FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g01 8/8 p. 26
  • Topy Maso Eran-tany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Topy Maso Eran-tany
  • Mifohaza!—2001
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahagaga fa Tsy Maty
  • Mihamafana i Tokyo
  • Aretin’ny Mpandeha Sokajy Faharoa
  • Miverina Indray ny Tety
  • Tandindomin-doza ve ny Tany?
    Mifohaza!—2008
  • Topy Maso Eran-tany
    Mifohaza!—2005
  • Aoka ny sakafonao ho azo antoka
    Mifohaza!—1990
  • Fomba Dimy Hanatsara ny Fahasalamanao
    Mifohaza!—2015
Hijery Hafa
Mifohaza!—2001
g01 8/8 p. 26

Topy Maso Eran-tany

Nahagaga fa Tsy Maty

Mitatitra ny gazety Izao Tontolo Izao (frantsay) any Paris, fa tsy niharam-pahavoazana be araka ny nampoizina ireo bibidia teo an-toerana, nandritra ireo tafio-drivotra lehibe nandrava ny alan’i Frantsa, tamin’ny Desambra 1999. Fatim-biby 20 monja (serfa lahy 10, serfa vavy 5, lambo 5) no hita tao amin’ny faritra mirefy 10 000 hektara, tao amin’ny ala rava, tany amin’ny faritra atsinanan’i Frantsa. Nisy “zavatra voajanahary mbola tsy hay hazavaina” nibaiko ireo biby, nahafahany nandositra. Angamba izy ireo niafina tao ambany hazo nianjera, na nitangorona tamin’ny toerana malalaka. Nilaza toy izao i Jean-Paul Widmer, avy ao amin’ny Biraom-pirenena Mikarakara ny Alan’i Frantsa: “Tsy fantatra tsara ny [fomba fiainan’ny] serfa sy ny lambo, raha oharina amin’ny an’ny liona sy ny bibidia hafa any an-tany lavitra.”

Mihamafana i Tokyo

“Nandritra ny taonjato faha-20, dia nihena 95 isan-jato ny salanisan’ny andro isan-taona nisian’ny maripana ambanin’ny zero tao Tokyo”, hoy ny tatitra nataon’ny gazety anglisy iray. Nandritra ireo taona 1990 dia 3,2 andro monja isan-taona tamin’ny antsalany no nisy maripana ambanin’ny zero tany Tokyo, raha 61,7 andro isan-taona izany nandritra ireo folo taona voalohany tamin’ny taonjato faha-20. Nilaza ny mpamantatra ny toetr’andro iray ela nihetezana, ao amin’ny foibe mpamantatra ny toetr’andro any Japon, fa tsy mety midina ambany be toy ny taloha intsony ny maripana, satria miakatra be ny hafanana eran-tany. Ary manahy izy fa tsy hisy intsony izany “ririnina mamirifiry” izany any Tokyo. Mihevitra io foibe io fa mety hitombo 1 ka hatramin’ny 3,5 degre ny maripana maneran-tany mandritra ny taonjato faha-21, raha mbola mihanaka be toy izao ny gaza karbonika. Ary raha mitombo 3,5 degre ny hafanana any Japon, dia hanjary hafana be toy ny any Nairobi amin’izao andro izao ny any Tokyo.

Aretin’ny Mpandeha Sokajy Faharoa

Mitatitra ny gazety anglisy iray fa tao anatin’ny valo taona lasa dia mpandeha 25 tonga tao amin’ny seranam-piaramanidin’i Narita, any Japon, no “maty noho ilay antsoina hoe aretin’ny mpandeha sokajy faharoa.” Tsy araka ny anarany anefa, fa mety hahazo ny mpandeha sokajy voalohany koa io aretina io. Mety hisakana ny fikorianan’ny ra amin’ny tongotra ny fipetrahana mandritra ny ora maro, ary mety hisy vaingan-dra hiforona. Mety hanempotra ary hahafaty mihitsy aza, raha tonga any amin’ny havokavoka ny vaingan-dra. Nilaza i Toshiro Makino, (talen’ny Sekoly Ara-pitsaboana Japoney, ao amin’ny toeram-pitsaboan’ny Seranam-piaramanidin’i Tokyo) fa mpandeha 100 ka hatramin’ny 150 isan-taona, tonga ao amin’ny Seranam-piaramanidin’i Narita, no tratran’ny endriny sasany amin’io aretina io. “Tokony hisotro rano betsaka kokoa ny mpandeha mihoatra ny adiny fito na valo, ary mila mandray fepetra fiarovana sasany. Azo atsotra sy avonkina, ohatra, ny tongotra”, hoy ny toroheviny.

Miverina Indray ny Tety

Saika efa nanjavona tanteraka tany Frantsa ny tety tao anatin’ny am-polony taona maro. Voamariky ny dokotera anefa tamin’ny taon-dasa, fa mihanaka indray io aretina azo avy amin’ny firaisana io, indrindra fa amin’ireo lehilahy miray amin’ny lehilahy na vehivavy miray amin’ny vehivavy, hoy ny tatitra nataon’ny gazety frantsay mpiseho isan’andro Le Figaro. Hita fa nirongatra tampoka toy izany koa ny tety any Irlandy sy Grande-Bretagne, tamin’ny taona 2000. Aretina ateraky ny bakteria mahatonga fery amin’ny hoditra izy io. Raha tsy raharahaina izy io eo am-piandohana ka tsy voatsabo, dia manimba ny rafi-pitatitra sy ny fo ary ny lalan-dra. Milaza ilay gazety fa mampanahy ny fipoiran’ny tety indray. “Vaovao tanteraka ho an’ireo dokotera vao misandratra mantsy ny tety, satria mbola tsy nitsabo olona voan’io aretina io mihitsy izy ireo nandritra ny fiofanana ara-pitsaboana nataony.” Mety hihevitra azy io ho aretina hafa àry ny dokotera, ka mahatara ny fitsaboana mandaitra izany. Ny fanao mampidi-doza eo amin’ny lahy sy ny vavy no ahiahin’ny dokotera manam-pahaizana manokana, ho nahatonga ny tety hipoitra indray. Atahoran’izy ireo koa noho izany, fa mety ho mialoha lalana ny “fihanahan’ny SIDA indray” izany fizotran-javatra izany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara