Fantatrao Ve?
(Mamaly ireto fanontaniana ireto ny andinin-teny eo akaikiny; ary hita ao amin’ny pejy faha-31 ny valiny. Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny boky “Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina” [frantsay], navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.)
1. Araka ny nolazain’i Petera, inona no toetra tsy maintsy asehon’ny olona iray, raha tiany ny hanehoan’Andriamanitra hatsaram-panahy tsy manam-paharoa? (1 Petera 5:5)
2. Iza ireo lehilahy roa niady ny fanjakana, nandritra ny ady an-trano efa-taona, rehefa avy nanjaka fito andro monja i Zimry, mpanjaka fahadimy teo amin’ny Isiraely? (1 Mpanjaka 16:21)
3. Inona no natahoran’ny Isiraelita, ka nahatonga azy ireo tsy nety niditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina? (Nomery 13:28, 31-33; Deoteronomia 1:28)
4. Inona ilay anaram-bola hebreo sarobidy indrindra, izay sady nampiasaina koa hanondroana lanja? (Ezra 8:26)
5. Inona no antony mody nampiantsoan’i Feliksa an’i Paoly? Inona anefa no tena notadiaviny? (Asan’ny Apostoly 24:24-26)
6. Ahoana no niantsoan’i Jesosy ny tenany sy ny mpanara-dia azy? (Matio 5:14; Jaona 8:12)
7. Ahoana no iantsoana an’i Jesosy, saingy tsy iantsoana ny mpanara-dia azy? (Matio 23:10)
8. Inona no teny nampiasain’i Jakoba mba hanondroana ny laza, ny fahamboniana, ary ny hery? (Jakoba 4:1)
9. Inona no fitaovana fanaovan-trano nampiasaina be indrindra nanorenana ny lapa persanina tany Sosana? (Estera 1:6)
10. Inona avy ireo zavatra telo eo amin’izao tontolo izao nolazain’i Jaona hoe “tsy avy amin’ny Ray”? (1 Jaona 2:16)
11. Inona no mampiseho ny famonjena, amin’ireo fiadiana ara-panahy notanisain’i Paoly? (Efesiana 6:17)
12. Iza no nanome voninahitra ny zanany lahy mihoatra noho i Jehovah? (1 Samoela 2:27-29)
13. Inona no litera fahadimy amin’ny abidy hebreo? (Salamo 119:33)
14. Tamin’ny volana inona amin’ny kalandrie jiosy no nanombohan’i Solomona nanorina ny tempoly? (1 Mpanjaka 6:1)
15. Iza ilay mpaminany kristianina nilaza mialoha ny hisamborana an’i Paoly? (Asan’ny Apostoly 21:10, 11)
[Efajoro, pejy 31]
Valin’ny Fanontaniana
1. “Fanetren-tena”
2. Tibny sy Omry
3. Ny “olona vaventibe” sy ny herin’ny mponina.
4. Talenta
5. Hihaino momba ny “finoana an’i Kristy Jesosy”; tsolotra
6. “Fahazavan’izao tontolo izao”
7. Mpitarika
8. ‘Filana’
9. Marmora, na marbra
10. “Ny filan’ny nofo” sy “ny filan’ny maso”, ary “ny rehaka momba izao fiainana izao”
11. Ny fiarovan-doha
12. Ely mpisoronabe
13. Heʼ
14. Ziva
15. Agabo