FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g01 8/10 p. 22-24
  • Tena Mahavariana ny Betsimitsitekiteky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tena Mahavariana ny Betsimitsitekiteky
  • Mifohaza!—2001
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Mpanao dity faran’izay mafy
  • Tena mahay manadio rano
  • Fahaizana hafa
  • Ny Kofehy Maditiditin’​ny Betsimitsitekiteky
    Mifohaza!—2016
  • Loha Hevitra ato Anatiny
    Mifohaza!—2016
  • Afaka ny Hiaina Firy Taona Ianao?
    Mifohaza!—2013
  • Ny Akorandriaka
    Mifohaza!—2009
Hijery Hafa
Mifohaza!—2001
g01 8/10 p. 22-24

Tena Mahavariana ny Betsimitsitekiteky

IZA moa no manao dity faran’izay mafy sady tsy simban’ny rano, tena mahay manadio rano ary mampianatra ny mpahay siansa ny fanamboarana fototarazo mihitsy aza?a Ilay biby misy akora antsoina hoe betsimitsitekiteky izany (antsoina koa hoe mody na vorôgnana izy io)!

Hita maneran-tany ny betsimitsitekiteky. Miaina any an-dranomasina ny sasany, fa ny hafa kosa any anaty renirano sy farihy. Manana akora roa mifanarona ny betsimitsitekiteky, ary misy vatana malemilemy mifono hoditra ao anatin’izy io. Toy ny biby misy akora rehetra, dia mampifangaro sokay sy rivotra maloto avy amin’ny sakafony sy ny rano itoerany io hoditra io, mba hanamboarany ilay akorany. Raha isika no ta hanao toy izany, dia tsy maintsy hihinana vato kely isika, hanova azy ireo ho fitaovana fanaovana trano, nefa ao anatintsika ao ihany. Ary rehefa avoakantsika amin’izay ireo fitaovana ireo, dia tokony hitsangana ho azy ny trano sy ny tafo! Tsy ny akoran’ny betsimitsitekiteky anefa no mahaliana ny mpikaroka, fa ny tongony.

Mpanao dity faran’izay mafy

Andramo esorina amin’ny haram-bato ange ny betsimitsitekiteky iray e, dia ho hitanao fa tena mamikitra mafy izy. Mila izany izy, mba tsy ho lasan’ny vorona noana, na ho lasan’ny onja mitopatopa. Ahoana no ahafahany mamikitra mafy toy izany? Fidiny aloha izay toerana hipetrahany, avy eo dia avoakany avy amin’ny akorany ny tongony mitovy amin’ny lela, ary apetany amina toerana mafy tsara. Mamoaka ranon-javatra hafakely izay miforona ao amin’ny tongony izy. Mihamafy haingana io ranon-javatra io ka lasa toy ny fingotra manify roa santimetatra eo ho eo. Avy eo dia mamoaka dity kely ny tendron’io fingotra io, manainga ny tongony amin’izay ilay betsimitsitekiteky, vita ny dingana voalohany. Miaraka voafehy ireo fingotra ireo, ka mampiraikitra azy tsara eo amin’ny fonenany vaovao, sahala amin’ny tady mihazona tranolay. Vita ao anatin’ny telo na efatra minitra monja izany rehetra izany.—Jereo ny kisary.

Raha mba misy moa dity mafy be toy izany, izay sady tsy misy poizina no toy ny fingotra, ka afaka mitsofoka amin’ny toerana takona sy miafina rehetra ary mifikitra amin-javatra rehetra, na dia anaty rano aza! Ho faly ny mpanamboatra sambo raha manana azy io, mba hanamboarana sambo simba eny ambonin’ny ranomasina, fa tsy ho voatery hanamaina azy io eny an-tseranana. Mila loko tsy simban’ny rano sady miaro amin’ny harafesina koa ny mpanao fiarakodia. Ho sarobidy amin’ny dokotera mpandidy ny dity azo antoka, mba hanakambanana taolana tapaka na hanakombonana fery. Ho afaka hampiasa azy io koa ny mpitsabo nify, rehefa manentsina loaka sy manamboatra nify tapaka. Toa maro be ny fomba azo ampiasana azy.

Tsy ny betsimitsitekiteky akory no tian’ny mpahay siansa ampiasaina mba hanao io dity io. Betsimitsitekiteky 10 000 vao ho ampy mba hahazoana dity iray grama monja. Ho ripaka àry ny betsimitsitekiteky, raha homena ny dity tadiaviny ireo mpitady dity rehetra maneran-tany. Karazany maro amin’ny betsimitsitekiteky anefa no efa iharan-doza. Naleon’ny mpikaroka amerikanina naka fototarazo karazany dimy avy amin’ny betsimitsitekiteky, ka nanao kopia izany mba hahazoana dity. Manamboatra dity betsaka any amin’ny laboratoara izy ireo, mba hahafahan’ny orinasa hanandrana hampiasa azy. Efa manao fikarohana momba ireo dity ireo koa ny mpahay siansa britanika. Efa lasa lavitra kokoa anefa ny betsimitsitekiteky. Izy ihany no mahay tsara ny habetsahan’ny dity ilaina ho an’ny toerana tsirairay hipetrahany. Talanjona ny manam-pahaizana antsoina hoe Roberto Frank, ka nanontany hoe: “Ahoana no hahavitana an’izany?”

Tena mahay manadio rano

Tantavanin’ny betsimitsitekiteky avy ao anaty rano ny sakafony. Misotro rano litatra maromaro isan’andro ny betsimitsitekiteky tsirairay, ary ankoatra ny sakafo na oksizenina dia mitroka loto sy poizina koa izy. Mahatonga azy ho mpanadio rano tonga lafatra izany. Tsara ampiasaina koa izy io mba hamantarana mialoha raha maloto ny rano. Nisy betsimitsitekiteky an-jatony maro, ohatra, narotsaka tao anaty ranomasina, manodidina an’i Ekofisk, toerana fitrandrahana solitany tsy lavitra ny morontsirak’i Norvezy. Isaky ny volana vitsivitsy, dia sokafan’ny mpahay siansa izy ireo ary jereny ny habetsahan’ny loto ao anatin’ny akorany, mba hahitana raha manimba ny zavamananaina an-dranomasina ny zavatra simika ariana ao. Efa hatramin’ny 1986 no nampiasana ny betsimitsitekiteky sy ny masajy tamin’ny Tetik’asa Fandinihana ny Betsimitsitekiteky, any amin’ireo ranomasina sy farihy manodidina an’i Amerika Avaratra. Afaka manara-maso ny fahadiovan’ny rano ny mpikaroka, rehefa mandinika ireo biby kely ireo isan-taona, mba hahitana raha mitombo ny zavatra simika ao anatin’izy ireo. Mitondra soa tokoa izany!

Heverina ho mpanimba zavatra fotsiny ny betsimitsitekiteky maramara. Fahita any an-dranomamy io karazany io, mitovy habe amin’ny hohon’ny fanondro, ary avy any Eoropa Atsinanana. Toa sendra tafiditra tany Amerika Avaratra izy io teo antenatenan’ny taona 1980, rehefa nisy sambo iray avy tany Atlantika nanary rano tao anaty ranomasina. Lavitra an’ireo biby mpihinana azy ny betsimitsitekiteky maramara, ka nitombo haingana tao amin’ny Grands Lacs sy ireo renirano manodidina. Noho izany, dia nanentsina fantson-drano, sy nandrakotra vatan-tsambo ary tetezana izy ireo, ka nitentina dolara an-tapitrisany maro ny zavatra simba. Nampihena ny isan’ny karazana betsimitsitekiteky hafa tamin’io toerana io koa izy ireo.

Misy mahasoa azy anefa ny betsimitsitekiteky maramara. Koa satria tantavaniny ny rano, dia afaka manadio haingana ny farihy maloto izy, rehefa mitelina ny ahidrano mitsinkafona. Mandrobona indray, noho izany, ireo zavamaniry ao anaty rano, ka lasa fialofana ho an’ireo zavamananaina hafa ao. Mikaroka fomba ampiasana io fahaizan’ny betsimitsitekiteky manatantavana io ny mpahay siansa ankehitriny, mba hanadiovana ny rano ampiasain’ny olona, na hanadiovana rano maloto mihitsy aza.

Fahaizana hafa

Fantatrao ve fa misy betsimitsitekiteky an-dranomamy mamoaka perla voajanahary, izay tena sarobidy mihitsy ny sasany? Mety ho efa nanao firavaka misy hara na nampiasa bokotra vita tamin’ny perla ianao. Mety ho avy tamin’ny betsimitsitekiteky koa ireny. Ny hara dia zavatra mangirana mitovy loko amin’ny avana, alaina avy ao anaty akorana betsimitsitekiteky. Matetika izy io no ampiasaina mba hahazoana perla hafa. Alaina avy ao anaty akorana betsimitsitekiteky ny vongana hara kely, dia apetraka ao anaty masajy. Avy eo, dia fonosin’ilay masajy amin’ny hara izy io, ka lasa perla amin’ny farany.

Tena fihinana ny betsimitsitekiteky sasany! Ankafizin’ny olona hatramin’ny ela ny henany, izay sady matsiro no be otrik’aina, ary andrahoina amin’ny fomba isan-karazany. Mety hihinana moules marinière ianao, any amin’ny Frantsay. Izy io dia betsimitsitekiteky andrahoina miaraka amin’ny divay fotsy sy tongolo. Ataon’ny Espaniola be fangarony ny azy, ary antsoiny hoe paella. Aroson’ny Belza ao anaty vilany be sady mbola mafana kosa ny azy, ary ampiarahiny amin’ny ovy endasina. Raharaham-barotra lehibe maneran-tany ny fanangonana betsimitsitekiteky, na dia mbola misy manao izany koa aza ny orinasa madinika, any amin’ny firenena eoropeanina sasany. Misy fampitandremana kely anefa ity: Raha ta hanandrana an’io sakafo matsiro io ianao, dia ataovy azo antoka hoe madio ilay betsimitsitekiteky, ary aza mitsimpona azy io eny amin’ny torapasika mihitsy, raha tsy azonao antoka ny fahadiovan’ilay rano.

Iza moa no mahalala izay mbola zava-miafin’ny betsimitsitekiteky? Lazaina mantsy fa afaka miaina mihoatra ny zato taona ny sasany aminy! Tena kely ny fony ary tsy miloko ny rany. Tsy manana atidoha anefa izy. Ahoana àry no anaovany ireo zava-mahagaga voalaza rehetra ireo? Mamaly toy izao ny Baiboly: “Makà saina amin’ny tany, dia hampianatra anao izy, ary ny hazandrano any an-dranomasina hampahalala anao. Iza no tsy mahalala, raha mandinika ireny rehetra ireny, fa ny nanao izany dia ny tànan’i Jehovah?”—Joba 12:8, 9.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ny sela no zavatra bitika indrindra ao anatin’ny zavamananaina rehetra. Ka ao anatin’ny sela no ahitana ny fototarazo, izay miantoka ny famindrana ny toetra lovana.

[Efajoro, pejy 24]

Ilay Mpanamboatra Fototarazo

Miaina any amin’ny fanambanin’ny ranomasina ny karazana betsimitsitekiteky sasany. Faran’izay ratsy ny toerana misy azy ireo, dia ny tendrombohitra ambanin’ny Ranomasina Atlantika. Rehefa lohataona mantsy, dia mamoaka poizina ireo lavaka ambanin’ny ranomasina, ka manimba hatrany ireo fototarazon’ilay betsimitsitekiteky. Voamboatran’ny betsimitsitekiteky foana anefa izany, noho ny zavatra simika manokana ao anatiny. Mandinika ireo zavatra simika ireo ny mpahay siansa, satria manantena ny hahita fomba hanamboarana ny fototarazon’ny olombelona, simban’ny aretina na ny fahanterana.

[Kisary/Sary, pejy 23]

(Jereo ny gazety)

Fomba Ipetahan’ny Betsimitsitekiteky

Tongotra

tahony

fehezana fingotra

fingotra

Dity

[Sary, pejy 22]

Tena mahay manadio rano ny betsimitsitekiteky

[Sary nahazoan-dalana]

Ontario Ministry of Natural Resources/Michigan Sea Grant

[Sary, pejy 23]

Betsimitsitekiteky maitso

Betsimitsitekiteky manga

Betsimitsitekiteky maramara

Betsimitsitekitekin’i Kalifornia

Betsimitsitekiteky Villosa iris

(Tsy io no tena haben’ny betsimitsitekiteky)

[Sary nahazoan-dalana]

Maitso: Courtesy of Mote Marine Laboratory; maramara: S. van Mechelen/University of Amsterdam/Michigan Sea Grant; betsimitsitekiteky villosa iris sy ny eo ankavia: © M. C. Barnhart

[Sary, pejy 24]

“Paella”, sakafo espaniola be fangarony sady misy betsimitsitekiteky matetika

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara