io mba hilazalazana andriamanitra feno zava-miafina ireo mpaminanin’ny Isiraely tatỳ aoriana, ... tamin’ny taonjato fahafito sy fahenina al.J.K. tany ho any.”

Nanandrana nitady ny fiavian’ny anarana hoe Jehovah tao amin’ny loharanon-kevitra kananita na ejipsianina ny maro tamin’ireo mpahay tantara ara-pivavahana. Ny hafa nilaza fa “anarana tranainin’ny foko iray” izy io ka tsy manondro ilay Andriamanitra resahina ao amin’ny “Testamenta Vaovao”. Marina ve izany? Mampiharihary inona ny famakiana amim-pitandremana ny Baiboly?

Jehovah—Ilay Andriamanitry ny firenena rehetra

Manaiky ny Baiboly fa nisy fifandraisana akaiky teo amin’i Jehovah sy ny firenen’ny Isiraely. Tsy antony tokony hiheverana azy ho andriamanitry ny foko iray fotsiny anefa izany. Nanontany toy izao i Paoly, apostoly kristianina: “Andriamanitry ny Jiosy ihany va Izy? fa tsy mba an’ny jentilisa koa?” Inona no valin-teny mazava nomeny? “Eny, an’ny jentilisa koa”. (Romana 3:29) Iza ilay Andriamanitra noresahin’i Paoly teo? Miseho in-9 ny anarana hoe Jehovah ao amin’io taratasy ho an’ny Romanina io, ao amin’ny Baiboly malagasy ary in-19 ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Nanonona ny tenin’i Joela, mpaminany hebreo, ilay apostoly ka nanamarika fa tsy ny Jiosy ihany fa ‘izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah no hovonjena’.—Romana 10:13; Joela 3:5.

Tsy ny Isiraelita akory no nifidy an’i Jehovah ho Andriamaniny fa i Jehovah no nifidy azy ireo, mba hanatanterahany ny fikasany hanomana ny lalana ho an’ny Mesia. Ankoatra izany, ny hoavin’ny andriamanitry ny foko iray dia mifamatotra akaiky amin’ny hoavin’ny vahoakany. Resy ilay andriamanitra rehefa resy ilay foko. Tsy mba toy izany anefa ny amin’i Jehovah.

Mampanantena fitahiana ho an’ny olona avy amin’ny firenena rehetra ny fanekena nifanaovan’i Jehovah tamin’i Abrahama, izay nanan-kery taonjato maro talohan’ny andro kristianina. Mampiseho ny fiheveran’Andriamanitra ny olona rehetra koa izy io. (Genesisy 12:1-3; Asan’ny Apostoly 10:34, 35; 11:18) Nasehon’i Davida mpanjaka fa tsy ny tanin’ny Isiraely ihany no an’i Jehovah, fa “ny tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy”.—Salamo 24:1.

Rehefa nitokana ny tempoly fivavahana tamin’i Jehovah i Solomona zanak’i Davida, tatỳ aoriana, dia nasehony fa afaka manatona an’i Jehovah ny olona manetry tena avy amin’ny firenena rehetra. Hoy izy tao amin’ny vavaka fitokanana nataony: “Ny vahiny izay tsy isan’ny Isiraely olonao, fa tonga avy any amin’ny tany lavitra ... ka mivavaka manatrika ity trano ity, dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao, ka manaova araka izay rehetra iantsoan’ny vahiny Anao, mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin’ny tany ny anaranao, hatahorany Anao tahaka ny ataon’ny Isiraely olonao ihany”.—1 Mpanjaka 8:41-43.

Nolavina ny Isiraely

Nanoratra toy izao momba ny fifandraisan’ny Isiraely tamin’i Jehovah ny Profesora C. J. Labuschagne: “Nihevitra an’i Jehovah ho Andriamaniny ny Isiraely. Azon’io Andriamanitra io natao anefa ny nampiseho fa tsy nanohana io firenena io izy na nanda azy io mihitsy aza indraindray, ary hitan’ny Isiraely imbetsaka izany nandritra ny tantarany.” Nolavin’i Jehovah io firenena io tamin’ny taonjato voalohany, rehefa nanda ny Mesia.

Nampiasain’ny Kristianina hatrany anefa ny anaran’i Jehovah. Nanjary nisy olona avy amin’ny firenena rehetra tao amin’ny kongregasiona kristianina, rehefa nitombo izy io. Nilaza i Jakoba mpianatra rehefa nitarika fivoriambe kristianina tany Jerosalema, fa ‘nitsinjo ny [tsy Jiosy] Andriamanitra hanalany olona aminy hankalazana ny anarany’. Nanonona faminaniana ahitana ny anaran’i Jehovah ao amin’ny bokin’i Amosa izy avy eo, mba hanaporofoana fa efa nambara mialoha izany.—Asan’ny Apostoly 15:2, 12-18; Amosa 9:11, 12.

Miahy sy mitahy ny olona rehetra

Nanoratra toy izao i Paoly, mba hanamafisana ny maha Andriamanitry ny olona rehetra an’i Jehovah: “Tsy misy hafa, na Jiosy na jentilisa fa iray ihany no Tompon’izy rehetra, sady manan-karena homeny izay rehetra miantso Azy Izy.” (Romana 10:12) Eny, afaka mahazo ny fitahian’i Jehovah ny olombelona mankatò rehetra.

Hoavy be voninahitra no ampanantenain’i Jehovah an’ireo zanak’olombelona rehetra mahatoky sy mankatò, na inona na inona fireneny na firazanany. Resahin’ny Teniny hoe “zavatra faniry eo amin’ny firenena rehetra” ireny olona ireny. (Hagay 2:7, NW ) Mahafantatra an’i Jehovah sy tia azy izy ireny. Milaza toy izao momba azy ireo ny boky farany ao amin’ny Baiboly: “Ny firenena rehetra ho avy hiankohoka eo anatrehanao [Jehovah]; fa efa naharihary ny fitsarana marina nataonao”.—Apokalypsy 15:4.

[Sary, pejy 26]

Mosesy mihazona ny Didy Folo

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara