Afaka Miaro ny Hazo Fitoeran-jiro ve Isika?
AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY BREZILA
NISY fotoana nahafeno hazo kesika ny faritra atsimo amin’i Brezila. Ny fitoviany amin’ny fitoeran-jiro misampantsampana no nahatonga azy io hantsoina hoe “hazo fitoeran-jiro”. Fantatra koa amin’ny hoe hazo kesika paraná sy hazo kesika brezilianina izy io.
Lehibe noho ny voasaribe ny voan’ny hazo fitoeran-jiro, ary milanja dimy kilao ny sasany aminy. Mety hisy voa madinika hatramin’ny 150 ny voan-kesika iray. Antsoina hoe pinhões ireo voa madinika ireo, amin’ny fiteny portogey. Rehefa masaka ny voan-kesika, dia mitresaka ary mihintsana ireo voa madinika.
Mihinana ireo voa madinika, izay mitovy fofona sy tsiro amin’ny voanjo, ny olona sy ny vorona ary ny biby. Tamin’ny fotoana sasany, dia nataon’ny foko teratany sasany tany amin’ny faritra atsimo amin’i Brezila ho foto-tsakafo ny pinhões, izay feno prôteinina sy kalsiôma. Mbola ampiasaina amin’izao andro izao ihany ireo voa madinika. Any amin’ny Fanjakan’i Santa Catarina, eto Brezila, ohatra, dia anisan’ny sakafo mampiavaka an’ilay faritra, toy ny paçoca de pinhão (pinhões voatoto), izy ireny.
Nanomboka notandindomin-doza tsikelikely ny fisian’ny hazo fanaovan-jiro, rehefa hitan’ireo mpila ravin’ahitra eoropeanina tamin’ny taonjato faha-18 fa azo nampiasaina ny hazon’izy io. Tsy ela dia nokapaina ny hazo fanaovan-jiro mba hanorenana trano na nesorina fotsiny mba hanaovana tanin-katsaka sy tanimboaloboka. Rehefa nandeha ny fotoana, dia betsaka ny hazo notapahina raha noharina tamin’ireo nambolena. Izao, dia ala mitsitokotoko vitsivitsy sisa tavela. Noho izany, dia niakatra be ny vidin’ny hazo fitoeran-jiro. “Tsy hazo tsotra fotsiny ny kesika”, hoy ny nomarihin’ny lehilahy iray nikarakara ny hazo fitoeran-jiro efa hatramin’ny 50 taona. “Sarobidy toy ny volamena izy io.”
Milaza ny mpikaroka fa raha tsy teo ny voromahailala manga, dia ho lany tamingana ny hazo fitoeran-jiro. Mivelona amin’ny voa madinika avy amin’ny hazo fitoeran-jiro mantsy io vorona tsy mety reraka io, ka mitahiry ny sasany aminy ao anaty volonkazo sy ampanga maty. Mitsimoka ny maro amin’ireny voa madinika ireny atỳ aoriana. Amin’ny heviny iray àry dia mpamboly hazo fitoeran-jiro mazoto ny voromahailala manga! Mampalahelo anefa fa karazana voromahailala manga maro no mihalany tamingana noho ny fandripahana ny ala kesika.
Ny kompania sasany mitrandraka ala izao dia nanomboka nitsimbina faritra kely misy ala sy namboly hazo fitoeran-jiro koa tany amin’ny faritra atsimo amin’i Brezila. Midika angamba izany fa hitohy hatrany ny fisian’ny hazo fitoeran-jiro.
[Sary, pejy 19]
Misy “pinhões” hatramin’ny 150 ny voan-kesika tsirairay
[Sary nahazoan-dalana]
Hazo sy ny voany: Marcos Castelani