FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g01 8/9 p. 5-7
  • Fantaro Ireo Famantarana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fantaro Ireo Famantarana
  • Mifohaza!—2001
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Famantarana mahazatra
  • Aretin’ny fihetseham-po roa sosona
  • Inona no Hanampy An’ireo Tanora Kivy Be?
    Mifohaza!—2017
  • Nahoana Aho no Ketraka Aoka Izany?
    Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra
  • Jereo ny Fotony
    Mifohaza!—2001
  • Ahoana no Azonao Anampiana?
    Mifohaza!—2001
Hijery Hafa
Mifohaza!—2001
g01 8/9 p. 5-7

Fantaro Ireo Famantarana

“Fihetseham-po ara-dalàna sy mahasalama ny alahelo; fa aretina kosa ny fahaketrahana. Ny fahatakarana sy famantarana ny fahasamihafan’ireo no tena olana.”—Dr. David Fassler.

MISY famantarana mazava, toy ny ankamaroan’ny aretina, ny fahaketrahana. Tsy mora anefa ny mamantatra azy ireny. Nahoana? Satria mety ho kivikivy tsindraindray, toy ny olon-dehibe ihany, ny zatovo rehetra. Inona no maha samy hafa ny fahakiviana kely sy ny fahaketrahana? Ny heriny sy ny faharetany.

Tafiditra amin’ilay heriny ny fiantraikan’ny fihetseham-po ratsy eo amin’ilay tanora. Mahery lavitra noho ny fahakiviana kely ny fahaketrahana, satria aretina ara-pihetseham-po mamely mafy ka misy fiantraikany eo amin’ny fizotran’ny fiainan’ilay zatovo. Izao no fomba nilazan’ny Dr. Andrew Slaby izany: “Eritrereto izay fanaintainana mafy indrindra nanjo anao—toy ny taolana tapaka, areti-nify, mihetsi-jaza—ka ampitomboy folo izany, ary hevero hoe tsy fantatrao ny antony. Amin’izay vao mety ho takatrao kely ny fanaintainana vokatry ny fahaketrahana.”

Mifandray amin’ny faharetan’ny fotoana itrangan’ilay alahelo ilay hoe faharetany. Araka ny profesora Leon Cytryn sy Donald McKnew, dia “mety ho tratran’ny fahaketrahana ny ankizy iray izay toa tsy mety manohy ny fiainany mahazatra, aorian’ny herinandro nampaherezana azy noho izy kivy (na inona na inona antony), na aorian’ny enim-bolana nitrangan’izay heveriny hoe famoizana lehibe.”

Famantarana mahazatra

Tsy hita ny fahaketrahana raha tsy rehefa misy famantarana mitranga amin’ilay tanora miverimberina isan’andro mandritra ny tapa-bolana, fara fahakeliny. Heverina ho mandalo fahaketrahana kely izy, raha somary fohy ilay fahakiviana. Somary lehibe kosa ilay fahaketrahana raha maharitra sy mahery kokoa, ka efa herintaona, fara fahakeliny, no misy famantarana, ary tsy mihoatra ny roa volana ny fihatsarany kely. Inona avy anefa no anisan’ireo famantarana ny fahaketrahana?a

Miova tampoka ny toe-po sy toetra. Manjary sarotra ifandraisana tampoka ilay zatovo hendry teo. Matetika ny zatovo ketraka no lasa mpikomy, ary mety handositra ny tranony mihitsy aza.

Mitokantokana. Tsy miaraka amin’ny namany ilay zatovo ketraka. Na mety hihatahan’ny namany izy, satria manjary misy fihetsika na toetra tsy tian’izy ireo aminy.

Saika ny zava-drehetra no tsy mahaliana azy loatra. Tsy ta hanao zavatra ilay zatovo. Mankaleo azy ny kilalao nahaliana azy vao haingana.

Miova be ny fahazarany misakafo. Mihevitra ny manam-pahaizana maro fa matetika no mifandray amin’ny (ary mety ho vokatry ny) fahaketrahana ny aretina toy ny tsy fahazotoan-komana zary aretina, sy ny fahatendan-kanina zary aretina ary ny faniriana mafy hihinana be loatra.

Torimaso. Zara raha mahita tory na lasa be torimaso loatra ilay zatovo. Indraindray dia mifamadika ny torimasony, satria tsy matory izy ny alina, fa matory kosa ny antoandro.

Mihena ny fahaizany any am-pianarana. Tsy mahay mifanaraka amin’ny mpampianatra sy ny mpiara-mianatra ilay zatovo ketraka, ary mihena be ny naotiny. Tsy mety mandeha mianatra intsony mihitsy izy, aorian’izany.

Sahisahy manao zavatra, na mety hahafaty azy aza. Asehon’ireny ‘fisangiana fahafatesana’ ireny fa tsy dia liana amin’ny fiainana ilay tanora. Mety ho famantarana koa ny fandratrana tena (toy ny fandidiana ny hoditra).

Mahatsiaro ho tsy misy vidiny sy manamelo-tena tsy amin’antony. Mitsikera tena loatra ilay zatovo, mihevi-tena ho tsy nahomby tanteraka, na dia mifanohitra amin’izany aza ny zava-misy.

Aretina vokatry ny toe-tsaina. Mety ho famantarana ny fahaketrahana koa ny hoe marary andoha, marary lamosina, marary vavony, na ny toy izany, nefa tsy hita ny antony nahatonga izany.

Mieritreritra fahafatesana sy famonoan-tena foana. Mety hilaza fahaketrahana ny fieritreretana foto-kevitra mampihoron-koditra foana. Toy izany koa ny fandrahonana hamono tena.—Jereo ilay faritra voafefy eto ambany.

Aretin’ny fihetseham-po roa sosona

Mety ho hita ao amin’ny aretina lehibe iray hafa antsoina hoe aretin’ny fihetseham-po roa sosona, ny sasany amin’ireo soritr’aretina ireo. Araka ny Dr. Barbara Ingersoll sy Sam Goldstein, ny olona voan’ny aretin’ny fihetseham-po roa sosona dia “ketraka indraindray, ary avy eo dia falifaly loatra ary mitombo be ny tanjany, eny be loatra tsy toy ny fifaliana mahazatra.”

Ireto avy no mety ho anisan’ny famantarana an’io fifaliana tafahoatra io: eritreritra tsy voafehy, be resaka loatra, tsy dia mila torimaso intsony. Mety tsy hatory mandritra ny andro maro mihitsy aza ilay marary, nefa toa tsy reraka akory. Anisan’ny famantarana ny aretin’ny fihetseham-po roa sosona koa ny fihetsika sahisahy loatra tsy mihevitra izay ho vokatry ny atao. “Matetika ny fifaliana loatra no misy fiantraikany eo amin’ny eritreritra sy ny fomba fijery zavatra ary ny fifandraisana amin’ny olona, ka miteraka zava-manahirana sy mahasadaikatra be”, hoy ny tatitry ny Ivon-toerana Amerikanina Momba ny Fahasalaman’ny Saina. Hafiriana ny faharetan’io fihetseham-po io? Andro vitsivitsy monja indraindray; ary indraindray kosa volana maromaro alohan’ny hivadihany ho fahaketrahana.

Ny olona manana havana akaiky efa voan’ny aretin’ny fihetseham-po roa sosona no mety ho voan’izy io indrindra. Soa ihany fa azo sitranina izy io. “Raha hita aloha be ka tsaboina araka ny tokony ho izy io aretina io, dia ho afaka hanana fiainana miorina tsara tokoa ireny ankizy ireny sy ny fianakaviany”, hoy ilay boky hoe Ankizy Voan’ny Aretin’ny Fihetseham-po Roa Sosona (anglisy).

Tsara homarihina fa tsy mandeha mitokantokana ny famantarana fahaketrahana na ny aretin’ny fihetseham-po roa sosona. Matetika no fitambarana famantarana niseho nandritra ny fotoana kelikely no hamantarana azy io. Mbola eo ihany anefa ilay fanontaniana hoe: Nahoana no mahavoa ny zatovo io aretina mahavery hevitra io?

[Fanamarihana ambany pejy]

a Filazana ankapobe fotsiny ireo famantarana lazaina eto, fa tsy natao ho fitsipika hamantarana aretina.

[Efajoro, pejy 6]

ZAZA TE HO FATY

Vao haingana izay, dia maro kokoa ny tanora maty namono tena, tany Etazonia, noho ny matin’ireto aretina ireto mitambatra: kansera, aretim-po, SIDA, kilema hatrany an-kibo, fahatapahan’ny lalan-dra, pnemonia, gripa, ary aretina mpahazo ny havokavoka, araka ny Foibe Amerikanina Miady Amin’ny Aretina. Zava-misy manahiran-tsaina koa ny hoe nitombo be ireo tanora 10 ka hatramin’ny 14 taona mamono tena.

Azo sorohina ve ny famonoan-tenan’ny zatovo? Azo atao izany indraindray. “Asehon’ny antontan’isa fa matetika no efa nialohavan’ny fanandramana hamono tena na resaka sy fampitandremana” izy io, hoy ny nosoratan’ny Dr. Kathleen McCoy. “Raha vao manipy resaka kely fotsiny momba ny famonoan-tena ny zanakao, dia hevero akaiky izany, ary angamba tokony hitady fanampian’ny manam-pahaizana ianao.”

Mihabetsaka ny zatovo ketraka, ka manamafy izany fa mila mihevitra akaiky izay famantarana rehetra ny fanirian’ny tanora hamono tena ny ray aman-dreny sy ny olon-dehibe hafa. “Tsy noheverina, na natao tsinontsinona ny famantarana izay nety ho nataon’ilay zatovo, saika tamin’ireo famonoan-tena rehetra nohadihadiko”, hoy ny Dr. Andrew Slaby ao amin’ilay bokiny hoe Tsy Nisy Nahita ny Fahoriako (anglisy). “Tsy takatry ny mpianakavy sy ny namana fa goavana ireo fiovana hitany. Nifantoka tamin’ny vokany izy ireo fa tsy tamin’ilay zava-manahirana tao ambadik’izany, hany ka ‘olana ara-pianakaviana’ na ‘zava-mahadomelina’, na ‘tsy fahazotoan-komana zary aretina’ no niantsoany an’ilay izy. Indraindray dia tsy ilay fahaketrahana no notsaboina fa ny fahatezerana sy ny fikorontanana ary ny fahasosorana. Tsy afaka ilay zava-manahirana ao ambadik’izany, fa mampijaly sy mahatezitra.”

Mazava ilay hafatra: Diniho akaiky izay rehetra mety ho fikasana hamono tena!

[Sary, pejy 7]

Mety ho famantarana fahaketrahana, indraindray, ny fikomiana

[Sary, pejy 7]

Matetika ny zatovo ketraka no tsy liana amin’ireo zavatra nahaliana azy teo aloha

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara