Mamaky Teny ho An’ny Zanakao ve Ianao?
“Nanatona ahy izy ary nisisika teo am-pofoako. Notaritiny ilay boky, efa misy miforitra ny sisiny sady mihosina diberam-boanjo, ka hoy izy tamiko ... ‘Ampianaro hamaky an’ity aho, Dada a, ampianaro hamaky an’ity aho.’”—Dr. Clifford Schimmels, manam-pahaizana momba ny fampianarana.
KINGA saina ny ankizy. Asehon’ny fikarohana fa raha mbola latsaka ny telo taona ny ankizy no mitombo haingana be ny sainy. Mandray anjara tena lehibe amin’ny fitomboan’ny zanaka, izay ataon’ny ray aman-dreny ho azy isan’andro, toy ny mamaky teny sy mihira ary manambitamby. Hita tamin’ny fanadihadiana iray anefa fa tokony ho ny antsasak’ireo manan-janaka roa taona ka hatramin’ny valo taona ihany no mamaky teny ho an-janany isan’andro. Mety hanontany tena àry ianao hoe: ‘Tena mahasoa ny zanako tokoa ve ny famakiako teny ho azy?’
Ampianaro ho tia mamaky teny izy ireo
Mahasoa ny famakian-teny, hoy ny manam-pahaizana. Milaza toy izao ilay boky hoe Mba ho Firenena Mpamaky Teny (anglisy): “Ny hany zava-dehibe indrindra tokony hatao dia ny famakiana teny ho an’ny ankizy, raha tiana ny hahaizany hamaky teny tsara. Tena tsara raha alohan’ny hidirany hianatra no anaovana izany.”
Rehefa mihaino tantara avy amin’ny boky ny ankizikely dia mianatra sahady fa mitovy ny litera voasoratra sy ny teny lazaina. Manjary mizatra amin’ny fomba filaza hevitra ao amin’ny boky koa izy ireo. Hoy ny boky iray fianarana mamaky teny: “Toy ny mandefa hafatra ‘mahafinaritra’ any amin’ny atidohan’ny ankizy isika isaky ny mamaky teny ho azy. Azo lazaina hoe dokam-barotra mihitsy aza izy io, mba hanintonana ny ankizy hahita fahafinaretana amin’ny boky sy gazety.” Raha mampirisika ny zanany ho tia mamaky teny ny ray aman-dreny, dia ho mpankafy boky izy ireo na dia rehefa lehibe aza.
Ampio izy ireo hahafantatra ny manodidina azy
Sarobidy ny famakian’ny ray aman-dreny teny ho an-janany, satria ahafantaran’ny zanany olona sy toerana ary zavatra. Afaka “mitety” an’izao tontolo izao ao amin’ny pejin’ny boky izy ireo, nefa tsy nandany vola be loatra. Namaky boky tamin’i Anthony, roa taona, ny reniny, nanomboka tamin’izy vao teraka. Hoy ny reniny: “Efa fantany ireo biby, na dia vao voalohany aza no nitondrana azy tany amin’ny toeram-pijerem-biby.” Efa fantany hoe? Eny, satria efa noresahina taminy ny zebra sy ny liona sy ny zirafy ary ny biby hafa, na dia tamin’izay aza izy vao nahita maso azy ireny.
Hoy ihany ny reniny: “Faly i Anthony nahafantatra olona sy biby sy zavatra ary hevitra maro be, avy tao anatin’ny boky isan-karazany, talohan’ny faharoa taonany.” Anisan’ny manampy ny ankizy hahafantatra ny tontolo misy azy ny famakiana teny ho azy dieny mbola kely izy.
Ataovy izay hifandraisana akaiky
Mandritra ny fahazazany ny ankizy no mamboly ny toetra hoentiny amin’ny fiainany. Ilain’ny ray aman-dreny àry ny manorina fifandraisana akaiky misy fifampitokisana sy fifanajana ary fifankahazoana. Afaka manampy amin’io lafiny io ny famakian-teny.
Rehefa maka fotoana hamakiana teny ho an’ny zanany sy hisakambinana azy ny ray aman-dreny, dia toy ny milaza aminy hoe: “Tiako ianao.” Izao no lazain’i Phoebe, momba ny famakiany teny ho an’ny zanany lahy, valo taona ankehitriny: “Mino izahay mivady fa io no tena nahatonga an’i Nathan hiraiki-po taminay. Tsy mihafahafa aminay izy, ary lazainy aminay foana ny fihetseham-pony. Nanjary nifankatia kokoa izahay noho izany.”
Namaky teny ho an’ny zanany vavy foana i Cindy, hatramin’izy io herintaona teo ho eo ka efa nahay nipetraka sy nihaino nandritra ny iray na roa minitra. Nisy vokany ihany ve ny fotoana lany sy ny ezaka nataony? Hoy i Cindy: “Atao mahafinaritra sy tony fotsiny ny famakian-teny miaraka amin’i Abigail, dia tantarainy daholo ny nataony tany am-pianarany sy ny adiadiny tamin’ny namany. Iza no ray aman-dreny tsy haniry hahita vokatra toy izany?” Tena mampifankatia ny ray aman-dreny sy ny zanaka tokoa ny famakian-teny.
Ampio izy hanana ny fahaizana ilainy
Izao no lazain’ilay boky hoe Fomba 3 Hananana Fianakaviana Vanona (anglisy): “Maro loatra ny fianarana ratsy azon’ny ankizy avy amin’ny tele sy ny zavatra hafa, ka tena mila sakafon-tsaina, fanazavana tsara, fahendrena, ary toro lalana azo antoka izy ireo. Hanampy azy ho tsara toetra sy hijery ny fiainany araka ny tokony ho izy, izany.” Ny ray aman-dreny indrindra no afaka manome izany fanampiana tsara sy mahasoa izany.
Mety hahay haneho ny heviny kokoa, am-bava sy an-tsoratra, ny ankizy, rehefa zatra an’ireo fehezanteny lava sy mirindra tsara ao anaty boky. Hoy i Dorothy Butler, mpanoratra ilay boky hoe Mila Boky ny Zaza (anglisy): “Mahay misaina kokoa ny olona raha mahay miresaka. Ny fiteny no tena fototry ny fahaizana sy ny fahalalinan-tsaina.” Ny fahaizana miresaka no fototry ny fifandraisana tsara.
Afaka manatsara ny fitondran-tena sy mampitombo ny toetra tsara koa ny famakiana boky tsara. Manampy ny zanaka hahay handamina zava-manahirana ny fiarahan’ny ray aman-dreny mamaky teny sy manjohy hevitra aminy. Rehefa mamaky teny ho an’i Abigail zanany i Cindy, dia dinihiny tsara ny fihetsiny amin’ireo toe-javatra ao amin’ilay tantara. “Manjary fantatray ray aman-dreniny kokoa ny toetrany miafina, ary manantena izahay fa ho afaka hanampy azy hisoroka mialoha ireo eritreritra ratsy.” Tena mampianatra ny fo sy ny saina tokoa ny famakian-teny ho an’ny ankizy.
Ataovy mahafinaritra ny famakian-teny
Aoka ianao ho “tsara fanahy” rehefa mamaky teny, ka ataovy mampahazo aina sy mahafinaritra ilay izy. Fantatry ny ray aman-dreny hendry ihany rehefa tokony hajanona ilay famakian-teny. Hoy i Lena: “Reraka be i Andrew indraindray ka tsy mipetraka ela, satria vao roa taona. Hafohezinay araka izay mety aminy ny famakian-teny. Tsy manery an’i Andrew hihaino mihoatra ny fotoana ahafahany mifantoka izahay, satria tsy tianay hihevitra izy hoe tsy mahafinaritra ny famakian-teny.”
Tsy famakiana fotsiny izay voasoratra akory ny vakiteny. Mila ny hofantarina koa ny fotoana mety hamadihana ny pejy misy sary, mba hahatonga ilay vakiteny hahaliana foana. Miankina amin’ilay lahatsoratra no amakiana azy miadana na haingana. Mahavelombelona an’ilay tantara koa ny fanovaovam-peo sy ny fanamafisana. Hahatsapa filaminan-tsaina ny zanakao raha malefaka ny feonao.
Feno ny soa azo rehefa mandray anjara koa ny zanakao. Miatoa tsindraindray ka mametraha fanontaniana kely. Itaro ny valin-tenin’ny zanakao ka milazà hevitra maromaro.
Fanteno ny boky ampiasainao
Ny fahaizana mifidy boky angamba no tena zava-dehibe indrindra. Mila fikarohana kely ny fanaovana izany. Fanteno tsara ireo boky, ka izay mahasoa sy ahitana fianarana ary misy tantara azo andraisana lesona ihany ampiasaina. Diniho ny fonon’ilay boky, jereo ny sary ao ary ny fomba fanoratra amin’ny ankapobeny. Fanteno izay boky mahaliana anao sy ny zanakao. Matetika ny ankizy no mangataka ny hamerimberenana tantara iray.
Tian’ny ray aman-dreny maro ilay boky hoe Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly.a Natao mba hovakin’ny ray aman-dreny miaraka amin’ny zanany izy io, ka sady manampy ny ankizy hahay hamaky teny tsara no mahatonga azy ho liana amin’ny Baiboly koa.
Mampianatra ny zanany ho zatra mamaky teny tsara ny ray aman-dreny raha mamaky teny ho azy, ary hisy vokany mahasoa mandritra ny fiainana izany. Hoy i JoAnne momba ny zanany vavy: “Tsy vitan’ny hoe nahay namaky teny sy nanoratra ary tia mamaky teny i Jennifer, talohan’ny nidirany nianatra, fa ny tena zava-dehibe indrindra, dia nanjary tena tia an’i Jehovah, ilay Mpamorona Lehibe, izy. Nianatra nitoky tamin’ny Baiboly i Jennifer, mba hitarika azy amin’ny fanapahan-kevitra rehetra ataony.” Raha manampy ny zanakao ianao, dia izay ho tiany no zava-dehibe kokoa noho izay ho hainy.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
[Efajoro/Sary, pejy 18]
Rehefa Mamaky ho An’ny Zanakao
• Atombohy dieny mbola tena kely izy.
• Omeo fotoana hiomanana izy mba ho vonona tsara amin’ilay vakiteny.
• Tantara mahaliana anareo vakina.
• Mamakia matetika araka izay vitanao, ary asio fihetseham-po ilay izy.
• Ametraho fanontaniana ny zanakao mba handraisany anjara.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 17]
Sary nalaina tao amin’ny Wildlife Conservation Society’s Bronx Zoo