Endrika Maro Samy Hafan’i Roma
AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY ITALIA
“Heveriko fa vao tany am-piandohana, dia efa nanindrimandry an’i Romulus [lazain’ny angano fa nanorina an’i Roma tamin’ny 753 al.f.i.], ny hahatonga ilay tanàna ho renivohitra fanjakana matanjaka be.”—CICÉRON, MPIKABARY SY MPITONDRA FANJAKANA ROMANINA, TAONJATO VOALOHANY AL.F.I.
MANANA endrika maro toy ireo tanàna efa nisy hatramin’ny an’arivony taona maro i Roma, ary namela soritra ireo taonjato maro nandalo teo aminy. Ta hahita izany endrika maro izany ve ianao? Izao no fotoana mety tsara hanaovana izany, indrindra raha nasaina hanatrika ny iray amin’ireo fivoriambe iraisam-pirenena hataon’ny Vavolombelon’i Jehovah ny 10-12 Aogositra 2001 any Roma, Bari sy Turin ary Milan, ianao.
Lafiny inona amin’i Roma anefa no tianao ho hita? Ao i Roma fahiny, i Roma tamin’ny andron’ny repoblika, ary i Roma tamin’ny andron’ny emperora. Akaiky kokoa ny vanim-potoana misy antsika, i Roma tamin’ny taonjato faha-13, i Roma tamin’ny taonjato faha-14 sy i Roma tamin’ny taonjato faha-17 ary farany, i Roma maoderina. Hamaranana azy, dia ao i Roman’ny papa, i Roman’ny sarambabem-bahoaka ary i Roman’ny andriana. Misy zavatra tsy ampoizina foana na aiza na aiza ao amin’io tanàn-dehibe io.
Ilay tanàna fahiny
Vohitra iray misy trano bongo fahagola be no toerana tranainy indrindra. Toa efa taloha elan’ny taonjato fahavalo al.f.i. no nisian’izy io, eo amin’ny vohitra romanina manodidina ny lempona iray, izay toerana fitana ny onin’i Tibre tamin’izany fotoana izany. Koa satria mora fantatra be ireo faritra avo manodidina ilay toerana, dia voalaza fa ilay tanàna dia naorina teo ambonin’ny havoana fito: Quirinal, Viminal, Esquilin, Caelius, Aventin, Palatin, ary Capitole. Mbola misy ihany faritra mitondra ny anarana sasany amin’ireo, hatramin’izao.
Raha tapa-kevitra ny hitsidika an’i Roma ianao, dia aza hadinoina ny mitondra boky mpitari-dalana marina sy sarintany. Afaka ny hahazo an-tsaina ny nety ho endrik’ilay Roma fahiny, 2 000 taona lasa teo ho eo ianao.
Andao isika hitsidika ny Tsena
“Foibe nanaovana politika sy varotra ary fitsarana tany Roma fahiny, ny Tsena”, hoy ny boky mpitari-dalana iray. Ny Via dei Fori Imperiali no fidirana lehibe indrindra ao amin’io faritra io. Maro ny fiarandalamby mandeha ambanin’ny tany sy aotobisy tonga hatraty.
Anisan’ny sangan’asa malaza indrindra tavela eto amin’ity faritra ity, ny Colisée, fantatra koa amin’ny hoe Kianja Filalaovana nataon’i Flavien, mariky ny vanim-potoan’ny emperora. Mirefy 48 metatra ny haavony, mitovy amin’ny trano maoderina iray misy rihana 15. Sahabo ho 190 metatra ny lavany ary 155 metatra eo ho eo ny sakany. Misy fidirana 80 ato, ary mahazaka mpijery 55 000 izy ity! Ny emperora Vespasien no nandidy ny hanorenana azy ity tamin’ny taona 72 am.f.i. Ataovy an-tsaina izany rehefa mijoro eo akaikin’izy ity ianao. Raha mba afaka mitantara manko ireo rindrina an...
Misy zavatra hita vao haingana toa manondro fa ny zavatra babon’ny legiona romanina nentiny tao amin’ilay tanàna no nahafahana namita ilay kianja filalaovana. Izany dia taorian’ny nandreseny an’i Jodia, izay niafara tamin’ny fandravana an’i Jerosalema tamin’ny 70 am.f.i. (Matio 24:1, 2; Lioka 21:5, 6) Nisy lalao nahery setra nataon’ny gladiatera tato amin’ity kianja filalaovana ity, nandritra ny an-jatony taona maromaro. Tsy araka ny inoan’ny olona azy anefa, fa toa tsy nisy Kristianina maty maritiora tato.a
Eto akaikin’ny Colisée no misy ny Andohalambon’i Titus, izay natsangana mba hankalazana io ady io. Misy sary mampiseho ilay laharam-pandresena, miaraka amin’ny fampideraderana ireo babo jiosy sy ireo entana masina tao amin’ny tempoly, ao anatin’ilay andohalambo. Azo inoana fa nandalo teto amin’ity toerana ity mihitsy ireo Jiosy ireo!
Trano manan-tantara fahiny hafa iray, izay be mpahalala sy mahatalanjona ary mbola tsy simba koa, ny Panthéon. Tempolin’ny mpanompo sampy natokana ho an’ireo andriamanitra rehetra izy io taloha; fa eglizy katolika kosa ankehitriny. Ny emperora Hadrien (76-138 am.f.i.), izay nalaza noho ilay rindrina fiarovana naorina tany amin’ny faritra avaratr’i Angletera, no nanao io sangan’asan’ny injeniera romanina io, tamin’ny 118-128 am.f.i. Mitovy ny haavon’ilay trano boribory sy ny savaivony: 43,4 metatra.
Mampitamberina ny lasa ny Kianja Filalaovana Maximus sy ny Havoana Palatin ary toerana sy tsangambato maro samihafa. Mampahatsiahy ny renty sy ny halehiben’ilay firenena natanjaka fahenina ao amin’ny tantaran’ny Baiboly koa, ireo vatolahy sy tsangambato voasokitra fahiny, toy ny an’i Trajan sy i Marc Aurèle, izay mbola hita ao amin’ny toerana samihafa amin’ilay tanàna.
Roma tamin’ny andron’ny apostoly
Mbola hita eto Roma ihany ny ampahany tamin’ny fiainan’ny Kristianina tany am-boalohany, na tsy ela aza dia nosoloan’ny Kristianisma Anarana, ny Kristianisma tamin’ny andron’ny apostoly. Rehefa mitsidika ny Lalana Apianina isika, ohatra, ahoana moa no tsy hahatadidiantsika ny fitantarana ny amin’ny apostoly Paoly, izay naterin’ny rahalahiny kristianina hatrany amin’ilay tanàna? (Asan’ny Apostoly 28:14-16) Mila mitandrina anefa isika mba tsy hanaiky befahatany fotsiny izay lazain’ny lovantsofina. Ohatra iray ny amin’izany, ilay antsoina hoe Fonja Mamertine, eo akaikin’ny Tsena, fonja izay lazaina fa nitanana ny apostoly Petera. Tsy misy porofo ara-baiboly mihitsy anefa hoe nitsidika ilay tanàna i Petera.
Raha mbola ao amin’ilay faritra misy ny Lalana Apianina ianao, dia mety ho tianao ny hitsidika ireo fasana malaza—tionelina fandevenana an-jatony kilaometatra maromaro any ambany tany. Ireo zavatra hita mifandray amin’ny fivavahana amin’ny maty sy ny maritiora ary ireo hevitra mahakasika ny tsy fahafatesan’ny fanahy dia manondro fa tsy nanaraka akaiky ny fampianaran’i Jesosy intsony, ireo mpampiasa ireo fasana fahiny ireo.b
Fomba nanovan’ny taonjato faha-14 an’i Roma
Niova be i Roma nanomboka tamin’ny taonjato faha-14 ka hatramin’ny faha-16. Anisan’ny nahatonga izany, ny fahefana sy ny laza nihanitombo nananan’ny papa. Nisy artista sy mpanao mari-trano ary mpanao asa tanana voantso tany amin’ny lapan’ny papa. I Michel-Ange no anisan’ny nalaza indrindra tamin’izy ireny. Voatahiry ao amin’ny Tanànan’i Vatikana ny sasany amin’ireo sangan’asany. Anisan’ny malaza “Ilay Fitsarana Farany” ao amin’ny Lasapelin’i Sixtine sy ny hoso-doko nataony teo amin’ny valindrihan’izy io, izay hita rehefa miditra ao amin’ny Tranombakok’i Vatikana. Tsara homarihina fa tsy misy sarina afofandiovana “Ilay Fitsarana Farany”.
Iray amin’ireo zavakanto nataon’i Michel-Ange koa ny sarivongan’i Mosesy, ao amin’ny Eglizin’i Md. Piera Mifatotra, eto Roma. Hita taratra koa ny fiangaliny eo amin’ireo tsipirian’ny sary hoso-doko ao amin’ny Bazilikan’i Md. Piera. Misy sangan’asa maromaro ao amin’io eglizy io, anisan’izany ilay sary sokitr’i Michel-Ange hoe “Pietà”. Mampiseho ny fatin’i Kristy eo am-pofoan-dreniny izy io.
Lafin-javatra iray mahaliana ny Vavolombelon’i Jehovah ny fahitana amin’ny toerana maromaro ao amin’ilay bazilika ny Tetragrama hebreo, mampiseho ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah. Tadiavo izy io ao amin’ny fasan’i Clément XIII sy ny Lasapelin’ny Fanolorana.
Ilay Roma mahazendana araka ny rafitranon’ny taonjato faha-17
Ilay tanàna araka ny rafitranon’ny taonjato faha-17 angamba no endrik’i Roma mahazendana indrindra. “Goavana sy feno tsipiriany manaitra” ny fiangaly zavakanto sy ny rafitrano tamin’izany, hoy ny rakipahalalana iray. Nipoitra tamin’ny taonjato faha-16 izy io, ary niova indray tamin’ny taonjato faha-18. Santionan’izany fiangaly malaza izany ny mari-pahatsiarovana nataon’i Bernini ho an’ny papa Aleksandra VII ao amin’ny Md. Piera. I Bernini no artista tian’ny papa indrindra. Novany ny fiangonana, ny lapa sy ny sarivongana ary ny dobo misy rano mifantsitsitra tao Roma. Jereo ny piazza (tany malalaka) eo anoloan’ny Bazilikan’i Md. Piera, voahodidin’ny andry mitafo mahazendana nataon’i Bernini, na ny Piazza del Popolo, izay “mahaforona lalantsara lehibe manana sampany roa mifanitsy eo afovoan’i Roma”. Hita hatraiza hatraiza io fiangaly rafitrano tranainy io sy ny zavakanton’i Bernini! Aza hadinoina ny mijery ny sary vitan’ireo rano mifantsitsitra ao amin’ny Dobo Trevi na ireo dobon’i Piazza Navona toy ny Fontana dei Fiumi nataon’i Bernini (Dobon’ny Ony Efatra) sy ny Fontana del Moro (Dobon’i Maoro).
Ilay tanàna maoderina
Mahalana ankehitriny ny fanajariana ny tanàn-dehibe. Tamin’ireo taona 1930 ny tetik’asa lehibe farany, tamin’ny nanorenana ny Esposizione Universale di Roma (E.U.R.). Nokendrena hanindrahindrana ny Fasisma izy io nandritra ny fitondran’i Mussolini.
Fikasan’ny mpitantan-draharahan’ny tanàna ankehitriny ny hitahiry sy hanome lanjany araka ny tokony ho izy ny vakoka ara-javakanton’i Roma. Tsy eny an-dalana sy eny amin’ny toerana malalaka ihany no mety hahitana izany vakoka tsy hay tombanana izany, fa any amin’ireo tranombakoka maherin’ny 100 ao amin’ilay tanàna koa. Alohan’ny hitsidihana tranombakoka sy tsangambato na trano manan-tantara ary toerana nanaovana fikarohana anefa, dia fahendrena ny mijery ao amin’ny Internet na ny boky mpitari-dalana tsara iray, hahitana hoe amin’ny firy izy ireny no misokatra.
Na dia fantatra ho ny toerana misy ny Vatikana aza i Roma, dia misy fivavahana maro samy hafa eto. Misy biraon’ny Sampana sy Efitrano Fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah eto. Misy 10 000 eo ho eo ny Vavolombelona eto amin’ny tanàn-dehibe, ary mahaforona antoko-mpitory sy fiangonana 130 eo ho eo, izy ireo. Atao amin’ny fiteny 12 ireo fivoriana, ankoatra ny teny italianina. Horaisina tsara ianao any amin’ireo Sala del Regno (Efitrano Fanjakana) rehetra.
Koa na aiza na aiza tianao hotsidihina eto Roma, dia manasa anao ho tonga izahay, satria araka ny nosoratan’ilay mpanoratra alemà atao hoe Johann Wolfgang von Goethe, dia “eto Roma ihany no ahafahan’ny tena mianatra momba an’i Roma”.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny Mifohaza! (frantsay) 8 Aprily 1991, pejy faha-21-24.
b Jereo ny Mifohaza! (frantsay) 8 Aogositra 1995, pejy faha-16-20.
[Efajoro/Sary, pejy 18, 19]
BARI—Renivohitr’i Apulia Tena Maresaka
I APULIA, dia ilay faritra mahaforona ny “voditongotry” ny ‘baotin’i Italia’. (Jereo ny sarintany eo amin’ny pejy faha-14.) Ny menaka oliva sy ny divay no mampahalaza azy. Bari no renivohitr’ilay tanàna, izay misy mponina 350 000 eo ho eo. Heverina fa efa nisy hatramin’ny ela ilay tanàna, talohan’ny vanim-potoana romanina. Nisy fotoana naha teo ambanin’ny fahefana grika azy io. Ny Romanina nitsofoka tao amin’io faritra io tamin’ny taonjato fahefatra al.f.i., dia niantso ilay tanàna hoe Barium ary nanao azy io ho municipium, izany hoe, toerana nizaka tena nipetrahan’ny olom-pirenena romanina.
Nihananjary nitana toerana lehibe i Bari ho an’ireo mpankany Atsinanana, hatramin’ny Kroazada voalohany (1096 am.f.i.). Lasa toeram-piaingan’ireo sambon’ny mpanao Kroazada koa izy io.
Tanànan’i “Dadabe Noely”?
Mifandray akaiky amin’ny zava-niseho ara-tantara ireo trano tranainy lehibe indrindra ao Bari. Ny trano iray misy ifandraisana manokana amin’ny tantaran’i Bari, dia ny Basilica di San Nicola. Io Nicola io dia nolazaina fa evekan’i Myra, tanàna tany Azia Minora, tamin’ny taonjato fahefatra am.f.i. Fahiny, ny tsipirian’ny tantaram-piainan’izy io dia nifangaro tamin’ny an’ny mpitondra fivavahana hafa iray mitovy anarana aminy, velona tamin’ny taonjato fahenina. Koa nisy angano maro isan-karazany àry momba io olona io. Miantso an’io Nicola io hoe mpiaro ny ankizy ny angano iray, satria voalaza fa natsangany tamin’ny maty ny ankizy telo, izay notapatapahina sy nalonan’ny tompona hotely iray tao anaty ranon-tsira! Koa tsy mahagaga àry raha niely patrana tamin’ny taonjato faha-13 ny fankamasinana io olona io, dia fankamasinana izay mifanohitra amin’ny Baiboly. Nalaza be avy eo ny relìka nolazaina fa azy.
Araka ilay boky hoe Puglia-Dal Gargano al Salento, i Nicola, fantatra amin’ny teny latinina hoe Sanctus Nicolaus dia “lasa Dadabe Noely tany amin’ny faritra avaratr’i Alpes sy tany Amerika Avaratra tatỳ aoriana. Niova ho akanjo rebareba nisy sisiny volom-biby ny kapaotina evekany, ny satroka evekany niova ho saron-doha miray amin’ny akanjony, ary ilay olo-masina lasa lahiantitra lava volombava sy malala-tanana, miaraka amin’ny gony feno fanomezana”. Ndray! Dia i Dadabe Noely e!c
Misy trano manan-tantara hafa mahaliana koa ao amin’ilay tanàna fa ny mety hahaliana manokana ny Vavolombelon’i Jehovah, dia ny Eglizin’ny Trinite Masina sy Masindahy Cosma sy Damiano, naorina tamin’ireo taona 1960. Misy sary miloko mampiseho ny Tetragrama ny lohatranom-piangonany.
Efa nahita Trullo ve ianao?
Tsy voatery handeha lavitra an’i Bari ianao mba hahitana toerana maro be mahaliana azo tsidihina. Any Alberobello, 55 kilaometatra atsimoatsinanan’i Bari, no misy ireo trulli malaza. Trano fotsy manana endrika tsy mahazatra, misy tafo kitso loha, izy ireo. Nantsoina hoe trano lay lasa vato sy trano heva hafahafa naorina tanaty ala izy ireo. Vato nifanongoa tsy nisy rihitra no nanorenana azy ireo. Toy ny hoe tsy marin-toerana sy tsy azo antoka loatra ny fomba nanorenana azy ireo, nefa naharitra izy ireo. Maro no efa nisy hatramin’ny taonjato maro. Voaro tsara koa izy ireo, ka mangatsiatsiaka rehefa amin’ny vanin-taona mafana ary mafana rehefa ririnina.
Raha tia maka sary ianao, dia mety ho tianao ny haka sary ny Castel del Monte mahatalanjona, 40 kilaometatra eo ho eo any andrefan’i Bari. Ny Normands no nanomboka nanorina azy io tamin’ny taonjato faha-12. Milaza ny boky mpitari-dalana iray fa izy io dia “niavaka tamin’ireo lapan’andriana hafa rehetra nananan’i Frédéric II. Iray amin’ireo trano tsy ara-pivavahana be pitsiny indrindra tamin’ny taonjato faha-13 koa izy io”. Lazalazain’io boky io fa ‘mirindra tsara ny firafitr’izy io, misy ambany sy ambony rihana, samy manana efitra valo avy’. Misy tilikambo valo amin’ny zorony valo, hany ka toy ny hoe mitovy foana ny fahitana ilay lapa na avy aiza na avy aiza no ijerena azy. Mendrika ny hotsidihina ilay izy!
Misy Vavolombelon’i Jehovah 1 600 eo ho eo sy namana be dia be anisan’ireo kongregasiona 18 any Bari. Tsy andrin’ny rehetra ny handraisana ireo mpitsidika maro be ho avy amin’ireo fivoriamben’ny distrika 2001 “Mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra”, hatao ao amin’ny Kianjan’ny tanànan’i San Nicola.
[Fanamarihana ambany pejy]
c Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Martsa 1990, pejy faha-26-28, sy ny Mifohaza! (frantsay) 8 Desambra 1989, pejy faha-14.
[Sary]
Tetragrama ao amin’ny Eglizin’ny Trinite Masina sy Masindahy Cosma sy Damiano
Toerana fitsangantsanganana
Castel del Monte
Trano “trulli” any Alberobello
[Sarintany, pejy 14]
(Jereo ny gazety)
ROMA
BARI
[Sary nahazoan-dalana]
Mountain High Maps® Copyright © 1997 Digital Wisdom, Inc.
[Sary, pejy 14]
Andohalambon’i Titus, misy sary sokitra mampiseho ny fandrobana ny tempolin’i Jerosalema
[Sary, pejy 14]
Ny Colisée
[Sary, pejy 15]
Tsangambaton’i Marc Aurèle
[Sary, pejy 15]
Ny Lalana Apianina
[Sary, pejy 15]
Ny Panthéon, tempolin’ny mpanompo sampy taloha, natokana ho an’ny andriamanitra rehetra, lasa eglizy katolika ankehitriny
[Sary, pejy 16]
Tsipiriany avy amin’ny “Ilay Fitsarana Farany” nataon’i Michel-Ange, ao amin’ny Lasapelin’i Sixtine
[Sary, pejy 16, 17]
Dobon’ny Ony Efatra, nataon’i Bernini
[Sary, pejy 17]
Biraon’ny Sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah
[Sary, pejy 17]
Dobon’i Trevi
[Sary, pejy 17]
Milaza ny angano fa nampinonoin’ny amboadia, hono, i Romulus sy i Remus, mpanorina an’i Roma