Topy Maso Eran-tany
Mila Mahafantatra ny Fahazarana Mijery Televiziona ve ny Dokotera?
Nilaza ny antokona dokoteran-jaza any Espaina fa tokony homarihin’ny dokotera koa ny fahazaran’ny ankizy mijery televiziona. Araka ny gazety espaniola iray, dia mihevitra ireo dokotera ireo fa tokony ho fantany hoe adiny firy isan’andro ny ankizy tsaboiny no mijery tele, fandaharana inona no jereny, ary miaraka amin’iza. Nahoana? Satria, nahariharin’ny fanadihadiana nataon’izy ireo, fa ny fijerena tele dia mahatonga ny ankizy tsy hihetsika firy sy ho tia ady ary ho te hividividy zavatra. Mihena koa ny fahaizany any am-pianarana, ary mety hanjary handevozin’ny tele izy. “Manoro hevitra ireo dokoteran-jaza mba tsy hametrahan’ny ray aman-dreny tele ao amin’ny efitrano fandrian’ny ankizy na any amin’ny toerana ahafahan[’ny ankizy] mijery izay tiany”, hoy ilay gazety. “Tsy tokony hijery tele izy ireo, rehefa misakafo. Tokony hoferan’ny ray aman-dreny ho latsaka ny adiny roa isan’andro ny fotoana ijeren’ny zanany tele, nefa vao mainka tsara raha latsaka ny adiny iray ilay izy.”
Ny Fitomboan’ny Isan’ny Mponina any Chine
“Mahatratra 1,26 arivo tapitrisa ny isan’ny mponina any Chine. Mihaela velona kokoa sy mahita fianarana kokoa izy ireo, ary mipetraka an-tanàn-dehibe ny ankamaroany”, hoy ny masoivohom-baovao iray. Nolazain’i Zhu Zhixin, talen’ny Biraom-pirenena Momba ny Statistika, fa hatramin’ny 1990, dia nitombo 132,2 tapitrisa ny isan’ny mponina. Nanomboka tamin’ny faramparan’ireo taona 1970, i Chine dia namoaka lalàna iray momba ny fandrindram-piterahana, ka ferana ho iray ny isan’ny zaza hateraka. Miadana kokoa ny fitomboana vokatr’izany, ka eo amin’ny 1,07 isan-jato isan-taona izany. Manahy anefa ny manam-pahefana, satria nasehon’ilay fanadihadiana natao tamin’ny 1999, fa raha 117 no isan’ny zazalahy teraka, dia 100 kosa ny zazavavy, satria nesorina raha mbola tany am-bohoka angamba. “Manahy ireo manam-pahaizana momba ny fiaraha-monina hoe, satria betsaka kokoa ny zazalahy noho ny zazavavy teraka, dia mety tsy ho ampy ny vehivavy hovadina ary hihabetsaka ny olona hankany amin’ny mpivaro-tena. Mety hihamaro koa ny vehivavy halaina an-keriny sy hamidy mba hovadina”, hoy ilay tatitra.
“Harena Ambanin’ny Tany”
Vita sarintany ilay tahirin-drano ambanin’ny tany antsoina hoe Guarani. Izy io no lehibe indrindra any Amerika Atsimo. Naharitra fito taona io tetik’asa io ary notanterahin’ny mpikaroka maromaro, notarihin’i Heraldo Campos, manam-pahaizana momba ny rano ambanin’ny tany. Ao ambany tanin’i Brezila, i Orogoay, i Paragoay, ary i Arzantina no misy azy io. Manana velarana 1,2 tapitrisa kilaometatra toradroa eo ho eo izy io, ary tombanana ho 40 000 tapitrisa tapitrisa litatra ny habetsahan’ny rano ao aminy. Milaza ny tatitra nataon’ny Sampan-draharaha Misahana ny Tontolo Iainana Maneran-tany fa “ampy ho an’ny mponina rehetra any Brezila, mandritra ny 3 500 taona, ilay tahirin-drano ankehitriny.” Mety ho azo tovozina io “harena ambanin’ny tany” io, mba hisakanana ilay faritra tsy ho tonga efitra. Mety ho azo ampiasaina ho loharanon-kery koa io rano io, satria mafana. Koa satria vita sarintany ilay tahirin-drano, dia manantena ireo mpikaroka fa ho azo arovana ireo faritra iavian’ny ranony, mba tsy ho voaloton’ny fanafody fiarovam-boly sy ny zezika.
Mitombo Ireo Voan’ny Kanseran’ny Hoditra
Nihabetsaka ny isan’ny olona voan’ny mélanome, araka ny sampan-draharahan’ny filazam-baovao espaniola iray. Io no kanseran’ny hoditra mahery vaika indrindra. Olona 1 isaky ny 1 500 no voan’izy io, teo antenatenan’ny taonjato faha-20. Tamin’ny taona 2000 anefa, dia nitombo io isa io, ka olona 1 isaky ny 75 no voa, ary ny fitiavana mitanina andro tafahoatra no tena nahatonga izany. Nolazain’ny Pr. John Kirkwood tamin’ny fivoriambe nataon’ny Fikambanana Eoropeanina Momba ny Fitsaboana Homamiadana, fa nanaranaka io kansera io tamin’ny 40 isan-jaton’ny olona voa, fa ny 60 isan-jaton’izy ireo kosa dia voan’izany, satria nitanina andro be loatra. Ny vehivavy 23 ka hatramin’ny 50 taona no tena voan’izy io. Nohazavain’ny Pr. Kirkwood fa mety hanova ny selan’ny hoditry ny zaza na ny an’ny tanora ny tara-masoandro, nefa mety tsy hipoitra ilay kansera raha tsy taona maro atỳ aoriana. “Tadidin’ny hoditra ny habetsahan’ny tara-masoandro voarainy”, hoy izy.
Siramamy Lasa Plastika
Nahita karazana bakteria vaovao izay mahay manova siramamy ho plastika, ny mpahay siansa ao amin’ny Fikambanana Brezilianina Momba ny Fikarohana Ara-teknolojia. Tsy afaka mandevona sy manodina siramamy ho zavatra hafa ireo bakteria hita teo aloha, raha tsy efa notapatapahina ho môlekiola kely kokoa aloha ny siramamy. Ilay bakteria hita vao haingana kosa dia afaka manova avy hatrany ny siramamy, araka ny nolazain’ny injeniera Carlos Rossell. Rehefa omena siramamy be loatra ilay bakteria, dia havadiny ho potika plastika kely ny ambiny, izay levona ho azy rehefa ela ny ela. Levonin’izy ireo amin’ny ranoka iray ny bakteria, mba hahazoana an’ilay plastika. Araka ny mpikaroka, dia “plastika iray kilao no azo avy amin’ny siramamy telo kilao”, hoy ny gazety brezilianina iray.
Manadonto ny Saina ny Sakafo Matavy
“Mety hanentsina ny selan’ny atidohanao sy ny mpaneliràn’ny fonao ny sakafo matavy”, hoy ny gazetiboky Mpahay Siansa Vaovao (anglisy). Te hahafantatra ny vokatry ny sakafo matavy loatra eo amin’ny atidoha, ny mpahay siansa any Kanada, ka nomeny sakafo be menaka ny voalavo iray volana, nandritra ny telo volana. Nofahanany sakafo tsy natavy kosa ny voalavo hafa. Samy nampianarina zavatra ireo voalavo ireo taorian’izay. Inona no vokany? “Ambany lavitra noho ny fahaizan’ireo voalavo nahia” ny fahaizan’ireo nihinana sakafo be menaka. Hoy ilay mpikaroka atao hoe Gordon Winocur: “Mampihena saika ny fahaizana rehetra ny sakafo matavy. Tena mahagaga ny tsy fahaizan’ireo biby ireo.” Araka ilay gazetiboky, dia heverin’ireo mpikaroka fa “mahatonga ny atidoha tsy hahazo gliokaozy ny menaka, satria mety hanakantsakana ny asan’ilay hôrmônina, izay mahatonga ny habetsahan’ny siramamy ao amin’ny ra ho ara-dalàna.”
Varotra Fitaovana Fampijaliana
“Mitombo ny varotra fitaovana fampijaliana”, hoy ny gazety alemà iray. Araka ny fikambanana momba ny zon’olombelona Amnesty International, dia orinasa 150 maneran-tany no lazaina fa mandray anjara amin’io varotra maharikoriko io. Anisan’izany ny orinasa 30 any Alemaina sy 97 any Etazonia. Ankoatra ny gadra vy atao amin’ny tongotra na ny rojo misy kinifinifiny apetraka amin’ny ankibe, dia mivarotra fitaovana mamoaka herinaratra mahery koa izy ireo. Ny orinasa iray any Etazonia dia voalaza fa mivarotra fehikibo baikoina avy lavitra, izay mandefa herinaratra mahatratra 50 000 volts ao amin’ilay olona ametrahana azy io. Tian’ny mpampijalijaly indrindra ny fitaovana ary fomba toy ireo, satria saika tsy mamela soritra amin’ny vatana.
Hala ao Anatin’ny Orampanala
Nikaroka hala foza ilay alemà atao hoe Peter Jaeger, mpikaroka avy amin’ny oniversiten’i Mayence, ka nahita karazany 50 vaovao. “Afaka miaina tsara ao anatin’ny orampanala sy ny ranomandrin’ny tendrombohitr’i Himalaya, eny amin’ny toerana avo mahatratra 3 800 metatra”, ireo hala foza ireo, hoy ny gazety iray any Inde. “Na dia mety hahatratra efatra santimetatra aza ny habeny, dia tsy mampidi-doza ho an’ny olombelona ireo hala foza goavana.” Miafina ao anatin’ny tsefatsefaky ny vatolampy na eo ambanin’ny hodi-kazo izy ireo, ary mihinana bibikely, izay mora tratrany noho izy matsilo sofina. Nahoana moa ny hala foza no tsy matin’ny hatsiaka amin’ny ririnina? Tsy mitovy amin’ny hala any an-tany mafana ny hala any Himalaya fa, misy “ranoka tsy mampivaingana” ao anatiny. “Mitahiry alkaola mahery ao anatin’ny vatany izy ireo, ka tsy maty, na dia latsaka ny zero degre aza ny mari-pana.”
Ny Fanamboloana sy ny Aretina
Ny fizahana fanamboloana dia mety hahafantarana mialoha raha voan’ny aretina toy ny Parkinson sy ny Alzheimer ny olona iray, hoy ny gazetiboky alemà ara-tsiansa iray. Vao manomboka voan’ny Parkinson ny olona dia efa tsy miasa tsara intsony ny orony. Noho ny asan’ny Pr. Gerd Kobal, dia hita izao ny fomba iray hamantarana ny fihenan’ny fanamboloana. Tsy miseho ireo soritr’aretina mihariharin’ny Parkinson, toy ny fangovitana sy ny fihenjanan’ny hozatra, raha tsy efa nihombo ilay aretina. Amin’ny alalan’io fizahana fanamboloana io anefa, dia efa azo fantarina mialoha raha tsy miasa tsara ny orona. Azo tsaboina ny olona voan’ny Parkinson amin’izay. Koa mety hahita fitsaboana hanemorana ny fihomboan’io aretina tsy ahitam-panafana ankehitriny io àry ny dokotera.
Sakafo Ariana
“Tsy mampino ny habetsahan’ny sakafo ariana amin’ny lanonam-panambadiana na amin’ny lanonam-be hafa”, hoy ny gazety japoney iray. Nisy fanadihadiana nataon’ny fitondram-panjakana momba ny sakafo nariana. Hita tamin’izay fa narian’ireo tokantrano ny 7,7 isan-jato tamin’ny sakafony. Ny mpivarotra sakafo dia nanary 1,1 isan-jato, ary ny hotely fisakafoana kosa 5,1 isan-jato tamin’ny sakafo tsy nandrahoiny. Kanefa, “15,7 isan-jaton’ny sakafo no nariana, tamin’ireo lanonam-be nisy sakafo samy maka izay tiany.” Nolazain’ilay gazety koa fa saika ny 24 isan-jato tamin’ny sakafo nomanina ho an’ny lanonam-panambadiana no “tsy lany na nariana.” Ireo orinasa mpanamboatra sakafo ihany no “saika tsy nanary sakafo mihitsy.”