Iza no Mampiasa Zava-mahadomelina?
AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ATSY AFRIKA ATSIMO
“MAMPIASA zava-mahadomelina ny olona rehetra.” Mety hampiasaina hitaomana ny kely saina mba hanandrana zava-mahadomelina izany filazana amin’ny ankapobeny izany. Marina kely ihany anefa izany, arakaraka ny famaritantsika ny atao hoe “zava-mahadomelina”.
Nofaritana toy izao ilay teny hoe “zava-mahadomelina”: “Izay zavatra simika rehetra, na voajanahary izany na sentetika, ka ampiasaina mba hanovana ny zavatra tsapa, na ny toe-po na ny fiasan’ny saina.” Izany dia famaritana tsara sy ankapobe ny zava-mahadomelina misy vokany amin’ny saina, na dia tsy tafiditra amin’izany aza ny fanafody maro, izay hita fa zava-mahadomelina koa.
Zava-mahadomelina koa ny toaka, araka io famaritana io. Mampidi-doza ny fisotroana azy tafahoatra, nefa mihamitombo izany ankehitriny. Nasehon’ny fanadihadiana natao tany amin’ny lise sy oniversite tany amin’ny tany Tandrefana iray fa “ny filibana amin’ny fisotroana no olana lehibe indrindra momba ny zava-mahadomelina any amin’ny fonenan’ny mpianatra”. Nasehon’ilay fanadihadiana fa 44 isan-jaton’ny mpianatra no miliba amin’ny fisotroana.a
Azo ampiasaina ara-dalàna toy ny toaka ny sigara, na dia misy poizina nikôtinina mahery aza ao aminy. Mamono olona efatra tapitrisa isan-taona eo ho eo ny fifohana sigara, araka ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana. Manankarena sy hajain’ny fiaraha-monina anefa ireo lehiben’ny mpanao sigara. Faran’izay manandevo koa ny sigara, angamba aza mihoatra noho ny zava-mahadomelina maro.
Vao haingana ny firenena maro no nandrara ny dokam-barotra momba ny sigara sy nametraka fepetra hafa. Mbola heverin’ny maro ho fanao ara-dalàna foana anefa ny fifohana sigara. Mbola manasongadina izany ihany ny orinasa mpanao sarimihetsika. Araka ny fanadihadiana nataon’ny Oniversiten’i California, any San Francisco, momba ny sarimihetsika nahazoam-bola be indrindra teo anelanelan’ny 1991 sy 1996, dia ny 80 isan-jaton’ireo lehilahy misongadina amin’ny sarimihetsika no naseho ho mifoka sigara.
Ary ireo zava-mahadomelina “malefaka”?
Nahasoa ny maro tokoa ny fanafody, nefa mety hampiasaina tsy araka ny tokony ho izy. Mety ho mailaka loatra hanome fanafody ny dokotera indraindray, na teren’ny marary hanome fanafody tsy ilaina akory. Hoy ny dokotera iray: “Tsy dia maka fotoana iresahana amin’ny marary mba hahitana ny soritr’aretiny foana akory ny dokotera. Mora kokoa ny miteny hoe: ‘Hano ity fanafody ity.’ Tsy voatsabo anefa ilay tena aretina.”
Mety hiteraka zava-manahirana ara-pahasalamana lehibe koa ireo fanafody tsy ilana taratasin’ny dokotera, toy ny aspirinina, paracétamol (Tylenol, Panadol), raha ampiasaina tsy araka ny tokony ho izy. Maherin’ny 2 000 no maty isan-taona noho ny tsy fahaiza-mampiasa ny paracétamol.
Araka ilay famaritana etsy ambony, dia zava-mahadomelina koa ny kafeinina amin’ny dite sy kafe, na dia tsy heverintsika ho toy izany aza, rehefa misotro azy isika. Ary tsy hety koa ny hiheverana ny zava-pisotro eken’ny besinimaro, toy ny dite sy kafe, ho mitovy lenta amin’ny zava-mahadomelina mahery toy ny herôinina. Toy ny mampitovy saka kely amin’ny liona masiaka izany. Na izany aza, dia mety hanimba anao ny fahazarana misotro kafe mihoatra ny dimy kaopy sy dite sivy kaopy isan’andro, araka ny lazain’ny manam-pahaizana sasany. Raha ahenanao tampoka koa ny kafe na dite betsaka fisotronao, dia mety hahita ireo vokatry ny fialana amin’izany ianao, ka handoa sy harary andoha be ary tsy hahatanty hazavana, toy ny nanjo ny mpisotro dite iray.
Ary ireo zava-mahadomelina tsy ara-dalàna?
Vao mainka adihevitra be koa ny fampiasana zava-mahadomelina amin’ny spaoro. Nisongadina tamin’ny Tour de France 1998 izany, rehefa natsahatra noho ny fampiasana zava-mahadomelina mampitombo hery ireo mpihazakazaka am-bisikileta tao amin’ilay ekipa voalohany. Nampiasa fomba isan-karazany tsy hampahomby ny fitsirihana ny atleta. Araka ny gazety Time, dia nisy mihitsy aza nahavita “namindra pipỳ ‘madio’ an’olon-kafa ho ao amin’ny tataviany, tamin’ny alalan’ny fantsona kely, na dia manaintaina aza matetika ny fanaovana izany”.
Mbola eo koa ny karazan-java-mahadomelina maro aoka izany ampiasaina mba ‘hialana voly’. Anisan’izany ny rongony, ny ecstasy, adikantsika hoe “sambatsambatra” (méthylènedioxy-méthamphétamine), ny LSD, ny kôkainina sy ny amphétamine, ny fampitonena ary ny herôinina. Tsy hadino koa ny zavatra trohina toy ny lakaoly sy lasantsy, izay mahazatra ny tanora. Mazava ho azy fa sady tsy voarara ireny zavatra trohina ireny no mora azo.
Mety ho diso ilay fiheverana hoe olona mahia kely mitsindrona zava-mahadomelina ao anaty efitrano malotoloto iray no mpampiasa zava-mahadomelina. Maro amin’izy ireny mantsy no afaka miasa toa ara-dalàna ihany isan’andro, na dia tsy maintsy misy voka-dratsiny eo amin’ny fiainany ihany aza izy io. Tsy azontsika odian-tsy hita anefa ny lafy ratsin’ny zava-mahadomelina. Milazalaza ny mpanoratra iray fa “mahavita ‘mitsindrona’ imbetsaka ao anatin’ny fotoana fohy [ny mpampiasa kôkainina] ka manjary toy ny fatin-javatra feno diam-panjaitra sy ra ny vatany”.
Mirongatra maneran-tany indray ny fampiasana zava-mahadomelina tsy ara-dalàna, na dia toa nihena aza izany tamin’ny faramparan’ireo taona 1980. Hoy ny gazety Herinandrom-baovao (anglisy): “Mivalaketraka ny manam-pahefana noho ny fitomboan’ny fanondranana zava-mahadomelina an-tsokosoko sy ny firongatry ny fampiasana karazany maro be amin’izy io ary ny tsy fahampian’ny vola sy ny fampitam-baovao, izay ilaina mba hiadiana amin’izy io.” Milaza ny gazety The Star, atsy Johannesburg, Afrika Atsimo, fa ny “ampahefatry ny mponin’i Afrika Atsimo no mpidoroka toaka na zava-mahadomelina”, araka ny antontan’isa navoakan’ny fanjakana.
Asongadin’ny Ivon-toeram-pikarohana Momba ny Fandrosoana Sosialy ao amin’ny ONU fa “nandamina ny asany maneran-tany ny mpamokatra sy mpanondrana zava-mahadomelina an-tsokosoko, ary mametraka ny ankamaroan’ny tombom-barony any amin’ny mpitahiry vola, ka manjary voafina ny volany sady ahazoany zanabola betsaka. ... Afaka mamindra maneran-tany ny vola azo tamin’ny tsy marina, amin’ny alalan’ny ordinatera izao, ny mpanondrana an-tsokosoko zava-mahadomelina, nefa tsy hitan’ny fanjakana akory”.
Toa mikasika kôkainina isan’andro ny Amerikanina, na dia tsy fantany aza izany. Nanazava ny lahatsoratry ny Discover fa misy soritra zava-mahadomelina ny ankamaroan’ny taratasim-bolan’ny banky.
Nanjary neken’ny maro sy noheveriny ho anisan’ny fiainana andavanandro tokoa ny fampiasana zava-mahadomelina, anisan’izany ireo tsy ara-dalàna. Rehefa dinihina ny voka-dratsy, fantatry ny maro, ateraky ny zava-mahadomelina sy ny sigara sy paraky ary ny toaka, nahoana ny olona no mampiasa azy ireny? Ho tsara ny handinihana ny fiheverantsika manokana ny zava-mahadomelina, eo am-pieritreretana an’io fanontaniana io.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny filibana amin’ny fisotroana dia nofaritana ho ‘fisotroana toaka dimy vera na mihoatra indray misotro ho an’ny lehilahy, ary efatra vera na mihoatra ho an’ny vehivavy’.
[Sary, pejy 3]
Zava-manahirana lehibe any amin’ny fonenan’ny mpianatra ny filibana amin’ny fisotroana
[Sary, pejy 5]
Maro no mihevitra fa tsy manimba ny sigara sy ny zava-mahadomelina natao ‘hialana voly’