FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g01 8/10 p. 12-14
  • Inona no Hanampy Ahy Tsy Hanahy Be Loatra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Hanampy Ahy Tsy Hanahy Be Loatra?
  • Mifohaza!—2001
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Anisan’ny fiainana ny zava-manahirana
  • “Lanjalanjao ny fanahiana”
  • Makà torohevitra
  • Aza mangataka andro
  • Toe-javatra sarotra
  • Inona no Hanampy Anao Tsy Hanahy Be Loatra?
    Foto-kevitra Hafa
  • Matio 6:34: “Aza Manahy ny Amin’ny Ampitso”
    Fanazavana Andinin-teny
  • Aza Manahy Be Loatra!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2016
  • Fanahiana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Mifohaza!—2001
g01 8/10 p. 12-14

Manontany ny Tanora Hoe . . .

Inona no Hanampy Ahy Tsy Hanahy Be Loatra?

“Anisan’ny zavatra mampanahy indrindra ny tanora ny hoavy. Manahy ny amin’ny tenanao ianao. Tokony hiala ato an-trano ve aho? Sa hanohy fianarana? Sa hanao fanompoana manontolo andro? Sa hanambady? Maro loatra ny safidy ka toa mampahatahotra anao.”—Shane, 20 taona.

MANAHY be ve ianao? Misy zavatra maro samihafa mampanahy ny tanora. Nilaza toy izao ny gazetikely iray natao hanoroana hevitra ny ray aman-dreny: “Araka ny fanadihadiana natao tamin’ny tanora 15-18 taona, vao haingana, tany amin’ny tany 41, dia ny fahitana asa tsara no mampanahy voalohany indrindra ny tanora.” Manaraka izany ny fanahiany momba ny fahasalaman’ny ray aman-dreniny. Anisan’ny zavatra mampanahy azy ireo indrindra koa ny tahotra ny mety hahafatesan’ny havan-tiany.

Hita tamin’ny fanadihadiana nataon’ny Minisiteran’ny Fampianarana Amerikanina fa tena nampanahy tanora maro tany Etazonia “ny fahazoana naoty tsara.” Nasehon’io fanadihadiana io koa fa tanora maro no manahy toa an’i Shane (voatonona tetsy am-piandohana). Hoy ny tanora hafa iray atao hoe Ashley: “Manahy ny amin’ny hoaviko aho.”

Manahy ny amin’ny hiarovana ny tenany koa ny tanora hafa. Efa ho ny 50 isan-jaton’ny tanora tany Etazonia no nahatsapa fa nihanahery setra hatrany ny ankizy tany am-pianarany, araka ny fanadihadiana natao tamin’ny 1996. Zatovo maherin’ny valo tapitrisa (37 isan-jato) no nilaza fa nahafantatra olona voatifitra!

Tsy ny fanahiana rehetra anefa no tafahoatra. Anisan’ny zavatra lehibe indrindra mampanahy ny tanora ny fifandraisany amin’ny hafa. Hoy ny gazety iray natao ho an’ny ray aman-dreny: “Manahy ireo zatovo sao tsy hanana ankizilahy na ankizivavy hiarahana, nefa ny tena ahiny kokoa aza dia hoe sao tsy hanana namana mihitsy.” Nitaraina toy izao ny tovovavy iray antsoina hoe Meagan: “Ahoana no hanananao namana raha tsy maharaka lamaody ianao?” Nilaza toy izao koa i Natanaela, tanora kristianina, 15 taona: “Manahy ny amin’ny fomba fanaovany zavatra ny ankizy any am-pianarana: ny fomba fandehany sy ny firesany ary ny fisehoany amin’ny hafa. Matahotra ny atao hoe vendrana be izy ireo.”

Anisan’ny fiainana ny zava-manahirana

Hahafinaritra raha tsy misy fanahiana mihitsy ny fiainantsika. Milaza anefa ny Baiboly hoe: “Ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana.” (Joba 14:1) Anisan’ny fiainana àry ny zava-manahirana sy ny fanahiana miaraka aminy. Mety hanimba be anao anefa ny famelana ny fanahiana sy ny fitaintainana hibahana ao an-tsainao. Mampitandrina ny Baiboly hoe: “Ny alahelo ao am-pon’ny olona dia mampitanondrika azy.”—Ohabolana 12:25. 

Mila mifehy ny fitondran-tenanao ianao, raha tsy ta hanahy amin-javatra tsy tokony hanahiana. Hoy i Ana, 16 taona: “Matahotra ny ho bevohoka na ho voan’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ny maro amin’ireo mpiara-mianatra amiko.” Tsy hanahy toy izany anefa ianao raha mifikitra amin’ny fitsipi-pitondran-tenan’ny Baiboly. (Galatiana 6:7) Tsy ny zava-manahirana anao rehetra anefa no mety ho mora takatra na ho mora alamina toy izany. Inona no hanampy anao tsy hanahy be loatra?

“Lanjalanjao ny fanahiana”

Avelan’ny sasany hanakivy azy tanteraka ny fanahiana. Nilaza anefa ny lahatsoratra an-gazety iray ho an’ny tanora fa azo ‘atao ny mandanjalanja ny fanahiana’, izany hoe ampiasaina mba hanaovan-javatra mahasoa ny fanahiana! Misy toro lalana maro hanampiana anao hanao izany ao amin’ny Baiboly. Anisan’izany ny Ohabolana 21:5, manao hoe: “Ny hevitry ny mazoto dia mampanan-karena.” Aoka hatao hoe ta hanasa namana ao amin’ny fiangonana mba hiara-mikorana aminao ianao. Tsy hanahy be loatra ianao raha mazoto mihevitra, na manao fandaharana tsara. Manontania tena hoe: ‘Iza avy tokoa moa no hasaiko? Amin’ny firy izy ireo no tiako ho tonga? Ary amin’ny firy no tiako hody? Toy inona ny habetsahan’ny tsakitsaky sy ny zava-pisotro tena ilaiko? Inona avy ny kilalao tian’ny rehetra?’ Arakaraka ny hieritreretanao tsara, no mety hampandeha tsara kokoa an’ilay fiaraha-mikorana.

Mety hiteraka fanahiana ho anao anefa ny fanasarotanao zavatra. Nanome izao torohevitra izao ho an’ny vehivavy iray nisahirana loatra mba hikarakarana ny vahininy i Jesosy: “Nefa zavatra iray loha no ilaina.” (Lioka 10:42) Koa manontania àry tena hoe: ‘Inona no tena ilaina mba hampandeha tsara ity fiaraha-mikorana ity?’ Mety hanampy anao hampihena ny fanahianao ny fanaovan-javatra tsotra.

Mety hampanahy anao koa ny fiarovana ny tenanao any an-tsekoly. Tsy dia misy azonao atao angamba mba hanovana ny toe-javatra any. Afaka manao zavatra anefa ianao mba hiarovana ny tenanao. “Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery”, hoy ny Ohabolana 22:3. Azo inoana kokoa fa tsy hisy haninona anao raha tsy mandeha any amin’ny toerana mampidi-doza ianao. Tsy ny faritra mitokana ihany no toy izany fa ireo faritra tsy voara-maso hiangonan’ny ankizy maditra koa.

Mety hampanahy koa ny entimody. Angamba ianao manana entimody maromaro tsy maintsy atao, ary manahy ianao sao tsy ho vitanao ara-potoana izy rehetra. Mahasoa ity toro lalana ao amin’ny Filipiana 1:10 ity: ‘Fantaro izay zavatra tsara indrindra’, na lehibe indrindra. Eny, fantaro izay tokony hatao voalohany! Jereo izay entimody maika indrindra, ary io no ataovy voalohany. Avy eo dia ataovy indray ilay manaraka. Ho tsapanao tsikelikely fa afaka miatrika ilay toe-javatra ianao.

Makà torohevitra

Nanahy be loatra ny amin’ny hahafahany fanadinana i Arona, fony izy mbola tanora, hany ka nanjary nanaintaina ny tratrany. Hoy izy: “Niresaka tamin’ny ray aman-dreniko aho, ka nasain’izy ireo nankany amin’ny dokotera. Hitan’ilay dokotera avy hatrany fa tsy narary fo aho, ary nohazavainy fa nisy fiantraikany teo amin’ny tenako ny fanahiana. Nampian’ny ray aman-dreniko aho avy eo hahatakatra fa efa nanao izay rehetra azoko natao aho mba hanomanana ny fanadinako, ary izay hahasalama ahy indray izao no tokony hahiko. Nisinda ny fanahiako, tsy nanaintaina intsony ny tratrako, ary vitako soa aman-tsara ny fanadinako.”

Aza kobonina ho anao irery ny fanahiana manavesatra anao. Toy izao no voalaza manontolo ao amin’ny Ohabolana 12:25, izay voasoratra kely tetsy aloha: “Ny alahelo ao am-pon’ny olona dia mampitanondrika azy; fa ny teny soa no mahafaly azy.” Rehefa mamboraka ny ‘alahelonao’ ihany ianao, vao hahazo ‘teny soa’ mampionona!

Mety ho tianao aloha ny hiresaka amin’ny ray aman-dreninao, satria mety hanome torohevitra anao izy ireo. Afaka manohana anao koa ireo olona matotra ara-panahy ao amin’ny fiangonana kristianina misy anao. Hoy i Janelle, 15 taona: “Nanahy momba ny fianarana tany amin’ny lise aho, satria natahotra hisetra ireo zavatra fahita any, toy ny zava-mahadomelina sy ny fanaovana firaisana ary ny herisetra. Tsy afaka izany raha tsy niresaka tamin’ny anti-panahy iray aho. Nomeny torohevitra azo ampiharina maro aho. Azoko avy hatrany ny aiko, satria tsapako tamin’izay fa afaka niatrika ilay toe-javatra aho.”

Aza mangataka andro

Misy zavatra ilaintsika hatao indraindray, nefa mangataka andro isika, satria tsy mahafinaritra antsika ilay izy. Tsy nifanaraka tamin’ny namany kristianina iray, ohatra, i Shevone, 19 taona. Fantany fa nila niresaka tamin’io namany io izy, nefa nangataka andro foana izy. “Arakaraka ny nangatahako andro, no vao mainka nampitebiteby ahy”, hoy izy. Tsaroan’i Shevone, avy eo ilay tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 5:23, 24, izay mampirisika ny Kristianina handamina avy hatrany ny zava-manahirana toy izany. “Maivamaivana erỳ aho”, hoy izy, “rehefa nanao izany.”

Mangataka andro ve ianao rehefa manao asa tsy mahafinaritra na rehefa mandamina fifandirana? Aza mangataka andro, amin’izay dia hihena ny zavatra mampanahy anao.

Toe-javatra sarotra

Tsy ny zava-manahirana rehetra no mora alamina. Andeha hojerentsika ny tovolahy iray atao hoe Abdur. Voan’ny kansera ny reniny, ary tsy maintsy mamelona azy io sy ny zandriny lahy izy. Ara-dalàna raha manahy ny amin’ny fahasalaman-dreniny i Abdur. Hoy anefa izy: “Noraisiko ilay torohevitr’i Jesosy hoe ‘Iza ao aminareo na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro hiainany na dia kely monja aza?’ Tsy rera-tsaina aho fa miezaka mieritreritra lalina ilay toe-javatra sy mamaritra izay zavatra tena hahasoa indrindra.”—Matio 6:27.

Tsy mora ny ho tony hatrany ao anatin’ny fahasahiranana. Manjary malahelo be ny sasany ka manao tsirambina ny tenany, sy tsy mety misakafo. Mampitandrina anefa ilay boky hoe Ampio ny Zanakao Zatovo Hiatrika ny Fihenjanana (anglisy), fa raha tsy mihinana sakafo fototra ianao dia “vao mainka tsy hahatohitra ny fanimbana entin’ny fihenjanana, sady ho mora marary.” Koa tandremo àry ny fahasalamanao. Mialà sasatra ary misakafoana tsara.

Hahita ilay fanamaivanana lehibe indrindra ianao, raha manaraka izao torohevitry ny Baiboly izao: “Apetraho amin’i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.” (Salamo 55:22) Nanahy ny amin’ny hoaviny i Shane, voatonona tetsy am-piandohana. “Nanomboka nifantoka bebe kokoa tamin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny fikasany aho”, hoy izy. Tsy ela dia takany fa hanana hoavy sambatra izy raha mampiasa ny fiainany hanompoana an’Andriamanitra. (Apokalypsy 4:11) “Tsy nanahy ny amin’ny tenako intsony aho”, hoy i Shane. “Manan-javatra lehibe kokoa hoeritreretina aho.”

Mitadiava àry fomba mahasoa hiatrehana ny zava-manahirana anao, raha manahy be loatra ianao. Makà torohevitra avy amin’ny olona matotra. Ambonin’ny zava-drehetra dia apetraho amin’i Jehovah ny fanahianao ‘fa Izy no miahy anao.’ (1 Petera 5:7) Angamba ianao tsy hanahy be loatra intsony, noho ny fanampiany.

[Sary, pejy 13]

Resaho amin’ny ray aman-dreninao ny fanahianao

[Sary, pejy 14]

Arakaraka ny handaminanao haingana zava-manahirana no tsy hampanahy anao intsony

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara